Maharesaka.VETO

Tanànan’ny zaridaina

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:58

Miaiky tanteraka aho fa tena mitondra fahafinaretana tokoa ny tanàna iray voaravaka voninkazo. Ny trano kelikely feno sy tsara ravaka voninkazo no manintona kokoa noho ny trano lehibe tsy ahitana zavamaniry mihitsy na dia meva aza ny endriny sy ny bikany. Amin’izao fotoana izao dia mihabetsaka tokoa ny zaridaina eto Antananarivo no hitoetra amin’izay anarana mahazaridaina azy izay : ho voaravaka voninkazo. Izay mandalo eto andrenivohitra dia tsy hisy afaka handa io fivoarana io.

 Efa nosoratako tany an-toeran-kafa fa efa misy rano mifantsitsitra (jet d’eau) mandrakariva eo amin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 eo Ambohijatovo. Mbola ivaiva ihany ny fitondrahan’ny rano amin’io toerana io aloha na dia mandeha foana aza izy hatramin’izao. Amin’izao fotoana izao dia noesorin’ny Kaominina ny tsangambaton’i Karl Marx eo amin’ny fihodidinana anoloan’ny Antenimieran-doholona Anosy ary eo ampanamboarana toerana hisiana rano mifantsintsitra tsaratsara kokoa sy lehibe ry zareo. Noheverina hovitaina alohan’ny fetim-pirenena izy io nefa toa tsy ho tratra raha ny fijery azy. Mandroso ny asa na dia izany aza.

 Fa miresaka eo Anosy ihany isika dia mba manontany ny olona aho hoe inona no maha-cité des jardins ny cité des jardins eo Anosy Mahamasina io ? fa na tanora eny fa na olondehibe aza toa tsy mahalala ny antony loatra. Izaho ihany koa dia tsy mahalala loatra. Ny hany tadidiko dia izao : tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia zaridaina fotsiny no nandravaka iny faritra Anosy sy Mahamasina iny, indrindra fa amin’ilay lalankely mankeny amin’ny anjely mainty efa mihamanja iny. Iny lalankely iny raha ny marina dia toy ny hoe nihalava indroa noho ny taloha. Izany hoe amin’izao fotoana izao dia lasa difotry ny rano na nietry anaty rano ny atsasaky zaridaina fipetrapetrahan’ny vazaha teny. Zaridaina daholo iny tamin’ny andron’ny fanjanahantany hany ka rehefa nasiana fananganan-trano ho an’ny olona ambony tamin’iny toerana iny dia voahosotra ho cité des jardins ireo trano maromaro naorina mbola hitantsika amin’izao fotoana ireo. Aza manontany ny daty nananganana ny trano amiko fa tsy fantatro izany. 


Naleo tokoa natao birao

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:40

Izay mipetraka na mandalo matetika any 67ha eo akaikin’ny fiantsonan’ny fiara mankany Ambohitrimanjaka iny dia efa mety ho lasa saina ihany amin’ity trano vita tsy mety misy mipetraka ity. Trano vaventy sy avo ihany misy rihana efatra raha tsy diso ny fitadidiako. Mifanila indrindra amin’ny Madahotel ary ambadiky ny fiangonana katolika romana Maria manjaka 67ha, manoloana ny arabe lehibe mampisaraka ny 67ha avaratra amin’ny atsimo amin’ny ankapobeny no misy ity trano lasa birao ity. Tokanana atao birao fandraharahana momba ny fakana hetra (Direction Generale des Impots) ity trano lehibe ity. Nafindra ho ao ny birao teny Faravohitra sy ny toeran-kafa izay tsy tadidiko.

 Mpandalo eo aho ka hitantara ny momba azy ity hatramin’ny niorenany. Trano fampanantenan’ny filoha Didier Ratsiraka ka anisan’ny nahatafaverina azy teo amin’ny fitondrana ity trano ity. Nifanaraka taminy ny Seimad fa hanangana trano 35 000 isan-taona izy. Rehefa nandray indray ny fahefana ary ny lehilahy dia nanao io trano io ho ohatra amin’ny trano hafa rehetra izay mety mbola haorina. Dia nasaina nisoratra anarana avokoa izay rehetra mitady trano ka afaka mividy avy hatrany izay vita. Nifandrombahana mihitsy izany fisoratana anarana izany.

