Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Barea Madagasikara: Izay tsy itovizako hevitra amin'ny rehetra

2008-06-18 @ 12:01 in Spaoro

Raha miteny hoe rehetra aho eto dia izay naneho hevitra ka reko na natrehiko mivantana ny nilazany azy. Matoa koa manoratra dia hilaza izay tsy fitovian-kevitra izay. Angamba izaho no tsy maharaka ny resaka baolina mihitsy na andeha mody atao hoe manivaka koa angamba aho ka izay no tsy itovizako amin'ny mpitia baolina fandaka hafa eto an-toerana (Madagasikara).

Na izany na tsy izany dia misy  ny ankasitrahana tamin'izay mety tsy ho tsikaritry ny besinimaro. Masiaka dia masiaka manko aho amin'ny resaka toerana ho an'ny mpijery. Ny hitako tamin'ny fahitalavitra aloha dia feno ara-dalàna ny fijerem-baolina. Tsy misy olona mijorojoro intsony eny amin'ny lalantsara, fahazarana iray mba voailika aloha izay tamin'iny indray mitoraka iny ary irariana ny hitohizan'izany fanatsarana izany. Ny faharoa dia tsy misy midongy mipetraka intsony koa eny amin'ny tohatra izay nolokoina fotsy ho hitan'ny mpanaramaso. Dingana efa tsara izany ho amin'ny fampivoarana ny fanajana ny mpijery sy fifanajana ihany koa. Ny tery ambony tery no tsy hitako loatra hoe mbola misy mijoro ve sa tsia? Efa tsy nahitana tongotra miraviravy koa moa izany ny gradin. Iny aloha efa matetika sorohina foana hatramin'izay afa-tsy raha tena hipoka ny kianja.

Ankoatra izay kosa dia nampalahelo tokoa izany fanimbana nataon'ny mpilalao Mozambikana tao amin'ny toerana fisoloana akanjo tao Mahamasina, ny seringue hita tao ihany koa ary ny fanimbana nataony tany amin'ny trano fandraisam-bahiny nivahiniany. Hita tokoa fa entina hanindriana mialoha ny fihavian'ny Malagasy any aminy ny zavatra ataony. Mampalahelo fotsiny dia hoe fa naninona azy ny Malagasy no ny fananan'ny Malagasy no potehiny nefa Afrikana Tatsimo (mpitsara) no nampalahelo azy tamin'ny fitsarana?

Ny hevitra iray lehibe tsy iraisako hevitra amin'ny maro indray dia ny nanakianana ny mpanazatra tamin'ny safidy hilalao tamin'ny alahady lasa teo. Nolazaina ary fa maro ireo mpilalao no tsy napetraka tamin'ny toerana mahazatra azy. Tsy tokony hoterena ho "polyvalent" ny mpilalao fa aiza kosa sanatrian'izany ny mpiandry tokonana no ho lasa mpanafika sns... Dia hoy aho hoe tena taraiky be koa izany fijerem-baolina malagasy izany. Izany hoe tsy mahay afa-tsy ny mandaka amin'ny tongotra ilany ve izany ireo nofantenana ho amin'ny ekipam-pirenena ireo? Eto izany no tena ahitana ny mahatratra aoriana antsika Malagasy hoy aho. Ny tena mpilalao tsy mifidy toerana ametrahana azy izany fa hainy avokoa io na dia misy aza ny toerana tena manavanana azy tokoa. Raha any amin'ny ilany havanana hatrany no misy anao dia mora ambenana any amin'ny havanana ianao izany fa ilaina ihany ange indraindray ny mivadika any amin'ny ilany havia mba hahafanina izay mpifanandrina miambina anao e!

Manakory moa ny tombony lehibe azon'ny mpilalao iray any amin'ny fiarovana ankavia manafika hatrany amin'ny ilany havanana ohatra? moa tsy very avy hatrany ireo izay mpieritreritra hoe izaho indray dia aty ankavanana foana nefa ho tratran'ny be noho ny vitsy raha misy ny fanafihana ataon'ny mpifanandrina amin'ny tena amin'izay lafiny izay? Inona moa indraindray no ahitana ny mampahay an'i Voavy Paulin? moa di ny fivadihana elatra indraindray eny? Ilaina mandrakariva araka ny fiheverako ny mampiomana ny mpilalao rehetra amin'ny toerana rehetra fa tsy toerana iray monja. Nivandravandra anie tamin'ny alahady fa tsy nisy nilana azy mihitsy ny afovoany (demi) rehetra. Ireo anefa no itarafana ny sady fahaiza-manafika no fahaiza-miaro... izany hoe ireo ve no itarafana fa asa tokana ihany no tadiavin'ny mpilalao malagasy? Tsy ny lohalaharana ihany no ilaina hamono baolina fa ny mpilalao rehetra eny fa na dia ny mpiandry ny tokonana (mpiandry tsatoby re!) aza. Sa tsy mbola tadidin'ny maro fa ny mpiandry tsatokazo hatrany no naharesy ny club M tamin'ny fotoana nifanandrina tamin'ny Ezipta rehefa natao ny tirs au buts?

