Vaovao Eto anTOerana.VETO

Tsy mety amintsika mihitsy ny bileta tokana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:29

Lamaody ve sa fiheverana fa izay no fomba tsotra indrindra hialana amin’ny halabato? Ambetintenin’ny avy amin’ny mpanohitra manontolo ka nakany mandrakariva ny fon’ny FFKM [Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara] hatrany ny momba ity bileta tokana ity. Savily hialana amin’ny tsy fananan’ny mpanohitra vola intsony araka ny fijeriko azy no tena antony hamerimberenana ity lazaina fa tsy maintsy tanterahina raha te-hahita ny mpanohitra handray anjara amin’ny fifidianana ny ao amin’ny fitondrana.

 

 Dia sambany tokoa raha ho tontosa ihany vao hiray feo ny avy amin’ny fanoherana hiara-mitaky ny hampanaovana ny fifidianana ami’ny alalan’ny latsabato tokana fa misy ny lisitra maro isafidianana kosa. Raha nandre ny fanambarana aho dia tsy izay nolazain’ny mpitondra teny no henoko fa izay nanakoako tao anatiko tao fotsiny manao hoe:

Efa fantatrareo mpifidy fa tsy manambola intsony izahay mpanohitra hifaninanana amin’ny avy ao amin’ny fitondrana amin’io fifidianana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ao amin’ny tanàna io ka dia aleonay tsy mirotsaka. Fantatrareo ihany koa fa sady tsy tianareo izahay mpanohitra no misy tsy zakanareo ihany koa ny ataon’ny ao amin’ny fitondrana ka izay no nahakamo anareo tsy hifidy tamin’ny farany teo. Dia mody nailakay fa efa tsy matoky ny fitondrana intsony ny vahoaka matoa kamo nifidy tamin’ny farany teo nefa fantatray fa izahay koa tsy itokisanareo intsony dia aleonay aloha mody midradradradra sao mahavoa ihany ny goavy manta.

 (tohiny)

Myanmar: you will overcome, a malagasy voice for freedom

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:32

For once I’m blogging in english because today is a special day. Do you know that today is a blogging day for Burma freedom? I’m sure that all of us have heard the events about this country few days ago. 

 

I Haven’t been speaking english for twelve years after studying it five years and failing at the final exam. It’ s reason why I’d just like to be understand. I’m not so good writing it. I used to write in malagasy language only.

It’ s not because the protest against the Myanmar junta crushed down and that we don’t have any news from Burma that make us shut up. All people have the right to be honoured so are the Burmese ones. They are under junta rules for over forty years and even nowadays any soldier who needs someone to work for him takes who he wants from any village and there is no salary in return: that means for me slavery. So I would cry to stop slavery. 

 

In regarding Myanmar events, I look at malagasy history under french colonisation. I understand very well now why some of our grandfathers took arms to fight against settlers at 1947. I think it’s not in eastern people culture to be on strike but they can do it if the situation very worst. So I join the voice that Myanmar needs to be free, free of dictature.  

 

For instance, I Condemn all corporation that come with the junta and support it anywhere they come from.


FangalaramBato ifanarahana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:08

  Nataoko manokana mihitsy ity lahatsoratra ity na dia efa nisy aza ny fotoana efa nanatsidihako ny resaka fifidianana. Saiky mbola tsy androany aza no nikasako amoahana azy saingy noho ny fahitana ny vaovao navoakan’ny gazety dia tery ihany aho hamoaka azy. Tsy resaka na honohono fa ny zavatra hitako sy tsapako no lazaiko. Izaho izay teto Antananarivo, nanisa vato ary nanao sonia tamin’ny fanisam-bato no nahamarika izany ka tsy mahagaga raha mety hisy koa ny tany amin’ny faritra hafa azo lazaina hoe tany lavitra andriana sy tsy mahay mamaky teny koa aza.

  Somary averiko kely ny nolazain’ny gazety tamin’ny herinandro na talohan’izany aza. Efa soniavina avy hatrany (ny maraina) ny taratasim-panamarinana ny isambato…amin’io fotoana io dia ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ihany no manasonia raha izay tokoa no izy fa tsy mbola eo ny an’ny mpanisa vato. Nanamarika ny tompon’andraikitra tany amin’io faritra io (Sava) fa efa fanao mahazatra any izany manasonia taratasy mialoha izany na dia tsy mbola nanomboka akory aza ny fanisam-bato.