 Somary elaela (roa sa telo taona) teo ho eo vao vita ny trano. Nandrasan’ny maro amin’izay hoe iza sy iza avy ary ny tsara vintana ka nahazo ampahany ipetrahana amin’ity trano ity. Efa nalaza moa fa efa misy tompony avokoa ireo efitra rehetra amin’ity trano vaventy ity. Jerena ka tsy misy mipetraka hatrany ny trano. Niongana ihany ilay filoham-pirenena fa tsy hita izay hipetraka amin’ny trano. Gaga tsy sahy nifanontany loatra ny olona mahita ity trano tsy misy mipetraka nefa tsara tarehy ange e! Dimy taona mahery io izany foana fotsiny.

 Na dia tsy misy mipetraka aza ny trano dia misy mpiambina ihany izy io. Ary ambolana aza izay dia vao novolena fefy rindrina sy vy izay lafo vidy mihitsy amin’izao fotoana izao (satria be mpitady na ampiasaina eto an-toerana na aondrana any ivelany). Dia niandry indray ny olona hijery ireo hahazo ny trano. Rehefa tonga ny alina dia efa fijorojoron’ny mpivarotena eo anoloany ary izay mifanaraka amin’izy ireo dia miditra any anaty fefy any ka mankany ambadiky ny trano na mamonjy ny lalantsarany (tsy fantatro loatra tsinona izay tena marina moa izaho rahateo tsy hanontany izany). Izany hoe efa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpijorojoro sy ny mpiambina ity toerana ity. Kanjo izao izy ity ka noraisina hatao biraon’ny mpaka hetra.

 Izao manko no mahalasa saina ahy. Ny toerana tahaka itony raha vao fanaovana pasazy toy izao dia sarotra ny manakana ny zatra tsy handalondalo ao amin’ny fanaony intsony. Tsy hoe tsy azo tanterahina fa ho sarotra. Mifanahatahaka ity manko ilay tetezana afovoany mampisaraka an’i 67ha avaratra andrefana amin’ny 67ha avaratra atsinanana nanana ny lazany amin’ny fanaovana pasazy ankalamanjana (na dia andro diavolana aza). Fepetra henjana avy amin’ny fokontany 67ha avaratra atsinanana mihitsy (satria faritra ao amin-dry zareo io) sady nasiana fefy hazo avo be sy fandrarana misoratra ary fiambenana tamin’ny fotoanan’ny fanapahan-kevitra vao foana ny mahatoeram-pivarotatena azy. Ity trano lasa birao ity anefa dia tsy hisy olona hiasa alina ao tsinona ka mety hanao ny fifanarahana mahazatra azy ihany ny mpivarotena sy ny mpiambina ny trano.


Omeo teny gasy mihitsy

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:41

Nisy mpitondra fiarakodia niresaka fa dia tahaka ny manao mizana tsindrian’ila ihany ny mpitandro ny filaminana indrindra fa ireo misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Raha manao fahadisoana ny malagasy dia mihazakazaka aoka izany ry zalahy amin’ny fanatonana ny mpamily ary mitaky ny taratasy sy ny manome sazy. Fa raha vahiny (ny hatsatra mazava loatra) na eo imasony eo aza no manao fahadisoana dia tsy sakanan-dry zalahy mihitsy fa tazaniny tahaka ny flaorà jeren’ny omby fotsiny.

 Misy ny fitaratra ijerena any aoriana no faohin’ilay fiara, ilay mpamily miresaka amin’ny finday ao anatin’izany ary tsy mahalala ny hijanona mihitsy na dia hitany izao aza ny nifaohany ny fitaratry ny olona. Fantany manko fa tsy sahy hanakana azy ireo polisy ireo. Tezitra ny Malagasy mahita izany dia mivazavaza amin-dry zalahy hoe jereo ny zavatra nataony dia nojerenareo fotsiny. Amin’io dia ry zalahy indray no manangam-bovona amin’ny tsy fanajana manam-pahefana. Rehefa tsy manaiky hanome ny taratasy mihitsy ilay saofera Malagasy dia miezaka ny mandamina amin’ny hoe efa hitantsika iny ny fiara dia efa hitantsika ny nomeraony dia tsy hitako intsony izay olana fa azo antsoina hatrany ireny. Tsy manaiky izany valinteny izany ilay mpamily Malagasy ka niteny izy fa hakariny ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ity raharaha ity.

