Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Ny miaramila mahatsapa adidy sy ireo ve no mandrafitra ny governemanta?

2009-11-20 @ 23:40 in Politika

Mitaintaina avokoa ny mpanara-baovao politika miandry ny fivoahan'ny  mpikambana ao amin'ny governemanta iraisan'ny rehetra. Samy nanana ny paikany ny tsirairay tamin'ny fandrombahana ny toerana tsirairay. Nisy toerana nahitako ny lisitra manko ary rehefa notopazako maso dia tsy kisangisangy ilay izy fa azo heverina tsara (na sanatria mety ho tsy marina aza!). Somary nahavariana ihany ny filazana mialoha nataon'ny ankolafy sasany fa tsy azo soloina intsony ny minisitry ny fampianarana ohatra satria tsy mety ny manolo minisitra antenantenam-pianarana izany. Fantatra ihany fa tao anatina taom-pianarana no nanaovany izay tiany natao teto amin'ny firenena. Misy tetika ambadika tao anatin'io fifikirana minisitera tsy fiandrianam- pirenena io. Heveriko avy hatrany fa tiana ampiasaina ny mpiasam-panjakana ao amin'ny fampianarana hanao fampielezan-kevitra sy hitatitra haingana ny voka-pifidianana ka avy amin'izay no mety hanamboamboarana ny voka-pifidianana. ny minisiteran'ny fampianarana tsinona no maro mpiasam-panjakana (mpiasam-bahoaka) indrindra sy mieli-patrana mahazo hatramin'ny fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara.

Izay no nanoratako tao amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter user jentilisa) ny tsy tokony ampiarahana velively ho ana ankolafy tokana ireo minisitera roa samihafa ireo dia ny fampianarana sy ny atitany. Ao amin'ilay tombatombana moa dia tsy tafaraka aloha ilay izy. Ny tena marina no tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana. Ny minisiteran'ny fahasalamana kosa indray dia mbola an'ny ankolafy hafa tsy iretsy ankolafy manana ireo minisitera roa tian-kotondroina etsy ambony. Azo heverina ho mahenika ihany koa an'i Madagasikara iray manontolo io minisitera iray io, na dia ekena tokoa aza fa tsy tonga hatrany amin'ny fokotany rehetra. Azo lazaina fa samy manana hafetsena mihitsy ireo ankolafy tsirairay na izaho no lasa lavitra loatra ny fisainako amin'ny hoe fanomanana fifidianana ho hatao mandritra ny tetezamita ka ireo fitsinjarana minisitera ireo no natao dia mba hanomanan'ny ankolafy indrindra indrindra izany fifidianana izany na dia eo aza ny andraikitra sahaniny ho an'ny vahoaka. Efa nisy ihany moa ny fetsifetsy nanao filazana tamin'ny mpiasam-panjakana rehetra any amin'ny sampan- draharaham- panjakana  any fa ny filohan'ny tetezamita irery ihany na ny fiadidian'ny tetezamite irery ihany no tokony hotoaviny sy handraisany baiko. Atsahatra eo aloha ny amin'iny satria atao hoe tombana ihany no misy hatreto fa omena anao etsy ambany ihany izany lisitra hitako izany.


Fa ahoana ny resaka miaramila?

Toe-draharaha nanamarika ity herinandro ity ny fanambarana samihafa nataona manamboninahitra miaramila vitsivitsy. Nisy ireo manamboninahitra no mitady hanindry fa misy ny manana zo tsy azo ifampizarazaran'ny filoham-pirenena. Mba nijery rakibolana teny vahiny (na dia teny ofisialy aza) ihany ny tena ka nahita fa toy ny hoe tombontsoa manokan'ny Mpanjaka (nahavariana ahy io teny io fa naninona no tsy ny filoha no noraisiny?) io resaka zo tsy azo ifampizarana amin'ny hafa io. Soa ihany fa nisy ny manamboinahitra hafa avy hatrany dia nahasahy nijoro nilaza fa tsy voatery araka izay heverin'iretsy voalohany no andikana izany zo tsy azo ifampizarana izany. Ireo voalohany izay notarihan'ny Lt-Kl Charles Randrianasoavina sy Lt-Kl Lylison de Roland moa tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanao ny fanambarany. Ireo nanohitra azy dia ny Kmdà Roger Luc sy ny Kp Mbohoazy Lahinilainy izay fantatra fa avy ao amin'ny 1°RFI kosa tsy fantatro mazava ny toerana nanaovany fanambarana.

Zava-mahavariana ireo fanamabarana ireo. Iretsy voalohany mety hihevitra fa ry zareo sy ny tariny no mahery ka tsy hisy ny hahasahy hanohitra azy ireo. Karazana fanindriana ny hafa rehetra no nataony. Etsy ankilany ihany koa anefa dia mety ho hevitra farany nataon'izy ireo ny fanambarana nataony hanavotany ny olona arovany mba hanandanja kokoa eo amin'ny firenena fa tsy ho vasok'ilay hoe tsy maintsy nifampizara fahefana. Nisy tampoka ny miaramila namaly ny fanambaran'izy ireo, nahasahy naneho ny heviny, nefa tsy voatery hanambara ny heviny manohitra ireo nanao fanambarana tao amin'ny Lapam-panjakana ka hampiseho hoe mizara ny tafika. Teny tsy zakan'ny ao amin'ny miaramila rahateo izany hoe "mizara" izany. Ny roa tonta nanao fanambarana dia samy tsy naka alalana tamin'ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika na ny minisitry ny Fiarovana. Raha ny tokony ho izy izany dia mendrika ny hosaziana avokoa ry zareo rehetra ireo. Efa nanambara ny Kaomandà Roger Luc fa efa naharay ny saziny saingy tsy ahoany loatra izany rehefa tsapany fa nanao ny adidiny izy ary tsy manenina tamin'izay nataony. Izaho manokana dia mendri-piderana ny nataony, na dia ny hahatonga saina ireo mpanao fanambarana tsy nahazoana alalana ihany aza no mety ho tanjony. Te-hamerina ny Tafika amin'ny sehatra tokony hisy azy izy fa tsy hitsabaka amin'izay tsy tokony ho tsabahiny. Olona firy re no mba mahasahy ny manao ny tahaka azy ireo? Mandika ny lalàna hiarovana ny rariny sady manaiky ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna nataony. Misy manko ireo mandika lalàna nefa tsy te-hanaiky ny sazy tokony hampiharina aminy tamin'izay nataony. Endrika fanajana ny lalàna amin'ny fomba hafa.


Ireto ary ny lisitra nisy namoaka izay lazaiko hatrany fa mbola miandry fanamarinana ofisialy:

Eugène Mangalaza, Premier Ministre
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Raha raisina isaky ny ankolafy kosa dia tahaka izao:

Ankolafy Rajoelina
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie

Ankolafy Ravalomanana
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation

Ankolafy Zafy
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Ankolafy Ratsiraka
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie

Ankolafy hafa
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire




jentilisa, Asabotsy 21 novambra 2009 amin'ny 00:45
 

Ny lalan'ny fandriampahalemana

2009-11-07 @ 00:57 in Politika

Noraiketina tamin'ny fotoana farany ihany fa dia iaraha-mitantana araka ny filaza azy tokoa ny tetezamita amin'izao fotoana izao raha ny ho fivoakan'ny tovana amin'ny fifanarahan'ny Maputo voalohany no tarafina. Rehefa nodinihina dia ny lalan'ny fandriampahalemana no noraisina, izany hoe nidifiana lavitra ny mety hisisan'ny gidragidra eto amin'ny tanàna. Raha nandre ny momba azy ity voalohany indrindra aho dia kivy tanteraka satria ny mpampita vaovaon'ny mpanohana ny mpanongam-panjakana no nihazakazaka nahavoaka voalohany ny resaka, nefa dia manana ny fomba fialzany izy... tena talentany tokoa ny nampita ny vaovao.

Nitamberina ao an-tsaina ny foto-kevitra tsy hanekena na oviana na oviana ny mpanongam-panjakana hitantana na dia ny tetezamita fotsiny ihany aza. Ny Malagasy anefa amin'ny ankapobeny dia mpijery ny zavamisy (réaliste), ary manana ilay fomba fitenenana manao hoe: "ny heloka ibabohana mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka." Raha azavaina amin'ny fiteny ankehitriny izany dia manao hoe ny heloka rehefa ekenao fa nataonao tokoa ary nanenina tamin'izany ianao, dia mamindra fo aminao ny olona (olon'ny fo manko ny malagasy) ka lasa miandany aminao... miezaka ny olona ny hanampy anao hiarina amin'izay fotoana izay. Misolo vava anao amin'izay nanaovana hadisoana ihany koa ny olona mba hieritreretan'ilay nanaovana hadisoana tsara amin'ny sazy hampiharina anao.

