Maharesaka.VETO

Fifaninanana ho an ny Blaogy Malagasy sy liana Madagasikara

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 08:59

Tsy resabe na fitapitaka ity soratana etoana ity fa dia misokatra tokoa ny fifaninanana ho an'ny Malagasy sy liana amin'ny zavatra malagasy amin'ity resaka blaogy ity. Azonao jerena ao amin'ny foko Madagasikara (tsindrio eto) ny andinindininy momba izany fifaninanana izany. Araka ny fahitako azy amin'ny fanambarana ataon'ny fikambanana dia azo ampiasaina avokoa ny teny ofisialy vao neken'ny lalam-panorenana farany teo na teny malagasy izany, na teny frantsay eny fa na dia ny teny anglisy aza.

Mazava ny tanjon'ny foko madagasikara. Hampiroborobo ity sehatra famakintsika sy fanoratantsika ity. O rey olona a! tsy aleo ve...?

 

 


Tsy matotra izay be hevitra ary tsy manankevitra izay matotra

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 09:54
Eto ampanombohana aloha dia somary mba nanaitra ahy ihany ilay hevitry Paul Valery, mpanoratra Frantsay sady Filozofa, ary io nataoko lohateny io, niteny hoe: “Un homme qui a des idées n’est jamais sérieux, Un homme sérieux n’a jamais d’idées”[Tsy matotra mihitsy ny olona manan-kevitra be dia be, Tsy manan-kevitra mihitsy ny olona matotra]. Izany hoe raha raisina ho marina io petra-kevitra io dia olona tsy matotra mihitsy aho izany satria fantatro ihany ny tenako fa manan-kevitra be dia be amin’ny lafin-javatra maro mahaliana ahy, nefa raha izany aleoko tsy matotra toy izay tsy manan-kevitra. Raha izany ihany koa manko dia tsy ho nanoratra ho anareo mihitsy aho fa miandry fotsiny izay soratan’ny hafa. Ary ianareo mba ahoana? (tohiny)

Antananarivo mibilaogy 4.0 sa ny ONG Foko?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:59

Araka ny efa nolazain’ny namana hafa any amin’ny bilaoginy any dia notontosaina omaly ny fihaonana fahaefatra teo amin’ireo mpibilaogy mipetraka sy mandalo eto Antananarivo. Azo lazaina fa ity no nahavoriana mpitoraka betsaka indrindra nefa nahitana mpamaky vitsivitsy ihany koa. Araka ny efa fantatra moa dia teny Soavimbahoaka no nanatanterahana ity fihaonana ity ary sambany araka ny nolazain’I Barijaona (erantany aza io) no natao tany an-tranona mpibilaogy iray izany fihaonana izany fa tsy tany amin’ny efitrano fisakafoanana na trano fivoariana hafa. 

 (tohiny)

Tambajotra matanjaka

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 16:44

Miditra amin’ny andiany faha-11 ny fihetsiketsehana momba ny hairaha manara-pandrosoana Ebit fanao eto Madagasikara isaky ny volana Oktobra. Amin’ny ankapobeny dia ny resaka manodidina ny solosaina, ny vitany ary ny fifandraisan-davitra sy ny serasera azo ampiarahina aminy no iompanan’ity fihetsiketsehana ity. Ny lohahevitra banjinina amin’ity taona ity moa dia hoe “Haut débit” na Tambajotra matanjaka… ny gazety taratra no nahitako io dika teny malagasy io fa tsy fantatro raha izay mihitsy no nomen’ny mpanetsiketsika na ny mpanao gazety no nitady sy nametraka ny dikany tao anaty takelaka omaly. 

