Momba ahy
jentilisa

Mihamanahirana ny fahafaham-potoana mamaham-bolongana. Noho izany dia tery aho hanokatra kaonty twitter ahafahanao manaraka vaovao tselatra avy eto Madagasikara.

Jereo etsy amin'ny rohy etsy ambany sokajy jereo koa ny hoe Araho amin'i twitter i Jentilisa.

search
calendar
« Jolay 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny La Marseillaise

2008-10-19 @ 20:06 in Spaoro

Nanana ny akony nahatonga ny filoha Frantsay handray fanapahan-kevitra hanajanona avy hatrany ny lalao ny fisiahana ny La Marseillaise hiram-pirenena Frantsay mandritra ny lalao iraisam-pirenena iray ilalaovan'ny ekipam-pirenena Frantsay amin'izay mifanandrina aminy (any amin'ny taniny).Izany dia tohin'ilay toe-javatra nitranga tao amin'ny Stade de France nihaonan'ny ekipam-pirenena Frantsay tamin'ny ekipam-pirenena Toniziana izay nozanahin'ny Frantsay taloha tamin'ny talata 14 oktobra 2008 lasa teo.

Ny tena tsy levon'ny vavonin'ny Filoha Frantsay sy ireo antoko lehibe UMP sy PS tamin'ity fisiahana ny hiram-pirenena Frantsay ity manko dia ny karazana famadihana ataon'olona mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany. Miharihary eo imason'ny rehetra manko fa ireo mpijery Arabo nanatrika ity lalao ity dia mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny ankamaroany. Tena manafintohina tokoa raha ianao izay nitady ny zom-pirenena Frantsay ka nahazo izany no misiaka ny hiram-pirenena Frantsay mandritra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena iray. Eritrereto anie ka ny Tanindrazanay Malala no anaovan'ny Malagasy toetra toy izany e!

Ny teto Madagasikara moa dia tsy nahita ity lalao ity, sy ny Champion's league ihany koa, satria toa misy tsy fifankahazoana lalina eo amin'ny CFI sy ny TVM, na eo amin'ny mpitondra Frantsay sy ny mpitondra Malagasy ihany koa saingy tsy mivandravandra loatra izany; fa na izany aza dia tonga taty ny akony noho ny vaovaon'ny TF1 alefan'ny televiziona sasantsasany eto an-toerana. Raikitra ihany koa ny adi-hevitra eo amin'ny mpinamana na mpihavana ny amin'ny mahamety na tsia ny fihetsika nataon'ny Arabo nisiaka ny hiram-pirenena Frantsay ity. Eken'ny rehetra manko fa mafana ra ny Arabo. Etsy andanin'izany, raha misy ekipa Malagasy tonga any amin'ireny tany vaventy ireny dia hotohanan'ny Malagasy monina any ireny, eny fa na dia mizaka ny zom-pirenen'io firenena io aza izy. Hafa manko ny akaikin'ny fony raha mbola teto Madagasikara ihany koa no nahalehibe azy. Hafa mihitsy indray ny sain'ny ankizy raha tsy mba nohalehibiazina teto Madagasikara izy. Fa eo amin'ilay fisiahana ny hiram-pirenena mihitsy no mampisara-kevitra ny maro.

Fa olona efa retirety kosa no nilaza, izaho tsinona tsy nahita, fa efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny Hiram-pirenena Frantsay raha sambany mba nisy ekipa avy any Lafrantsa mihitsy fa tsy avy ao La Réunion nandingana ny kianjan'ny Mahamasina tamin'ny taona 80 tany ho any. Mbola nisy tavela izany ny fankahalana Frantsay nandritra io fotoana io na dia efa tanaty fahasahiranana aza ny Malagasy. Vao nanomboka hoy izy ny La Marseillaise dia nisy olona maromaro nisiotsioka ilay hiram-pirenena. Nifampijerijery, hoy izy, ireo niaina tsara izany Fanjanahantany izany. Voakapokapoka karavasy sy mety higadra mihitsy izay mbola tratra mihetsiketsika mandritra ny La Marseillaise, na izay lehilahy tsy manala satroka ihany koa. Tsy azo natao ny miresaka fa manaja tsara ilay hira ihany no zava-dehibe. Ankehitriny (tamin'io fotoana io) dia toa tsapa tokoa fa tsy voafehin'ny Frantsay hay ny Malagasy ka azo natao na dia ny nanompa ny hiram-pireneny La Marseillaise aza.

