Maharesaka.VETO

Tolona, ady, rĂ  mandriaka

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 12:13


Iza no tsy mihoron-koditra rehefa mandre ireny famonoan'olona re isan'andro vaky ireny. Na dia mitatitra isan'andro ireny aza ny gazety eto an-toerana mbola tsy ampahafirin'izay mitranga andavanandro izany. Tsy vaovao rahateo raha tsy zavatra tantaraina. Omaly ny omaly isika mpanara-baovao no nandre fa tao anatin'ny alina iray monja (zoma 19 septambra 2008) dia olona efa 12 no novonoin'ny mpanendaka tamin'iny faritra manodidina an'Andravoahangy iny. Mampihorohoro tanteraka ny mandre azy izany. Eto Antananarivo anefa ireny ka heno ihany fa ny any ambanivohitra rehetra any dia ady sy tolona isan'andro no iainana.

Inona no tena mahaloza azy? efa mivondrona ny fokonolona amin'ireny toerana somary mihataka ny tanandehibe ireny fa miara-dia ihany koa ny jiolahy sy ny dahalo ary ny mpamono olona. Nanafika tanàna antsoina hoe Ambohidravaka tamin'iny faritry Vakinankaratra iny ny andian-jiolahy volana vitsivitsy lasa izay. Izany no toy ny tantara tamin'ny andro fahiny nisy ireny tanàna nifanafika ireny satria tsy nisy nifampitsitsy ny roa tonta, na ny fokonolona na ny andian-jiolahy dia tena nifanandrina tahaka ireny western very sheriff miampy kungfu shaolin ninja ireny; izany hoe mifangaro ao avokoa ny lahatsary gidragidra fantatra rehetra ankoatra an'i Terminator sy Rambô. Hipoka tanteraka ny Hopitaliben'Antsirabe renivohitra nanditra izany alina izany nitaterana ny maratra sy ny tapaka ary ny very rà be dia be avy amin'ny fokonolona fa ny jiolahy ihany koa nitondra ny maratra tao aminy fa tsy hitondra azy any amin'ny hopitaly aloha (manana ny hopitaliny ve izany ry zalahy?). Ny any amin'ny firenena miady an-trano sisa no tsy fantatra raha tahaka izay niseho tamin'ity alina ity. Zairina manta tsotra izao ny ratra rehetra, dradradradra izao, tomany izao... efa tsy nifandrenensana intsony. Raha nisy ny sarin'izany dia ho gaga ianao ary hieritreritra hoe any Iràka ary ve izaho izany sa any Palestina? Soa ihany fa tany amin'ny toerana mbola mafy ny firaisankinan'ny fokonolona aza izany! Fa nahoana izany no nitranga teto Madagasikara? Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny mponina!

Vao maika koa hampihemotra ny fitokisan'ny mponina ny mpitandro ny filaminana ny fahatrarana ny sasany amin'izy ireny nandroba, nanendaka, nangalatra ary saiky hanao an-keriny ihany koa aza, vaovao tao anatin'ny herinandro izany raha ela indrindra. Efa mihamivantana amin'izay, ho'aho, ny fitangosan'ny mpitandro ny filaminana sasany vola tamin'ny alalan'ny kolikoly teo aloha. Sa mbola tohizan-dry zalahy aty an-drenivohitra ny fananon-dry zalahy tany ambanivohitra tany? Mihamasiaka ny jiolahy ka mamono olona ihany koa satria fantany fa raha tratran'ny fokonolona izy dia efa ny ainy izay no manefa. Inona no tena fototry ny olana? Iray amin'ireny angamba ny fanafahan'ny mpitsara, na mpanao famotorana ny olona efa fanta-daza amin'ny fanaovan-dratsy, ka mampisy Tsimatimanota eo amin'ny lalàna. Ho aiza na hanao inona ary ny fokonolona manoloana ny tsy rariny mihatra aminy? Hisafidy ny hanao inona ny fokonolona raha mbola mitaky ny fanajana ny fiarovana ny zon'ny mpanao ratsy efa mivandravandra fa tsy misalasala ny mandatsaka ain'olona nefa tsy nijery ny nanjò ny olo-tsotra ihany ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny? Efa voarara rahateo moa ny didy famonoana ho faty! Efa mirediredy mihitsy koa izaho izany!


