Maharesaka.VETO

Ny teny malagasy sy ny landy (fampirantiana)

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 12:03

Ao anatin’ny iray volana entina hanandratana ny teny malagasy indray isika amin’izao volana jona izao. Mihetsiketsika fatratra anatin’izany ny mpandala ny teny malagasy. Amin’ity indray mitoraka ity dia fampirantiana roa no hotontosaina eo amin’ny Tahala Rarihasina Analakely zary toeram-pamantarana rehefa misy kolontsaina malagasy tian-kaseho ny be sy ny maro.

 Ny voalohany dia momba ny lamba landy sy ny teny malagasy izay haranty mandrapahatongan’ny rahampitso zoma. Voasoritsoritra avokoa ny vokatra malagasy avy amin’ity landy ity sy ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana (fikarakarana manko e !) landy.Ny faharoa kosa dia momba ny voambolan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny asa ao anatin’ny teny malagasy. Mbola ho avy moa ity faharoa ity ka tsy hitako loatra izay ambara aloha.

 Raha vao nampifandraisina ny resaka landy sy ny teny malagasy dia miantefa any amin’ny resaka ohabolana avy hatrany ny eritreritra. Misy vitsivitsy tokoa ireto azo zaraina eto :

  • Saro-tiana toa landy mohaka
  • Ambarivatra an-tanimena : mavomavo ihany fa tian’ny landy
  • Tahaka ny lambamenan’i Vonizongo : ny maty fonosin-dambamena ary ny velona arahim-potsimbary.
  • Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra
  • Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy toy ny fihavanan-dandy : raha madilana azo tohizana.
  • Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabary maso.
  • Ny fihavanana toy ny landy : maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
  • Lamba landy nasoka hodi-nato, mamerina indroa manana ny antitra
  • Tiako tahaka ny lamba landy : hitafiana raha mangatsiaka, hisampinana raha faly, hisalorana raha malahelo.

 Ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana sy ny famolesana landy indray moa dia eto Imerina, any Isandra ary any Androy. Ny any Androy dia toerana tokana no mpanao azy dia ny ao amin’ny kaominina Ambondro, fokontany misy ny Tsimanankariake sy ny ny Marosy samy avy amin’ny Ntelamitihy izay eo amin’ny 27km miala avy eo Ambovombe Androy. Misy karazany dimy ny lamba mivoaka avy amin’ny fanenomana landy ao amin’ity faritra ity (efatra ihany no nosoratany) dia ny :

  • Lambalande
  • Mandia vola
  • Lamba firake
  • Sokotry (salaka)

Ny mandia vola moa dia natao lamban-databatra tao amin’ny fampirantiana tao. Ny lamba firake no fanaovan’ny olona tsotra mianjaika (fa lambavositse kosa no fianjaikan’ny mpanjaka ary tsy nosoratany teo amin’ny fampirantiana). Nomarihin’ilay nanontaniana fa avy amin’ny lokon-kazo avokoa no andokoana ny lamba (ka izay no mahabetsaka ny loko volontany lokonkazo sy mainty amin’ny lamban’Androy). Ny fitaovana ampiasainy hanamboarana ny lamba moa dia ny lande, ny hasy ary ny hafondramena (naveriko nosoratana araka ny nanoratany azy mihitsy moa).

 Ny tao Isandra kosa dia nomarihina fa tamin’ny andron’AndriamanalinaI no tena nampalaza ity resaka ity tany. Izany hoe azo marihina fa taloha na niara-dalana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina araka ny fahalalako azy. Ambalavao be lamba landy angaha no foibe itoerany. Misy karazany enina indray ny lamba nampahafantarina ny be sy ny maro avy amin’ity faritra ity. Rehefa jereko dia ny lokony no tena itondrana ny anarany nefa asa izay tena marina :

  • Sarimbo landy (mitsoriadriaka mena, volombatolalaka, vony ary manja)
  • Lamba lahasa manga
  • Lamba mena
  • Arindrano landy (mitsoriadriaka mainty sy mena)
  • Tokotsisina ( miakotso mainty sy mena)
  • Arindrano landy mainty (mitsoriadriaka mainty madinika)

 Ary ny eto amin’ny faritr’Imerina ihany koa moa dia fantatra tamin’ny anarana hoe Soherina ny bibindandy. Radama rainy no nandefa mpianatra hiofana manokana ny fanenomana lamba landy. Jean Laborde koa liana tamin’ity taranja ity ka nampiditra karazana bibindandy vaovao amin’ny eto an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa noho ny fandrosoana dia efa misy karazany ny lamba landy naseho ny olona liana. Tsy voatery izay novokarina fahiny ihany no tohizana fa mba mamoaka vokatra vaovao ihany koa ary dia efa manana ny anarana mahazatra ny malagasy maro izany :

