Vaovao Eto anTOerana.VETO

Tandrovy ny teny malagasy: fanagasiana, anaran-tsamirery

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 07:08

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin’ilay lalao iraisan’ny mpamaham-bolongana teny malagasy mitondra ny lohateny amin’ny ankapobeny manao hoe : “Aza ampijaliana ny teny malagasy”. Na dia efa elaela ihany aza izy io no natomboka ataoko fa mbola ao anatin’ny iray volana fanatanterahana azy indrindra aho amin’izao fotoana izao. Na tratra aoriana aza moa tsy mampaninona izany fa fanabeazam-boho ny fahalalàna ny teny malagasy rahateo.

 

Miompana amin’ny anaran-tsamirery ny bolongako amin’ity taranja ity. Asa na noho ny tsy fahalalana na noho ny fahadisoana fanaon’ny haino aman-jery omban-gazety matetika fa betsaka ihany izany fahadisoana amin’ny anaran-tsamirery izany. Ny olana angaha dia ny mety ho fanagasiana ny teny vahiny. Raha manoratra ny anaran’i Europe amin’ny teny malagasy aho ohatra dia misolo o ny u amin’ny ankapobeny. Noho izany dia lasa Eoropa no fanoratra azy. Toy izany ihany koa ny amin’ny Eucharistie lasa Eokaristia, ary satria moa tsy misy u ny soratra Economie dia mijanona ho ekonomia izany fa tsy lasa eokonomia tsy akory. Ny Euclidien lasa Eoklidiana ( Eoklideo aza saingy...) fa tsy Eklidiana.

 

Ny mampihomehy amin’ity raharaha ity indray raha eny antenantenany no misy ny “eu” dia tsy mety voapetraka ny fenitra tokony ho izy. Raha mandray ny Recteur na docteur na professeur isika dia misy ny fisaritahana. Recteur lasa rektora amin’ny ankapobeny (noho ny teny hoe rectorat ve?) nefa ny docteur lasa manao hoe dokotera (nefa misy tsara ny teny frantsay manao hoe Doctorat fa tsy docterat); hany ka samy lasa mety avokoa ny ny profesora na ny profesera. Nefa dia manavia antsika indray na ny hanoratra na ny hamaky izany teny hoe dokoteora na rekteora na profeseora izany raha jerena izay efa nosoratako eo ambony.

 

Manaraka izany amin’ny anaran-tsamirery ihany, noho ny fifanarahana amin’ny ankapobeny eo amin’ny fanoratra sy famaky ny teny malagasy fa moana ny zanatsoratra farany ankoatra ny teny mivany tokana,ankoatra ny zanatsoratra e dia tsara kokoa raha zanatsoratra roa mifanaraka no mamarana ny anarana manana tsindrim-peo any amin’ny faran’ny vaninteny. Ohatra raisiko voalohany ny anarana Tirike dia tsy vakiana akory ny zanatsoratra e farany fa toy ny mamaky azy hoe “tirk” ihany ianao. [manomboka amin'ny soramandry moa dia efa misy io voalazan'i eprom io fa hoy aho hoe tsara kokoa raha...: Noho ny izany raha manoratra ny Japonais ianao dia tsara ny manoratra azy hoe Japoney (na japonea saingy tsy fahita loatra) fa tsy Japone satria raha ity farany dia lasa toy ny mamaky hoe Japonn ihany ianao. Toy izany ihany koa raha Malais mizotra ho Maley fa tsy male na Gabonnais lasa Gaboney na Gabonea fa tsy Gabone. Na Srilankais lasa srilankey fa tsy srilanke. Ireo roa ireo ihany no tsaroako eto ampanoratana nefa ataoko fa mety ihany io anjara birikiko io, amin'ny anarantsamirery avy amin'ny teny vahiny io].