 Avy amin’io fanasoniavana ny taratasy fanamarinana ny isambato io no fomba haingana indrindra hangalaram-bato ary mahatonga ny antsoina hoe vato nampifamadihana. Rehefa tsy te-hikajy lavitra manko no anton’izany vato mitsimbadika izany. Raha misy ihany koa ny fanaraha-maso ny lisitra ijerena ireo nandrotsa-bato dia tsotra kokoa ny fiarovan-tena na dia mety ho nisy tokoa aza ny fangalaram-bato.

 

 Dia hitantara izay nitranga tamin’ny harivan’ny fanisam-bato amin’izay aho. Efa nolazaiko teto ihany moa ny saiky hamonoana ny vaton’ny arema…efa tsy idirana lalina intsony ny amin’iny. Eo ampanisam-bato dia mijery tsara fotsiny ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana sy ireo delege ary mpanara-maso ny fifidianana (marihiko indray fa tena tsy nisy mihitsy ny mpanaraka isam-bato ilay mihorakoraka ery aoriana ery…miaraka amin’ny taim-bava izany). Ny eo amin’ny tabilao ihany noho izany no mametraka tsipika kely hanisana izay azon’ny kandida tsirairay. Tsaroako tsara talohaloha tany fa miara-manipika ao anatin’ny taratasiny avy ny tsirairay ireo mameno ny taratasy fanamarinana ny fanisam-bato. Efa nisy fiovana fomba sahady aloha izay.

 

 Rehefa vita ny fanisana dia ampitoviana raha mitontona tokoa ny isan’ny mpifidy sy ny isan-tsafidy azon’ny kandida sy ny vato fotsy sy vato maty. Miverina kely aho. Mialoha ny famoahana ny bileta narotsaky ny tsirairay dia jerena raha mitovy ny isan’ny valopy sy ny isan’ny mpifidy nandrotsa-bato. Iny indray aloha tsy misy olana loatra ka izay no saiky tsy nanoratako azy. Nosoratako ihany mba tsy hiteraka ahiahy hafa eo amintsika mpamaky. Raha misy ny sanatria dia tsy maintsy isaina miaraka amin’izay ny azon’ny tsirairay. Eo no nisy olana tamiko (izaho moa no mpanonona tamin’io fotoana io). Apetraka fotsiny fa tsy nalahatra isaky ny kandida ny bileta. Izaho no niezaka manokana mba ho vato iray ihany no hipetraka eo raha misy vato roa mitovy avy any anaty valopy iray. Ny hafa manko mitady tsy hiraharaha fa manao hoe tsy maninona fa avelao ao ihany. Hisorohana ny sao dia misy isambato mihoatra na latsaka manko nonanaovako izany fepetra ahy manokana izany.

 

 Rehefa eken’ny rehetra manatrika ny vokatra eo amin’ny tabilao vao manomboka manoratra ao amin’ny taratasy fanamarinana avokoa ny rehetra. Ary dia fanasoniavana no atao voalohany indrindra. Eto Antananarivo renivohitra sady betsaka mpianatra amin’ny sekoly ambony no misy izany toe-javatra izany. Dia niteny tamin’ny rehetra teo aho hoe  ampanasoniavanareo taratasy fotsy tsy ahitana ny filazana isa azon’ny kandida amin’ny tarehimarika sy soratenenina aho izany? Tahaka ny manao sonia “cheque en blanc” anie aho izany e! Ny mpanisa vato mety ho maika hody no tsy hiandry izay fanoratana ataon’ny tsirairay amin’ireo miandraikitra taratasy fanamarinana efa ho enina raha kely indrindra no mety tsy hiraharaha izay hosoratana ao nefa eo indrindra ny fotoana ahafahana manatsimbadika ny isambaton’ireo kandida mifaninana amin’io fotoana io.