Fandalovana ihany anefa ilay vanim-potoana satria nandritra ny Lalaon'ny Frankôfônia notontosaina teto Madagasikara ka nanao ny famaranana tamin'ny basket ny Frantsay sy ny Senegaly dia naka Frantsay avokoa ny 98%n'ny mpijery Malagasy. Tsotra ny antony, Ny senegaly manko no nandresy ny Malagasy tany amin'ny dingana talohaloha tany. Izaho kosa no tao anatin'ilay 2% nanohana ny Senegaly satria fiaraha-mientana Tatsimo sy Afrikana ary samy nozanahin'ny Frantsay no tao an-dohako. Izaho izany ilay nihoraka mafy rehefa nandrombaka ny amboara ny Senegaly fa toy ny nivoaham-paty kosa ny ankamaroan'ny Malagasy. Na ireo namako niara-nijery ny lalao tamiko aza lasa nisy niavona tamiko rehefa nody, nefa aho amin'io mbola nanadrohadro ihany.

Ny tena nahavariana ahy dia ny tamin'ny lalaon'ny nosy notanterahina tamin'ny herintaona teo (Aogositra 2007). Tena tsy menatra ny manohana La Reunion mihitsy ireo vehivavy Malagasy manambady Frantsay na dia Malagasy izao aza no ifanandrinany. Tena babon'ny Frantsay tokoa, hoy aho, ny fo amam-panahiny ka tsy nanafina mihitsy ny fankamamiany Frantsay ry zareo. Dia hoy aho namarana hoe, tena hafa mihitsy ny Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay raha ny tahaka azy ireo. Miala tsiny aminareo vehivavy manambady vazaha aloha fa tsikaritra sy nivandravandra mihitsy io tamin'ny lalaon'ny Nosy ranomasim-be Indiana farany teo, ka tsy vitsy ny bandy no letra sy nanompa azy ireny mihitsy aza saingy safidy io ka tsy ifanerena no tena marina.

baolina fandaka: Misento indray ny Barea fa nandresy androany

2008-09-07 @ 16:29 in Spaoro

Araka ny fantatry ny mpanaraka baolina fandaka dia androany alahady no nanaovana ny lalao miverina teo amin'ny Barea sy ny Zebra Botsoaney. Efa nanantena handresy mihitsy ny vahiny raha tamin'ny talata teo dia efa tonga haka ny hafanana gasy. Vao tamin'ny alarobia ihany koa no resin'ny Japan Actuel's roa noho ny aotra teo Mahamasina ihany ny Barea raha nanao fitsapana.

Efa nampanatena rahateo sady be fanantenana ireo ekipa ireo satria na dia resy aza amin'ny lalao fitsapana no mandresy izy amin'ny lalao tena izy. Tamin'ny fidirana voalohany no tafiditra ny baolina ka nandresen'ny Malagasy iray noho ny aotra... tsy niova intsony io isa io ka nampientanentana ny fanafihana nataon'ny vahiny sy ny vali-bontan'ny malagasy. Samy tokony ho nahatafiditra baolina rahateo na ny andaniny na ny ankilany.

Voalohany ao amin'ny sokajy misy antsika ka manana isa fito noho izany ny Ivoariana. Faharoa isika manana isa enina. Fahatelo manana isa dimy ny Botsoaney ary fahaefatra farany manana isa efatra kosa ny mozambikana.

 

Resy 3 noho 0 tany Maputo indray ny Barea e

2008-06-22 @ 18:30 in Spaoro

Ho anareo mpankafy baolina fandaka ary mitady vaovao momba ny valin'ny lalao tany Mozambika dia resy telo noho ny aotra tany Maputo ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy hiresaka zavatra betsaka intsony aho fa endriky ny fahaizan'ny Malagasy ihany izany tsy mahafaty baolina izany mihitsy e! Moa tsy efa nolazaiko moa?

Amin'ny fifidianana federasiona indray mifankahita angamba!

Fety...fety...fety...soa fa teo boay kely (TGV)

2008-06-21 @ 11:03 in Spaoro

Vao nanomboka ny ampahaefatry ny famaranana dia efa nitaintaina ny mpankafy baolina fandaka rehetra teto Madagasikara hoe hahita ve? handefa ve ny afnex hampitan'ny tvm ny lalao antenain'ny maro ho hita dia ny Paoritigey sy ny Rainiboto. Nifanontany ny rehetra, ahoana izy ity? Nanana namana mpanentana tao amin'ny TVM dia nanontany tany, samy miandry isika fa na izahay aza tena tsy mahalala mihitsy. Toa manam-panantenana daholo ihany ny rehetra. Tsy ao anatin'ny fampitana mivantana halefan'ny afnex tsinona nefa...

