Maharesaka.VETO

Fanitsiana governemanta: Fetsy Ravalomanana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 07:12

Hita mihitsy ny fahaizan’ny filoha na izay manolotsaina azy amin’ny zavatra ataony ankehitriny. Efa malaza loatra amin’ny fampahalalam-baovao fa tsy hotazonina ho minisitra intsony ohatra ny Minisitry ny fampianarana Radavidson Andriamparany, ary izy irery ihany aloha amin’izao fotoana izao fa mbola mihantona ny amin’Atoa Ramiaramanana Patrick dia ny andro mialoha ny tsy ivoahan’ny gazety no hampitany vaovao amin’ny rehetra. Amin’izay fotoana izay dia tsy misy gazety milaza ny heviny fa fampitana amin’ny alalan’ny vaovao an-tsary amin’ny valo ora alina ihany no ahitan’ny rehetra azy. Rehefa tonga moa ny afaka ampitson’iny dia efa tsy mahataitra ny be sy ny maro intsony ny lazain’ny gazety. Tsikaritra izany toe-javatra izany raha namoaka ny lisitry ny loholona andro sabotsy izy ary dia mbola narahin’ny famoahana ny fanitsiana ny lisitry ny mpikambana amin’ny governemanta indray avy eo.

 

Tamin’ny 30 avrily 2008 lasa teo tokoa manko no namoahan’ny filoha indray ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay tsy nisy fanovana loatra ankoatra ny fanalana minisitra iray sy fanoloana minisitra roa lasa loholona (Ivan Randriasandratriniony sy Tsiandopy Jacky Mahafaly). Saingy anarana dimy vaovao indray no re nandritra izany fotoana izany ary ny iray moa tsy voaraiko afa-tsy ny Fanampin’anarana izay mbola mety ho diso ihany koa. Ho an’izay mbola tsy maharaka aloha dia aleo soratana ihany ireo vaovao ireo. Ireto avy izany:

Abdou Salame : Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy.

Pierrot Botozaza : Minisitry ny fitaterana

Stangeline Ralambomanana Randrianarisandy : Minisitry ny fampianarana

Yin Vah Zafilahy : Minisitra lefitra fampianarana ambony

Armand Panja ... : Minisitry ny fambolena

Mazava loatra fa somary nihena ny andraikitry ny minisitra lefitra teo aloha satria ny resaka fananantany sisa no tena iandraiketany.

 

Manaraka izany dia niresaka momba ny fihaonana tamin’ny FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) ihany koa ny filoha ka nanambarany fa tena tompon’andraikitra tamin’iny lalao niteraka korontana iny ny FMF na dia manilika azy ho amin’ny ekipa nanomana azy ihany aza (Ajesaia). Nolazainy ihany koa fa tsy fanao ny miverina amin’ny fanapahan-kevitra noraisina. Inona moa no azo ambara fa dia mihaino fotsiny izany.

 


Lisitry ny Loholona notendren-dRavalomanana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 14:16

Didy hitsivolana laharana 2008/426 nivoaka androany 26 avrily 2008 no namoahana ny anjara tinendrin’ny filoha Ravalomanana amin’ireo loholona vaovao. Ireto avy ireo 11 voatendry ireo:

1 - Noel Rakotondramboa izay niandraikitra ny fanomezana mari-boninahi-pirenena.

2 - Jly Charles Sylvain Rabotoarison minisitra teo aloha (tontolo iainana)

3 - Tovonanahary Rabetsitonta

4 - Ruffine Tsiranana

5 - Johanita Ndahimananjara teraka Randrianarison

6 - Jean Baptiste Randriamaro

7 - Eliane Rosa Naika (sa Nike?)

8 - Pastora Rabenorolahy filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy teo aloha.

9 - Réné Razafiarison

10 - Raymond Ramandimbilahatra (Mox mpanolotsainan’ny filoha teo aloha?)

11 - Mosa Tahiry

Miala tsiny amin'ny hery raha efa nahasoratra tany aminy aho satria tsy nety nivoaka mihitsy ity tamin'ny mozilla androany fa naninona ary?

