Maharesaka.VETO

Tsena vetivety

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:22

Mahery mihitsy isika Malagasy amin’ny fomba fitadiavam-bola. Hay hatrany ny manararaotra amina toe-javatra iray. Ataoko fa endrika iray itarafana ny fahaiza-mivarotra izy io raha tsy fahaiza-manambaka.

 

Mitohy hatrany ny resaka fiofanan’ny sefom-pokontany. Tany amin’ny andiany voalohany dia henjana tokoa ny fanaraha-maso ireo sefom-pokotany ireo na dia tany amin’ny sekoly fatoriana aza. Nambenana miaramila mitam-basy mihitsy ny vavahadin’ny sekoly. Raha misy izany olona hafa te-hiditra dia tsy mahazo miditra. Ireo izay te-hivoaka ny sekoly hamangy havana kosa dia atsasak’adiny ihany no fetra azo ivoahana.

Voarara ny matory any amin’ny havana na dia manana havana na olom-pantatra eto an-drenivohitra aza. Nivaha tsikelikely ihany izany fifehezana izany taty aoriana. Efa mahazo mivoaboaka ihany ireo sefom-pokontany ireo amin’izao fotoana izao. Hazakazaka ny an’ny mpivarotra madinidinika manemitra ny vavahadin’ny sekoly, indrindra rehefa tonga ny hariva. Hita avokoa ny karazan-javatra rehetra any amin’ny antsoina hoe tsena fa ny tena betsaka dia ny fivarotana lamba tonta ( friperia) ihany. Ireny manko no tena be mora vidy, amin’ny ankapobeny dia Ar2000 eo avokoa na Ar1000 ny ankamaroan’ny fitafiana. Tonga eny ihany koa ny mpivarotra kojakojan-tokantrano na zavatra hafa madinidinika. Io karazan-tsena io amin’izao fotoana izao aloha no tsy raofin’ny polisin’ny fivondronana. 

 

Henjana dia henjana manko ny fanadiovana ataon’io sampan-draharaha io na dia efa tonga aza ny ora tokony iravany. Fantatry ny mpivarotra amoron-dalana izany ka izay no mahafeno vetivety ny lalana rehefa migadona ny amin’ny dimy ora sy sasany eo ho eo. Izao kosa dia mivezivezy mihitsy ny fiaran’ny fivondronana ka lasa toy ny hafahafa indray ilay hoe malalaka ny lalana odiana. Raha mba fantatr’izy ireo manko fa hotontosaina eto Antananarivo amin’ity volana ity ny fivorian’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny fikambanana « métropolis » ka izay no mampihenjana ireto mpiasan’ny fivondronana ireto. Mety halalaka ihany re io rehefa vita ny fivoriana e.


CUA: Rava trano ny Palestiniana!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:53

Amin’izao fotoana fikarakarana fatratra ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina eto Antananarivo izao dia manomana aok'izany (nahitsy) ny toerana manamorona ny kianja sy ny trano itoeran’ny mpilalao ny Kaominina. Mifanindran-dalana amin'izany dia misy koa ny fandravana sy fanesorana izay rehetra heverina ho manaratsy endrika ny tanàna.

 

Raha jerena maika amin’izao dia tahaka ny misosa tsara avokoa ny arabe mety ho fandehanan’ireo vahiny ireo. Saingy raha misy ny mianatranatry ny mandeha taxibe ka mandray azy na mandalo eo amin’ny fiantsonana manoloana ny fakana lasantsy Total ampitan’ny tranoben’ny Fiaro eo Ampefiloha dia hahatsapa tsara ny kintaontaona (lavaka ngeza be mangotatana) amin’io fiantsonana somary mihataka amin’ny arabe mahafinaritra io. Tahaka ny porofo manameloka fa te-ho tsara eo anatrehan’ny vahiny mpifanila sisintany amintsika isika saingy ny tena fahatsapan’ny mponina mandalo kosa dia hahare hatrany ny haratsin’ny lalana tsy raharahan’ny Kaominina. Na izany aza tsy manamaivana ny asa be dia be vitany amin’izao fotoana izao. 

 

Fa fony mbola ampikarakarana ny dobo filomanosana hanaovana ny fifaninanana aho ka mitopy manodidina ny fakana sary dia ho hita akaiky eo ireo trano ratsy endrika tsy ara-dalàna manamorona ny lakandranon’Andriatany (ilay mifanila amin’ny lalamby no tiako lazaina). Dia lasa ny saiko tamin’izany hoe dia ho hitan’ny rehetra izany ireo trano ratsy endrika ireo. Kanjo dia rava trano ny Palestiniana androany maraina vao mifoha. 

