Vaovao Eto anTOerana.VETO

Rta sy ny mariky ny fivavahana amin’i Satana asandrany

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 09:22

Efa rentsika ihany angamba ny fiovana sarim-pamantarana nataon’ny vondrona haino aman-jery rta efa ho iray volana latsaka izay. Toa mariky ny finiavana hanam-piovana sy fivoarana ao anatiny io fiovana sarim-pamantarana atao amin’ny vondrona haino aman-jerin’ny rta io. Tafiditra ao anatin’io fiovana sarim-pamantarana avokoa na ny radio rta (102 fm) na ny tele rta ary ny radio tana (94.4 fm).

Tsy ny hanao dokambarotry ny rta loatra anefa no anoratako eto fa tsikaritra hanohintohina io vondrona haino aman-jery io aza. Ialako tsiny fa tsy hisorona aho amin’ity toe-draharaha iray ity. Izay hitako no holazaiko ka na hitory aza izy tsy mampaninona izany. Eto dia tsy hilaza ny an’ny tele rta sy ny radio tana aho satria tsy dia hitako loatra ny hokianina amin’ny sarim-pamantaran’ireo roa ireo fa izay hitrikitrihako kosa dia ny sarim-pamantaran’ny radio rta (102 fm).

Miala tsiny indrindra raha ho fanazavana antsoratra no atao. Antony roa no mahatonga izany: antony voalohany dia somary handany fotoana elaela ihany raha hampiditra sary amin’ity tosaka ambany eto Madagasikara ity, antony faharoa indray dia tsy izaho indray no hametraka azy amin’ny bolongako ihany koa. Hafahafa amiko manko raha hanameloka aho nefa dia asiako ny sarim-pamantarana melohiko eto.

Azo lazaina ho tsotsotra vinany ihany ilay sarim-pamantarana satria io 102 fm io ihany no somary nasiana haingony, indrindra fa ny 0 eo afovoany. Ny anaran’ny sarim-pamantarana moa dia nomena anarana hoe ‘ho anao too’ mifandraindraika amin’ny teny hoe ‘one o two’. Ao anatin’io 0 afovoany io no misy ilay sarim-pamantarana fivavahana na fanandratana ny devoly ry zareo. Famantarana izay mpanao rock manan-daza eto Madagasikara (Iary) ankehitriny ihany no nanazava azy tamin’ny kidaona maraina indray maraina. Nolazainy moa fa raha manatrika ny hanaovana ilay tanana manao V amin’ny fanondro sy ny ankihikely (fa tsy ny fanondro sy ny fanondroadala) dia famantarana fanandratana an’i Satana izany fa raha miamboho kosa dia an’i metal izay. Ny tanora malagasy anefa dia tsy miraharaha izay miamboho sy manatrika anao izany fa ataony daholo ireo.

Tian’ny vondrona rta rahateo ny manao karazam-pihantsiana mba hampalaza azy bebe kokoa fa eto kosa izy amiko manokana dia nihoatra ny fetra. Vao nivoaka ilay sary dia taitra aho. Niandry izay hetsika fanamelohana avy amin’ny fiangonana aho fa tsy nandre mihitsy hatramin’izao. Nolokoin’ny rta ho menamena sy maintimainty indray ilay izy vao tsy ela fa mbola matory na tsy mahalala zavatra angamba ny fiangonana na heveriny ho tsy andraikiny angamba ny mampitandrina ny ondriny indrindra fa ny tanora amin’ity tranga iray ity. Ny tena tsy laitrako dia ireo tanora herotrerony mpanentana ao amin’ny tele rta faly ery manao ny tanam-pamantarana ao anatin’ny fandaharana ho an’ny tanora.

Tsy hiteny intsony aho ny amin’ny malaza any amin’ny ray aman-dreny ny aterineto ho fikarohan’ny tanora malagasy (tsy ampy taona no betsaka) ny momba ny devoly sy ny fivavahana aminy ka tsy ahazoazony loatra ny ankizy hanentana ho amin’izany aterineto izany. Adidy sarotra ho antsika te-hampiroborobo ity sehatra aterineto ity ny handresy lahatra ireo ray aman-dreny ireo. Izay no antony anoratako ity tranga ity satria nipaka any amin’ny haino aman-jery malaza ny fampiroboroboana ny fanandratana ny devoly eto Madagasikara. Raisiko ho adidy izaho samirery ny manameloka io sarim-pamantarana ataon’ny rta io sy ny fanaovana azy ho lamaody any amin’ny sehatra ho an’ny tanora. Aleo izaho irery no hampisaintsaina ny tanora mamaky ity lahatsoratra ity handinika tsara vao hihaino izany rta izany. Izaho manokana dia mieritreritra tsara aho vao hihaino na hijery ny fandaharana atolotry ny vondrona rta rehetra. Raha hiara-dia amiko ho amin’ny fanamelohana ianareo dia aelezo ity lahatsoratra ity na manaova lahatsoratra hafa ihany koa.