Ny rariny, tsy tiana hozogozonina kosa na ihenjanana eo amin'ny Malagasy araka ny nolazaiko ihany, dia manjary ataon'ny olona ho helokao indray... eo ny olana, tsy nijery ny mahaolona mety diso ianao araka ny fijeriny fa manao ilay akaikin'ny fiteny hoe ny tendrom-po tsy mba namana. Mpandala ny fihavanana ny Malagasy, araka ny fiteny manao hoe aleo very tsikalakalam-bola (fahefana raha ny eto) toy izay very tsikalakalam- pihavanana (miala amin'ny ady an-trano eto), dia milefitra amin'ny sazy tokony ampiharina ka manao hoe: rano raraka tsy azo raofina iny ka ny manaraka no tsy atao intsony. Tsy dia manampahaizana loatra ny momba ny teny malagasy, itarafana ny toe-tsaina malagasy amin'ny ankapobeny, aho fa izay araka ny fahazoako azy ihany no ampitaiko etoana sady itarafana ny zavamisy ankehitriny. Fa inona ity nahazo ahy toa tahaka ireny mahay mikabary ireny?

Etsy ankilan'izay foto-kevitra iray tokony ho rariny izay, tsy fola-mandefitra fa maka toerana, ny mpanongam-panjakana no manana ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mba tahaka ny mpanongam-panjakana hafa any amin'ny kaontinanta hafa loatra ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara fa afaka nivezivezy tany amin'izay toerana rehetra tiany aleha. Ny hafa manko voasazy tsy mahazo mandeha any amin'ny firenena maro any avaratra indrindra indrindra. Ny teto amintsika indray efa samy tongany na Etazonia na Eoropa ka manome vahana ilay ahiahy fa ilay firenena nanjanaka ny Malagasy teo aloha ihany no mitady hangeja azy indray amin'izao fotoana izao...hiarovany ny tombotsoany fotsiny. Ny Ngeza (firenena io) anefa tsy mifampihinana loatra fa mifanaja. Koa na inona na inona mety ho hatezerana nihalohalo tao anaty tao, ny saina mandinika kosa mahatsapa fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izay fantatra ankehitriny amin'ny fiaraha-mitondra isian'ny filoha telo no vahaolana tsara indrindra.

Mihomehy ihany ny tena, mieritreritra ity firenena malalantsika ity, tahaka ny dia tena hafa mihitsy anie ry Rainisoazanatasy (tsaroanareo ve ny fomba fiteny tamin'ny gazety Lakroan'i Madagasikara fahiny?) mianakavy. Avy nandalovany tamin'ity taona ity izany Praiminisitra telo (na efatra), izay manjary lasa idirana ny filoha anankitelo. Nisy izany Praiminisitra Monja Roindefo izany, izay miandry ny trano ao mahazoarivo ao, nefa efa notendrena sahady izany Praiminisitra Mangalaza, nanjary nialokaloka tany Frantsa vetivety aloha, ary dia natao Praiminisitra vonjy tavan'andro Rtoa Manorohanta Cécile. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofin'i Andry Nirina Rajoelina sy Lafrantsa antsoina hoe filohan'ny tetezamita iraisana, saingy iraisana amin'olona antsoina hoe Rakoto Fetisoa Andrianirina (Misy Nirina roa mitondra eto Madagasikara!) sy Emmanuel Rakotovahiny ilay fiantso. Tiana ankalazaina ery izany hidradradradrana fandresena angaha, nefa sonia telo no tsy maintsy andrasana amina fanapahan-kevitra somary lehibebe. Enga anie mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy izay voatendry fa hifanaramaso kosa ka tsy hisy ny hanao tandrevaka na hanao gaboraraka ny fitantanana ity firenena ity. Rediredy ihany noho izany ny ilazana ny iray ho président fa ny hafa kosa ho antsoina hoe co-président. Tsy havanana amin'ny teny frantsay ny tena, saingy ny sary ahantona eny amin'ny biraom-panjakana kosa angamba no tsy mety fa dia an'ny Président ihany e!

Faly ihany ny tena, rehefa nisaina kely, satria tsy nisy ny resy ary tsy nisy koa ny nandresy tamin'ny fifanarahana vita. Ataoko fa samy nahazo ny anjarany avy ihany ny ankolafy tsirairay. Ny olana hany sisa hitako dia ny momba ny miaramila. Misy manko ny mihevitra amin'ireo mpitondra miaramila fa ry zareo ihany no mandidy amin'izay mipetraka ho minisitra sy ho lehiben'ny etamazaoro. Anjaran'ny tsirairay ny mamakafaka sy ny mieritreritra ny tokony atao amin-dry zalahy ireo. Samy afaka ny hitabataba fa nandresy, nefa samy hahatsapa fa misy fifampiandrasana hatrany eo. Io fifanarahana io aloha no vahaolana tsara indrindra amin'izao fotoana izao fa ny ampitso no hamaritra tsara izay tena hendry sy eken'ny maro ny fihetsika nataony nandritra ny fihaonana. Ny mpino an'Andrimanitra moa dia tokony hisaotra Azy indrindra fa manomboka miaha ihany ny olana mianjady amin'i Madagasikara ary indrindra indrindra...na dia mihevi-tena ho mpitondra aza ny sasany dia misy olona roa manara-maso ny zavatra ataony nefa tsy tokony azony ataony na inona na inona. Hotohizana ny lalana!


jentilisa, Antananarivo 7 novambra 2009 amin'ny roa maraina.


Aleo samy hahita, aleo samy hizaka!

2009-11-03 @ 00:26 in Politika

Lahatsoratra masiaka dia masiaka izy ity ka izay mora tohina aleo tsy mamaky aloha! Tsy misy resaka diplaomasia ka handambolambo resaka fa toy ny donak'afon'Analakely ity ka avy hatrany dia any am-bovonana; hady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no potsirina. Raha milaza fa leo politika moa ianao ka mahazaka tenenina dia ho anao indrindra ny resaka, fa efa mampiomana anareo indray aho fa hasiaka ity lahatsoratra ity.


Sombin-tantaran'ny fahakely

Efa nosoratako eo amin'ny momba ahy fa tia ary tsy leo miresaka politika aho. Izany hoe, azo heverina fa ao anatin'ny sokajin'olona eto Madagasikara tena vitsy dia vitsy an'isa indrindra. Manahy aza aho hoe mba misy 1% ve izany tsy leo miresaka politika toa ahy izany? Fony mbola kely aho dia tia namaky boky sy gazety, Gazety Imongo Vaovao sy Maresaka no tena famaky fa ny gazety Atrika moa toa fotoana vetivety ihany no nivoahany raha tsy diso aho. Tamin'ny fahasivy na fahafolon'ny taonako aho no nahita boky sekoly alahady tantara antsary (nivoaka tamin'ny 1968 ary nivoaka tsikelikely) voatahirin'ny dadabeko (avy amin'ny reniko). Vitako vaky avokoa hatrany amin'ny Genesisy ka hatreo amin'ny sarin'ny labozia fiton'ny Apokalipsy nandritra ny vakansy.

Herintaona taorian'izay indray no nahitako ny gazety Hehy (1967-1975) nipirina tao amin'ny dadabeko (avy amin'ny raiko) sy ny gazety Fanasina (gazetin'ny protestanta tamin'izany fotoana izany). Notiavina ny namaky hatsikana nefa anisan'ny tena namolivoly tao amiko tao ny fizotran'ny 1972 sy ny 1975 heveriko ho voantantaran'ny gazety Hehy hatramin'ny antsipiriany. Nanomboka teo no nanomboka nanintona ahy ny fizotran'ny tantaran'i Madagasikara, ary nitsiry tsikelikely ny fitiavana nanaraka resaka politika. Raha tsikaritrareo mpamaky dia gazety sy gazetiboky amin'ny teny malagasy avokoa no efa nankafiziko sahady tamin'izany fotoana izany. Koa aza ataonao mahagaga intsony raha mikiry ny hanoratra amin'ny teny malagasy aho.


Efa nampiainana politika sahady

Tadidiko ny nanaovana ahy an-tsangory nandeha nankeny amin'ny Catalane (Toby Ratsimandrava amin'izao fotoana). Maromaro ny olona nifanao fotoana tamin'ny raiko tamin'izany, ary maro dia maro ihany koa ny olona nitanjozotra ho any amin'ny alehanay. Tsy dia nahafantatra tsara ny anton-dia aho fa tamin'ny fotoana namakiako ny tahirin'ny gazety hehy voalazako etsy ambony no nanaovako tsoa-kevitra fa "hijery" ny Kolonely Ratsimandrava nisy namono no nandehanana tany.

Tadidiko hatrany na dia mbola kely aza aho fa nisy nanoratra ENY vaventy dia vaventy teo anoloan'ny tranonay, 1975 io taona io. Naparitaky ny fiaramanidina (tsy tsaroako intsony na voromby na angidimby)ny taratasy na baoritra miendrika ovale misy ny sarin-dRatsiraka sy ny soratra hoe Eny  maro dia maro tokoa [efa nahay namaky teny ve aho sa ny fahatsiarovan'ny jery matanjaka ato amiko no hahatadidiavako izany?]. Dia izay ihany koa ny fifidianana na fandrotsaham-bato tadidiko voalohany indrindra (CEG 67ha) fa tsy fantatro tsara hoe fitsapan-kevi-bahoaka io. Mbola tsy ampy dimy taona akory aho tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko naverimberin'ny MFM sy nataon'ny ankizy litania ny hoe: "Tsy maintsy mandresy ny tolona, na hinan'ny T..ny aza ny olona". Nalaza teo amin'ny misy anay ny MFM satria betsaka mpianatra amin'ny anjerimanontolo nipetraka nanodidina ny nipetrahanay. Tahaka ny teny nandeha ho azy izany taminay na dia somary nampihhisitrisitra ny ray aman-dreny ihany aza.

