Maharesaka.VETO

Sarin’ny fifidianana teto Antananarivo 40 mahery

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:04

Araka ny efa nampanantenaina dia hamoaka ny sary izay azoko aho. Tokana ny tena ka tsy ary ho tratra avokoa ny toerana rehetra. Ny teto amin’ny manodidina ahy ihany noho izany no tena nalehako.

Fitetezana ireo biraom-pifidianana vitsivitsy teto Antananarivo. 

Voalohany, na dia fifidianana aza ny andro ka natao ho andro tsy fiasana ny andro omaly nefa andraisan-karama dia nitombo kely aza ny habetsaky ny mpivarotra tety Ambodin’Isotry. Efa mananontanona tokoa angaha ny fetin’ny faran’ny taona ka manararaotra mivarotra anaty lalana indray aloha (efa milatsaka anaty lalana mihitsy tsinona fa tsy amorony intsony). Maro an’isa ihany ny tsy nifidy raha notombanana omaly ary mety hanamarina izany ny taham-pahavitrihana rehefa mivoaka amin’izay izy io. Noho ny fahasahiranana sa toetsaina mihitsy ? anjarantsika tsirairay ny mamaly. Tsikaritra ihany koa fa saiky nivoha avokoa ny tranombarotra Shinoa (mampiasa malagasy vitsivitsy ao aminy, toy ny orinasa ihany) teto amin'ny tanàna rehetra. Ahoana ny hevitry ny fanjakana momba an'io? avela hanjakazakana toy izao ve ny andron-tsafidy ananantsika Malagasy?
 (tohiny)

edit: 62 isanjato ny fandresen'ny TGV teto Antananarivo

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 16:19

Aty amin'ny cyber moa izao no manoratra ka tsy misy sary aloha ny androany mazava loatra. Tsy dia hanao resaka lava ihany koa na dia izany aza fa hampahafantatra anareo fohifohy ny zava-misy amin'izao fotoana izao aloha.

Tamin'ny maraina tamin'ny 9 ora sy sasany no tratra ny 10%n'ny mpifidy eto 67ha avaratra izay misy ahy. Nilahatra vao maraina manko ny olona, mbola tsy nisokatra akory aza raha ny eto an-tanàna no jerena. Ary tamin'ny 5 ora teo no nahatratra ny atsasa-manila ny birao fandatsaham-bato roa raha mbola 40% kosa ny ao amin'ny birao fandatsaham-bato iray. Tamin'ny atoandro kosa dia somary nangingina ny birao rehetra nandalovako noho ny hafanana angaha. Fa nisy niverina kosa ny filaharana rehefa tolaka ny andro.

Dia izay aloha ny amin'ny taham-pahavitrihana. Mino aho fa tsy hitsahatra amin'ny 6 ora ity fifidianana ity. Rahampitso ny sary sy ny vokatra sasantsasany (raha tsy ny manontolo angaha).

Amin'ny valo sy folo alina eto amin'ny toeram-patako. Nandresy teo ho  eo amin'ny
57isanjato teo ny TGV. Na dia ao ambodin'isotry fonenan'ny kandida TIM aza dia tahaka izany ihany ny vokatra. o angamba no vokatry ny tsy nandraisana anjara tamin'ny adi-hevitra. Dia miarahaba an'i Andry TGV izany amin'izao fandreseny izao. Demokraty aho tsinona. Hikapa hahita ny tonony anie ianao ary handidy hahita ny vaniny. Ny dikan'izany dia vao fanombohana izao. Mbola ho mafy ny ady raha ny fihetsika mety hataon'ny fitondrana no heverina. Efa nilaza rahateo ny filohampirenena fa tsy hiariasa amin'izay TIM ary ny resaky ny olona niady hevitra koa no nahenoako fa tsy hiara-miasa na amin'iza na iza ary na amin'ny fitondrana ny TGV. Izany hoe tokony hivonona amin'ny tetibola azy amnokana ny TGV fa mety hangeja ny ny vola avy aminy ny fitondrana foibe.


Ikotofetsy sy Imahaka saiky hanao kapotandroka sy dontany

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 17:30

Alohan’ny fitantarana dia mila hazavaina angamba aloha ity kapotandroka sy dontany ity. Fomba fianarana kabary izy io sady fifaninanana kabary rahateo. Ny olona hiditra ho tena mpikabary dia mandalo amin’io sehatra io. Rehefa vita ny anjaran’izy mirahalahy manao izany kapotandroka sy dontany izany dia misy ny elanelam-panahy avy eo mitsara ny resaka.


Ity tantara ity, hono, dia tamin’ny andro nanjakan-dRadama III, ary amin’ny mahaangano azy dia foronina ny fotoam-pitondrana e ! Indray mandeha, hono, dia nandrasan’ny olona fatratra ny kapotandroka sy dontany hataon’izy roalahy ireo, Ikotofetsy sy Imahaka izany. Imahaka dia efa niana-draharaha ho Sakaizambohitraihany fa Ikotofetsy koa efa niomana fatratra ho amin’izany toeram-boninahitra izany koa. Nitaky ny hanaovana ny dontany sy ny kapotandroka Ikotofetsy hahitana izay tian’ny olona kokoa sady fotoana hanendrena indray izay ho Sakaizambohitra io fotoana io. Nisy ary ny fotoana nanomezan’ny mpikarakara ny kianja filalaovana iray fa alatsinainy no hanaovana io kapotandroka sy dontany io. Niandry fatratra Ikotofetsy. Maro kosa ny manahy sahady fa tsy ho avy amin’io fotoana io Imahaka.