  • Meja
  • Hasina
  • Irina
  • HaingoI
  • HaingoII
  • Ikala
  • Landy bakora

 Tao ihany koa no nisy sary maromaro mampiseho sarin’ny filohan’ny fikambanana mpikabary malagasy izay vehivavy amin’izao fotoana izao. Rtoa Andriamboavonjy Hanitriniaina R izay nisantaran’ny televiziona malagasy ny fandaharana JJejo tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nandeha tao amin’ny zana-pandaharana jejo avo lenta. Sary vitsivitsy mampiseho ireo akanjo vita amin’ny lamba landy manontolo izay lasa haingo fianjaikan-dramatoa. Sary nahavalalanina ireo nanaraka ny fandaharana satria hainy tsara ny nampiaraka ny « hajejoana » sy ny fahamendrehana. Tsy nanao haingon’adala izy, nampiseho azy ho mpanara-damaody amin’ny didin-damba izy nefa hita tsara fa akanjo maneho ny mahamalagasy no anaovany. Indrisy manko fa raha mba tafavoaka teto ny sary. 


Sarimbavy, hono, ka hoe?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 10:40

Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.

 Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.

 Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.

 Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.

 Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.

 Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.

 Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.

 Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.

 Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.

 Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?


Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 18:13
Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako. 
  • Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
 
  • Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
 
  • Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
 
  • Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
 
  • Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
 
  • Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.

Viva e!

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 11:35

Asa raha tadidinareo ilay fanaovam-pahatsiarovana an’i Ravinala iny. Asa na fifanandrifian-javatra na mpamaky ity blaogy ity ny mpitantana ao fa vao nanoratra iny aho, ny ampitso ihany dia nanjary nisy soratra hoe « bientôt chez vous » teo amin’ny fijerena azy teo aloha. Omaly raha tonga tao an-trano aho dia nandefa horonantsarimihetsika indray  izy sady misy soratra hoe J-10. Azo heverina avy hatrany fa afaka folo andro omaly no handeha indray ilay haino aman-jery. 

 

Tsy mbola nilaza ny anarany izy ao fa taiza kosa no nahitako ny anarany ? Dokambarotra eny amin’ny arabe amin’ireny tabilao lehibe ireny : Sarina tranoavo alaina sary avy aty ambany ka toy ny fotony ny sary tanana maromaro toy ireny mankalaza amin’ny fivavahana ireny. Mampahatsiahy sary avy hatrany rehefa mpamaky ny bokin’ny antokom-pivavahana sasany : Mankalaza an’i Babela ve ? Babela ilay malaza ao amin’ny baiboly ho nananganan’ny olona tilikambo avo manambara ny asan’olombelona sy fitadiavany rehareha.

Nefa sary nitsipelika tao anaty fotsiny iny fa tsy inona tsy akory. Viva no anarana lehibe napetrany teo ambony miaraka amin’ny tarigetra manao hoe « vivez l’evenement chez vous » ! Ra-vina-la izany no lasa Viva Amin’ny 26 mey izany mijery na tonga tokoa izy na tsia !


Voin-kava-mahatratra, hono, e!

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 09:09

Dia rahampitso hariva moa izany no hanatontosana ilay fampisehoana heverina hanampiana ny mpiray tanindrazana tamin’ireo rivo-doza farany teo. Zava-panaon’ny Malagasy rahateo izany ho fifampitsimbinana eo amin’ny mpiara-belona. Malaza ho olon’ny fo rahateo isika ka izay manjo ny havana dia tahaka ny manjo ny tena ihany (moa tsy izany rahateo no dikan’ny lohateny ?). Tiako izany ny manamarika dieny mialoha fa ankasitrahako ilay fihevitra hanampiana ireo tratran’ny voina eto amin’ny firenena na dia efa tokony hisy ihany koa ny tetibola natokana ho amin’ireny voina ireny araka ny fahalalako azy.

 Fa manahy dia manahy aho ny amin’izay mety ho vola voangona amin’io andron’ny rahampitso io. Artista maro moa no hanentana sy hifandimby eo an-tsehatra mandritra io fotoana io. Heverina sahady izany fa sarotra ny haka ny any ampaosin’ny olona amin’izao ka dia asiana famalifaliana izay olona tsara sitrapo aloha. Toy ireny hoe tsy maintsy misy takalo daholo ny zava-drehetra. Ambara isan’andro sy manana fotoana manokana indrindra amin’ny radio sy ny televizionam-panjakana moa ity fampisehoana heverina ho entina hanampiana ny rahalahy sy anabavy ity. Fa ilay fikarakarana mihitsy no misy olana amiko.