Tadidiko natao litania tamin'ny taona 1978 taona iraisam-pirenena ho an'ny ankizy raha ny fahatsiarovako azy ny kabary niverimberina manao hoe "Ankizy ankehitrio tompon'ny taona 2000". Toa kabary natao hampitony ny ray aman-dreny mahatsapa fa mihasarotra ny fiainana io fombam-pitenenana io. Tsy mbola tadidiko nisy naneho fimenomenonana ampahibemaso tamin'ny olona tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko ny taona 1979 fa nisy zavatra nanahirana ny raiko, sy nilofosany fa tsy fantatro mazava aloha tamin'izany fotoana izany noho ny maha mbola kely ny tena angaha. Nitondra trakitra hatrany izy, hay moa nanao fitokonana ny mpiasam-panjakana saingy resy tamin'izany fitokonana nataony izany. Hatramin'izao dia tsy fantatro tsara ny tena notakian'ny mpiasam-panjakana fa ny tadidiko dia Antaimbarinandriana no tena nifanaovana fotoana.

Nandeha indray ny taona 1982 na ny nifanakaiky tamin'izany, toa nandehanako hatrany ny fivoriana politika natao tao amin'ny kianjan'ny COUM 67ha. Asa! noho ny COUM toeran'ny Anjerimanontolo ve fa tsy nahatsikaritra mpitandro filaminana aho teny amin'ny manodidina teny. Ny Monima notarihin'It. Monja Jaona no karazana "mpanohitra" tamin'izany fotoana izany... Ny teo 67ha ihany no naleha fa tsy nahafantatra izay nitranga taty Analakely, toa hoe nisian'ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana aho. Ny marina kokoa, sarotra ny manao fihetsiketsehana teo Analakely satria mbola nanjaka ny TTS sy ny fandrobàna nataony sady teo amin'ny Toby Pochard eo akaiky eo no misy azy. Rehefa nisy ny rotaka, na dia ny faharesena tamin'ny baolina kitra teo Mahamasina aza dia misy hatrany ny olona manao rodorodo mandroba teny Analakely ka ny VETMAD hatrany no lasibatra voalohany. Nampalhelo mihitsy io orinasa io tamin'izany fotoana izany. Mba an'iza ary izy io no nankahalaina tahaka izany?


Tsy nananjò hifidy

Tamin'ny taona 1989 dia tokony ho ny volana desambra no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nikabary anefa ny filoha Ratsiraka tamin'ny fiandohan'ny taona fa haroso amin'ny 12 martsa ilay fifidianana. Tsapako ho feno alahelo aho satria andro sisa no isaina aorian'io 12 martsa io dia feno 18 taona aho, izany hoe afaka mifidy amin'izay. Nafana dia nafana ny resaka politika teo aminay samy mpianatra, na mpiara-mipetraka. Ny nahazendana ahy raha ny fivoahan'ny adihevitra dia tokony ho ny mpanohitra no nivoaka nandresy. Saingy nizarazara moa ny mpanohitra fa samy teo i Monja Jaona, Manandafy, Marojama Razanabahiny. Hita amin'ny resaka ihany fa samy nifidy izay mitovitovy fiaviana aminy ny tsirairay. Ny avy eto afovoantany nirona kokoa tamin'i Manandafy. Ny tany Anindrana kosa nitodika kokoa tamin'i Marojama. Teo ihany ny nisafidy an'i Monja Jaona. Efa nanambara ny hanaovana ankivy ny fifidianana ihany ny MFM noho ny ahiahiny amin'ny fizotran'ny fifidianana saingy tsy eken'ny sain'ny mpifidy izany ka nilefitra ihany ilay antoko tamin'ny farany.

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, nangina hafahafa ny tao ampianarana. Ankona tamin'ny fahagagana fa mbola maro mpifidy ihany ny Arema angamba. Lasa fampaherezana ny mpianatra sy fampiononana no nataon'ny mpampianatra kajy anay tamin'izay fotoana izay. Tsapan'ilay mpampianatra angamba ny fahadisoam-panantenanay mpianatra. Isaky ny fakan-drivotra dia mivoaka ny vavahady hatrany izahay ary misioka izay fiara manakaiky ny faritry ny sekoly, na izay rehetra azo siahina. Nivadika ho fitoraham-bato izany indray maka.

Nihananakaiky ny andron'ny 13 mey 1989 ka feno mpitandro ny filaminana nandehandeha ny tanàna indrindra fa ny nanakaiky ny sekoly. Nisy mihitsy aza ny miaramila no napetraka tao amin'ny efitra iray ao amin'ny sekoly. Nampiakatra ny tambavin'ny mpianatra izany tamin'ny fakandrivotra ka nahatonga ny tabataba. Namanenoina haingana ny lakolosy fidirana saingy tsy nisy niraharaha izany. Velona ny fitorahana ny efitra nisy ireo miaramila. Tonga ny mpanampy an-dry zareo! tamina kamiao maromaro. Nirohotra nakeny ambavahady ny mpianatra. Ny zatovolahy mitoraka moa ny zatovovavy maka vato tamin'ny sobika fanangoana fako isan'efitra tao amin'ny lalamby (LMA Ampefiloha ny sekoly nianarana) mandalo ambadiky ny sekoly. Tsy maintsy hoe vaky nandositra ny miaramila satria mpianatra rehetra no niara-nirohotra. Tsy anjerimanontolo ny Lisea saingy tsy neken'ny mpianatra ny hanitsakitsahan'ny miaramila ny faritry ny sekoly. Tsy nisy ny mpampianatra na mpandraharahan'ny sekoly sahy nibedy ny mpinatra tamin'io fotoana io.

Saika tao amin'ny LMA no niaingan'ny fitokonan'ny mpianatra tamin'io fotoana io, ka nahamailo ny fitondrana. Ny LMA irery manko no nandroaka ny miaramila hiala ny faritry ny sekoly noho ny fananana ireo vaton'ny lalamby lasa karazana bala. Nalefa hiala sasatra mialoha sy andro maromaro ny mpianatra rehetra tao amin'ny LMA manokana raha nitohy kosa ny fianaran'ny sekolim-panjakana hafa. Tamin'izany fotoana izany manko dia efa saiky hivadika politika ilay lonilonin'ny mpianatra. Kamo kosa aloha ny mbola handeha hivory tamin'izany fotoana izany nefa mba nahazo vakansy aza. Maty momoka ny tolona tamin'io fotoana io. Rava koa ny GVTD rehefa nandalo teo Madagasikara ny Papa

Rehefa nahazo nifidy indray

Dia nisy koa ny tolona 1991. Nikatso tanteraka ny machine administrative saingy tsy nahala ny filoha izany. Nisara-kevitra ny MFM sy ny Hery Velona hafa. Tadidiko tsara fa voatery nitondra ny sezany ho eny ambony sehatra it. Germain Rakotonirainy teo amin'ny kianajn'ny 13 mey.
Taty aoriana moa dia lasa nikisaka tao amin'ny Lisea Rabearivelo ry zareo ka nanagana ny Hery Velona Rabearivelona na Herivelon'i Madagasikara. Ny hafa kosa nametraka ny anarany ho Hery Velona Rasalama satria fanaovana toeram-pivoriana isan-tsapana ny Kolejy Rasalama etsy Ampandrana. Nandalo ny 10 aogositra 1991 fa mbola tsy nahaongotra an-dRatsiraka ihany izany. Ny lazany fotsiny no niharatsy. Tsy maintsy nifanekena ny fifanarahan'ny Panorama nivoaka tamin'ny 31 oktobra 1991. Niaraha-nitantana ny tetezamita.

Tamin'ity fotoana ity (1992-1993) vao tena nampiasa ny safidy ny tena. Na mpandeha teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza ny tena dia tsy nifidy an'i Zafy Albert tamin'ny fiodinana voalohany. Olon-kafa no nofidiana satria izay ny safidiko. Tamin'ny fiodinana faharoa vao nandrotsa-bato ho azy aho. Mety ho antony iray nanaovako izany safidy izany ny nitadiavako ny hilaminana ka hanekena ny fifanarahana. Nankatò  ilay fifanarahana aho raha nitsipaka izany kosa ny mpitolona nandeha isan'andro teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy teto an-toerana ny Pr Zafy Albert (praiminisitra an-dalambe) tamin'ireny fotoana ireny ka ny fandavany ampahibemaso ny fifanarahana (nefa toa tsy hita akory izay fanovana natao tamin'ny fifanarahan'ny Panorama efa vita sonia) no nahatonga ny safidin'ny Besinimaro ho kandidàn'ny Hery Velona (Rasalama).