 

Nefa misy koa ny somary mahatsikaiky ahy manokana, misy ny teny hoe materiel ary misy ny teny hoe logiciel, ahoana ny soso-kevitra amin’ny fanagasiana ireo hoy ianao? Materialy sy lozisiely satria misy ny tsy mety manaiky ny teny hoe rindrambainga sy rindrambaiko (DotMG moa nanitsy hoe rindrankajy ary efa izay ihany koa no nosoratako teto voalohany saingy voatery nanova ihany aho noho ny torohevitry ny mpahay manokana ny teny malagasy [Di... na Rahaingoson Henri]).


Renareo ve? 40 000 000 eo ho eo ny Malagasy?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 22:16

Izay nanaraka ny haino aman-jery omban-gazety dia mety ho nahatsikaritra antontan’isa mahavalalanina avy amin’ny zavatra nampitaina nandritra ny tontolo andron’ny alatsinainy. Mazava loatra fa misy ny fampitam-baovao tsy nety na tsy nifampitohy tany ananonanona tany.

 

Vehivavy 8 900 000 no ho voakasika amin’ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity, hoy ny lohatenin’ny gazety malagasy iray. Raha vao mandre izany ianao dia olona efa hiteraka no mby ao an-tsaina fa tsy ho tonga dia any amin’ny zazavavy vao teraka mihitsy. Mandeha ho azy ihany koa ny petrakevitra: ny vavy ihany ve no isaina mandritra ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity fa tsy isaina ny zazalahy entin-dreniny? Mba hafa ihany koa izany fanisana izany. Heverina noho izany fa olombelona vavy efa maoty hiteraka no tian’ny gazety lazaina amin’ny vehivavy 9 000 000 latsaka hotratrarina io.

 

Any amin’ny vaovao an-tsary any indray nisy niteny hoe zaza latsaky ny 5 taona 9 000 000 no kendrena amin’ity herinandro efa voasoratra lavabe eo ambony io. Henjana izany ry zalahy sy ry zavavy! Ny vehivavy (efa maoty) sy ny zaza latsaky ny 5 taona fotsiny no efa 18 000 000 sahady! Andeha mody atao hoe 9 000 000 ihany koa ny isan’ny lehilahy efa maoty noho ny fifandanjana tsy mifanalavitra eo amin’ny isa. Ataovy amin’izay ny fanisana fa 27 000 000 sahady izay. Ny ampahan’isa tsy tafiditra sisa dia ny zaza 6 mandrapahatonga amin’ny fahamaotiana (12 taona eo ho eo ho an’ny sipakely ary 14 kosa ho an’ny bandikely). Andeha mody atao hoe 9 000 000 monja ihany koa ny isany. Ô lehiretsy! Izany ve tsy efa mananontanona 40 000 000 e?

 

Iza indray ary no be resaka mahatonga izao fanisana tsy izy mihitsy izao? Angamba fitadiavam-bolan’ny sasany amin’ny fanatavezana indray izao. Mampahatsiahy ny kabarin’ny filoha Ratsiraka indray maka izay rehefa nifampiarahaba ny Asaramanitra izy hoe “raha jerena amin’ny tatitra voaraiko momba ny fambolen-kazo amin’ny velarana isan’hekitara voavoly dia feno zanakazo mbamin’ny ranomasina noho ny fahazotoan’ny Malagasy! Karazam-panesoana ihany anefa no nataony tamin’io. Eisy aho e!

 


Moov Madagascar: Mba ilazao ny fiovana fa aza mamely tampoka e!

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 16:43

Noho ny antony manokana dia voatery nampiditra izany aterineto izany any an-trano ny tena. Tsy afaka ny tsy afa-manao famandrihana isam-bolana izany ny tena fa izay takatry ny tena aloa mialoha ihany no ezahina itsitsiana. Tsy henoko loatra ny hatsara na haratsin'ny vokatra hafa fa dia izay efa misy milaza mialoha ihany no azo idirana e! Dia izay no nahatonga ny safidy ho any amin'ny moov aloha.