Na dia havanana kokoa aza ny mpilalao tsirairay...ilaina hatrany ny mianatra mandaka sy mitifitra amin'ny tongotra havia... eny fa na dia handreraka aza izany. Ny mpilalao miezaka amin'izay no tena tadiavin'ny mpanazatra araka ny fiheverako azy. Misy koa anie ny lalao miverina hatehina ka mba paikan'ny mpanazatra ihany koa ny soamry mamitaka ny mpifanandrina amin'ny tena izay tsy tena mahalala ny ny mpilalaon'ny tena e! raha ekipa malaza isika ary fantatra any ivelany tsara avokoa ny mpilalaontsika dia mety ho hadalana izay fitaka izay saingy... iza amin'ny mpiondana baolina fandaka no tsy mahalala fa mpanafika ny toeran'i Essien nefa naninona izy no lasa tany amin'ny fiarovana rehefa tratran'ny karatra mena ny kapiteniny tamin'ny CAN 2008 iny? Fahadisoan'ny mpanazatra ve izay sa fanapahan-kevitry ny kapiteny vaovao sa... fanamarihana fa tena mpilalao goavana tokoa i Essien? Ambava homana, (ny maso mamaky) ampo mieritreritra, tompoko.

 

Barea sy Mamba: Nampiana ny Malagasy mba ho ady sahala 1 noho 1

2008-06-15 @ 18:01 in Spaoro

Angamba noho ny fahalalan’ny mpitondra fa mavesatra amin’ny mpitia baolina fandaka ny tsy fahitana ny lalao rehetra amin’ny Euro izay efa zary fahazarana, sa ny Mozambikana ve no nangataka ny fampitana mivantana ny lalao, izany hoe nividy tany amin’ny CAF ny lalao, fa dia sambany alahady roa misesy no nahita mivantana ny lalao tamin’ny fahitalavitra indray ny lalao iraisam-pirenena tahaka itony. Noho izany, na dia tsy nanatrika ny lalao teny Mahamasina aza aho mijery amin’ny fahitalavitra ihany.

Raha ny endri-dalao dia manahirana ny milaza azy satria hita fa tsy mahay na inona na inona araka ny filaza ny vahiny fa isika koa tena tsy hanino-tsy haninona, tsy mahay manararaotra sa nisozy araka ny fiteny ka nataon-kanirina vao nampivandravandra. Ny mpitantara amin’ny televiziona aloha dia gaga tamin’ny fiovan’ireo niditra voalohany ho an’ny ekipa malagasy. Tamin’ny voalohany ihany no somary nivatravatra ny vahiny fa avy eo hita ny tsy fahaizany. Nahagaga ihany noho izany raha vitsy ny baolina tafiditr’izay nifanandrina tamin’ny Mozambikana hatramin’izay nisian’ity fifanintsanana amboara eran-tany sy amboara Afrikana ity.

Tamin’ny voalohany ihany koa no nety ery ny zavatra nataon’ny Malagasy na dia tsy nahomby hatramin’ny farany aza izany. Tsikaritra avy hatrany fa “sardine” ihany ity mpiandry ny tokonan’ny vahiny ity. Saingy niova ny toe-draharaha raha nahafaty baolina tamin’ny tampoka ihany ilay lohalaharan’ny vahiny.

Hita amin’izay fa mivoraka hay ireto mpilalaontsika ireto rehefa nahafatesana baolina. Mivandravandra amin’izay ilay noheveriko ho efa voasoratro teto tamin’ny Asabotsy hoe tsy ananan’ny malagasy anie izany mpampidi-baolina izany ary mbola tsy nahatafiditra mihitsy. Ny tombatombako moa efa noresahiko tamin’ireo mpiresaka amiko ihany hoe raha amin’izao ho’aho na tsy misy mitoko io lalao io na resy iray na roa sy donga isika. Tonga dia tsy miresaka izay itenenako izany satria mahatezitra ihany izany milaza faharesena ho an’ny Malagasy izany nefa Malagasy ny tena.

Vao nahatafiditra manko ny vahiny dia niezaka ny hamaly haingana isika saingy mahavariana fa lasa ambonin’ny tolàna na tsy voadakan’izay tokony handona fotsiny dia any anaty harato ny baolina. Raha natambatra ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy dia valo be izao fa noho ny tsy fahavononana hamono ‘inconsciemment’ eo amin’ny Malagasy dia rava maina fotsiny izany. Izany baolina teteniko izany anie ry mpamaky ka tsy hilana fahaizana manokan’ny mpamono baolina fa fahavononana ao an-tsaina tsy misy fihatsaram-belatsihy fotsiny. Izany, tompoko, no antsoina hoe miandry vonoina ireto nankaty amin’ny tanintsika ireto fa raha aotra ny vahiny miiba mihitsy ny antsika.

