Maharesaka.VETO

Antananarivo: Vitsy ny taham-pandraisana anjara!

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 19:04

Araka ny tsinjo avy amin’ny tsy firaharahian’ny olona ity fifidianana izay ho mpanolontsainam-paritra ity dia vitsy dia vitsy ny olona nandeha nifidy androany alahady. Somary hanao azy karazana tantara aho. Ny maraina dia nampidirina hiteny avokoa ny solontenan’ny radio nanerana an’i Madagasikara. Nilaza ny fivohan’ny birao tamin’ny fito ora maraina avokoa izy rehetra. Dia nambara taorian’izay ny hatsaran’ny andro. Ny hany naningana dia ny filazan’ny solontenan’i Nosy Boraha (Sainte Marie) tamin’ny fitenenana fa mbola ny kara-pifidianana teo aloha ihany no nampiasaina satria tsy nifidy Ben’ny Tanàna izy ireo tamin’ny fifidianana farany iny.

 

Tonga ny atoandro dia niverina niteny solontenan’ny radio tamin’ny faritra sasany ankoatra ny nihainoana ny tenin’ny filoham-pirenena avy nifidy teny Faravohitra. Ny nitovizana dia ny nanadinoana ny taham-pandraisana anjara tany amin’ny faritra samihafa tany. Nidika avy hatrany io fa vitsy ny nandray anjara tamin’io fotoana io ary karazan’ny nahazo baiko ireo solontena ireo tsy hiteny io taha io mihitsy.

 

Ny hariva tamin’ny enina raha nanontany mpikambana tao amin’ny biraom-pifidianana ny solontenan’ny RNM dia namaly io fa eo ho eo amin’ny 30% eo ho eo io taham-pandraisana anjara io eto amin’ny fokontany misy ahy. Kapotandroka fotsiny izany fa raha birao telo no misy eto dia 19% no taha tamin’ny birao roa raha 17% kosa izany tamin’ny birao iray.

 

Mbola tantara hafa indray ny amin’ny fandresen’ny TIM izay tsy nisy mpifaninana satria tsy nisy akory ny biletan’i Malala Savaron tao amin’ny birao. Na izany aza dia nifaninana ihany ny vato fotsy sy ny TIM tamin’ity indray mitoraka ity na dia nanana tombony kely aza ny TIM. Raha natao fanentanana be izao ny vato fotsy no sady noraisina ho vato manankery dia mety ho hafa mihitsy ny fivoakan’io valim-pifidianana io. Raha manodidina ny 120 isaky ny birao manko ny vato azon’ny TIM dia manodidina ny 80 kosa ny vato fotsy madio mangarangarana.

 

Sambany aho no tsy nifidy mihitsy hatrizay nisian’ny fifidianana nananako zo hifidy izay. Tena tsy nazoto mihitsy aho, angamba noho ny fiavahany mba tsy nandehanako namonjy birao andro alahady. Tsy nisy lanjany tamiko mihitsy manko izany hifidy mpanolotsaina izany nefa ny lehiben’ny mpanantanteraka dia hotendren’ny fitondrana foibe. Hanao ahoana tokoa re raha hoe ny mpanolotsainan’ny filoha no hofidiana fa hanendry tena amin’ny fanohizana ny asa ny filoham-pirenena e?

 

Marihina indray mandeha fa efa ao amin’ny lahatsoratra talohan’ity ny filazalazana ny momba an’i jentilisa.


Lamaody ny mamoaka sary maro

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:50

Raha mbola lamaody aty amin'ny tontolom-bolongana ny mitagataga dia ny mamoaka sary maro kosa, na manokana pejy manokana sary ranofotsiny no lamaodin'ny gazety amin'izao fotoana izao. Na izany fihetsiketsehana ara-java-kanto, na toy ireny tondra-drano na rivodoza ireny dia misy hatrany ny pejy manokana amin'ny sary. Misy aza mba mahita zavatra hafahafa dia avoaka ihany koa. Toa tahaka ny latsa-danja mihitsy ny gazety rehefa tsy maro sary. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia misy ny sary mainty sy fotsy ary misy ny miloko.