 Inona no azo tsoahina amin’izany ? Azo heverina fa mihevitra ny tenany ho manan-danja afaka manao izay tiany hatao aloha ilay vahiny. Manana andraikitra ambonimbony any amin’izay misy azy angaha ka heveriny ho antsojay ataon’ny malagasy aminy mampihemotra mpandraharaha raha vao miseho hanembatsembana azy. Mety ho manana olona ambony fantany hanavotra azy ihany koa amin’ny raharaha « tsy dia misy dikany » sahala amin’izay notantaraiko teo. Tombatombana azo disoina ihany ireo noheveriko voalohany ireo fa mety ho zavatra hafa no tena antony. Io zavatra hafa io dia manakana ny fifandraisana eo amin’ny vahiny sy ny teratany. Ny olana dia tsy ny vahiny eto no miezaka hahay ny tenin’ny teratany fa ny mifamadika amin’izay no mpiseho. Ny antony dia efa nisy fotoana nanjanahan’ny vahiny antsika Malagasy. Ry zalahy manampahefana misolo tena ny malagasy anefa mety ho tsy havanana loatra amin’ilay teny vahiny ka tsy te-hanala-bara-tena amin’ny fibadabadana eny. Dia aleony manao izay tiany atao eny ireny vahiny ireny. Ireo mahay teny vahiny ihany no hahasahy hanakana an-dry zalahy fa vitsy ihany izany araka ny fahitako azy aloha. Mihevi-tena ho toy ny ambany manko raha tsy mahay ilay teny vahiny (afa-tsy oui m’sé).

 Dia lasa ny eritreritro manao hoe f’angaha dia tsy maintsy ny teniny no iresahana eto amin’ity tanàna ity ? angaha koa ianao any amin’ny biraony ka matahotra ny hiresaka na hibetroka azy mihitsy aza ? Raha menatra ny hiteny vahiny aminy (izany hoe haja ve izany ny miteny vahiny aminy sa tsy mahatonga azy ho kamo hianatra ny teny malagasy ?) maninona raha mibetroka azy amin’ny teny gasy fotsiny amin’izao. Izay ilay hoe omena teny gasy izy. Aleo izy indray no hihanahana fa raha mitaky permis aminy dia ny teny hoe permis ihany no atao teny vahiny fa ny ambiny rehetra atao amin’ny teny malagasy. Dia mety hiteny isika hoe ka teny ofisialy eto anie ny teny frantsay sy teny anglisy e ! dia valiako hoe marina izany fa tsy manakana ny malagasy hiteny malagasy izany. Avelao hisy mandika teny ho avy e ! f’angaha dia ny hamalifaly azy izao foana no hatao ? Ianao angaha raha any aminy ekeny izay teny malagasinao fa ny teniny ihany no iresahany aminao dia mba toy izany ihany koa e ! Toa isika indray no hisahirana aminy nefa izy ary mandika lalàna…


Adim-poko: nitonona anarana ry zalahy

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:50

Nanonona ny anarany sy nanonona ny laharan’ny finday mihitsy aza araka an’i Taratra ireo nilaza ho nanaparitaka ny taratasy kely nandranitra adim-poko teto Antananarivo. Ny anarana notononiny moa dia Rasolojaona Arthur ary ny namany dia Andrianjafy. Afaka ho hitanareo rahateo ao amin’ny Madagate mikasika ny fifanenjanana eo amin’ny mpitondra katolika sy ny mpitondra ny firenena moa ny sarin’ilay taratasy fihantsiana sy ny votoatiny efa tsy tiako nadika teto mihitsy.