Didim-pitsarana: sao mba tsy rariny ihany?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:27

Nisy vaovao nahoraka izay teto amin'ny tanàna fa lehilahy Frantsay efa antitra no tratra nitondra sarin-jaza naboridana (tsy ampy taona) miaraka amin'ny sary nametavetana ireo zaza gasy ireo. Tsy te-hitantara betsaka ny amin'iny aho fa ny tena ifantohako sy arahiko maso dia ny sazy mihatra amin'ny olona manao ireny hadalana ireny hijerena ny fampiharan'ny fitsarana fa atao ho anatry ny hafa ihany koa ny sazy azon'ireny olona manaonao foana ireny.

Vetivety moa dia natao ny fitsarana ity raharaha ity ary toy izany ihany koa ny fivoahan'ny didim-pitsarana. Tena ontsa sy tezitra aho nandre ny valiny, araka ny filazam-baovao iray. Ny fandre matetika manko raha misy ny tranga tahaka itony dia asa anterivozona dimy taona ny tena kely indrindra azon'ireny olona ireny. Ny asa anterivozona moa noho ny "zon'olombelona" dia tsy azo atao intsony na dia gadra aza ireny olona ireny. Ny fitazonana amponja ihany izany sisa no azo atao. Fa manakory kosa ilay sazy nomena ilay lahiantitra nanampatra ny hagegeny tamin'ny zaza gasy?

Vao nandre fotsiny aho hoe sazy mihantona ilay azony dia niontana indray mandeha ny ambavafoko. Na tsy te-hieritreritra fanavakavahana aza tsy maintsy taitra ihany, farafahatsarany kolikoly... tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy mihitsy amiko izao didim-pitsarana izany satria tsy hoe torotorok'olona hanaovana ramatahora olona voafandrika izy ity mba hisintonana volabe fa porofo mitohoka amin'ny tendany ny sary nentiny fa tsy hoe nentin'olo-kafa. Lasa ny saiko manao hoe tena tiana ho fanaovana fizahantany mamoafady mihitsy eto Madagasikara handrisihana ny vahiny hanimbazimba ny malagasy satria sazy mihantona fotsiny no omena anao raha manimba zaza ianao. Roahina fotsiny izany izay vahiny tratra fa tsy mahazo manasazy azy ireny isika Malagasy? Eritrereto ihany lahy!


Ahoana ireto haintrano mampieritreritra ireto?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 21:51
Noho ny hamaroan'ny trano hazo eto amin'ny tanàna angaha fa dia misy mandrava trano ampolony na anjatony mihitsy izy izany. Noho izay fanorenana amin'ny hazo mora mirehitra izay ihany ve fa dia misy anaran-toerana vao re fotsiny dia mampiteny hoe "izay indray", resy indray ilay afo fanangana tao Antongona raha vao mananontanona hanafika eto Imerina ny Sakalava nahatonga ilay fitenenana hoe "efa ho lava tahaka ny afon'Antongona".

Anarana malaza loatra izany Antohomadinika III G Hangar izany, impiry isan-taona no re fa trano ampolony indray no may? Tsy haiko aloha na dia tsy manana fo antra loatra aho fa sady kely no hazo ve no andrehetana afo ao anatiny... na dia ny kilalaon'afo mahalasa lavitra ireny ve tsy hanao izay vitany? Fa misy kisendrasendra mampiahiahy mandrakariva ity toe-javatra ao Antohomadinika III G Hangar ity. Nisy ny fotoana hoe tonga ny fitaovana entina hanampiana izay mety ho tra-boina fa vetivety dia maro ny trano may ao. Izao indray vao nahavita ny fivoriany tao amin'ny Auditaurium Ankorondrano Antananarivo tao ny DISTIM Antananarivo renivohitra ary mitetika ny hahazo ny fon'Antananarivo lasan'ny hafa izao dia iny fa nisy trano may indray tao. Azafady indrindra re fa mahalasa saina ilay izy. Efa nahavita nitondra fanampiana sahady aloha ny DISTIM Antananarivo renivohitra fa tsy fantatro raha efa nahavita ny anjara fanampiany ny Kaominina Antananarivo renivohitra e! Sao dia haintrano politika ary ity raharaha ity sanatriavina anie?

Anarana fandre talohaloha ihany koa izany Anosinakoho Mananjary izany. Mbola tsy tany mihitsy aloha ny tenako ary tsy mahalala izay toetoetry ny toerana fa dia matetika may ny toerana tany. Mba tsy re aloha izy tao ho ao fa enga anie tsy ho re intsony satria toa hanala baraka izay olona avy any mipetraka an-tanàna hafa araka ny fiheverako azy izay mety ho diso.