 

Somary nahagaga ahy ny nandikana ny teny (loza koa fa tahaka ny aretina tsy ho afaka ilay fandikan-teny hatramin’ny nanaovana ny globalvoices teny malagasy izay). Naka rakibolana mihitsy aho, io moa no fanaoko fa izaho angaha mba mahay teny vahiny mankaiza loatra e! ny teny malagasy fotsiny no mba atao metimety ao ary asiana fitohizany tsara ho tahaka ny lahatsoratra teny malagasy ihany. Ilay rakibolana frantsay malagasy notontosain’I François Rakotonaivo iny no nosokafako ho eo amin’ny débit ny takelaka. Toy izao ny fanazavany azy amin’ny teny malagasy: habetsahan-koriana (isem-bentim-potoana). Dia misy resaka momba ny kajimirindra ihany koa ao manao hoe Refi-kabetsahana izany hoe ny isa mivoaka sy miditra ara-potoana ao amin’ny solosaina. Ho an’izay mety tsy hahazo ny teny dia renirano na rano no mikoriana. Eo amin’ny paompy dia na mitete ny rano raha mitsitapitapy ny fivoahany ary misasasasa kosa raha raha be dia be ny rano indray mivoaka. 

 

Teny telo izany no ifotoran’ny fandikanteny avy amin’ny frantsay ho malagasy, dia ireto avy izany: refy, habetsahana ary koriana. Raha mijery ny nandikan’ny gazety azy indray isika dia teny roa ihany no tiany tazonina. Amiko noho izany dia azo ajanona ny teny hoe refy ka ny habetsahana sy ny koriana sisa no tavela. Raha jerena indray ny teny frantsay miaraka amin’ny teny hoe “débit”  dia tsy hoe “beaucoup de débit” no nataony fa “haut débit” izany hoe raha adika “avo fikoriana” na “ambony ny fahateteha-mpivoahan-drano” ohatra[mba lava loatra kosa izany ka!]. Milaza tsara ny fisiana refy ao anatiny nefa raha adika teny malagasy fotsiny amin’izao dia tena tsy misy dikany na tsy ho azon’ny tsy mbola zatra aterineto mihitsy. 

 

Raha raisina indray ny teny anglisy raha miresaka ity resaka “haut débit” ity ihany dia fast connection no hitakitako tany ho any. Mahalaza tsara ny zavatra lazainy ihany koa izay resaka izay nefa tena tsotra dia tsotra tokoa: “haingam-pifandraisana”. Samy manana ny filozofian’ny teniny na ny anglisy na ny frantsay eny fa na ny teny malagasy ihany koa aza. Samy azo raisaina avokoa ve ireo teny roa ireo ho amin’ny teny malagasy, izany hoe mifanaraka amin’ny kolontsaim-pitenenana malagasy ve ny avy amin’ny teny anglisy sy frantsay? Raha eny moa tsy tsara ve fa raha tsia kosa dia iza no raisina ary iza kosa no ajanona? 

 

Dia mitodika any amin’ny tantara indray izaho manokana. Resaka fandrosoana no atao eto ka izay tranga nisiana natao hoe fandrosoana “araka ny fijery tandrefana” tamin’ny vanim-potoanany ny hobanjiniko. Handray ny teknikan-dRadama Rainy fony hametraka ny abidia malagasy aho. Ny endri-tsoratra aloha dia nisafidy ny maritsoratra latina izy fa najanony kosa ny maritsoratra arabo nianarany tamin’ny Antemoro Anakara izay nolazainy fa sarotra raisina ihany araka ny fiheverany. Avy eo indray dia mbola nisafidy tamin’ny fomba fanononana ireo abidia ireo indray izy. Ny fanononana ny renintsoratra dia nalainy tamin’ny anglisy ary ny fanononana ny zanatsoratra no noraisiny tamin’ny teny frantsay. Izay tsotra sy hitany fa mety no nataony tamin’izany fotoana izany. 

 

Eto koa dia heveriko fa mitovy amin’izany famahana izany ihany no ataoko. Ampivadiana ihany ny dika avy amin’ny teny anglisy sy teny frantsay… efa samy teny ofisialy eto amin’ny tanàna ihany koa moa ireo ka tsy hitako loatra izay olana. Amin’ny teny anglisy andeha atao hoe efa fiteny mankaleo aza ny teny hoe fifandraisana ka ajanoko, raisiko kosa ny teny hoe haingana. Ny avy amin’ny teny frantsay kosa mbola tsy fandre loatra ny teny hoe koriana afa-tsy amin’ny rano ihany ( fa inona indray moa no fanaon’ny voalavo ry jentilisa?), saingy izao raisina hoe fikoriana ilay teny eto. Efa karazandrazan’ny vonona ihany izany ny teny roa horaisina fa ny fandaharana azy no sisa: Fikoriana haingana sa haingana fikoriana? Mampiavaka ny teny malagasy (nefa mahasarotra ny fikarohan-javatra amin’ny aterineto) ny fanakambanan-teny. Ny teny faharoa no hitako metimety kokoa sy manara-penitra ho amin’ny fanakambana-teny ka manome ny “haingam-pikoriana”. Io teny farany io noho izany no heveriko ho mahasolo ny teny hoe “haut débit” fa tsy tambajotra matanjaka. 