Aza aparitaka

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 11:21

 

Tamin'ny herinandro dia nahazo taratasy A4 ireny ny olona tao an-trano. Ankizy hoe no nanatitra azy tao an-trano. Tsy nisy niraharaha izay tao anatiny ny olona fa izaho fotsiny no gaga nahita azy nivalapatra teo an-databatra. Dia io misy hoe "sary mahavita fahagagana" amin'ny teny frantsay. Dia avy amin'izay ny filazana hoe nisy filohan'i Arzantina nahazo toa io taratasy dia noheveriny ho vazivazy ka tsy noraharahiany kanjo 8 andro taty aoriana dia maty ny zanany vavy. Nisy hafa indray nanaraka ny zavatra notadiavina dia nahazo tamin'ny lôtô.

Tonga ny filazana hoe mandefasa ity taratasy ity amin'ny olona 20, dia asa ianareo raha nanaraka aloha na tsia fa dia nahazo indray aho omaly ary tamin'ny mailaka no nahazoako. Malagasy ny mpandefa ary saiky Malagasy avokoa ny andefasana, olona miisa ho 50 angamba no nandefasany tao. Dia inona ary ity? Izaho aloha manao hoe aza aparitaka rangahy io zavatra io fa tiako ho fantatra aloha hoe iza ilay filoha Arzantin nahazo ilay taratasy dia maty ny zanany afaka valo andro, tamin'ny oviana koa izany fa hojereko ny tantara a! Sahala ireny hoe matahotra ozona ireny avokoa isika. Dia tahaka ny hoe mandefa ozona aty amiko ianao mandefa ireny zavatra ireny aty amiko. Izay ange no naha-jentilisa ahy e! Ny ahy filazana tsotra fa tsy hiangavy anareo mihitsy aho hampiely azy! Ary sary taiza ary io no nalaina?

AZA APARITAKA


Mpanompo sampy ve Ravalomanana?

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 18:06

Somary nahoraka ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny nametrahan’Atoa Ravalomanana filohampirenena Malagasy ny vato fehizoron’ny tranombakoka kasaina apetraka mifanila amin’ny  trano fiasan’ny filoham-pirenena eo Ambohitsorohitra sy amin’ny faritra manasaraka azy amin’ny trano lehibe an’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Trano natao hanana endrika trano gasy mahazatra eto amin’ny faritr’Imerina kasaina hovitaina haingana satria mbola ho ela vao ho vita ny fanarenana tanteraka ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy dia ny fikasana hanangana ny trano loatra no nampahoraka azy ity fa izay natao tamin’io andro io. Fa inona avy no nataony ka hita tamin’ny haino aman-jery?


 (tohiny)

Katolika sy Fanjakana sa Katolika sy Protestanta?

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 12:15

Misy mandrakariva ny miezaka ny mampivily ny adihevitra ho amin-javatra hafa tsy ampoizinao mihitsy. Misy rahateo ny mahay manararaotra hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Fa naninona no lasa adi-hevitra be indray ny resaka finoana eo amin’ny katolika sy ny protestanta eto Madagasikara?

 (tohiny)

Ny FahasahiandRainimamonjy

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 09:22

Iza amintsika moa no mahalala izany Rainimamonjy izany? Olona nijoro tamin’ny tarigetrany na dia niafinafina ihany aza. Niezaka namita ny heveriny fa adidy manoloana ny fanenjahana nahazo azy sy ireo mpiray fanantenana aminy izay nosamborin’ny fitondram-panjakana mijoro. Mazava loatra fa tsy zavamisy ankehitriny no tantaraiko aminareo fa tantara nisy teto amin’ity tanindrazantsika ity. Tantara tsy dia nisy mpahalala nefa tantarana Malagasy. 

 

 (tohiny)
1 2 3  Manaraka»

Powered by LifeType