Vaovao hafa manaraka dia namoaka gazety amin'ny teny malagasy ihany koa ny Madagascar tribune. Inona ny vaovao no anarany. Ariary zato, miarahaba azy aho na dia hitako tampoka fotsiny aza satria dia teny Soarano no nahitako raha niandry azy aho tany an-tanàna. Angamba mbola vitsy ny natonta.


Tsy adinon'ny filoha i Antananarivo

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:43

Efa nataoko tsipalotra teto androany maraina fa miandry ny tohin'ny fihetsiky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka eto Antananarivo. Namaly tokoa izy ka nanao fitsidihana an-tsisitsisiny tany amin'ny faritra tena tra-boina ary teny Andohatapenaka no nandehanany sy teny amin'ny fasan'ny Karana (fa fasana ahoana aloha io e? fandoroana anie io fa tsy fasiana ny maty na fandevenana e?). Efa dingana tsara izay satria manjary araka ny fitenin'ny mpanohitra tokoa hoe "fihantsiana" raha tsy nanao io fihetsika io izy. Dia mety ho avy indray ny sary ifanaikaikezan'ny filoha Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina samy manao akanjo hoditra mainty. Satria samy teny ry zareo ary nomena anjara fitenenana ihany koa aza.

Ny mety ihavian'ny tsikera dia ny fanomezana izay mitovy amin'ny kaominina hafa ihany (100.000.000ar) ka ilazana hoe mba tsy mitovy ihany anie ny isan'ny tra-boina. Fa efa misy aloha izay na dia mitady ho haro-tabebaka izany aza ny fomba fitenin'ny filoha indraindray amin'izao fotoana izao. Ny ahiako indray satria ny entana atolotra ho fanomezana ankoatra ny an'ny firenena hafa sy ny fiangonana Ortodoksa dia vokatra tiko no mibaribary amin'ireny zaraina ireny. Ahiako ho tahaka ny hiakatra indray ny vidim-bokatr'io orinasa io avy eo.


Rehefa ny tandrefana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 07:47

Manararotra hatrany raha mbola azo atao. Hiresaka ny eto an-toerana sy ny any ivelany aho. Ny eto an-toerana aloha: Andrasan'ny maro mangina ny mety ho fihetsiky ny filoha Ravalomanana manaraka. Toy ny karazana "rehareha" mihitsy manko ny nahamaika azy hakany Toamasina mba hanome ireo fanampiana tsy fantatra intsony na avy amin'ny tenany manokana na avy amin'ny fitondram-panjakana. Mifangaroharo eo ihany. Ny somary nanaitra kely manko dia ny nihazakazahanay nankany Toamasina nefa tsy tongany tao amin'ny Nosy Ste Marie fa ny praiminisitra no nalefany tany. Toa karazam-pihatsiana no ataon'ny filoha eo imason'Antananarivo tsy nifidy TIM tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna teo.

Ny manaraka indray raha mitodika any ivelany aho dia ity fitadiavan'ny mpanohitra any Pakistana ny tokony hialan'ny filoha Pervez Musharraf ity. Amiko manokana tsy mananjo hanao izany fitakiana fialana izany ny mpanohitra na dia nandresy tamin'ny fifidianana Depiote aza. Io fihetsika io no karazany manamafy fa mbola mila mianatra ny demokrasia hatrany ny firenena maro eto an-tany na mbola tsy mahazaka fiaraha-miasa noho ny fahazarana mifamingampingana ny aty amin'ny faritra ivelan'ny firenena tandrefana.