 

Nahoana ary aho no tsy manaiky ny teny navoaka tao amin’ny gazety? Ny tambajotra dia fitambaran-teny roa ihany koa dia ny teny hoe tambatra sy ny zotra. Ny aterineto iray manontolo manerana izao tontolo izao dia efa tambajotra ary tsy misy matanjaka tahaka ny aterineto aloha amiko satria izy no mahavory olona betsaka indrindra manerantany. Raha mivoivoy ianao io sy izaho ity dia efa ao anatin’ny tambajotra isika izay. Izaho mety mandeha miadana ary ianao mety handeha haingana nefa samy ao anatin’ny tambajotra matanjaka isika. Noho izany tsy mahalaza ny hevitry ny teny hoe “haut débit” mihitsy amiko ny tambajotra matanjaka. Fandikan-teny diso toerana ka tsara kantsanana dieny ety ampanombohana. Tsy mpandalina ny teny malagasy akory aho fa mpandala azy kosa ka izay no isahiranako manao izao fanazavana lava dia lava izao.


Boriborintany aho boriborintany

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 13:13

Hiresaka politika tsy ho ela aho, amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, satria vanim-potoanan’ny fifidianana ho solombavambahoaka isika izao. Nanomana lahatsoratra izay aho, no lasalasa tampoka ny eritreritro amin’ity teny hoe boriborintany ity. Voambolana navoaka tany amin’ny repoblika voalohany, nandikana ny teny frantsay manao hoe arrondissement no noboriboriana amin’ny teny malagasy hoe Boriborintany. Tahaka ny manantitrantitra hoe boribory ry zareo ny tany fa tsy fisaka a! (sahirana mihitsy aho nieritreritra izay handikako ilay teny faramparany tao amin’ny lahatsoratra nadikako tao amin’ny Global Voices Online izay). 

 

Tonga dia lasa any amin’ny teny hafa ny eritreritro, nanao hoe fa angaha fiteny ny hoe lavalavantany? Ny baolina (tahaka ny mety ihany koa ny soratra hoe bola an!) rugby (tahaka ny miteny hoe ringibÿ no malagasy rehefa manonona io teny vahiny io) no ataon’ny malagasy hoe lavalava aloha no fantatro. Dia aza mieritreritra zavatra hafa aloha J Ny fotaka volavolaina ho sariolona na sariomby ataon’ny ankizy ihany no alavalavaina amin’ny tanana. Nahatsiaro ny kilalao fahakely natao sariolona karazana miaramila kely aho izany! Tadidinareo efa lehibebe ve? Iny no fetafetaina atao maromaro dia misy koa ny karazana tank misy tafondro tahon’afokasoka kely ary dia tena vato mihitsy no atao karazana baomba hitifitra azy. Mbola atao hoe mitifitra iny tank iny raha mbola mipetaka eo ny tafondro. Ifandimbiasana ny mikendry ny tank-n’izay ifaninanana. Resy ny iray rehetra tafala tanteraka ny tafondro na potika tanteraka ny tank. Ny lalao toy ireny koa angamba no lasa nahaizan’ny malagasy bola an! (petanky io). Fa nivoana izany resaka izany. Aleo averina amin’ny foto-dresaka aloha. 