 

Atao inona io tabilaom-pifidianana io?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 17:53

Misy fotoana mivezivezy amin'iny faritra Ankadikely Ilafy iny aho. Manaraka ny arabe aloha no aleha. Rehefa mandalo ny lapan'ny tanàna na biraon'ny kaominina angaha dia mahita tabilaom-pifidianana misy sarina kandidà saingy efa mihitsankitsana avokoa ny afisy eo aminy ka tsy hita tsara ny sary. Talohan'ity fifidianana ho loholona ity anefa tsy mba tsikaritro mihitsy ny fisian'izy io. Lasa avy hatrany ny eritreritro: Mihevitra izany ny olona ato fa misy mpifidy vaventy mandalo mandrakariva amin'io faritra io matoa napetraka teo io tabilaom-pifidianana io. Natokana ho an'olona firy moa izy io sa ilaina ampahafantarina ny olon-drehetra satria fifidianana io na dia tsy fidian'ny be sy ny maro aza?

Ny fampielezan-kevitra mandeha amin'ny tele aza efa gohina na tiana na tsy tiana fa dia toa mahatsikaiky ihany ilay tabilaom-pifidianana heveriko fa diso toerana. Ny fampisehoana tsy azo atao amin'io alahady io ihany no hanamarika amin'ny olona fa hay ve misy izany fifidianana izany. Efa ela aho no te-hanoratra ity fa tsy maintsy androany satria karazan'ny andro farany amin'ny fampielezan-kevitra manko.


Fakafakao: Aza terena handray fanapahan-kevitra...manohitra vahoaka!

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 14:58

Mahavariana ny tenin'ny filoha RAVALOMANANA Marc raha nitafa tamin'ny mpanao gazety izy teny ampahatongavana teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny IVATO.

Asa na hevitra nomasahana tao anatiny tao na fitadiavana hiala amin'ny fanontaniana efa niomanan'ny mpanao gazety fa indroa izy no niteny hoe :"Aza terena handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka aho!". Anisan'ny namaliana ny antony tsy namelana ny hanatontosana ny fampisehoan'i Rossy manko io teny io. Mampieritreritra ahy io fomba filaza io.

Voalohany, izy ihany ve izany no mpanapa-kevitra amin'izay antsoina hoe tombotsoam-bahoaka? Sa heverina tokoa fa mety hiteraka fanakorontanana eto amin'ny tanàna tokoa ny fanatontosana ny fampisehoana anankiray nandrasan'ny mpankafy azy hatramin'ny ela? Lasa any amin'ny baolina fandaka ihany koa ny eritreritro avy eo: mazava izany fa fanapahan-keviny ihany koa io fanafoanana ny FMF io. Manahy ny mety hisian'ny korontana ve izy sa ny fialambolin'ny sarambambem-bahoaka mihitsy no tiany foanana?

Faharoa, angaha moa misy manery azy hanao izany fanapahan-kevitra manohitra ny tombontsoam-bahoaka izany? Raha ahenany tapabolana ve ny zon'ny mpiasa hiala sasatra isan-taona dia tena mino tokoa izy fa izay ilay tombontsoam-bahoaka? izay marina ilay antsoina hoe mpanao politika an! ny tombotsoany no lazainy hoe tombontsoam-bahoaka! Efa sitrapo mihitsy izany fa tsy fanerena mihitsy.

Dia aleo aloha atsahatra fa afa-manohy ihany koa ianareo raha te-hanohy!


Mendrika ho andro tsy iasana ve ny 29 marsa?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:59

Manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro ity lahatsoratra manaraka ity. Noho izany dia mampitandrina ny be sy ny maro avy hatrany aho tsy handray an-tendrony izay voasoratra eto. Nosoratana izy ity, hiteraka adihevitra araka ny iheverako azy, nefa anairana indrindra indrindra antsika rehetra handinika tokoa io vanim-potoana iray amin’ny tantara io. Fanaikana antsika hamakafaka lalina, hijery ambony, hijery ambany. Hitsipaka izay mihoapampana ary hifikitra amin’ny mari-pototra. Marihiko ihany koa fa efatokony ho tamin’ny herinandro no nivoahan’izy ity saingy noho ny fotoana tsy mifametra no nahatonga azy izao vao mety hivoaka.