Velona amin’izay ny fifanilihana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy manana afovoany isika raha ny fijery azy. Ilay Bôlida mba dokafana ery no tena sampona satria nanolotra mivantana ny baolina amin’ny vahiny foana. Olona roa na telo ihany no mpilalao mbola mavitrika teo amin’ny Malagasy dia Voavy sy Sedera, ny ankoatr’izay efa kivy angaha fa mandehandeha eny ambony kianja fotsiny no ataony. Baolina tokony ho azony fa mandalo eo anoloany aza manko dia jereny fotsiny. Efa in-telo nanova mpilalao mihitsy ny Malagasy ary niverina tamin’ireo nandrafitra izay nihaona tamin’ny Elefanta saingy toa tsy nanova na inona na inona izany fanovana izany. Niasa irery ireo boay tena nilalao tamin’ny fony sy ho voninahi-pireneny ireo hany ka reraka ihany koa nony farany satria sady izy tenany no mpanolotra no tolorana (mipasy sady pasiana). Izay mpiara-milalao tsy hita tamin’ny fahitalavitra izany niafenany.

Efa hifarana ny baolina ary tsy antenaina intsony ny hahatafidiran’ny mpilalao malagasy (saiky tsy nahavaky atody mandraka ity androany) baolina no nahazo penalty tampoka avy amin’ny mpitsara anjorony tamina fifanjevoana avy amin’ny daka anjoro ny malagasy. Velon’hiaka tampoka teo ny mpijery malagasy efa nanisy olona ny lalam-podiana. Ny mpitsara anjorony no nanolotra io fanomezana tena fanomezana ho an’ny Malagasy io. Efa nahazatra ny malagasy anie izany nahazo penalty tanaty lalao izany fa tsy nahatafidi-baolina e! Efa tezitra nitangorona tery amin’ilay mpitsara an-jorony ny Mpilalao vahiny saingy efa vonona ny handaka ny hanindrona ny baolina i Mamisahondra Guy Hubert ary nahatafiditra izany. Teo vao tena nila vaniny tamin’ilay mpitsara an-jorony nahazoan’ny Malagasy isa sy nahavakisany atody ny Mozambikana.

Efa tafajanona ela ny lalao ary efa niditra an-tsehatra mihitsy ny mpitandro ny filaminana Malagasy vao nanaiky hilalao ihany ny vahiny saingy enjik’olona no tena nataony. Tsy nisy baolina vanona intsony ka noravan’ny mpitsara amin’izao ilay baolina. Ho hita eo izay tena fanapahan-kevitra farany fa tahaka ny tsy vita hatramin’ny farany iny lalao iny. Raha ny fahita ny zavabitan’ny Malagasy hatramin’izao hitarafana ireo lalao telo izay miandry azy (ny lalao miverina rehetra) dia ahiana ho io baolina fanomezana nomen’ny mpitsara androany io no hany baolina ho tafiditry ny malagasy afa-tsy hoe fanomezana hafa omen’ny Mpitsara satria manenjik’isa any ho any ny Malagasy. Mbola mampieritreritra ihany hoe nampiana ve ny Malagasy tamin’ity fihodinana indray mitoraka ity sa dia sanjila fotsiny fa tsy mety resy aloha ny Malagasy hatramn’izao. Mba diso fanombanana aho izany tamin’ity indray mitoraka ity nefa izay rehetra nahita ny lalao dia hanaiky fa tokony ho marina izay nolazaiko satria fetin’ny ray androany. Mba tsy tonga dia nody koa lahy ny mpijery tavela nefa tena mamirifiry anie androany ary nanerika mihitsy aza nandritra ny fiatombohan’ny lalao.

Voamarina androany ihany koa ny fomba fijeriko amin’ny baolina malagasy fa mety ihany izay atao amin’ny fotoana tsy anantenana azy intsony nefa mamorika amin’ny fotoana iandrandrana azy indrindra. Tsy nody tampim-pahanginana angamba ny Malagasy nijery ny lalao teny an-toerana androany e! 

Euro 2008: izany ny ekipa manana mpampidi-baolina...montsany aby ny matanjaka

2008-06-14 @ 14:56 in Spaoro

Sarotra ny manatena fandresena ho an'ny ekipantsika fa ny zavamisy no manambara azy. Ao amin'ny filaharan'ny fifa aloha ny ekipa malagasy anisan'ny mitarika amin'ny fampidiram-baolina saingy ny Dakôma no tena nahazoana ny isam-baolina tafiditra tany amin'ny lalao savaranonando.