 (tohiny)

Sary somary lehibebe kokoa sy i Vanf

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 11:44

Indreto ary misy sary roa heveriko fa tsy hita mihitsy tao amin'ny sary napetrako teo aloha. Sary nalaina avy teny Andohalo tamin'ny 9 ora maraina sy tamin'ny iray ora sy sasany ireo sary ireo.

 

Nandalo teto amin'ny tanàna teto 67ha ihany koa ny kandida Hery Rafalimanana omaly alahady. Sary vitsy ihany no nasehoko ary ny tena mahafnaritra ahy dia misy ny tsy menatra nitondra ny akanjon'ny mpifaninana taminy nefa dia nijery fety e!

 

Manaraka izany, somary nampihomehy fa nitroatra, noho ny tahotry ny hamaroan'ny olona nanatona azy angamba, ilay omby nomen'ny kandidà (azo atao angaha moa izany) ny mpandresy tamin'ny fifaninanana baolina. Nanjary nanao fanenjika kely manerana ny coum tao izahay. hahaha! sady faly ery ny mandositra! horakoraka re izao!

 

Ary ho anareo izay mety mbola tsy mahalala dia namoaka bolongana na vohikala ho azy tamin'ity fifidianana ity anie i Vanf e! Raha ny marina dia izy no saiky hofidiako saingy... dia jereo aloha izay soratany e!


Fihetseham-po ve no ifidianana?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 14:25

Tohin'ny sary 50 momba ny faradoboka nataon'ny kandida lazaina fa be mpifidy indrindra aho. Ho hitanareo manerana ny gazety malagasy rahampitso fa hoe nisy nitoraka grenady tany amin'ny tranony tany angaha! Mampalahelo tokoa raha izany toe-javatra izany. Saingy izao no nampanahy dia nampanahy be ihany! izaho, ireo izay mpamaham-bolongana efa nanatrika ny fihaonan'ny mpamaham-bolongana eto Antananarivo ireny dia tsy manana fiara manokana. Noho izany dia fiara fitateram-bahoaka no nialako avy teny Anosy ho eny Antsonjobe.

Tsy niandry iray minitra ho dia nahazo 165 sady tsy nisisika no tsy feno ny fiara. tonga teo Analakely dia ny fiara mihitsy no miandry olona. Nihevitra aho fa eny Antanimena ho eny Ankorondrano iny tsy maintsy feno ny fiara satria eny no fandraisan'ny olona fiara ho eny. Kanjo dia diso hevitra tanteraka aho. Tsy nety feno ny fiara nandehanako no tsy nahita olona nandeha an-tongotra hizotra ho eny Antsonjobe aho. Teny Alarobia vao feno izy satria nisy ny olona mbola tsy nahalala ny namindrana toerana ny hanaovana fara-doboka.

 Tamin'ny 10 sy sasany teo ho eo aho no tonga teny an-toerana (nolazaina fa tamin'ny folo no nanomboka ny fotoana). Nokendreko anefa ny hahatratra ny ora voalohany. Gaga dia gaga aho nahita ireo olona vory teny. Tena vitsy tsy araka ny nampoizina. Tsy naka sary mihitsy aho raha tsy tamin'ny 11 ora satria amin'ny 12 aho no hiainga hiasa (sabotsy hariva). Hatreo izany ny sary azoko. Efa nihira ny Pazzapa 5 izay nandrandrain'ny tanora maro tonga teny.

Akory ny hagagako raha nandre tamin'ny tenin'ny kandidà aho fa tsy niasa noho ny baiko (ataon'ny Kaominina hoe ny fiara fitaterana) nefa maro tamin'izy ireo aza no nijanona teo ambavahady mihitsy na dia tsy tokony handalo eo akory aza. Indrisy fa novonoiko ny sary nisy ireo fiara be dia be ireo satria noheveriko ho anelingelina ny sary nalaiko (tsy misy interet). Tsy miteny aho hoe lainga ny baomba fa ity filazana fa tsy nisy fiara ity kosa dia laviko marindrano ka nahatonga ahy hisalasala ny amin'ny grenady na dia nisy aza ny sary naseho... Tombotsoan'iza ihany koa moa ny fisian'ny zavatra toy izany?

Hitako fa tadiavina ampiasaina ny fihetseham-pon'ny vahoaka malagasy rehefa nihendanja ny olona nanatrika ny famoriana ( fa tsy ny isan'ny olona nifidy). Avelao ny olona hifidy amin'ny saina fa tsy amin'ny fo! tsy pazzapa akory ny hofidiana. Azonareo ompaina amin'ny safidiko aho nefa manaja soa aman-tsara ny safidinareo sady miarahaba izay rehetra lany eo na iza na iza!

 


Powered by LifeType