Reko
tamin'ny atoandro avy tamin'izay naheno ny fahatezeran'ny filoha Ravalomanana
raha nandalo tao Toamasina Andrenivohitra ekonomika izy, alohany hiondranany
any amin'ny nosy Maorisy, ka nahita ny tsy mbola nahavitan'ny lalana tao. Misy
ny lalana efa migodana lasa mampatahotra araka ny tatitra nataona mpanao gazety
satria mirimorimo avokoa na ny fiara na ny posy-bisikileta mianoka ny
hatsarany. Izao anefa, sady montotra ny lehilahy no niteny mihitsy hoe
"tsy faly aho" fa mihisatra araka ny fijeriny azy ny
fanamboaran-dalana.
Nanome
baiko aho tamin'ny Paska (izany hoe mbola tsy ampy iray volana izay)
nandalovako taty farany ny amin'ny hamitana haingana dia haingana (izany
hoe atao tsy maharitra ve izany ny zavatra vita satria ny vita haingana sarotra
mateza?) ity fanamboaran-dalana eto Toamasina ity. Tsy hitany akory izay
fandroson'ny asa. Izaho kosa aloha mieritreritra fa sarotra ho an'ny Shinoa ny
hametraka foto-drafitr'asa tsara orina ambony fasika e! Tsy vitan'ny baiko hoe
"misia...lalana" manko izy ity dia misy ny lalana. Nanome baiko
indray ny lehilahy fa tsy maintsy vita ao anatin'ny tapabolana io
fanamboaran-dalana io. Ilay Shinoa voakiana moa nihomehy fotsiny (angaha moa
mahazo mihomehy ny Shinoan'ny Tanibe?).
Ny tao
an-tsaiko indray moa dia nipaka tamin'ny hoe iza indray no ho voadaka eo
amin'ny toerany? Sa iza indray moa no minisitra "coach" ny faritra
misy an'i Toamasina? tsy tadidiko intsony na Analanjirofo no misy azy na
Atsinanana. Sa ho sahy hanala ny Shinoa amin'ny fanaovana io lalana io ve izy
tsy hovaliany amin'ny tsy fanamboarana ny trano fandraisam-bahiny miezinezina
ao Ivato kasaina hovitaina handraisana manam-pahefana ambony mandritra ny
vovonan'ny (fivoriana faratampony) filoham-pirenena sy filoham-panjakan'ny
Firaisambe Afrikana (2009)? Angamba izany koa no efa nieritreretana hananganana
Tranomihaja 50 nolazain'ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaterana tamin'ity
herinandro ity.
Fa
mahalasa eritreritra ahy ihany koa fa mailaka dia mailaka izy mitsikera
mivantana (fa tsy sahin'ny mbs nalefa intsony ny alin'ny Asabotsy ny sary sy ny
nitenenan'ny filoha, tatitra sisa no natao raha nalefa kosa izany tamin'ny tvm)
izay tsy fetezan-javatra nisy tany Nosy Be na mampiovaova matetika ny
delegasioona ao, sy izao any Toamasina izao ka iandrasan'ny maro izay ho
tohin'ny raharaha... fa tsy mety hitany mihitsy ny tsy fahavitan'ny
tsenan'Asabotsy Antsirabe Antampontanana efa mitarazoka dimy taona izao. Toa
tsy raharahany akory fa misy fandravana trano manamorona iny lalam-pirenena iny
nefa dia tsy onerana izany na dia ariary aza satria "baikon'ny
filoha" ny fandravana. Rehefa anehoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny
fifidianana ny tsy fahafaliany anefa dia izy indray no tezitra.