  Fitokisana an-jambany fotsiny noho izany raha mahita ny isa eo amin’ny tabilao dia lasa mody nefa ny taratasy alefa any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ny minisiteran’ny atitany mety ho hafa mihitsy. Eo izany no fiarovana ny safidy nataon’ny tsirairay voalohany indrindra. Miainga eo amin’ny biraom-pifidianana ihany. Na bileta iray na bileta isaky ny kandida no atao rehefa eo no misy ny lesoka dia zava-poana avokoa ny fiarovana ny safidim-bahoaka hafa rehetra. Izany hoe raha hikendry ny hanafoana araka izay betsaka indrindra ny halabato dia mila isan’ny olona mitovy amin’ny isan’ny biraom-pifidianana farafahakeliny manamarina izay soratan’ny mpanoratra ny taratasy fanamarinana sy ny soratan’ny delegen’ny kandida. Ny lesoka tsy voasoroka eo amin’ny biraom-pifidianana no mety hahafaty ny safidin’ireo izay nazoto tao amin’io birao io.

  Etsy ankilan’izany, ireo izay nifidy raha tsy manaraka ny isam-bato sy izay soratan’ireo delege sy mpanisa vato ary mpanara-maso ny fifidianana dia tsy mahatsapa ny andraikiny fa tsy mijanona eo amin’ny fandrotsaham-bato akory ity fifidianana nataonao tamin’iny andro iny. Amiko ny tsy fanarahan’ireo nandrotsa-bato ny valim-pifidianana ao amin’ny birao nifidianany dia tahaka ny fanekena avy hatrany izay soratan’ireo mpampita ny isa any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Ny nahavariana ahy manko dia tsy nisy niteny ny delegen’ny kandida rehetra, ary tsy nametraka ny isa mialoha vao manome ny taratasy hosoniavina ihany koa. Izay zavatra hitako izay no nahatonga ahy hanao ny lohateny hoe fangalaram-bato ifanarahana izy ity ka miainga avy amin’ny mpifidy tsirairay mihitsy izany fifanarahana izany ary mipaka any amin’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana tsirairay avy ihany koa.

  Noho izany, amiko, tsy ho gaga loatra aho raha nahita ilay navandravandra tao amin’ny gazety Madagascar Tribune androany. Afaka manoratra izay tiany soratana ihany koa manko ny delege rehefa vita mialoha ny sonia, ary mino aho fa tahaka izany avokoa no natao manerana ny biraom-pifidianana manerana an’I Madagasikara.  


Aza mimenomenona

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:24

Samy tezitra dia mifanome tsiny ny mpikarajia tamin’ny vokatry ny fifidianana farany teo iny. Fifidianana izay ho solombavambahoaka manaraka indray. Raha nisy olona iray nimenomenona tamin’ny zava-misy andavanandro, ka nahateny “tsy nahy” fa tsy nifidy noho izay fahasahiranana izay, dia nisy namaly izy hoe “aza mimenomenona rehefa tsy nifidy”. Kanjo nisy namaly ihany koa io olona farany io…raikitra amin’izay ny fifanakianana…amin’ny fomba mihaja ihany satria imasom-bahoaka tsinona no iresahana amin’ny alalan’ny haino aman-jery…eo amin’ny nifidy sy ny tsy nifidy. 

 

Teto dia tsy ny mpanohana sy ny mpanohitra no nifanjinja fa ny nifidy sy ny tsy nifidy kosa. Mariho tsara fa ny nandrotsa-bato tamin’iny fifidianana farany teo iny dia 25% ihany fa ny 75% tsy nandeha sady tsy nivonona ho amin’izany rahateo. Tsy tahaka izany kosa teo amin’ny amin’ny karajia fa tena nifanahantsahana mihitsy. Samy namoaka ny heviny. Raha, ny maro an’isa fotsiny no jerena ka mody atao hoe manaraka ny marina dia diso izany ireo izay nifidy. Misy ny miteny hoe leo tanteraka amin’ity zavatra mitohy ity nefa ny eo ihany no eo fa tsy misy fiovana.Izany hoe eo imason’ny nifidy dia manana ny rariny ny fahakiviana sy ny tsy firaharahiana. Nefa ireo ihany no miteny fa giazan’ny vitsy an’isa ny zavatra tokony atao rehetra. 

 

Izaho, fantatrareo fa nifidy, dia miezaka ihany ny hahalala ny tena antony lehibe nahatonga ny olona nanapa-kevitra tsy nifidy. Raha namaky kely ny gazetin’ny mpitondra ankehitriny, amin’ny teny malagasy aho dia nahita fa…milaza ny tsy fananan’ny olona fitokisana hatrany ny mahatonga ny avy amin’ny antoko mpanohitra tsy tafiditra ao amin’ny antenimieram-pirenena. Raha raisina io hevitra navoakan’”ny vaovaontsika” io dia manambara fa tsy te-hifidy mpanohitra ny olona. Etsy andanin’izay ihany koa anefa dia tsy vitsy toy izany ihany koa ireo tsy te-hifidy izay olona narotsaky ny mpitondra. Tsy misy hofidiana izany ny maro raha jerena amin’izao. Ny antoko mpiara-dia amin’ny mpitondra indray dia heverina avy hatrany ho kely hery na mety hivadika fironana. Izay no fahazoako azy aloha hatramin’izao. 