Ny azo ihafiana ihany moa no nidirako sady rehefa mahita ny karatra hoe 10 000ar ahazoana mivoivoy mihoatra (izay aloha no fahazoako ny + e) ny 5 ora. Tsy nahita ny 20 000ar mihitsy ny tena satria vitsy hoe ny mividy ireny ka tsy sahy maka ny mpivarotra. Mahihitra ihany ny tena ka dia noraisiko naoty sy natambatro tsara ny saran'ny efa lany. Efa nisy nahavariana ahy manko ny fahalaniany vetivety. Iny fa 4 ora sy sasany no lany dia tsy manana sanda azo idirana aterineto intsony, hono, aho. Tsy maintsy tezitra ny tena satria tsy vita akory izay natao dia tapaka ny fifandraisana.

Nankao amin'ny masoivoho tao Analakely aho nanadihady kely sy nilaza ny fahagagako nahalany sahady ny sara miandry. Dia namaly ny mpandray fa raha ora malalaka no 5 ora  fa raha amin'ny ora feno kosa dia 2 ora sy sasany iny dia lany. Eo aho vao gaga. Nisy fisondrotana ve sa izany hatramin'izay? ny tena manantena fidinambidin'ny sara nefa hay miakatra izy ity. Dia hoy aho an'eritreritra hoe tsy adalan'ny mpanolotra antsom-pifandraisana anie ny miteny mialoha ny fisondrotana sa mbola vitsy loatra ny manana aterineto any an-trano ka tsy mendrika ampilazaina mialoha? Dia milaza aminareo namana eto Madagasikara io valinteny azoko io aloha aho sao mbola misy tsy mahalala isika.


Miezaka ny manodin-dresaka ny fanjakana?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 15:13

Na dia tsy mahara-baovao firy aza dia misy ihany ny kely izay fantatra. Ohatra iray amin'izany misy ny fivorian'ny fanjakana Karana amin'ny mpitondra Afrikana. Indro ny filoha Malagasy fa mihazakazaka ho any Alemaina...toy ny manivaka mandeha irery. Tsotra kosa aloha no mety ho antony e, mba tafaraka sary tamin'ny chancelière aloha. Avy eo ny mpandraharaha Rainiboto no tadiavina, ny mpandraharaha Malagasy tsy hita izay tokotaniny. Tsy voasa ho any India va re ny filoha sa tsy te-ho any fotsiny izao?

Ankehitriny koa avy izao resaka tsy loa-body rehetra izao tian-ko porofoina fa misy miketrika korontana eto Madagasikara. Ka na ho inona na ho inona fitandremana rehefa feno ny kapoakan'ny malagasy tsy niteny teo dia misy zavatra miparitaka foana eto nefa dia ny fiainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny hatrany no mihapotika avy eo. Na ny fandrenesana hoe lasa tapa-bolana isan-taona izao hoe sisa no zon'ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana mangataka andro tsy iasana raha iray volana teo aloha ve tsy hahatezitra ny mpiasa? Ny zony hatrany no ahena nefa tsy hita akory izay asa vaovao.


Maotera mandeha amin'ny rivotra : lasa matotra

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 17:41

Na izaho aza tsy nino. Efa nisy nanoratra indrindra izy io tamin'ny Globalvoices Online fa tsy sahiko ny nandika azy tamin'ny volana Janoary. Efa niteny izy tamin'izany fotoana izany fa nahavita maotera mandeha amin'ny rivotra 'voafintina' (air comprimé) na ny marina kokoa ny maotera tsotra mahazatra iny no nisy namboariny mba ho afaka mampandeha azy amin'ny alalan'ny rivotra.

Zavabita henjana izy io raha araka izao hita izao fa dia mila fiarovantena henjana ihany koa io raha tena tontosa tokoa satria mety ho avy ny sasany hamono azy izay vao 15 taona monja rehefa misy tsi-fifanarahana amin'ny tsena.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»

Powered by LifeType