Tonga ny taona 1996, naongan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny asany ny filoha Zafy Albert. Nandeha indray ny fifidianana. Olonkafa no nofidiako fa tsy Zafy Albert na Didier Ratsiraka. Izany hoe hisafidy amin'ny olona samy efa nitondra indray ny vahoaka malagasy. Nilaza ho leo sy tsy hiraharaha ity fifidianana ity indray ny ankamaroan'ny tanora. Nankalazaina fatratra eran'ny vazamontotra manko fa hifidy amin'ny pesta sy kolerà ve? Izay fanaratsiana ny zavatra politika izay no fahadisoana goavana, sady nokendrena rahateo moa ny hahavitsivitsy kokoa ny mpifidy e! Izaho kosa tsy nandairan'ny fanaratsiana befahatany ny politika fa nandrotsaka ny vatoko tamin'ny Pr Zafy Albert ihany. Naneho ny safidiko aho ary tsy nanenina tamin'izany. Tadidy tsara kosa fa nihanihena ny vaton-dratsiraka rehefa nihatonga tsikelikely ny avy any Ambanivohitra. Tsy navela hiditra ny trano boriborin'ny minisiteran'ny atitany intsony ny solontena sy ny mpanara-maso avy amin'i Zafy Albert. Mazava loatra raha mipetraka ny ahiahy fa namboamboarina ny vato mba hendresen-dRatsiraka. Kely ny elanelambato ofisialy saingy be tamin'ny tanora kamo nifidy tamin'ny fiodinana faharoa no nanenina avy eo hoe tahaka izay ihany nifidy... izany hoe naleo hay nifidy Zafy Albert! Ny nenina moa tsy eo aloha hananatra fa...


Ankehitriny kosa manao ahoana?

Nodinganiko ny 1999, 2001, 2006 ary ny 2007. Velona indray ny fanaratsiana ny mpanao politika. Raikitra indray ny fanosora-potaka ny zavatra politika. Manao izay samy igadonan'izay hitranga indray ny maro an'isa. Dradraina indray fa mitady filaminana sy fitoniana ny vahoaka. Hita eny ho eny ny fametrahana ny olona ho anaran'aretina. Eo amin'ny fotoana heverina ho mahaketraka izay indrindra anefa no tena tokony ijoroana. Miala tsiny aminareo namana rehetra aho. Hametraka ny hevitro izay hanafintohina aho. Safidy politika ny ahy ka abaribariko. Izaho manokana tsy manaiky fotsiny ny hoe izay ifanarahan-dry zareo ao. Izaho tsy manaiky ny atao an-jorombala. Mametraka izay heveriko ho vahaolana haingana kokoa aho. Rehefa hitako tato [teny malagasy] ny zava-mitranga any Honduras dia velom-panantenana ihany koa aho.

Ny any Honduras raha mety haverina amin'ny toerana mahafilohan'ny firenena azy Atoa Zelaya izay vao naongana, ka iaraha-mitantana ny fitondrana, ary ao anatin'ny iray volana no hanatanterahina ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia hoy aho hoe: rehefa tsy averina hitondra ary Ravalomanana dia tsy tokony hitondra ihany koa Rajoelina. Izay no fampitoviana lenta sady mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena. Koa ny hany andrasako amin'ny fivoriana any Adis Abbeba noho izany dia na tsy mitondra Rajoelina na tsy vita ny fanaovan-tsonia dia aleo samy mahita eto isika ary samy hizaka ny vokany. Ny tadiaviko dia vitaina haingana ihany koa ny fifidianana fa tsy hialintaona izany ity raharaha ity. Amin'izay fotoana izay samy tsy maintsy mandray ny andraikiny avokoa ny rehetra na aleo ny mpanongam-panjakana no mitondra na tsy maintsy tontosaina ny fifidianana. Izay malemy loha ka mandefitra any Addis Abbeba aloha no ho resy e!

Raha misy ny tezitra dia zonao izany, raha manontany ianao hoe dia tianao hotohizana izany izao fahasahiranam-be efa mianjady amin'ny vahoaka sy ny firenena izao dia valiako boraingina hoe: Izay nanomboka izao fahasahiranana izao no aoka hamarana azy amin'ny fanapahan- keviny. Raha nitady fifanarahana ianao, tsapanao ny lanjany koa mahaiza mandefitra bebe kokoa noho izay efa noleferinao. Tena biby saina tsy antra fo mihitsy izaho ity an! Tadidiko tsara ny fitenina mpitari-tolona iray izay tamin'ny volana febroary 2009 nanao hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i...". Dia maninona moa mba isian'ny fitoviana tsara raha mba manao koa aho hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i..." Tsy mampaninona ahy na dia ompanao aza aho satria tsy misy loatra angamba ny mahasahy mamoaka hevitra tahaka izao fa ny ahy ny hevitro dia hoe: "tsy ekeko ny hanomezana lesona ratsy ho an'ny taranako ka ho lasa maodely ny fanonganam-panjakana, tsy ekeko ny nanosihosena ny zoko na dia nisy aza ny tsy nety nataon'ny nofidiako, tsy ekeko hitondra fotsiny izao ny mpanongam-panjakana satria tsy tiako hisy zo ambony sy zo ambany eto. Efa vonona aho ny hizaka ny safidiko fa ianao aloha no asa!"


jentilisa 3 novambra 2009 amin'ny 01: 31


Amin'ny anaran'ny tolona

2009-10-24 @ 02:40 in Politika

Miala tsiny indrindra amin'ny tompon'anaram-bolongana fa dia tsy nahita lohateny hafa ankoatra io koa aho amin'ity lahatsoratro manaraka ity. Araka ny fahalalako, dia ny bolongana manana ny anarana hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" no fantatro fa bolongana niteny malagasy voalohany indrindra. Mety tsy ho izay no marina saingy, io aloha no hitako hatramin'izao. Efa nisy izany teo alohako fa tsy izaho tsy akory no namoaka bolongana tamin'ny teny malagasy voalohany.

Manaraka izany indray, efa ela aho no te-hanoratra fa toa maromaro ihany ny sampona. Mahatsiaro mahita fahabangana amin'izay vakian'ny mpanara-baovao anefa rehefa mamaky fotsiny izay soratan'ny hafa ka manao anakampo hoe tsy maintsy mamoka lahatsoratra iray aho rahampitso fara-fahatarany, saingy nihemotra hatrany izany. Fandrika lehibe eo anoloako noho izany ny tsy mamoaka vaovao na ny hevitro eto amin'ity sehatra misy ahy ity. Mba eto an-toerana ihany tsinona ny tena ka afa-manaraka tsara ny zava-misy.

Mba mahatsikaritra ve ianareo? Moa tsy amin'ny anaran'ny vahoaka [madinika] sy tsy hahavery foana ny tolona no nandrombahan'ny sasany ny fahefana? [tsy fahefana nomena tamin'ny nahim-pony iny fa noterena tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana, tsy voatery ho ambanana fa ialana amin'ny ady an-trano sy ny fandripahana ataon'ny miaramila mpikomy]. Noho ireo dingana isankarazany natao - indrindra fa ny nanomboka ny 25 janoary 2009 nitohy ny ampitsony sy ny afak'ampitsony ary ny tapa-bolana latsaka taorian'izay - no tsy hanekena ny ialana mora eo amin'ny fitondrana. Io ilay lazaiko hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" satria tsy noho ny safidim-bahoaka manerana an'i Madagasikara no nahazoana ny fahefana fa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana.

Raha namaky ny bolongan-dRabelazao [Amin'ny anaran'ny tolona] aho dia ny sarin'i El Che avy any Arzantina no hitako eo ankavanana eo. Tsy tany amin'ny toerana nihaviany anefa no tena nampalaza an'io mpitolona revolisionera io fa tany Kiobà. Rehefa Kiobà no resahina dia mitodika ho azy any amin'ingahy Fidel Castro koa ny eritreritra. Dia namaky sombin-tantaran'io firenena io ny tena ka nahatsikaritra fa nianjadian'ny fanonganam-panjakana nisesisesy ihany koa hay io firenena io nialoha ny an'i Fidel Castro. Dia olona 82 no notarihany voalohany hanangana hery mitam-piadiana nefa dia nahatarika olona maro hafa izy ka naharombaka ny tanànan'i Santa Clara, Kiobà [fa tsy ny Lapan' Ambohitsorohitra an!] tamin'ny faran'ny taona 1958. Ora 12 taorian'izay dia voatery nandositra i Batistà izay filohan'i Kiobà tamin'izany fotoana izany [sao dia mihevitra indray ianareo fa Ravalomanana no tiako lazaina amin'izany?]. Dia notapahina hatreo fa andron'ny Revolisiona Kiobana ihany koa ny 1 janoary 1959. Dia asa aloha ny eritreritry ny mpamaky fa manontany aho hoe fanonganam-panjakana ve no nataon'ny tarik'i Fidel sa tsia?

Nanapa-kevitra tamin'io fotoana io ny Fitsarana Tampony tany an-toerana fa ny Revolisiona no loharanon'ny Lalàna [fototry ny lalàna] ary ny mpitarika ny revolisiona no mandray ny fahefana. Tsy El Che [Che Guevarra] na ry Fidel mpitari-tolona revolisionera no lasa filoha avy hatrany fa izany Manuel Urrutia Lleó izany. Tsy mbola ireo mpitari-tolona ireo ihany koa no nandray ny toeran'ny praiminisitra fa izany José Miró Cardona izany. Inona no toerana noraisin'i Fidel Castro? Lehiben'ny tafika revolisionera na mitovitovy amin'ny CEMGAM eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Dia nieritreritra aho hoe fa iza tokoa moa no hahala ny CEMGAM sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena eto Madagasikara? Moa tsy efa nanambara ampahibemaso ve ny tao amin'ny Capsat rehefa azony ny minisiteran'ny Fiarovana Ampahibe fa tsy maintsy "ekeny aloha " vao mahazo mipetraka ho minisitry ny fiarovana sy CEMGAM? Moa ve tsy efa eritreritra fa tsisy hahala amin-dry zalahy ireo no mahatonga ny iray aminy niteny hoe tsy misy idiran'ny miaramila izany fifandirana politika misy eto Madagasikara izany fa mety ho tafapetrka eo mandrakizay ry zalahy raha tsy hoe mitady ny toerana ambonimbony kokoa avy eo? Nefa tsy misy ilàny izay toerana ambonimbony rehefa fantany fa eo ampelatanany ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara, ka ny mandray ny fanampi-tambin-karama tamin'ny fiandohan'ny volana martsa 2009 sisa atao. Mipetraka tsara aloha eto fa "Amin'ny anaran'ny tolona" no nahazoana ny fahefana fa tsy amin'ny alalan'ny fifidianana.