 

Ity fitondrana tia sehoseho tia tokoa ve dia hanaiky mora ho afa-baraka amin’ireo trano ireo ? Palestianiana moa no nilazako azy satria na dia mihalehibe aza ny trano vita sady amin’ny biriky sy mitafo fanitso dia tsy tompon’ny tany sy ny trano ry zareo ka tsy menatra ny Kaominina nitondra ny Bulldozer hanjera izay rehetra mijoro. Palestiniana satria na dia efa ampolo taona aza no nipetrahana miafinafina (tsy mitomandavana manaraka ny arabe tsinona fa manaraka ny rano) teny dia tsy mananjo hitaky zavatra loatra eo anatrehan’ny mahery. Saingy manantena ry zareo fa hatramin’ny fiafaran’ny lalaon’ny nosy ihany no tsy mahazo miserantserana eny fa raha vao lasa kosa ireo vahiny maro ireo dia iverenana indray no toerana. Isika Malagasy zatra vonjy tavanandro manko tsy hahafehy mandrakizay ny olona tsy hanangana ny trano indray avy eo. Toy ny tsenan’Isotry ihany e !


Aoka re ry Pata!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:36

Hendratra avy hatrany aho androany nahita ny lohateny tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Tsy dia raharahako loatra ny momba ny antenimieram-pirenena na dia mpanara-baovao politika mavitrika aza aho. Fiainam-pirenena iny ka rehefa ao anatin’ny zony ny filoha handrava dia efa ao anatin’ny lalàna neken’ny vahoaka nifidy azy izay. Fa ity kosa dia miantraika mivantana amin’ny tena ka tsy maintsy amoahako ny fitiavan-tenako ihany koa.

Mpiasa aho ary miasa enina andro anatin’ny herinandro. Ny mahazatra aty Madagasikara moa dia dimy andro isan-kerinandro. Ny ahy kosa ny andro fahaenina dia tsy andro fanampiny hahazoana tambin-karama mihitsy fa efa voafaritra anaty taratasy fifanarahan’asa. Noho izany dia tena ilaiko tokoa ny miala sasatra fotoana lavalava (iray volana amin’ny volana ho avy io) hamoriana hery sy hanaovana zavatra hafa ihany koa. Izao ka tadiavin’ny vondron’ny patirao tanora eto Madagasikara hahena ho 15 andro sisa io zo 30 andro isan-taona io. Pata tahaka azy ireo koa moa ny filoha amin’izao fotoana izao ka azo atao tsara ny manararaotra mampiditra ny hevitra any aminy. 

 

Rehefa re fa kasaina akarina adiny 10 isan’andro ny fotoam-piasana dia ampifanarahana aminy kosa ny fampihenana ny fialan-tsasatry ny mpiasa. Loza ity marina mafy ! Ny siesta kely efa nofoanana amin’ny fotoam-piasana mitohy, ny ora kasaina ampitomboina dia mbola ampiana ity soso-kevitra ity ihany koa ! Sao dia tsy rariny ? sao dia efa tafahoatra ? Te-hiteny hoe mpiasa tsy mitsangana amin’izao efa miditra amin’ny fanandevozana maoderina nefa hatramin’ny oviana no nisy mpiasa malagasy nivondrona hanohitra lalàna manohintohina ny tombotsoany ?


Maharena tokantrano

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 19:14
Lahatsoratra faharoa androany ity. Nalaza eran’izao tontolo izao ny fahabetsahan’ny mariazy notontosaina tamin’ny 07/07/07 teo iny. Betsaka moa ny resaka efa nandeha tamin’iny fa ny mba tsy aritro dia ny marizain’ny “cousine”-ko nalain’ny gazety ny vaovaontsika sary lehibe teo amin’ny voalohan’ny takelaka sady nisy filazalazana tsotra momba an-dry zareo tao anatiny. Dia faly ny tena ary mitso-drano hoe “maharena tokantrano sady ho arahin-jazalahy sy zazavavy e!”

Nankaiza ny arendriko teto?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 16:51

Mialoha ny tsikaritra sy ny fitantarana dia miarahaba ny mpamaky nahatratra ity asaramanitra 2007 fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ity. Enga anie mba hahatratra ny tena fahaleovantena tokoa ity firenena mamintsika ity. Manomboka eto dia ny fitantarana ny zava-mitranga ankehitriny eto amin’ny tanàna no lazaiko.

 

 Tiako ihany koa ny manambara fa dia sahala amin’izay tantarain’i Hery ao amin’ny blaoginy ny teny an-tanàna fahazaza. Izaho indray moa tsy tany amin’ny citén’ny tafika fa mifanila amin-dry zareo ihany. Fivoarana ve no misy sa tena efa adino tokoa ny fiaraha-mientan’ny iray tanàna. Raha ny taty aminay aloha da mampahonena mihitsy.

 

 Vao midify ny masoandro ny 25 jona (fa mbola mazava) dia mihitsoka avokoa ny fiara mandeha eny amin’ny arabe lehibebe fa fandalovan’ny maro rehetra eto Antananarivo. Ny farihin’Anosy manko no foiben’ny tanàna amin’ity takariva ity. Te-hijery akaiky ny afomanga efa zary fandefa isantaona manko ny rehetra, na ny kely na ny lehibe. Io no tsy dia nisy loatra tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista. Ny tadidiko dia indray ihany no nisy afomanga rehefa 25 jona tamin’izany fotoana izany no sady mahalana be ny fanapoahana azy.