Fantatra fa misy fampitana mivantana ny lalao ihany ery amin'ny foibe ara-kolontsaina frantsay malagasy ery Andavamamba saingy saropady ny lalana mankeny. Re ny maraina ihany koa fa handefa mivantana ny lalao amin'ny efijery midadasika ery amin'ny tany malalaka (esplanade) Analakely ny Kaominina miaraka amin'ny telma, ary tafiditra ho mpiara-miasa amin'ny fety ihany koa ny radio madagasikara sy ny tvm (amin'ny dokambarotra mameno ny takelaky ny gazety no ahitana izany). Hiara-miasa mandritra ny telo taona manko ny telma sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nitady namana hiara-mijery fa milaza kamo na reraka daholo...tsy misy namana hiara-mijery koa iza koa no ho jihitry ny hatsiaka irery any?

Tao an-trano, ora fanombohan'ny lalao, navadika tvm ny fahitalavitra sao handeha ihany ny baolina. Famerenana ny fandaharana hebdomas no hita... kivy dia navadika tany amin'ny mbs hijerena ilay fandaharana manokana Isiraely ny Palestina enimpolo taona nifanao herisetra. Kelikely teo niantso ahy razandry, jereo hoe fa toa mandeha tvm hoe ilay baolina. Haingana dia haingana ny namadihako azy, io tokoa eny...oadray...toa niova tampoka ny tontolo hahita baolina. Baolina alefan'ny TF1 no notakonana TVM no hita, fa nanafika indrindra ny rainiboto tamin'io fotoana io ary nahatafiditra ny baolina voalohany.

Lasa ny eritreritra, naninona no nandefa ity baolina ity indray ny TVM? inona ny fifanarahana? lalampoza sa fifanarahana any ambony be tany? Ny ao an-tsain'ny rehetra dia hoe nandefa mivantanany lalao ho hitan'ny be sy ny maro i Andry Rajoelina dia tsy manaiky ho gisitra amin'izany ny eo amin'ny fitondrana ka handefa ny ambin'ny lalao rehetra. Asa hanao ahoana re ny any amin'ny firenen-kafa any? Na inona na inona dia izay ny ao an-tsain'ny rehetra: Soa fa teo i Boay kely!

Barea Madagasikara: Izay tsy itovizako hevitra amin'ny rehetra

2008-06-18 @ 12:01 in Spaoro

Raha miteny hoe rehetra aho eto dia izay naneho hevitra ka reko na natrehiko mivantana ny nilazany azy. Matoa koa manoratra dia hilaza izay tsy fitovian-kevitra izay. Angamba izaho no tsy maharaka ny resaka baolina mihitsy na andeha mody atao hoe manivaka koa angamba aho ka izay no tsy itovizako amin'ny mpitia baolina fandaka hafa eto an-toerana (Madagasikara).

Na izany na tsy izany dia misy  ny ankasitrahana tamin'izay mety tsy ho tsikaritry ny besinimaro. Masiaka dia masiaka manko aho amin'ny resaka toerana ho an'ny mpijery. Ny hitako tamin'ny fahitalavitra aloha dia feno ara-dalàna ny fijerem-baolina. Tsy misy olona mijorojoro intsony eny amin'ny lalantsara, fahazarana iray mba voailika aloha izay tamin'iny indray mitoraka iny ary irariana ny hitohizan'izany fanatsarana izany. Ny faharoa dia tsy misy midongy mipetraka intsony koa eny amin'ny tohatra izay nolokoina fotsy ho hitan'ny mpanaramaso. Dingana efa tsara izany ho amin'ny fampivoarana ny fanajana ny mpijery sy fifanajana ihany koa. Ny tery ambony tery no tsy hitako loatra hoe mbola misy mijoro ve sa tsia? Efa tsy nahitana tongotra miraviravy koa moa izany ny gradin. Iny aloha efa matetika sorohina foana hatramin'izay afa-tsy raha tena hipoka ny kianja.

