Vaovao Eto anTOerana.VETO

Noho ny Tahotra sa fitadiavamPitahiana?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:54

Hafa indray ity lasa malaza be eto amin’ny tanàna ity nefa tahaka ny efa mahazatra ihany fa niova lasy ny taranja. Efa tratran’izy ity aho fony mbola taratasy no natao dia avy ilay hoe adikao in-21 ity dia hahazo fitahiana ianao fa raha tsy izany kosa dia mety hisy loza hitranga aminao tampoka. Nisy an-dranona tatsy ananona tsy niraharaha fa tratran’ny lozam-pifamoivoizana tampoka. Efa ho roapolo taona lasa izay, izaho moa tsy niraharaha fa tsy nisy voina tampoka nahazo ahy aloha hatramin’izao fa izao mahazo surf maimai-poana mila ho isan’andro izao. 

 

Ankehitriny kosa lasa any amin’ny finday indray ilay zavatra ka amin’ny teny frantsay. Toy izao ny votoatin’ny soratra  satria ny sms no hanaovany azy: “ Tia anao Jesoa ary mahita ny ranomasonao isan’andro. Adikao sy alefaso amin’ny olona sivy ity dia hahare vaovao tsara ianao rahampitso”. Dia izay, izany hoe ny tiany lazaina dia mandania vola eo amin’ny arivo ariary eo ho eo ianao dia hahazo fitahiana…na hahazo tombom-barotra mitombo hatrany ny orinasa celtel, orange ary telma gsm. Dia be tokoa anie ny mandefa azy ry mpamaky hajaina e! izany hoe ny sms moa efa voafetra ho eo amin’ny 120 ihany ny isan-tsoratra azo alefa ka voatery nohafohezina; fa raha tsy izany dia avy ilay hoe hahazo loza kosa ianao raha tsy mandefa. 

 

Ny tena loza, hoy ny mpanolotra amin’ny radio iray dia alina amin’ny 11 sy sasany na sasakalina any mihitsy no mandefa ny sasany fa izay angamba vao nahita handefasana. Efa niezaka ny nanazava ihany izy hoe tsenam-barotry ny sasany fotsiny anie ny fandefasanao io sms io fa e-he…ndrao dia misy fitahiana tampoka nefa dia fitahina mazava be izao!


Hanohitra ve izany ny Depiote TIM?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 19:11

Ny gazetin’ny mpitondra eto an-toerana ihany no nakako ity vaovao ity. Marihina hatrany fa amin’ny teny malagasy ilay gazety ka mety tsy hivoaka amin’ny aterineto (Ny gazety taratra ihany no fantatro hoe mivoaka amin’ny teny malagasy ka mivoaka amin’ny aterineto.) Tsy vao androany na omaly ihany koa no nabaribary ho lohateny lehibe eo amin’ny pejy voalohany izy ity fa tamin’ny herinandro lasa. 

 

Ny fomba nanehoany azy ihany koa dia mody natao madinika ny hoe Sendika Kristiana Malagasy ary amin’ny soratra vaventy ny hoe “Toherina ny fampiasana ny vehivavy amin’ny alina”. Rehefa navadika ao amin’ny pejy faharoa mifandraika amin’ny lohateny ny pejy dia nambarany fohifohy tao fa tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 jona ary efa mipetraka hodinihin’ny depiote rehefa miditra eo ireo no nametrahana ilay fampiasana ny vehivavy amin’ny alina araka izay tian’ny mpampiasa, ny fampitomboana ny ora hiasana ho 45 raha 40 amin’izao fotoana izao ary ny fampihenana ny andro hakana aina ho 15 raha 30 andro isan-taona  teo aloha. Marihiko indray mandeha fa gazetin’ny mpitondra no nanoratra ireo teny ireo fa tsy ny gazetim-panjakana tsy akory. 

 

Avy eo dia milaza ny tsy rariny aterak’ireo fanapahan-kevitra ireo ny sendikalista namory ny mpanao gazety tamin’io fotoana io ka anisan’izany ny filazana fa tandindomin-doza ny fianakaviana sy ny ankohonana malagasy amin’ity fepetra vaovao ity ary mampihena be dia be ny hery hikarakarana ny ao an-trano no sady mety tsy hihaona intsony ny mpivady (satria amin’io fepetra vaovao io dia azo ampiasaina isan’alina ny vehivavy) ka naran-tsy very no sisa. 

 

Dia gaga ihany aho hoe mahatsapa izany ihany ve ny mpitondra sa ny ao amin’ny gazety ihany no resy lahatra? Koa raha fantatra ary izany antony izany dia handray ny fepetra tokony horaisina amin’izany ve ny depiote ka hahasahy hanohitra io volavolan-kevitra avy amin’ny filan-kevitry ny mnisitra io? Sa hijerena ny fihetsik’ireo depiote vaovao ireo mihitsy no nametrahana azy tao? Dia lasa ny saina mamarana hoe hijery ny rariny ve ny solombavambahoaka vaovao sa avy amin’ny mpitondra ity ka aleo ekena? Mbolo ho hitantsika soa aman-tsara ny valiny.


Nodimandry tampoka i Zafihita (Rafilomena)

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:08

Araka ny tatitra nataon'ireo mpiray hatsikana sy mpiara-miasa aminy ao amin'ny kidaona maraina androany Sabotsy dia nodimandry halina ny namany mpanao hatsikana fantatry ny mpanaraka ao amin'ny TVM antsoin'ny maro amin'ny hoe Zafihita ary rehefa manao sarimbavy dia Rafilomena kosa. Banga iray indray izany ny ao amin'ny tontolon'ny hatsikana.