Miverina kely amin'ny tantara indray aho, niala tampoka ilay praiminisitra José Miró Cardona rehefa niasa enina herinandro ka teo vao noraisin'i Fidel Castro io toerana io [13 febroary 1959]. Nisy ny filoha fa moa fantatry ny olona ivelan'i Kiobà amin'ny ankapobeny ve izany? Nandray ny toeran'ny praiminisitra i Fidel Castro [hatramin'ny joona 1976] nefa nahalatsa-danja azy niohatra tamin'ny filoha ve izany na tao an-toerana na taty ivelany? Raha ny eto Madagasikara aloha dia tsy mahay izany fa "Antsoy hoe Andriamatoa filoha aho manomboka izao" ihany no ady eo. Na dia sazian'ny lalàna iraisam-pirenena aza fa "tsy mahazo mitondra firenena izay nitarika na nanongam-panjakana tamin'ny alalan'ny hery" dia tsy henoina izany noho ny "Amin'ny anaran'ny tolona".

Mieritreritra aho, rehefa nahavita izay soratra izay, fa matoa isisihana hatrany ny hitadiavana ny toerana "Filoha" dia noho ny tahotra fa tsy manandanja miohatra amin'ny olon-kafa na dia mpiara-dia aminy aza izany olona izany. Na eo ihany koa ny fitiavan-kanafina izay tena naniraka tao ambadika tao. Raha tena mpitarika ny tolona ianao dia afaka mibaiko izay olona rehetra tendrenao amin'ny toerana iray fa tsy tokony hitokozihitra hoe tsy maintsy izaho no eto, ka miteraka ny ahiahin'ny olona manao hoe tsy maniraka tokoa ianao fa irahina.

Ankehitriny moa, toa efa ifampitadiavan'ny mpifanaritaka ao anatin'ny "Amin'ny anaran'ny tolona" izay ifandresena lahatra fa amin'ny anaran'ny lalàna amin'izay no itondrany ny firenena. Tahaka izany ny didim-pitsarana tao amin'ny Filakevim-panjakana manamarika fa ny filoha no manendry ny praiminisitra dia mihorakorak'hafaliana ny sasany fa efa filoha araka ny lalàna - tsy nandalo fifidianana - ny nisora-tena ho filoham-panjakana. Dia nisy izany filankevitry ny Minisitra izany manendry olona ho Praiminisitra vonjimaika ihany koa, tahaka ireny hoe efa nifanarahan'ny efa-tonta miandraikitra ny fanendrena io praiminisitra io. Misy zavatra hafahafa kononkononina ao!

Hitanareo koa moa fa misy ireo mampandresy lahatra fa tsy iadian-kevitra intsony ny mahafiloha an'Ilaikely nefa ny ankolafy iray nanamarika fa tsy misy filazana ao anaty fifanarahana efa voasonia fa izy no filoha. Dia eto isika miandry ny 3 ka hatramin'ny 5 novambra 2009. Ny mahavariana ahy fotsiny dia tahaka ny tsy misy mitaintaina ho'aho ny olona raha sanatria tsy tontosa amin'io fotoana io ny fampiharana ny fifanarahana, na ny ny 6 novambra aza no manapa-kevitra ny momba an'i Madagasikara ny vondrona Eoropeana. Sa efa azo antoka fa tsy ho tapaka intsony ny fanampiana [mbola iankinan'ny malagasy] avy amin'izy ireo?

Farany, fa efa lava izay. Faly ery ilay vohikala iray mpanohana ny FAT amin'izao fotoana izao milaza fa miara-milahatra sy anisan'ny mpitondra firenena folo goavana eto ambonin'ny tany Ilaikely dia lazaina fa miara-milahatra amin'i Barack Obama, Angela Merkel, Silvio Berlusconi, Ronald Reagan, Lula Da Silva, Arnold Schwarzenegger. Ny fomba filaza dia tahaka ny hoe tafiditra ho filoham-pirenena folo goavana manerantany Ilaikely no tadiavina asongadina hovakian'ny mpamaky, nefa ny filazan'ilay loharano dia mitantara ny lalana nodiavin'ireo olona folo tantarainy ireo. Vohikala frantsay koa moa no nahitana ilay izy ka mety ho ao anatin'ny paika fanambatambazana sy fampaherezana an'ilaikely sy ny mpanohana azy ireny  hoe jereo fa malaza erantany sahady ny filohanay. Narangaranga ihany ilay takelaka na dia misy teny hoe "fanonganam-panjakana notarihiny' izay tsy zakany aza ao anatin'ny lahatsoratra. Fa ny tena mampihomehy ahy zavatra hafa tanteraka no tiako soratana nefa dia hafa tanteraka no voasoratra, saingy tsy nosoloiko intsony ilay lohateny hoe "Amin'ny anaran'ny tolona".


jentilisa, 24 oktobra 2009 amin'ny 02:44 maraina.

Monja Roindefo, Maputo sy Dakar ary...

2009-10-11 @ 02:03 in Politika

Tontosan'i Monja Roindefo ihany ny fanambarany tamin'ny mpanao gazety ka nanehoany ny maha-mpilalao politika azy. Efa fantany tsara fa tsy hanasonia ny fifanarahana na ny fanambaran'ny GIC izany Atoa Marc Ravalomanana araka ny fanambarana nataon'ny filoha teo aloha, dia napetrany ho fepetra ihany koa iny ka nilazany hoe: "farafaharatsiny mba manao sonia iny fanambarana nivoaka tao amin'ny Carlton iny avokoa ny mpitarika ny ankolafy efatra" fa tsy ny telo ihany vao mety hanaiky ny fialany izy. Raha telo ihany manko dia mbola tsy mampiditra ny rehetra ihany izany araka ny filazany. Natsidiny indray mandeha ihany koa ny didy navoakan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana mametraka azy ho "Praiminisitra ara-dalàna" ka hanesorana azy fotsiny amin'izao. "Samy andrim-panjakana izao ihany ve dia hifanongana eto?"

Fametrahana teti-panorona tsara ihany koa ny nilazany sahady fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy ary mitaky ny hanaovana izay fifidianana izany araka izay haingana indrindra. Nolazainy manko fa ny fifidianana ihany no vahaolana hamahana izao krizy mihatra amin'ny firenena izao. Tsy hoe lasa mpanohana an'i Monja Roindefo tampoka ny tena raha manoratra voalaza ireo fa mijery azy amin'ny lafiny teti-panorona hitazonana sy hahazoana indray ny fitondrana. Amin'ny lafiny iray manko, karazany mampanome vahana ny legalista ihany koa ny fihetsika ataony tsy manaiky hiala fotsiny amin'izao na dia eo aza ny fifanarahana raha mbola mihevitra izy fa manana hery na vondro-kery afaka miaro azy tsara (miaramila). Olana iray mila vahana na idifiana, noho izany, ny fihetsika ataon'i Monja Roindefo.

Tokony ho lesona ho an'ny legalista ihany koa ny fitakiana fifidianana araka izay haingana indrindra sy ny hitakiana ny hizarana ny toeran'ny Ben'ny faritra amin'ny ankolafy efatra, izany hoe samy manana dimy avy... fa ny ambiny (izay vitsy mponina indrindra) kosa dia tantanin'ny fiaraha-monim-pirenena. Kendrena mba hifanahantsahana ny isan'ny mpifidy sahanin'ny isaky ny ankolafy efatra hampifandanja ny efa-tonta dia mety hivandravandra eo ny mpangala-bato. Miainga avy amin'ireny fitsinjaram-paritra ireny manko ny hala-bato ka ilaina ny fanaraham-aso azy ireny. Hadisoana bevava noho izany raha avela hosahanin'izay minisitry ny atitany irery ihany ny fanendrena olona amin'ireny fitsinjaram- pahefana notendrena any amin'ny faritra ireny.

Atrehina ary vahana ny olana raha fantatra fa tsy manana hery miaramila afaka hiaro azy i Monja Roindefo. Miditra amin'ny ady mivantana izany. Tsy ho vitan'ny rahom-bava intsony ny raharaha fa dia mety hiasa sanatrian'izany basy aman-tafondro. Hita eo izay mahery amin'izay fotoana izay. Efa nalaza ihany anefa ny tsahotsaho fa noezahina hatry ny ela ny hampanaiky an'ingahy Monja Roindefo hiala amin'ny toerany saingy tsy nisy nahombiazana izany rehetra izany. Ankehitriny efa hita miharihary ny fibodoany ny toerana. Etsy ankilany indray, mety ho azo atao ihany ny midify ity olana iray ity fa mametraka vahaolana hafa, dia toy ilay nambaran'i Manandafy tamin'ny fotoana nanendrena azy hoe eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra indray no arafitra tsara ho Lapan'ny Praiminisitra vonjimaika ka eny izy no handray ny masoivoho vahiny, na araka ilay nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny 7 febroary 2009 manao hoe "An'ny vahoaka ny Lapan'Ambohitsorohitra koa atolotro ho toeram-piasan'ny praiminisitra" fa ny tenany kosa dia handefitra amin'ny Lapan'Iavoloha ihany. Dia amin'izay Lapa vaovao no hametrahana ny praiminisitra nifanarahana Atoa Mangalaza Eugene raha bodoin'i Monja ny Lapan'i Mahazoarivo.