 Tsy vitan’izany fa mbola niantso tamin’ny fandaharana karajia ihany koa izy, izany hoe henon’ny mpihaino rehetra ny teniny sy ny fomba fiteniny. Mahavariana ilay izy. Manahy mafy aho nefa sarotra ny mitsaratsara olona avy hatrany. Ny fomba fiteny sy ny angola dia manamarika fa tsy zatra ny fiteny eto Antananarivo izy. Ny nahavariana ahy manko dia ny fomba fanompana ny merina hatramin’izay no nanompana ireo hafa indray. Nahagaga ahy io. Lasa ny eritreritro nanao hoe fihaikana io sa fanaingana amin’ny fomba ankolaka hanairana ny maro an’isa avy amin’ireny faritra tena ifampiseraseran’ny samy Malagasy ireny.

 Ny teniny moa dia manamafy ny voasoratra amin’ny fandroahana hatrany sady notononiny avokoa ny teny 67ha, Ambohipo, Ankatso, Ambolokandrina ary mandroseza. Nahatezitra ny maro avy hatrany moa ny taratasy fa tsy nisy namaly loatra ny teniny tao amin'ny mpikarajia isan’andro. Efa resaka fandranaitana eo amin’ny fivavahana indray moa izao no misy mivoy mafy dia mafy.

 Etsy ankilan’izay dia mivory hatrany ny vondron’ny mpanao tsia fa tsy mety milaza hatrany izay votoatim-pivoriana. Ao anatin’ny tetik’ady indrindra angamba izy ireo amin’izao fotoana izao.


Misy mandranitra koa eto Iarivo

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:36

Fantatrareo avy hatrany angamba ny tiako lazaina na dia izay lohateny izay ihany aza no apetrako. Faritra iray be « tanindrana » eto Antananarivo sady anisan’ny be mponina no nahitako trakitra miparitaka eran’ny lalana sy ny elakelan-trano. Ny haben’ny taratasy dia tsy natao ho fametaka amin’ny rindrina hovakian’ny be sy ny maro fa natao ho fanitrika isan-trano ambanin’ny varavarana. Iny taratasy manana habe A4 (21X29.7cm) iny no zaraina fito.

 Tsy azo soratana ny votoatin’izany singa-taratasy nameno ny faritra izany satria tsy natao ho fandranitana velively ihany koa eto na dia malalaka amin’izay soratako aza aho. Ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana tsy maintsy tandrovina hatrany. Ny azo ambara dia taratasy fandroahana ilay izy mazava loatra sady miharo fanambaniana rahateo. Ny zatra mipetraka eto anefa dia mahalala fa sarotra ihany ny hampiady olona eto Antananarivo renivohitra eto.

 Tamin’ny herinandro nisian’ny saritaky ny tavaratra sy ny tatsimo iny ihany no nahatarafana karazana somary vandravandra teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy andiana tanora avy any Sofia manko nitabataba vao maraina sahala amin’ireny hoe nisy nanafika vao maraina ireny. Maromaro samy mamo na ny lahy na ny vavy. Ny andro vao maraina tamin’ny enina ora tamin’izany fotoana izany nefa faran’ny herinandro. Ny efa nipetraka ela indray (izay atsimo atsinanana no betsaka) no nihatakataka. Notairiny tamin’ny torimaso avokoa anefa ny manodidina rehetra tamin’izay fotoana izay.

 Raha dinihina dia tena misy antoko politika mivoy mafy azy ity mihitsy. Nahagaga, tsy tandrin’ny mpnao gazetin’ny Tvplus angamba tamin’ny fanambaran’ny eveka omaly ny fanamelohana natao momba ny fandranitana adim-poko. Tsy novakian’ny mpilaza vaovao anefa io fa ny bala nalefa ho an’ny mpitondra fanjakana ihany no novakiany. Ny Mbs sy ny radiom-panjakana moa dia nody tsy nahalala ny fisian’ny fanambarana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena mitongilana daholo ny mpilaza vaovao hitako hatreto. Tamin’ny lohatenin’ny gazety rahateo moa dia samy nisintona izay tiany nosintonina fotsiny ry zareo. Iza re no mety namoaka manontolo ny fanambarana e ?


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13  Manaraka»

Powered by LifeType