Tao amin'ny fandaharana tsikitsiky kely isan-kariva antsoina hoe torak'hehy no nahalalana azy voalohany teo amin'ny fiakarana sehatra. Iray amin'ireo mpanao hatsikana ao amin'ny fou hehy ( na foy hehy) izy no sady nanentana mihitsy. Nisy manko ny fotoana somary nahakivy ireo mpiray tarika aminy fa tahaka ny tsy tian'ny olona ny zavatra avoakan'izy telo mirahalahy. Izy no tsy sasatra mihitsy nitarika azy mirahalahy.

Ankoatra ny mahampanao hatsika azy dia miaramila no asa nolazaina ka mety ho marina tokoa aloha izany. Mpikabary ihany koa ny tenany na ankafaliana izany na ankartsiana. Efa nisy ihany ny niteny tamin'ny alarobia fa maty ny lehilahy saingy voahitsy ihany izany fa mbola nankany amin'ny dokotera izy. Kanjo moa dia lasa tokoa izy ity.

 

Ny mpanoratra dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana ary mampahery azy ireo manoloana izao te-javatra azo lazaina hoe tampoka ihany izao. Iangaviana izay te-hamangy mba ho any Ambohitrimanjaka avy hatrany fa tsy hakany amin'ny morgue intsony. Raha misy moa ny filazana hafa mila lazaina dia hotaterina eto ihany.


Mitohy ny fanafintohinana raharaha Bahamas

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:10

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ity raharaha iray ity amin’izao fotoana izao. Olona efa tsy manara-baovao mihitsy matoa tsy mahalala ny momba azy ity. Ny gazety nivoaka ny talata teo dia samy nahitana avokoa fa hamerina ny vola naloa tany amin’ny banky rehetra Atoa Steve Turmel ary havoaka gazety amin’ny herinandro ny fombafomba hamerenana azy. Azo lazaina fa fanombohan-javatra aloha izay. Fa na izany aza misy ny zavatra mampiahiahy. 

 

Gazety nivoaka androany iray indray no nahitana fa nahatratra 27.000 ireo olona nandoa vola nampanantenaina ho any Bahamas. Betsaka dia betsaka tokoa ny isan’ny olona voafitaka raha inoana io isa io. Izany hoe ny vola kely indrindra azon’ingahy Steve dia mahatratra 2 700 000 000 Ariary eo ho eo. Ny sanda ambany indrindra nalainy manko no 100.000 Ariary ho an’ny mpamafa trano sy ny mpanao zaridaina na mpiambina ihany koa. Ny hafa moa dia avo roa na telo heny mihoatra. Izany hoe tokony ho raharaha lehibe ity raharaha ity fa tsy ho vitavita fotsiny amin’izao. Inona ny olana? 

 

Miahiahy ny maro ankehitriny fa hanjavona ity rangahy ity afaka fotoana fohy. Dia ho samy mody fanina ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tsarovy fa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety no namoahany io filazana io, izany hoe mbola afaka mivezivezy tsara ny lehilahy. Fantatra fa tsy mahazo mivoaka ivenan’ny sisintany aloha izy. Nahahendratra ny rehetra anefa ny nandre ilay raharaha Dorick izay rehefa nahare ny didim-pitsarana nanamelohana azy dia nanana sakay tany aminy tany hoe nafafiny ny mpiambina azy ka afa-nandositra izy. Resaka tsy mampino…dia mety ho izany ihany koa ny an’ingahy Steve ity. Inona no mety ho antony? 

 

Maromaro ireo mihevitra fa tsy miasa irery ralehilahy fa manana mpiaro azy any ambonimbony any. Ireny no mety saiky hiara-mizara aminy ny “haza” azo tamin’ny fanambakana. Raha tratra ranamana ka mitohy ny fanadihadiana dia mety hipaka hatrany amin’ny takona tsy fantatra any ny fiampangana. Hiarovan’ireo dahalo ambony latabatra ireo tena ary dia ezahina izay hiatoan’ny fanadihadiana dia tsy hisy ny fitsarana. Io fitsarana mety tsy hisy io no mampatahotra ny maro. Ny fanonerana ekena fa tokony ho avo roa na telo heny amin’izay naloan’ny nandoa vola no atao fa tsy izay naloa tany amin’ny banky ihany. Vao nikarakara ny pasipaorony avokoa manko ireo olona ireo.


Feno Kamiao miaramila mivezivezy Antananarivo

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:42

Tamin’ny gazety iray no nahitako fa voasava avokoa ny ankamaroan’ny fiara tany Toamasina tany. Natao hitandroana ny fahalemana izany no sady hitsinjovana fandrao misy mitondra zavatra mampiahiahy tampoka any ho any. Tsy mandray ny fanapahan-kevitra toy izany ny tompon’andraikitra raha tsy mahare siosio na vaovao nampitain’ny mpitsikilo, ho isika izay. 

 

Teto Antananarivo indray dia nahagaga ihany fa be ny fiaraben’ny mpitandro ny filaminana no nandalo taty amin’ny faritra atsinanan’Antananarivo, avy any atsimo tany. Na zandary na miaramila (ny polisy no tsy tsikaritro loatra) dia feno azy avokoa. Misy ny nitsitapitapy fa nisy ihany koa ny nitandahatra mihitsy. 

 

Raha nojerena indray ny fitafin’ireo tao anatiny dia tsy ilay tena fitafy mianjaika alohan’ny matso no hitako sady tsy nisy nanao fonontanana rahateo izy rehetra. Raha tsy misy moa rahampitso ny filazana noho ny anton’izao fihetsiketsehana tsipalotry ny maso izao dia andeha atao hoe nanao fanazarantena ry zareo. Fa raha tsy izany kosa, fa inona loatra ary no mitranga any ambadimbadika any?


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»

Powered by LifeType