 

 Amin’izao fotoana izao dia efa ifampitadiavana dieny tolakandro ny toerana itazanana ny afomanga. Adino hatreo ny arendrina. Fitondrana ny ankizy hijery fa tsy hitondra fanilo no mahamaika. Mahavariana ihany koa moa fa tahaka ny lasa henatra mihitsy ilay mitondra arendrina. Tsy dia misy firy intsony ny zaza faly hitondra ny kilalao nahafinaritra fahazaza io, eny fa na dia izay natao tanana toy ny jiro kapoaka aza tsy fahafinaretana ho an-dry zareo izany. Lesoka lehibe amin’izy ity angaha ny tsy fifankafantarana sy ny fifaneraseran’ny mpifanolo-bodirindrina intsony sy ny tsy fisian’ny olona mpitarika araka ny tadiavin’ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Loza mitatao ho an’ny firenena izany toe-javatra izany raha mandinika tsara isika.

 

 Ny hany mitoetra izany dia izay arendrina arehitry ny olona eny an-davarangany amin’ny alina mialoha ny fetim-pirenena io.

 

 Ambohipihaonan’ny olona faharoa indray ny teny Analakely. Efa fahazarana indray moa io raha vao misy fotsiny ny andro tsy fiasana toy ny amin’izao fotoana izao. Raha mihalefy manko ny fikatsoan’ny fiara any amin’ny arabe lehibebe rehetra dia tsy misy afa-mihetsika kosa ny fiara tafiditra an’Analakely. Tamin’ny 9 ora alina mahery aho no nandalo teny fa tena maro ireo fiara mamono maotera mihitsy. Ny tena olana amin’io fotoana io dia misy ireo vitsy tsy mahatsiaro tena fa mijanona eny afovoany na sisiny mahabahana arabe fotsiny izao. Raha vao tsy hitan’ny polisy manko dia efa izay tiako atao ihany io no manjaka hany ka tsy mitsahatra ny miasa ireto mpitandro ny filaminana ireto.

 

 Fa tsikaritra indrindra dia ny tanora no tena betsaka mifamovoy eran’ny tanàna. Ny atsasaky ny arabe migodana avy eo Andohan’Analakely mankeny amin’ny tahala Rarihasina iny dia efa heverina ho an’ny mpandeha an-tongotra avy hatrany. Mba mivezivezy miaraka amin’ny namana sy mba hanala azy. Fa mahagaga fa tsy dia ahenoana tsipoapoaka loatra na dia amin’ity andro mialoha ny fetim-pirenena ity aza. Asa! Efa lafo ve ny vanja sa enjehin’ny mpitandro ny filaminana izay mivarotra tsipoapoaka? Tsy dia manana vaovao miakasika io aho aloha. Tena mifanesika tokoa ny olona fa mahazo toerana mibahambahana ihany koa moa ireo mpivarotra hanimasaka sy tsakitsaky isan-karazany.

  Dia nikisaka ho any ambanin’ny arcades aho fa noheveriko ho malalaka kokoa ny mandeha eny. Kanjo moa dia feno tanora maromaro miara-dalana mipetrapetraka iny lavarangana manontolo iny. Eny ry zareo no mihinana ny tsakitsaky sy milalao karatra. Tsy misy ahafantaranao mihitsy eny hoe fetim-pirenena anie ity ankalazaina ity fa dia izy fety ihany dia efa izy azay. Kely foana ny tsy handingandinganana azy ireo. Hay tokoa moa misy fandihizana idiram-potsiny ao amin’ny Gara ao! Saingy tsy nakany aho hijery izay tao anatiny fa mahimahina ihany aho ny amin’ny fety idiram-potsiny sady tsy voatery hividy zava-pisotro. Tena mba miizaka ny hamalifaly ny mponina tokoa ny Kaominin’Antananarivo renivohitra e!

 

 Rehefa tonga indray moa ny marainan’ny 26 jona (io fa nahitsiko fa misaotra izay nahamarika) dia any amin’ny matso eny mahamasina indray no mitodika nym ason’ny rehetra. Toy ny fanao isan-taona ihany fa ny hany nampiavaka azy kely dia iny nisy alika mpirenireny anankiray tafiditra ny kianja tao anatin’ny matso indrindra. Ahoana koa angaha no nahatafiditra azy io teo? Nihazakazaka ny anao lahy namonjy ny afovoan’ny kianja ka rehefa tonga tandrifindrifin’ny boriborin’ny kianja izy dia nijanona nitoditodika tahaka ireny mpilalao mitady namana hipasiana baolina ireny. Nihoraka I Mahamasina fa tsy nisy loatra ny tahaka ity. Afaka kelikely (tokony folo minitra taoriana) dia nanakaiky kokoa ny mpanao matso ny alika ary manatrika indrindra ny olona ambony no saiky hiavela ampahibemaso. Voatery nandroaka  azy ny mpiamina ny filoha iray fa mahamenatra ity ataony. Misy voasazy indray amin’iny aloha!

 

 Fa ny hariva moa dia ny mpanakanto indray no hifandimby hihira eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ihany. Tsy mbola hitako izay hotantaraina amin’io satria vao ho any indrindra aho io.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»

Powered by LifeType