Maharesaka.VETO

Tsaralalàna[Pharmacie centrale]: Trano may indray e!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 14:58

Mahavariana fa dia misy trano may indray ao Tsaralalàna ao amin'izao fotoana izao ( zoma 16 mai 2008). Nanontany aho fa sao dia ny tobin'ny mpamonjy voina sy haintrano no may amin'izany? Angamba dia ho sampona fa tatitra tsy voamarina no milaza fa ny Hotel Shalimar io may io. Ny resaky ny olona moa tonga dia milaza fotsiny hoe:" Miala hetra indray izany fa be loatra ny hetra!". Asa anefa!

Fanitsiana: Ny Pharmacie Centrale no may


tantara mahatsikaiky: manenjika sarety

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 14:18

Noho ny tsy fahafahana firy dia izay sisa voangona aloha no omena ary heverina ho ao anaty fahafinaterana no andafasana ny vaovao. Tsy ilay tantara akory no mahafinaritra fa ny fomba intatarana azy no mba ezahina ho tsy hahasosotra loatra.

Tany amin'ny faritry Betioky any ity tantara mba lazaina ity. Tena nisy ity fa tsy noforonina tsy akory. Nahatsikaritra sarety dimy feno sokatra tsy azo aondrana (radiata) ny zandary sy ny fokonolona ka nanenjika azy ireo. Fa dia tena mandeha haingana mihitsy ireto sarety ireto rehefa natao ny fifanenjehana satria ny iray ihany sisa no tratra, fa ny hafa tsy hita nanjavonana. Tsy fantatro hoe tarihina soavaly ve sa misy maotera ireo sareto ireo... na ny mpanenjika koa no mandeha an-tongotra maka aina isaky ny telo kilaometatra. Fa dia nahatsikaiky ahy ihany aloha ny nandre ilay izy e! izaho izay vao haingana no nanoratra hoe "hakalin-tsarety" ity.

 


Diego: Hadalana ny hamerina ireo zaza mania any amin'ny ray aman-dreniny

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 12:32

Nanana ny akony teto amin'ny firenena ny heloka vitan'ny tanora sasany tao Antsiranana tao, ka nahatery ny mpitondra fanjakana nanao azy ho vaindohandraharaha tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Atao hoe zaza tsy ampy taona manko nefa dia efa nahavita hatramin'ny namono olona mba hahatafiditra izay vaovao amin'ny fikambanana Foroche sy Pirates ho kazaran'ny batisan'izy ireo. Raha tazanindavitra dia hita fa saiky karazana maffia tsy mitsitsy mihitsy no natsangan'ireto andian'olona nampihorohoro ireto. Voatery nalefa lavitra ny toerana misy azy ireto zaza mania ireto ka ny tsy ampy taona dia tany Anjanamasina distrikan'Ambohidratrimo no natoby.

Efa hatramin'ny fisamborana ireto zaza ireto no nimenomenona ny ray amandreny fa hainy ny mifehy sy mitaiza ny zanany ka tsy mino izy ireo fa nahavita izany heloka bevava izany ny zanany. Ny fantatra aloha dia nangingina ny resaka karazana fampihorohoroana hatramin'ny namindrana ireto zaza ireto raha i Diego manokana (ny tanàna fa tsy ny faritra DIANA) no lazaina. Amin'izao fotoana izao indray dia re fa hilahatra an-dalambe ny ray amandreny hitakiana ny zanany hody any an-toerana. Fitiavan-janaka tokoa angaha izany. Ny hany manjavozavo amin'ity resaka ity dia ny fitakiana fototra: Takiana hivoaka ny fonja hody any amin'ny ray aman-dreniny ve sa takiana hogadraina any amin'ny fonja any? Raha nisy fitarainana nataon'ny ankizy nania amin'izay tsy rariny mety ho anahazo azy ireo ataoko fa mety hisy rariny ihany izany...saingy amiko karazany sazy ihany ny fanaovana azy ireo an-tsesintany.

Mananjò ny ray amandreny hitsidika ny zanany na dia efa nahavita hatramin'ny famonoana olona aza izy ireo, saingy amiko manokana matoa nafindra toerana izy ireo dia ny mba ho lavitra ny fanalokalofana ataon'izay mety ho lehiben'izy ireo mety tsy mbola voasambotra sy ny fahitana fa sarotra arovana ny fonja any Diego. Manaraka izany ny ampy taona kosa tsy ananany zo hitakiana ny handefasana azy any noho ny fonja manokana ho an'ny olona tena atahorana mbola tokana dia any Tsiafahy. Na hilahatra fahazato faharivo aza izy ireo rehefa any Tsiafahy dia any izany. Tsy nisy olona avy any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara raha nanana namana na tapaka nigadra tany Nosy Lava ka hitaky hoe avereno aty ireny olona ireny no higadra fa tsy any.