Nahavariana ihany ny nitsenan'ny masoivoho vahiny vitsivitsy miasa eto Madagasikara ity Praiminisitra nifanarahana ity. Efa karazana fanerena ankolaka ataon'ny "iraisam-pirenena" hampanakery ny "fanambaran'ny GIC" mbola tsy voasonia io fihetsika io, ary maneho fahavononana amin'ny hanampiana azy sahady. Satria tsy manana hery miaramila aloha amin'izao fotoana izao Atoa Ravalomanana dia hodinganin'ny "iraisam-pirenena" tsy hanao sonia tokoa izy. Rehefa tena ho sarotra ny raharaha dia atao "sorona" hanasonia ny fifanarahana farany i Fetison Rakoto Andrianirina na olona hafa manaiky atao izany, raha mbola i Andry Rajoelina ihany no tafapetraka eo. Hanampy amin'ny fanomanana ny fifidianana sy amin'ny fanampiana ara-tsosialy hatrany ny firenen-dehibe tarihin'i Frantsa sy i Etazonia fa tsy hanaiky hitarazohan'ny krizy velively. "Sorona" izay manasonia ny fifanarahana satria heverin'ny mpitolona legalista ho "mpamadika" ihany koa iny, ary ho sarotra ny hijanonany eto Madagasikara. Tsy ho afaka ny hangataka ny hampiatoana ny AGOA velively manko ny ankolafy Ravalomanana, satria tsy maintsy ho fantatry ny besinimaro foana raha misy ny fihetsika toy izany hiheveran'ny olona fa mamono ny malagasy tsy hanana asa izy, ary sarotra dia sarotra ny hieritreritra ny fiantraikan'izany fahaverezan'asa 100 000 mivantana izany.

Praiminisitra tsy ho voabaikon'i Andry Rajoelina ihany koa io raha ny fanombanana azy satria tsy i Andry Rajoelina samirery akory no nanendry azy. Any amin'ny ankolafy nandroso azy no hakany hevitra kokoa amin'ny fitantanana ny firenena fa tsy ho any amin'ingahikely velively. Ho tahaka izany ihany koa ireo minisitra tendren'ny ankolafy hafa. Raha avy manko izay baiko amin'ireo minisitra, nefa tsy ankasitrahan'ilay minisitra ny toromarika, dia metyhivoaka ny ampitson'iny amin'ny gazety ihany izay baiko izay. Dia mety hitombina ny hoe ho filoha anarany fotsiny sisa izany hoe filohan'ny tetezamita izany.

Maputo sy Dakar

Efa ela aho no te-hanoratra ity ka dia nanery tena mihitsy androany hamita azy. Misy hatrany manko ny mamerimberina fa nisy nandika ny fifanarahan'ny Dakar tamin'ny taona 2002 ka vali-fingìka fingàka. Mazava tsara ny fifanarahan'i Dakar tamin'ny 18 avrily 2002 hoe: Noho ny didim-pitsarana laharana faha-4 navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny fanjakana ao amin'ny Fitsarana Tampony dia averina indray ny fanisam-bato. Ny voasoratra eo amin'ny andininy voalohany dia mametraka mazava tsara hoe: "raha toa ka tsy misy ny mahazo ny ampaham-bato ahafahana mandresy amin'ny fiodinana voalohany" vao mandeha avokoa ny fifanarahana hafa rehetra [dans l'hypothèse où aucun candidat n'a obtenu la majorité requise pour être élu au premier tour de scrutin]. Tsy izay anefa no napetraky ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa nandresy tamin'ny fiodinana voalohany, rava ho azy noho izany ny andininy manaraka rehetra.

Nilaza ny ankolafy Ratsiraka tamin'io fotoana io hoe "nisy ny fifanarahana am-bava nametraka hoe tsy misy atao mandresy amin'ny fiodinana voalohany". Hafahafa ihany izany voalaza izany fa misy manko ny teny malaza lazaina ho nataon'i Pilato izay manao hoe "Izay voasoratra dia voasoratra" sy ny fombam-pitenenana manao hoe "Ny teny mandalo, ny soratra mitoetra". Raha voarakitra moa ny teny dia tsara ihany ny mamoaka izany hanaporofoana fa "nandika ny fifanarahana ny ankolafy Ravalomanana" tamin'io fotoana io. Rehefa tsy izany kosa dia aza miteniteny foana intsony.

Ny toy ireny no nahamailo tsara ny mpifanandrina politika nandritra ny fifanarahan'ny Maputo voalohany, ka "nahavoafandrika" ihany koa an'i Andry Rajoelina nihevi-tena fa nekena ho filohan'ny tetezamita ny tenany. Amin'ity indray mitoraka ity moa dia mety hotontosaina tsy misy sonia ihany ny fifanarahana na eo ampandrasana isika mahita ny atiny.

Jiro tapaka tao amin'ny tranoben'ny Minisiteran'ny atitany tamin'ny desambra 2006

Ity tranga nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 3 desambra 2006 ity ihany koa dia lazaina fa fomba nentin'ny fitondrana Ravalomanana nentina nangala-bato hampandreseny ny tenany. Efa nanoratra ny momba io aho tamin'ny andro nanoratako tao amin'ny "Politika fanorona" ka tsara indray angamba ny hamerenana izany etoana. Soa ihany aza fa nanaraka mivantana sy nanoratra ireny aho tamin'izany fotoana izany. Horaisiko manontolo mihitsy ny lahatsoratro tamin'izany fotoana izany:

06 desambra 2006

31 isaky ny BV indray sisa dia…

Toy izao indray ny vokatra azo androany alarobia 06 desambra 06  tamin’ny 12 ora atoandro teo:
Isan’ny mpifidy voasoratra anarana : 5.012.419
Isan’ny birao fandatsaham-bato nahazoam-bokatra : 9149
Isan’ny birao fandatsaham-bato rehetra : 17.581
Isan’ny vato nanan-kery : 3.057.946
Toy izao kosa ny vokatra azon’ny tsirairay ao anatin’izany :
Ravalomanana Marc 1.871.641 manome 61.22%
Lahiniriko 227.799 na 7.45%
Ratsirahonana 154.661 na 5.06%
Ratsiraka 283.798 na 9.28%
Razafimahaleo 233.920 na 7.65%
Rakotoniaina 53.493 na 1.75%
Andrianjohary 24.683 na 0.81%
Rajakoba 13.585 na 0.44%
Andriamanjato 114.101 na 3.73%
Tsiranana 1.083 na 0.04%
Razakarimanana 38 na 0%
Monja Roindefo 8 na 0%
Manandafy 7.158 na 0.23%
Ravelomanantsoa 71.378 na 2.33%
Hatreto indray dia safidin’olona 1.937.956 sisa no andrasana amin’ny birao fandatsaham-bato 8432. Nataoko 62%n’ny mpifidy no salan’isan’ny vato manankery. Lasa safidin’olona 1.201.533 eo ho eo indray no tena andrasana. Raha io isa farany io no atambatra amin’ny vato manankery etsy ambony dia manome 4.259.479. Ny atsasa-manilan’io isa io dia 2.129.740. Hitantsika ery ambony fa ny isa efa azon-dRavalomanana dia 1.871.641. Ny isa andrasan’ny filoha am-perin’asa izany sisa hahazoany ny atsasa-manila dia ny fifanalan’ireo isa roa farany ireo izay manome 258.100 eo ho eo ka andrasana amin’ireo birao 8.432. Ny isa voalohany zaraina amin’ny isa faharoa izany no manome ny isam-bato isaky ny biraom-pifidianana tadiavina hibatana ny fandresena, izany hoe 31.
Nosoratan'i jentilisa

Azonareo veroka mazava tsara angamba ny safidiko tamin'ireny fotoana ireny, indrindra ho an'izay mpanara-baovao tao amin'ny "Politika Fanorona". Dia eto amin'izay no mila mandany fotoana kokoa ny rehetra. Ny lahatsoratro tamin'ity 7 desambra ity manko no nahitana toe-javatra mety ho nampiahiahy voalohany:

Hala-bato sa tsy fitandremana sa fanitsiana?