 

Izay nahamarika no nahita fa tsy nisy nivoaka ny gazety malagasy tamin’ny asabotsy 29 marsa 2008 teo afa-tsy ny gazety Taratra sy ny Ngah zety ihany. Ny Ngah zety moa dia ho amin’ny fampihomehezana ka avelantsika any fa ny gazety Taratra no tiako homarihina. Izaho ve no diso tia mamaky gazety asabotsy ka nahatonga ahy hankasitraka anaty ny nivoahan’io gazety io tamin’ny 29 marsa 2008 natao ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama (ho an’ny maro an’isa fa tsy natao ho ahy aloha)? Ny lohateny lehibe rahateo dia mikasika ihany ity datin’andro ity ihany: “Ny marina momba ny 1947: Lasa adihevitra goavana”. Faly aho tamin’ny nivoahan’io gazety io satria nisy hovakiana aho sady niompana tanteraka tamin’iny raharaha iny rahateo ny ankamaroan’ny takelaka tao anatiny. Manaraka izany dia hitako ihany koa fa vetivety ihany ny gazety dia lany teny amin’ny fivarotana azy. Midika izany fa liam-baovao ny olona, nefa etsy ankilan’izay dia azo heverina ve fa izahay nividy gazety tamin’io andro io dia tena tsy niraharaha ny andro na tsy niraharaha ny tantara nodiavin’ny firenena malagasy? Adihevitra atsangako sahady ny amin’iny aloha.

 

Faharoa manaraka izany, sady mifampitohy tamin’ny lohateny lehibe indrindra amin’ny gazety Taratra ihany, ny fiezahan’andian’olona hampiely ny hevitra tokony hanafoanana ny fankalazana ity 29 marsa ity. Io no tena raharaha satria karazany sambany raha olona “mpitaky ny fahaleovantena” no nihaviany. Olona iray no tena nihetsiketsika nitondra ity hevitra ity dia ny mpitarika ny Otrikafo Atoa Rajaonah Andrianjaka. Misy ihany koa anefa ireo mitovitovy hevitra aminy. Mampieritreritra sy mampitodika hijery indray ny fandehan’ny tantara. Tantara mbola mifamahofaho sy mifangaro tanteraka. Nisy ireo voakaraman’ny mpanjanatany hampisy ilay korontana, hamotehana tanteraka ny tolona tsy mitam-piadiana notarihin’ny MDRM. Nisy ihany koa ireo tsy nahandry ny lalana manara-dalàna nataon’ny antoko MDRM ary nivonona ny handray fiadiana noho ny likiliky tany anatiny tany. Voakendrin’ny voakarama ihany koa ireny indrindra fa ireo miaramila malagasy nalefa tany amin’ny ady lehibe faharoa tany Eoropa. Samy manana ny foto-pisainany ireo izay mety hifanohitra tanteraka aza na samy mihevitra ny tenany ho tia tanindrazana aza. Nefa mihevitra ny andaniny fa mpamadika ny ankilany.

 

Misy kosa olo-tokana izay noahiahian’ny mpitolona (mitam-piadiana sy tsy nanaiky hitam-piadiana) maro ho voakaraman’ny mpanjanatany dia Ravelonahina Edmond izany. Tsotra ny antony: Rangahy io no nahafantaran’ny mpanjanatany fa nisy izany fikambanana miafina VVS izany tamin’ny 1913. Nefa dia izy ihany koa no nampihorohoro ny tany amin’ny faritra sasany tany atsimo atsinanana fa tsy maintsy tanterahina ny fikomiana ny 29 marsa 1947 na ho inona na ho inona mitranga, ka izay tsy miady dia heverina ho mpamadika tsara vonoina. Nanery olona tamin’ny alalan’ny fanambanana basy mihitsy aza izy indraindray. Tsy ho afa-manameloka na oviana na oviana izay nandray fiadiana (lefona) tamin’izany fotoana izany anefa aho satria izay no noheveriny fa mety sy noheveriny fa baikon-dRaseta sy Ravoahangy ary Rabemananjara lohan’ny fitolomana. Raha raisina ohatra ny fitoloman’ny mainty tany Etazonia dia toy ny tolon’i Martin Luther King sy Malcom Little tsy nanaiky ny anarany ka nanova azy ho Malcom X izany. Ny vokatry ny tolona no ahafantarana izay nahombiazana kokoa na nandamoka tamin’ny tolony.


Powered by LifeType