 Voalohany, maro loatra ny artista handray anjara nefa ny sehatra tokana ihany. Tsy tian’ny mpijery loatra anefa, indrindra fa amoahany vola, ny hiandrasana mpisehatra iray ankafizina mihira hira roa raha be indrindra dia izay no izy, tsy azoazony loatra ny hafa ohatra. Efa fantatra manko fa hira iray ihany no tena iraisana fa ny ankoatra izay dia mifandimby. Ny tamin’ireny fetim-pirenena ireny anie ka fialam-boly tsy ialam-bola ka dia mijanona ny olona fa ny handaniam-bola no hifandimby tahaka izany dia manahy ny tsy fahombiazana aho.

 Faharoa, eo amin’izay fifandimbiasana izay indrindra dia samy manana ny fahaizany mitendry ny mpitendry ny zavamaneno. Samy manana ny hanaovany  ny lakilen’ny hirany. Eny, mety ho samy manana ny zavamaneno manavanana azy ihany koa aza. Izany hoe na dia ilay  fifandimbiasana aza izany dia efa mety ho fandaniam-potoana tsy amin’ny antony. Eo no tena miasa ny mpanentana amin’ny famenoana ny banga. Raha 16 ny isan’ny artista hifandimby dia tokony hieritreritra ny resaka rehetra atao ao anatin’ny fifandimbiasana in’16 izany ny mpanentana. Izaho anefa efa nandre ihany ny Foy hehy manentana fa tsy ankafiziko loatra ny fanaovan-dry zalahy azy. Misy ihany ny tsara ataony fa be loatra no tsy azoazon’ny aiko izany ny mihaino azy, izaho izay malala-kevitra be ity !

 Tsy mety ny mitsikera fotsiny fa ny soso-kevitra (efa tara be !) no atolotro. Misy gadona samihafa ihany ny hira ary raha azo natao ihany koa aza dia misy ny fahiny sy ny ankehitriny. Raha olona malala-tanana no tena tadiavina dia olona efa lehibe no tena andrasana amin’izany, manana ny karazan-kira tiany ireny olona ireny ary amin’ny ankapobeny dia tsy mahazaka loatra ny tabataban-kira ankehitriny sy ny mozikany ry zareo. Tokony hanana efitra manokana ho an’ny tia azy ny kalon’ny fahiny. Misy ihany koa ireo tia ny hira mafana fotsiny ka mandihy no tena tiany, tsara mba manana ny efitra ho azy koa ireny karazan’olona ireny. Tsy azo adinoina ihany koa fa manana ny mpankafy manokana anie ny gadonkira rock maro isan-karazany, amin’ny ankapobeny aza dia tsy tian’ny hafa loatra ity gadonkira io nefa azo omena ny anjara masoandrony ry zareo amin’ny fandraisana anjara.

 Ary farany eo koa ireo tia hira somary mandangolango ary hira henoina tonony no tena ankafiziny tsara mba omena ny sahaza azy. Efa nisy ny nanao toy izany tao amin’io Lapan’ny kolontsaina io matoa aho nanoratra etoana. Tsy voatery hijanona amin’ny efitra iray anefa ny mpijery fa afaka mivezivezy amin’ireo efitra telo ireo araka izay tiany rehefa tafiditra tao anatin’ny tamboho fotsiny izy.

 Soso-kevitra hafa azo atao ihany koa na dia mety hiteraka adi-hevitra hafa aza dia ny fanaovana ny fampisehoana andro samihafa mihitsy. Fanaon’ny mpanakanto ny manao fampisehoana andro mitohy ka eo ny Zoma alina. Fampisehoana hafa ny Asabotsy tolakandro nefa amin’ity indray mitoraka ity tsy miverina intsony ilay mpihira nihira ny omaly. Ary fampisehoana hafa amin’ny gadona mitovitovy ihany koa ny alahady tolakandro. Amin’izay fotoana izay indray dia afa-po kokoa ny mpijery ary afaka manao hira maromaro kokoa ny artista iray fa tsy ho zara raha mihira roa dia samy miala tahaka ny ala safay sy fomba fotsiny. Eritreritra iray hafa koa ny amin’iny nefa efa tsy fotoanany intsony angamba na mikarakara fampisehoana hafa mihitsy e !  Na izany na tsy izany dia mirary fahombiazana hatrany amin’ny fikarakarana ny fampisehoana rahampitso hariva ny tenako.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»

Powered by LifeType