Ny hevitro momba an'i Kosovo indray. Hatramin'ny voalohany aho no karazany momba ny Serba amin'ity raharaha ity. Ny fomba nakana ny fahaleovantena manko dia jereko fa tsy izay loatra ny tanjona fa toa ny hikambanana amin'ny Albania. Tadidiko tsara fa nodradradradraina hoe ny an'i Albania i Kosovo fa tsy an'i Serbia. Ny tandrefana tamin'ny fotoana nitolomana dia niteny hoe "mpiteny Albaniana "Albanophone" fa tsy niteny hoe Albaniana tahaka ny amin'izao fotoana. Tonga dia ampidirina ao andohan'ny mpanara-baovao fa ireo mpiteny albaniana ireo no "Kosovara" fa ny Serba dia antsoina hoe "Serban'i KOsovo" tahaka ireny hoe mpanjana-tany ireny ireo Serba ireo. Ankehitriny mivandravandra amin'ny saina aderadera na dia miezaka ny manampi-maso aza ny tandrefana fa sainan'i Albania no ahofahofa. Toa tsotra loatra ny mamadika ny tany ho Albania rehefa avy eo. Fampiheverana hatrany fa ry zareo no tena Kosovara ary tsy raharahany ny mponina hafa lazaina fa "Serban'i KOsovo". Rehefa ny tandrefana tokoa no manohana dia manaiky avokoa ny sisa rehetra.

Oviana no hanaiky ny fahaleovantenan'i Corse ny frantsay sa noho ny Napoleon Bonaparte avy tao dia tsy ekena mihitsy izany hoe Tsy frantsay efa nitondra an'i Frantsa? Omeo fahaleovantena io NOsy io ary satria voajanahary mihitsy ny azy amin'ny mahanosy azy.


Miantso fanampiana ny Ben'ny tanĂ na Andry Rajoelina

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:58

Tsy ela tokoa, fa raha niangavy ny hilazan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny mikasika ity fanendren'ny Prefen'ny Polisy ny sefom-pokontany ity mpikarajia sy ny mpikidaona maraina (mpiantso amin'ny telefonna isaky ny maraina andavanandro) dia nasaina manokana na tonga tao amin'ny filazam-baovaon'ny Viva TV izay azy ihany izy tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo.

Tsy naharaka hatramin'ny voalohany aho fa dia niangavy izy, raha azo atao mba hisafidianan'ny olona ihany ny sefom-pokontany. Nomarihiny manko tao anatin'ny resaka fa misy sefom-pokontany tsy hita intsony izay nalehany hatramin'ny nahalany azy izay ka nikatso avokoa ny taratasy ilaina ka mila ny soniany. Voalaza teo moa fa ity fanendrena ataon'ny prefen'ny polisy ity dia efa nokasaina ny 14 desambra 2007 (roa andro taorian'ny fifidianana ho ben'ny tanàna monja) fa izao vao nolazaina.

Manaraka izany dia nolazainy fa tsikaritra ho mahazo fanembatsembanana isan-kerinandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany ilay Raharaha solika (trosa) nampijanona ny fandraofam-pako iny. Noho ny raharaha solika tsy nisy teo iny dia efa nisy ny nanolotra gazoala 5000 litatra aloha, dia nisy 5000 litatra hafa ihany koa ary vao farany teo dia nisy nanome 2000 litatra. Faharoa indray ilay resaka Jirama izay nanana ny akony manokana sy nampivadika tanteraka ny hevitry ny maro momba ny ataon'ny fanjakana foibe. Nanangana fahavalo ho azy izy ary maro tamin'ny mpanohana aza no tohina ihany koa. Taorian'io tranga io dia tsy nisy firy intsony ireo nitondra tee-shirt Hery Rafalimanana. Ny fahatelo indray moa dia ity fanendrena sefom-pokontany tsy misy fifidianana ity. Ny fahaefatra angamba ANGAMBA dia tsy manaraka Can ny mpijery baolina malagasy satria amin'ny herinandro izy io no hanomboka sa inona re no azo eritreretina hafa?

Ankehitriny ary dia miantso ny malala-tanana rehetra ny Ben'ny tanàna hanao fanampiana ny tanàna satria tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Hajoro na sokafana indray ny FAR (fanampiana an'Antananarivo Renivohitra). Toa filazana ankolaka fa efa mivonona ny tsy hahazo ny anjara tetibolany avy amin'ny fitondrana foibe ny Renivohitry Madagasikara.


Powered by LifeType