Ankoatra izay kosa dia nampalahelo tokoa izany fanimbana nataon'ny mpilalao Mozambikana tao amin'ny toerana fisoloana akanjo tao Mahamasina, ny seringue hita tao ihany koa ary ny fanimbana nataony tany amin'ny trano fandraisam-bahiny nivahiniany. Hita tokoa fa entina hanindriana mialoha ny fihavian'ny Malagasy any aminy ny zavatra ataony. Mampalahelo fotsiny dia hoe fa naninona azy ny Malagasy no ny fananan'ny Malagasy no potehiny nefa Afrikana Tatsimo (mpitsara) no nampalahelo azy tamin'ny fitsarana?

Ny hevitra iray lehibe tsy iraisako hevitra amin'ny maro indray dia ny nanakianana ny mpanazatra tamin'ny safidy hilalao tamin'ny alahady lasa teo. Nolazaina ary fa maro ireo mpilalao no tsy napetraka tamin'ny toerana mahazatra azy. Tsy tokony hoterena ho "polyvalent" ny mpilalao fa aiza kosa sanatrian'izany ny mpiandry tokonana no ho lasa mpanafika sns... Dia hoy aho hoe tena taraiky be koa izany fijerem-baolina malagasy izany. Izany hoe tsy mahay afa-tsy ny mandaka amin'ny tongotra ilany ve izany ireo nofantenana ho amin'ny ekipam-pirenena ireo? Eto izany no tena ahitana ny mahatratra aoriana antsika Malagasy hoy aho. Ny tena mpilalao tsy mifidy toerana ametrahana azy izany fa hainy avokoa io na dia misy aza ny toerana tena manavanana azy tokoa. Raha any amin'ny ilany havanana hatrany no misy anao dia mora ambenana any amin'ny havanana ianao izany fa ilaina ihany ange indraindray ny mivadika any amin'ny ilany havia mba hahafanina izay mpifanandrina miambina anao e!

Manakory moa ny tombony lehibe azon'ny mpilalao iray any amin'ny fiarovana ankavia manafika hatrany amin'ny ilany havanana ohatra? moa tsy very avy hatrany ireo izay mpieritreritra hoe izaho indray dia aty ankavanana foana nefa ho tratran'ny be noho ny vitsy raha misy ny fanafihana ataon'ny mpifanandrina amin'ny tena amin'izay lafiny izay? Inona moa indraindray no ahitana ny mampahay an'i Voavy Paulin? moa di ny fivadihana elatra indraindray eny? Ilaina mandrakariva araka ny fiheverako ny mampiomana ny mpilalao rehetra amin'ny toerana rehetra fa tsy toerana iray monja. Nivandravandra anie tamin'ny alahady fa tsy nisy nilana azy mihitsy ny afovoany (demi) rehetra. Ireo anefa no itarafana ny sady fahaiza-manafika no fahaiza-miaro... izany hoe ireo ve no itarafana fa asa tokana ihany no tadiavin'ny mpilalao malagasy? Tsy ny lohalaharana ihany no ilaina hamono baolina fa ny mpilalao rehetra eny fa na dia ny mpiandry ny tokonana (mpiandry tsatoby re!) aza. Sa tsy mbola tadidin'ny maro fa ny mpiandry tsatokazo hatrany no naharesy ny club M tamin'ny fotoana nifanandrina tamin'ny Ezipta rehefa natao ny tirs au buts?

Na dia havanana kokoa aza ny mpilalao tsirairay...ilaina hatrany ny mianatra mandaka sy mitifitra amin'ny tongotra havia... eny fa na dia handreraka aza izany. Ny mpilalao miezaka amin'izay no tena tadiavin'ny mpanazatra araka ny fiheverako azy. Misy koa anie ny lalao miverina hatehina ka mba paikan'ny mpanazatra ihany koa ny soamry mamitaka ny mpifanandrina amin'ny tena izay tsy tena mahalala ny ny mpilalaon'ny tena e! raha ekipa malaza isika ary fantatra any ivelany tsara avokoa ny mpilalaontsika dia mety ho hadalana izay fitaka izay saingy... iza amin'ny mpiondana baolina fandaka no tsy mahalala fa mpanafika ny toeran'i Essien nefa naninona izy no lasa tany amin'ny fiarovana rehefa tratran'ny karatra mena ny kapiteniny tamin'ny CAN 2008 iny? Fahadisoan'ny mpanazatra ve izay sa fanapahan-kevitry ny kapiteny vaovao sa... fanamarihana fa tena mpilalao goavana tokoa i Essien? Ambava homana, (ny maso mamaky) ampo mieritreritra, tompoko.

 

1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»