Dia efa rentsika vao tamin'ny faran'ity herinandro ity indray ny tao Ankirihiry Toamasina. Vao amin'ny gazety fotsiny dia tsy fantatra marina ny isan'ny trano may. Loharanombaovao avy aiza angaha ireny isa mifangarika ireny? izao ka raha vao re fa nitondra ny fanampiany ho an'ny traboina ny fitondram-panjakana dia nitombo ho maherin'ny 2 600 tampoka teo ilay tra-boina latsaky ny arivo (800) iny. Tena tsy afaka amin'ny toe-tsaina amin'ny Malagasy maro ve ny manararaotra hanao izay fomba angatahina, hahazo zavatra maimai-poana? Tsy fantatra amin'ny fomba ofisialy moa ny anton'ny afo, fa ny tsilia-tsofina tsy azo amarinina loatra saingy mety hitombina no nandrenesana fa misy olona mitahiry lasantsy betssabetsaka an-trano ihany ao amin'ity faritra ity. Raha miteny azy ny manodidina dia valiany hoe "fialonana ny anareo satria mandeha ny bizinanay". Tsy lasa lavitra mihoatra izay ny eritreritra raha vao re fa poa toy izay (tsy ampy fahefakadiny) no nahamay ny trano rehetra tao Ankirihiry ity. Asa sotasotan'ny manodidina miara-may trano aminy ve no anton'ny afo raha izay toe-javatra izay?


Vaovao aty Antsirabe

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:11

Tena miserana eto amin'ny serasera tokoa aho amin'io fotoana izao. Niova rivotra fa diso kosa angamba ny fiteny hoe niala sasatra raha heverina. Misy ny vitsy azo soratana vetivety. Voalohany raha nidina taty aho tamin'ny alahady dia efa vitsy dia vitsy ny fiara fa ny olona koa mbola vitsy noho izany. Vokany ny fiara ihany no nilahatra fa tsy ny olona. Manamarika ve izany , noho ny fahitana ny taloha fa tena efa sahirana dia sahirana tokoa ny olona?

Raha tonga teny amin'ny fitobian'ny fiara ihany koa aho dia gaga fa tsy nahita ireny mpanera nifampisintosintona ireny. Hay moa ka noraofin'ny polisy avokoa ry zalahy tena nanao fisintonana ny nikasika mpandeha ireny. Vokany tsy misy mahazo mikasika mpandeha na iza na iza.

Manaraka izany tena tsy nahara-baovao mihitsy aho hatrizay niovako rivotra izay. efa saiky tsy hiserasera aho fa nahita cyber nalalaka tampoka dia roboka indray. Fa tena nahavariana ahy ny hamaroan'ny tanora ataoko hoe tsy mbola mahatratra 20 akory dia efa mitarika anaka. Maro loatra araka ny fiheverako azy, nefa ve porofon'ny hoe tsy ampy fialam-boly ny tanora? Sao dia mitady revy tafahoatra kosa ary ka tratran'ny sasany amin'ny kely foana? asa anefa.

Manaraka, efa niomana amin'ny entana ho entinia ihany aho fa mbola nanadio akanjo ba ihany. Soa ihany fa tsy nahatsiaro mangatsiaka loatra na dia izany aza. 

Ataoko fa fa efa lavalava ihany izay na dia mbola manankolazaina aza aho. Ho avy ny sary efa akaiky ny zato. Fa milaza aminareo hoe mitohy ny fiovana rivotra ka tsy ho eto Antsirabe fa toeran-kafa indray...amin'ny manaraka lazaina.  Dia any ho any indray vao manoratra sy mifampiserasera eee!

 


Faly dia faly amin'ny telma aho

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 00:56

Mametraka ity lahatsoratra ity aho eto hilaza ny hafaliako, ary mino aho fa ho haingana dia haingana ny famakianareo ao amin'ny Telma ity fijoroana vavolombelona hahafaly anareo ity. Manantena ary aho fa mety hapetrakareo ao amin'ny vohikalanareo ny fijoroana vavolombelona tahaka itony soratako itony milaza ny antony tokony hifidianana ny Telma fa tsy ireo mpanome tolo-pifandraisana hafa.

Fa dia inona loatra moa no nahafaly ahy ka mahatery ahy hanoratra ity fijoroana vavolombelona ity? Nividy sofindavitra Telma fixe mobile (24 moa no fahalalana azy ho an'ny eto Antananarivo) aho mba ahafahana miserasera amin'ny aterineto no tena antony voalohany sy lehibe indrindra. Kanjo dia nasehon'ny Telma sy noporofoiny fa manambola 10 000 ariary ariana fotsiny aho. Naharihariny fa manankarena aho e! Iza na olona tahaka ny ahoana moa izany manary vola 10 000 ariary amin'ny tsy antony izany afa-tsy ny olona manankohariana? Nabaribariny ary fa anisany aho na dia tsy manana fiara, iray amin'ny famantarana ivelany maha-mpanankohariana aza. Tena manafinkarena aho rey olona ô! Ahoana angaha izany hoy ianareo?