Farany, lasa ny eritreritro manao hoe ho an'ny tsy ampy taona anie ka tompon'andraikitra ihany koa ny ray aman-dreny ka tokony hisy sazy ho azy ireo koa e! sa tsy misy izany moa amin'ny lalàna? Izay angamba no mahatonga azy ireo hihetsiketsika tahaka izao ka mahatonga ny olona sasany hiteny hoe ilay fiarovana ny zon'olombelona toa ny mpangalatra sy ny mpamono olona ihany no tena arovany fa tsy misy iraharahiana izay norobaina sy novonoina mihitsy.

 


fjkm Itaosy: Saiky simban'ny mpangala-jaza

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:34

Mpiara-miasa amiko no mitantara ity zavatra nitranga tao amin'ny fjkm Itaosy (tompon'anarana) tamin'ny alahady 13 avrily lasa teo ity. Raha vao niditra tao amin'ny faritry ny fiangonana ny mpitandrina dia nahatsikaritra olona maromaro (lehilahy avokoa) nijorojoro teo ivelany teo. Tsy nisy nanao akanjo velondrirana ry zalahy. Nanontany azy ireo ny mpitandrina hoe manao inona eto ianareo? dia novaliany fa vahiny avy any Antsirabe izy ireo ka mba hiangona. Raha izany, hoy ny mpitandrina, dia tonga dia mandrosoa fa mbola be ny ho avy ka sao mifanelingelina amin'ny lalana. Dia namaly izy ireo hoe andraso aloha fa mbola be dia be izahay no ho avy. Dia lasa ny mpitandrina.

 

Avy eo nisy ankizy maromaro nifanao fanenjika nanodidina ny fiangonana.Tsitapitapitr'izay nisy ankizy tokony ho fito taona nihazakazaka nankany amin'ny biraon'ny fiangonana nilaza fa nisy nitondra any ny zandriny. Taitra ny tao ka nihazakazaka niparitaka nitady ny zaza teny amin'ny elakelantrano avokoa ny lehilahy. Ny diakona amin'io miaraka amin'ny raoby no mivezivezy any rehetra any. Nahatsiaro an-ry zalahy nijorojoro tampoka ny mpitandrina.

 

Nanditra izany fotoana izany, tahaka ny hoe nahazo antso ry zalahy nitondra ny zaza, navelany tany akaikin'i Behenjy (Itaosy) avokoa ny zazalahy efatra nalaina, ka ny telo amin'ireo dia zanak'olona iray avokoa. Niteny tamin'ny tao ampiangonana amin'izay ny mpitandrina hoe "eo akaikinareo avokoa ve ny zanakareo?". Nipararetra avokoa ny iray fiangonana rehefa nahare. Tsy nisy niditra tamin'ny fiangonana intsony ny sain'ny maro. Toy ny very saina ny rain'ny zaza nahita ny zanany nentin'ny olona niverina avy any. Niteny moa ny mpitandrina fa mbola misy namany ao ampiangonana matoa navotsotra tampoka ny zaza saika nalaina.


Halakin-tsarety

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 15:01

Tena sarotra tokoa ity teny malagasy ity. Marina fa haiko ihany ilay izy saingy ny manahirana ahy dia hoe azon'ny olona ve izay soratako? Io lohateny io izay ahiako fa tsy azon'ny atsasak'izay mamaky. Aleo soratana ihany izay mety ho dikany na tsy dia haiko loatra aza ny teny frantsay:" Vitesse de la charette". Lava be raha toa ka soratako hoe hafainganam-pandehan-tsarety sady sao voakiana mandrakariva fa tsy mety ho fohy mihitsy ity teny malagasy ity.

 

Ny fiainana andavanandro eto Antananarivo no lazaiko amin'io. Tsy ho an'ny maika mihitsy eto amin'ity tanàna ity fa manaraka ny onjan'ny tsy mahara-dalana eny isika rehetra. Ny lalana tery nefa ny sarety tarihina tsy ho afa-mihazakazaka mihoatra noho ny fiara mitandrahatra efa tsy mampaneno anjomara intsony. Dia toy izany ihany koa eny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, efa terin'ny mpivarotra fa ny mpiantsena koa tsy azo terena handaha haingana mihitsy. Ianao no tezitezi-poana irery raha vao maneho tsy fahafaliana ka mety hahazo ny teny hoe fa vahiny avy aiza koa angaha ity?

 

Dia toy izany koa ny fiainana ankapoben'ny Malagasy. Toa tsy miraharaha no fijery azy. Hafa ny lalàna mifehy ny mpiara-monina. Toa tsy natao ho an'ny maika eto amin'ity tanàna ity. Manaraka ny dian-tsarety ny fiara hafa rehetra ka tsy mahagaga loatra raha taraiky lalandava isika amin'ny ankapobeny. Fomba fihevitro ihany anefa izany fa anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»

Powered by LifeType