 

Inona tokoa ary ny olana tsy nifidianan’ny olona ny mpiara-dia indray farafaharatsiny? Dia tenina mpanara-baovao iray indray no raisiko eto hoe: Ny avy amin’ny antoko mpanohitra mamelively ny tim, nefa setrin’izany dia ny antoko mpiara-dia nandrotsaka kandida hatrany no velesin’ny tim. Zavatra mahavariana azy io tranga niseho matetika io nandritra ny fampielezan-kevitra. Aminao, inona koa re no mety ho nahatonga ny olona tsy nifidy e?


Ny adidy tsy maintsy efa

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:48

Ny maraina alohan’ny handehanana hamonjy fiangonana aho no nandalo tao amin’ny birao fandatsaham-bato. Indreo miandry olona tonga hifidy ny mpikambana ao amin’ny birao. Tsy mila nilahatra, tsy mila niandry akory aza fa tonga dia nampandrosoina. Dia nojerena tao anaty lisitra ny anarana, fa tao amin’ny takelaka nosokafana teo anoloako dia izaho no fahatelo nifidy…amin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo io ora io. Vita iny…ny mpikambana tao amin’ny birao anilan’ny nidirako aza moa dia nitanin’andro (mandra-paharivan’ny andro) ireo mpikambana ao amin’ny birao ireo. 

 

Tonga indray aho ny hariva tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo ho eo dia mbola tsy ampy mpanisa vato ny tao amin’ny biraom-pifidianako. Voatery niditra an-tsehatra aho satria nantsoina. Tsy dia hitako loatra aloha izay olana. Vita ny fanisam-bato tamin’ny fito ora teo ho eo. Vato vitsy ve no isaina tsy ho haingana dia vita ny raharaha? Eo amin’ny olona 300 eo ho eo hatrany isaky ny birao no navitrika tamin’ny fifidianana. Ampahaefatry ny mpifidy nisoratra anarana teo ho eo. Efa vitsy an’isa aloha no misy ahy amin’izay fotoana izay. 

 

Rehefa natao indray ny fanisam-bato, noheveriko hiady ity baolina (Tim 10 ary avi 7 tao anatin’ny vato 20 voalohany teo ho eo) fa nitohy lavabe amin’izay ny an’ny antokoben’ny fitondrana. Arahabaina izany izay mandresy ary manaja ny demokrasia aho, izay ny safidin’ny be sy ny maro. Dia efa nanefa ny adidiko aho no fantatro ary tsy manenina amin’ny safidiko. Anjaran’izay tsy nifidy angamba ny hanenina rehefa lany ilay volavolan-dalàna (tsy nosoratan’ny fiaraha-monim-pirenena moa ilay hoe ahena ho 15 andro isan-taona sisa ny congé azon’ny mpiasa tsy miankina isan-taona ka marina ve sa tsia?) ho an’ny mpiasa dia samy mahazaka io. Tsy misy idirako ny amin’izany, hoy ilay nifidy tim izay. Eny ary ho’aho! Resy aloha ny nofidiako e! 

 

Hilaza tsiraritra vitsivitsy aho aloha. Miainga tamin’ny fanisana aloha. Rehefa vita ny fanisana dia niteny ny sefo lefitry ny fokontany fa vato maty avokoa ny an’izay nifidy arema, tsy nahatonga vato ara-potoana tany amin’ny distrika manko ny arema teto Antananarivo. Gaga aho ka saiky niteny hoe efa nisy toe-javatra sahala amin’izany anie tamin’ny fifidianana teo aloha ka nahoana no misy fanapahan-kevitra sahala amin’izany tampoka teo? Kanjo moa dia nilaza haingana ny sefo fokontany hoe isaina ihany ny vaton’ny arema fa anjaran’ny HCC ny manapa-kevitra na manankery ireo vato ireo na tsia. 


Powered by LifeType