 

Fa tokony ho fiteny koa izany ny mahitsizorontany. Ny azo ambara aloha ny mahitsy tsy tafiditra fa ny zorontany no efa fiteny ihany. Toy ireny zavatra anjoronjorony ireny ihany e! Misy koa ny vondron’olona no apetraka anjoronjorony. Nefa misy ny zoro izay nomen’ny Ntaolo hasiny manokana dia ny zoro firarazana. Tsy haiko loatra ny nahatonga ny teny fa tombatombanako hoe firariana soa avy amin’ny razana no nihavian’io teny io. Fa na izany na tsy izany dia avy any amin’ny zoro no andakana ny baolina fandaka amin’ny tranga lazain’ny teny anglisy hoe “corner” izay. Mety ho tsy dia mahazatra angamba ilay teny hoe zorontany fa ny sisintany no be mpiteny kokoa. Raha vao izany anefa no lazaina dia toy ny misy fahaverezana ho an’izay tondroina ho any an-tsisitany. Adinon’ny hafa. Tsy maharaka izay zava-baovao hany ka zary toy ny mitoka-monina mandrakariva. 

 

Dia mbola azo atolotra ny mpahay teny malagasy ihany koa ny telolafintany. Ny telo aloha teny manokana manana ny heviny amin’ny fanisana, ny lafintany ihany koa teny azo raisina tsara. Matetika no ampitoviana dika amin’ny teny hoe vazantany izy io. Ary tahaka ny mitovy ihany anie izany teny hoe zoro sy vazana izany e? Tsia, ny zoro tena faritra kely mihitsy fa ny vazana misy fitohizana ihany ka! Raha tsy izany ihany koa anie tsy tonga ny teny hoe faravazana e! Ny lafy no nihavian’ny teny hoe ankolafiny. Tsy voafaritra mazava nefa fantatra kosa ny fisiany. Raha jerena ihany koa raha manondro zorontany ny olona iray dia tany kely no mety ho voatondro fa raha vao miteny hoe lafintany dia mety ho izay itopazan’ny masoano manontolo mihitsy no tondroin’zany teny izany. Fa mbola mahavariana ahy hatramin’izao ny nahatonga ny teny hoe lafy valo fa mangataka aminareo izay mahalala aho fandrao hainareo aloha. Fa mitady haneho endrika boribory ihany koa aloha izany misy lafiny valo izany e! Nefa tsy niteny hoe boriborintany ny Ntaolo talohan’ny fanjanahantany araka ny fahalalako azy. 

 

Dia eo indrindra isika izao, ahoana ity teny hoe boriborintany ity? Raha ny eto Madagasikara aloha dia Antananarivo ihany no manana anaram-panondroana enina samy misy ity teny hoe boriborintany ity. Ary nasiana laharany ihany koa moa manaraka izany. Izany dia teny maka tahaka ny any an-drenivohitr’ilay reny malala taloha! Izao no mahavariana. Amin’ny sarintany anie ny renivohitry ny firenena ka aseho amin’ny teboka efajoro fa tsy boribory e! Dia andramo ary ny mametaka boribory enina anaty efajoro tsy misy banga. Sa ny banga no hantsoina hoe farihin’Anosy na farihin’I Masay (Mbola misy moa ny farihin’I Behoririka sa tsy misy intsony?) Mahafinaritra ry zareo ny mandika teny na dia sarotra aza, tena sarotra tokoa satria efa nanandrana aho, fa ny maka tahaka be fahantany no manahirana ahy amin’izy ity. Naninona izao ny teny hoe firaisampokontany? Sy ny teny hoe fivondronampokontany? Sa teraka tao anatin’ny Repoblika faharoa ireny araka ny eritreritry ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Diso hevitra izy raha izany no ao an-tsainy. Ny Filoha Kolonely Jeneraly Ratsimandrava no namoaka ireo teny ireo voalohany tamin’ny taona 1973 izay roa taona mialoha ny 1975 nanombohan’ny Revolisiona Sosialista nijoroan’ny Mandatehezam-pirenena miaro ny tolom-piavotana. Ireo teny ireo no tena teny malagasy madiorano mahalaza tsara izay tiany lazaina fa ny Boriborintany kosa milaza tara-pahefana ananan’ny ivo anankiray. Dia izay aloha ny amin’ity lahatsoratra fanalan’andro ity fa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe eritreritra sendra mandalo moa ka natao ho tsetsatsetsa tsy aritra. (Azonareo ve ny nahatonga izany teny hoe tsetsatsetsa tsy aritra izany?)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»

Powered by LifeType