Somary nahavariana ny voka-pifidianana rehefa nampitahaina ny halina sy ny androany maraina. Dia izay ny nampanotany ny tenako hoe inona no tena zava-mitranga. Ny hafa moa raha nilazako dia namaly hoe mbola tsy ofisialy anie io fa ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ihany no tena tompon’ny teny farany. Tsy hoteneniko dieny eto ilay “fahadisoana” fa ianareo ihany no asaiko mahita azy. Tsy manam-pikasana ny hanafina azy rahateo aho matoa milaza azy dieny eto am-piandohana. Tsy ofisialy tokoa moa ny vokatra azo na dia mamoaka azy aza ny minisiteran’ny ati-tany. Indreto ary ny vokatra omaly hariva sy ny androany maraina dia mazotoa mamaky azy aloha:

Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana omaly dia 5.316.321 omaly ary 5.939.449 androany
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.233.199 (62.10%) omaly ary 3.609.416 (60.77%) androany. Ny isan’ny vato manan-kery azo nandritra ny alina izany dia 376.217. Manomboka eto dia heveriko fa azonareo ny tiako soratana: ny vokatra voalohany dia ny azo omaly navoakan’ny minisitern’ny ati-tany tamin’ny enina ora hariva, ny vokatra faharoa kosa dia ny androany maraina tamin’ny enina latsaka 12 miniotra, ary ny fahatelo dia ny tombom-bato azo sy ny salan’isam-bato azo tamin’io tombom-bato io:

Marc 1.948.678 ( 60.27%) ; 2.096.935 (58.10%) ; 148.257 (39.40%)
Jean  248.243 (7.68%) ; 320.864 (8.89%) ; 72.621 (19.30%)
Norbert 159.820 (4.94%) ;167.021 (4.63%) ; 7.201 (1.91%)
Iarovana 316.303 (9.78%) ; 376.231(10.42%) ; 59.928(15.93%)
Herizo 252.304 (7.80%) ; 296.095(8.20%) ; 43.761(11.63%)
Pety 60.068 (1.861%) ; 63.921(1.77%) ; 3.853(1.02%)
Jules 25.891 ( 0.80%); 27.603(0.76%) ; 1712(0.45%)
Daniel  14.625 (0.45%); 18.861(0.52%) ; 4236(1.12%)
Ny Hasina 121.185 (3.75%); 141.056(3.91%) ; 19.871(5.28%)
Philippe 1056 (0.00%); 1038(0.03%) ilay isam-bato nihena
Ferdinand 46 (0%) ; 46(0%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy  8.849 (0.26%); 10.513(0.29%) ; 1664(0.44%)
Elia 76.523 (2.37%) ; 89.224(2.47%) ; 12.701(3.37%)

Ny fanampim-baovao moa dia efa mikonokonona ny andininy manaraka ny rehetra. May ny biraom-pokotanin’I Mahabibokely any Mahajanga omaly, toerana nandresen-dRavalomanana io. Nisy nilaza ihany koa fa nisy nandoro tahaka izany ihany koa ny tranon’Atoa Sajy Pierre ao Toliary, nisy rezervista voasambotra fa nizara trakta hanonganana an-dRavalo teo Anosy ary misy vondrona mpitsara mitaky ny hanafoanana ny fifidianana tamin’ny 3 desambra lasa teo.

Ny isan’ny birao fandatsaham-bato fantatra dia 14.439 (82.13%)
Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana voaray androany alakamisy atoandro dia 6.264.857 ary ny androany hariva kosa dia 6.651.337
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.817.583(62.17%) ny atoandro ary 3.973.742 (60.94%) ny hariva.
Marc 2.177.267(57.03 %) ; 2.241.127(56.40%) ;  63.860(40.89%)
Jean  371.684(9.74%) ;  401.077(10.09%) ; 29.393 (18.82%)
Norbert  172.912(4.53%) ; 176.763(4.41%) ; 2.816 (1.81%)
Iarovana  398.261(10.43%) ; 412.951(10.35%) ; 14.690(9.41%)
Herizo 322.854(8.46%) ; 346.233(8.71%) ; 23.379(14.97%)
Pety 66.425(1.74%) ; 69.169(1.74%) ; 2.744(1.75%)
Jules  28.651( 0.75%); 29.901(%) ; 1.250(0.80%)
Daniel  21.015(0.55%); 23.314(0.59%) ; 2.299(1.47%)
Ny Hasina  151.583(3.97%); 160.259(4.03%) ; 8.676(5.55%)
Philippe 1.038(0.03%); 1.060(0.03%) ; 22(0%)
Ferdinand  46(0%) ; 46(%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy 11.494(0.30%); 12.609(%) ; 1.115(0.71%)
Elia  94.345(2.47%) ; 99.225(%) ; 4.880(3.12%)
 
Ny tombon’isam-bato azo izany dia 156.159. Hatreto dia mahazo mikajy isika tsirairay fa efa nahazo ny fandresena vonjimaika ny filoha Ravalomanana saingy ny HCC moa no mpanapa-kevitra farany. Raha amin’ny fitombon’ny vato dia Lahiniriko no faharoa manaraka an-dRavalomanana ary Herizo Razafimahaelo kosa no fahatelo. Amin’ny filaharana ankapobeny kosa indray dia I Ratsiraka no faharoa ary Lahiniriko no fahatelo.

Voamarika avy amin’io isa io fa samy nahery ny kandida Lahiniriko sy Ratsiraka any amin’ny faritra nihaviany. Tsy mba to izany loatra kosa I Herizo Razafimahaleo, io no lesoka lehibe ho azy. Ny tombon-dRatsiraka dia noho izy any amin’ny faritra be mponina.

Safidin’olona 299.038 sisa no andrasana avy amin’ny birao 3.142. Raha raisina ho tsy mahazo vato intsony Ravalo dia 53.92% no efa azony. Raha raisina kosa ny taha 40.89 % eo ambony dia tonga 55.68% ny salan’isa azony. Efa azontsika angamba ny tiako lazaina.

Efa tsy namoaka vokatra vao maraina intsony ny rnm…na ny ati-tany no marina kokoa.

Ny 89.95%n’ny Birao fandatsaham-bato no efa azo tamin’ny vokatra navoakan’ny ati-tany tamin’ny 3 ora sy 13 minitra androany Zoma 8 desambra 2006 :
Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 6.914.875
Ny isan’ny vato nanankery dia 4.189.498 ( 61.78%)
Ravalomanana Marc 2.325.199 ( 55.50%)
Lahiniriko Jean 464.671 (11.61%)
Ratsirahonana 183.000 (4.37%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  427.915 (10.21%)
Razafimahaleo Herizo 368.839 (8.80%)
Rakotoniaina Pety 71.058 (1.70%)
Randrianjohary Jules 31.315 ( 0.15%)
Rajakoba Daniel  25.738 (0.11%)
Andriamanjato Ny Hasina 171.527 (%)
Tsiranana Philippe Madiomanana  1.068
Razakarimanana Ferdinand 64
Monja Roindefo 8
Manandafy Rakotonirina 13.199 (0.32%)
Elia Ravelomanantsoa 105.915 (2.53%)

Hita araka izao fa Atoa Lahiniriko indray no faharoa: na izany na tsy izany dia mazava kokoa fa manana ny heriny manerana ny nosy ity kandidà ity. Fantatra moa fa mitady ny fihodinana faharoa ry zareo. Ny mahavariana ahy dia tsy mitontona ny fanisana isaky ny kandida sy ny fitambaran’ireo isa amin’ny vato manan-kery! Nisy nodisoana ve ny famakian-teny?

Notapahiko hatreo aloha iny lahatsoratra iny fa dia hankeny amin'ny lahatsoratra nivoaka ny 11 desambra 2006 indray aho, dia indro indray ny nosoratako tamin'izany fotoana izany:

Misitery ve?

Nisy ihany ny olona lasa saina tamin’ny zava-nitranga tamin’ny Zoma lasa teo. Efa nambarako raha tsy diso aho fa nisy fikatonany ny biraon’ny minisiteran’ny ati-tany ny Zoma maraina teo. Nikatona tokony ho sivy ora izany hoy ny nilaza. Nisy ny fifanandrifian-javatra nahavariana tamin’io fotoana io.

Voalohany ny vato voangona nandritra ny alin’ny alakamisy mankamin’ny Zoma. Nahavariana fa tamin’io fotoana io dia tsy nikajy ihany koa aho. Nisy fihenany manko ny isan-jaton’ny vaton’ny filoha nefa mifanakaiky tamin’izany dia niakatra be ny isan-jaton’I Lahiniriko. Andeha soratako eto hampahazava kely antsika.
Ny tombon’isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 650017
Ny isan’ny vato nanankery dia 215.756 ( 57.22%)
Ravalomanana Marc______84.072  ( 38.97%)
Lahiniriko Jean __________63.594 (29.47%)
Ratsirahonana ____________6.237 (2.89%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  14.963 (6.93%)
Razafimahaleo Herizo_____22.606 (10.48%)
Rakotoniaina Pety_________1889 (0.87%)
Randrianjohary Jules_______1414 ( 0.66%)
Rajakoba Daniel___________2.424 (1.12%)
Andriamanjato Ny Hasina___11.268 (5.22%)
Tsiranana Philippe____________8
Razakarimanana Ferdinand_____0
Monja Roindefo______________0
Manandafy Rakotonirina _____590 (0.27%)
Elia Ravelomanantsoa______6.690 (2.53%)

Jereo tsara ny isanjaton’ny filoha sy Lahiniriko fa tena tsy mifanalavitra loatra. Mety ho nahataitra ny minisiteran’ny ati-tany io zavatra iray io…

Etsy ankilany ihany koa dia efa be angamba ny nahita ilay naoty nataon’ny minisiteran’ny fampianarana nandidy ny sefo ZAP sy sefo CISCO ary ny DREN rehetra manerana ny nosy hanangona sy handefa any amin’ny minisitera ny vokatra any amin’ny kaominina ankodahoda rehetra any mialoha io andro Zoma io indrindra. Tsy ny PV akory no tadiavina fa ny fampitana ny vokatra ihany. Izany hoe raha marina io naoty io dia tokony ho efa nahafantatra ny vokatra ry Haja minisitry ny fampianarana sady talen’ny fampielezan-kevitra ary miandraikitra ilay orinasa malaza be fa miandraikitra ny fikirakirana ny voka-pifidianana (digit mg).