Marihina aloha fa tsy ilay millionakà kilalao mety ahazoana 1 000 000 ariary izay tsy mbola nilalaovako mihitsy no nanehoany ahy izany harenako izany. Efa voaloazako teo aloha fa noho ny serasera aterineto no tena nividianako 24. Noho izany tsy dia miantso loatra amin'ilay 24 aho, fa io ary no iantsoako ny ao an-trano indraindray. Nisy ambina fahana izay izy io roa volana lasa angamba izay. 6 000 arivo ariary eo ho eo io tahirina fahana io. Iray volana ihany no fetra dia tsy maintsy mamahana ianao raha tsy izany dia levona ho azy tahaka Faosifaoro io... Tsia, lasa tombombarotra manokana ho an'ny Telma io hanentsenana ny illimité fantiantoka ho an'ny telma azon'ny mpividy telma rehetra mandritra ny iray volana. Fitiaana lehibe ny mpanjifa kosa aloha tsy misy tahaka izany e! Tara iray andro aho ary akory ny hafaliako fa nomeko ny telma maimaipoana ilay 6 000 ariary teo. Ny hany fahavoazany dia tsy maintsy mampiditra fahana vaovao aho mba ho sambany hiantso amin'ilay telma 24 ahy. Mba ahafahako miantso iray volana dia voatery aho nampiditra fahana 5 000 ariary indray ary nampirisika ny ao an-trano hiantso aminy entiko ilazana amin-dry zareo fa tena tia fitsitsiana tokoa aho, nefa hanehoako ny maha-mpanankohariana ahy ihany koa. Tsy mety miantso amin'ilay izy anefa ry zareo rehefa mijery ny antso rehetra natao taminy aho.

Tsy tandritandriko akory ny fehim-potoana efa lasa taorian'ny namahanako azy 5 000 ariary farany teo iny fa mba saiky hiantso indray aho. Ary dia tamin'ny hafaliana lehibe indray no nandrenesako avy amin'ilay feo fa raha hiantso aho dia mila fahanana indray izy io fa efa nanjavona ilay fahana nataoko farany tao. Faly dia faly tokoa ny tenako ka dia izao tantaraiko izao fa omeko amin'ny foko manontolo ny telma ny fahana mitentina 10 000 ariary mahery ho fijoroana vavolombelona amin'ny fahatsaran'ny asa ataon-dry zareo. Fandraisana anjara fanohanako ny telma tamin'ny nandroahana mpiasa anjatony tao aminy iny nefa dia naka mpiasa hafa vaovao indray izy. Iza hoy ianareo no manana izany zavabita mahafinaritra sy mahafaly tahaka izany fa tsy ny telma? Mandroaka mpiasa maro efa nahazoazo taona dia maka mpiasa maro hafa vaovao izay tanora no betsaka! Soa ihany fa samy Malagasy na ny noroahina na ny mpiasa vaovao noraisiny ary io no porofo fa mitsinjo manokana ny tanora ny telma na dia asiany mafy dia mafy aza ny ray aman-dreny nahavita be fa tsy hahavita azy intsony ka roahina mialoha ny haharetirety azy. Ny tanora ihany koa anie no maro an'isa ka manaja ny demaokirasia tsara ny telma e! Tombony azy manokana ihany koa aloha iny.

Farany dia mahazo tezitra dia tezitra amiko ianareo rehetra tsy mitovy hevitra amiko. Satria mora dia mora ny nahazoako ilay 10 000 ariary mihoatra ka tsy raharahako ny manome azy ny telma fa tsy ho amin'ny fanarenana ny rova na ny lapan'ny tanàna izay haorina indray avokoa. Telma no tena azo itokisana ary dia mendrika azy ny mahazo vola betsaka izay tsy haiko na tafiditra anatin'ny kaontin'ny orinasa na trohin'ny olona sasany mahalala zavatra ary mametraka hatrany amin'ny fitantanam-bolany fa tsy misy manary vola toa ahy izany mihitsy ny mpanjifa ao aminy. Na izany aza te-hibedy an'ilay kidorompamba iny aho hoe fa maninona no afindran'ialahy aty amiko ity aretina manindrahindra ity? Tena tsy mety mihitsy izao fa lasa mametraka ahy ho mpisolelaka mihitsy. Omeo fanafodyahingana aho fa raha tsy izany...


1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»

Powered by LifeType