Dia lasa ny saina mieritreritra hoe niandry ny vokatra avy amin’ny Talen’ny fampielezakevitry ny filoha Ravalomanana ve ny ati-tany vao nanohy namoaka ny vokatra indray avy eo rehefa natoky fa ho azony fihodinana voalohany izy ity sa dia tena fifanandrifian-javatra fotsiny.

Ataoko fa efa hitan’ny rehetra ny vokatra farany. Nitombo 407.049 noho izay isa nomena tamin’ny voalohany ny isan’ny nisoratra anarana. Ny atsasa-manila izany dia lasa 4.434.877/2 = 2.217.439. Taiza ho aiza io isa io no nihoarana? Teo anelanelan’ny alakamisy atoandro sy ny alakamisy hariva no azo…eo anefa dia fotoana mbola tsy tena nahalalana marina hoe efa azo ve ny atsasa-manila sa tsia? Eritreritra tsy tana nefa ny ahiahy mamosavy hoy ny teny.
Nosoratan'i jentilisa

Ary ny averiko farany etoana dia ny nosoratako tamin'ny 12 desambra 2006 nanoratako ny tsy fahazakan'ny mpifaninana ho resy tamin'ity fifidianana ho filoham-pirenena ity

Hazakazaka

Eto ampanombohana aloha dia miarahaba etoana ny filoham-pirenena ankehitriny nahatratra ny faha-57 taona nahaterahany androany. Tahaka ny maro amin’ny mpiantso ao amin’ny karajia ihany aho eto amin’izany fiarahabana izany.
Manaraka izany, na dia efa tapitra aza ny fanisana ary efa nandresy tamin’ny isan-jato 54.80% aza ny filoha Ravalomanana dia manomboka miteny amin’izay ny kandida nifaninana taminy hafa. Voalohany tamin’izany ny filazan’Atoa Lahiniriko fa nampitomboana ny mpifidy teto Antananarivo ary nahena kosa ny mpifidy any amin’ny faritany. Narahin’ny kandida Ratsiraka moa ny lehilahy tamin’io fitarainana io. Mampahatsiahy ilay fanisana tamin’ny taona 1994 na 1995 tany ho any izay nahafantarana voalohany indrindra fa ny faritanin’Antananarivo no be mponina indrindra talohan’ny faritanin’ny Fianarantsoa.

Nialoha io fotoana io manko dia Fianarantsoa hatrany no be mponina indrindra. Taorian’ny raharaha 1947 no niandohan’izany fahabetsahan’ny mponina tao Fianarantsoa izany. Efa nentin’ny mpanjanatany Frantsay izy io nangalaram-bato tamin’izany fotoana izany (eny nangala-bato tokoa ry zareo taorian’ny raharaha 1947). Nitohy ny fanehoana ny isan’ny mpifidy ho Fianarantsoa no betsaka noho ny faritanin’Antananarivo nandritra ny Repoblika voalohany sy ny repoblika faharoa. Tao no tena nahazoan’ny teo amin’ny fitondrana vato be indrindra ihany koa afa-tsy izay nanjakan’ny MFM. Fa rehefa natao kosa ny fanisana tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Zafy Albert dia niharihary tamin’ny rehetra ny ahiahin’ny maro (nanodidina ahy indrindra indrindra).

Manaraka izany ny Kandida Lahiniriko moa nilaza fa tokony ho 13% ny vato azony araka ny fanisan-dry zareo azy ary 49.23% kosa ny an’ny filoha Ravalomanana. Izay ihany no fantatra fa tokony ho nasehony ny isan’ny mpifidy, ny isan’ny tonga nandatsa-bato ary ampitahaina avy eo ilay vokatra. Ny fitoriana moa dia tokony hipetraka any amin’ny HCC. Efa hita hatreo amin’ny distrika ny vokatra ary avy amin’ireny no hanaovana fampitahana ary hahitana izay kajikajy diso. Enga anie hanazava azy io bebe kokoa ry zareo. Io dia araka ny efa nosoratako taloha ihany. Rehefa tsy misy ny fampitam-baovao isan’andro amin’ny alalan’ny haino aman-jery ahafahan’ny olona manara-maso tsara ny fifidianana sy ny vokany dia sarotra ny hinoan’ny olona izay lazainao. Rehefa mipetraka hitan’ny be sy ny maro ny porofo mety hino anao ny maro an’isa. Raha tsy izany kosa dia heverin’ny maro ho mpanakorontana fotsiny ianao. Mahatonga ny olona hanampy ahiahy moa indrindra indrindra ny fiarahanao indray amin’ireo kandidan’ny 0% sy ingahy Razakavonison anisan’ny mpikarakara voalohany ilay nalaza ratsy tery amin’ny kianjan’Alarobia.

Etsy ankilany indray ny kandida Ratsiraka tao amin’ny RFI androany maraina nilaza fa nampitomboina taorian’ny fahatapahana tamin’ny Zoma lasa teo ny vato azon-dRavalomanana. Io fanampin’isa 407.049 efa voalazako io moa dia tsy mampiova loatra ny isam-bato azon’ny filoha loatra araka ny fijeriko azy. Andeha atao hoe tena tsy nahazo isa intsony izany ny filoha fa tena fanampin’isa tokoa ny 400.000 (350.000 aloha ny isa notenenin-dRatsiraka e! izay ary dia efa diso ny azy koa). Ny vokatra farany azon’ny filoha dia 2.430.489. Raha izaho no mampihena io ho 400.000 ( fa tsy 350.000) dia lasa 2.030.489 io izany. Io isa io anefa dia efa nihoarana tamin’ny vokatra alakamisy maraina satria 2.096.935 ny isa azony tamin’io fotoana io. Izay dia efa tsy mampitombina ny teniny saingy ny RFI moa dia efa mihazakazaka izaitsizy amin’ny resaka natao handany jiro hoy ny fitenenana izany.

Fa ny niteny fahatelo kosa ny mpanohana ny kandida Ratsirahonana. Nitaraina indray izy fa ny 80%n’ny tokony hifidy azy dia tsy tafiditra ao anaty lisitra. Dia resaky ny tsy mahatanty ny laharana misy azy koa angamba no tena marina. Efa saiky voasongon’ny kandida Ny Hasina Andriamanjato aza izy, nefa io kandida saiky nahatratra azy io dia tsy nandeha nanao ny fampielezan-keviny loatra. Ny hevitra naborany moa dia ny filazany fa ny mpikambana Avi aza efa mihoatra ny 300.000 ka dia gaga amin’io isa io izy. Mahavariana ilay teny! Aiza indray moa no tiany hahatongavana? Mihevitra amin’ny alalan’io isan’ny mpikambana io ve izy izany fa tokony ho izy ihany koa no faharoa fa tsy Lahiniriko na Ratsiraka? Ny Monima ihany koa dia nilaza Atoa Monja Roindefo fa 500.000 mahery ny mpikambana ao aminy. Fa lasa aiza avokoa ireo no 9 sisa hita? Marina kosa aloha fa tsy tafapetraka teny amin’ny biraom-pifidianana ny vatony nefa tsy mahazo manantena avy hatrany izy fa hahazo ny 500.000 isa. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Mino ihany koa ve izy fa raha hisy ny fihodinana faharoa ary ka mampifidy Lahiniriko na Ratsiraka ny Avi dia hanao izany tokoa ireo izany nifidy azy? Manao tsipaky ny miala aina angaha no azo heverina amin’ny fihetsiny mitsapa ny hevitry ny olona amin’ny alalan’ny depiote Liva Raharison ity.

Farany raha misy ny tratran’ny tsy fahatomombanan’ny lisitra sy ny karatra dia tafiditra avokoa ny rehetra ary hifandraindraika amin’io isan-jato io ihany.


Ny laharan’ny didy fisamborana ny Jeneraly fidy dia n° 21 315 RP/06 tamin’ny 19 novambra. (tamin'ny 13 desambra moa no tratra ny jeneraly Fidy)

Nosoratan'i jentilisa


Dia izay sy izay ny nosoratako etoana, lava dia lava ka mety ho namparary an-doha, nefa navelako hodinihinareo mianakavy. Marihiko indray fa raha te-hametraka hevitra ianareo dia soraty amin'ny vakiraoka aloha (brouillon) ny hevitrao. Rehefa hametraka ny hafatra mihitsy ianao vao ankotrihinao (actualiser-nao) aloha ny pejy hiovan'ny Authimage dia apetrakao ny hafatrao ary fenoina ny banga fa tokony hanaiky amin'izay izy. Aza fady ho an'izay tratran'io hoe tsy mahazo mametraka hevitra io raha elaela ianao mamaky teny na manoratra dia misy fe-potoana izay io dia lasa voasakana ny hafatra alefanao.



jentilisa, Antananarivo 11 oktobra 2009 amin'ny 2:06 maraina

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 33 34 35  Manaraka»