Fa rehefa anaty vondrona kosa dia jereo fa tsy mbola nahatafiditra baolina mihitsy isika hatramin'ny fifanintsanana tamin'ny 2006 aza... tena mbola tsy nitoko mihitsy anie e! fa jereo ny laoranjy omaly. Manana mpilalao mpampidi-baolina dia montsany aloha ny Italiana tompondaka erantany farany, omaly indray ny Frantsay izay nanatena fandresena omaly ihany koa no montsana tamin'ny elanelan'isa telo be izao. Ny antsika Malagasy tsy mahita mpampidi-baolina aho. Koa raha tsy ananana ny olona mpamidi-baolina azo antenaina ve ny handresy sa sendra ny ratsy vintana hatrany isika tamin'ny lalao teo aloha?

Samia mieritreritra! mahatsiaro an'i Abel lasa any Frantsa aho. Naninona angaha ilay zalahy iny no tsy nantsoina...sa efa tsy mpamidi-baolina intsony koa? NY laoranjy Holandey sy ny Paortigey izay manana mpanafika malaza aloha izao no hita misongadina amin'ny dingan'ny famaranana Euro 2008...

Hanova zavatra ve?

2008-06-13 @ 11:59 in Spaoro

Nitamberina tany amin'ny fahazazana ny saina nandinika ity tsy fahitanay mpitia baolina ny mivantana avy any Eoropa ity. Nitamberina tahaka ny ahoana moa? Ka tamin'izany vitsy ny manana fahitalavitra ary noho ny fisakaizana eo amin'ny samy ankizy dia mijery eo amin'izay manana fahitalavitra ny rehetra. Izay rehetra nahaliana ny ankizy dia niaraha-nijery avokoa. Tsy ambakan'izany ny lalao baolina fandaka isaky ny alahady tamin'ny enina ora nijery ny Rainiboto izay nalaza tamin'izany fotoana izany. Ny sary nahetsika tahaka ny bouba sy Tom sawer moa no tena fiady hevitra sy nifampitantarana tamin'izany fotoana izany. Azo lazaina fa mbola tsara ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany satria nifampiditra an-trano soa aman-tsara ny rehetra. Nisy ny fifampitokisana ary tsy mbola tratran'izany zavatra very izany aloha ny tao an-trano tamin'izany fotoana.

Ankehitriny, azo atao ve ny manonofy ny tahaka izany? Sarotra ny hino satria izahay tamin'izany mitovitovy avokoa ny saranga na dia samihafa aza ny fihaviana sy foko avokoa aza. Ny ankamaroan'ny olona manana ny tvf na parabole na canalsat amin'izao fotoana izao any amin'ny saranga ambony (mba tsy ilazana hoe miaingitraingitra mitandro ny fahadiovan'ny trano kokoa noho ny fanajana ny mahaolona, miala tsiny raha misy ny voatohina) sarotra atonina ihany.Olona manana fanetretena goavana na tena mpinamana akaiky tsy mifampihafahafa matoa tafiditra any an-tranon'olona hijery baolina fandaka izany.

Fa mahagaga lehiretsy fa eto Antananarivo tsy hita firy ny bar na restaurant na pub na club manao tolotra ijeren'ny olona Euro 2008 a! nefa any amin'ny faritany ve izany tsy betsaka ny mampilendalenda ny olona hijery baolina any aminy? Tena tsy maintsy bitsika sy toho-tsofina ihany izany vao mety hahalala izay toerana mety hahitana baolina k'ty. Video iray ihany izao no fantatro (avy amin'ny TF1 ny asehony olona) fa sady lavitra anay nefa tsy manisy soratra amin'ny tabilao an! Mahery ity fitiavam-baolina ity lehiretsy fa mampirediredy.

Euro 2008: Pour la désobeissance civile contre UEFA

2008-06-10 @ 23:27 in Spaoro

Je me permets d’ecrire en français même s’il y aura des fautes d’orthographe et des fautes de grammaire et même si la langue française n’est vraiment pas mon fort. Peut être que c’est voulue ainsi mais je me demande aux amis africains au sud du Sahara si vraiment ils aussi n’ont droit qu’à huit matchs durant cet evenement qu’est l’euro 2008. Nous sommes tous témoins que l’afnex qui a droit de diffusion pour l’euro 2008 pour toute l’afrique sub saharienne n’a pas acheté que le nombre déjà cité ci-dessus (sa population n’atteint-elle pas le nombre d’un milliard d’habitants?) . L’afrique d’où viennent des élites actuels de ce sport roi. Si c’est vrai...alors les Africains sont donc condamnés d’avance. Malheur à toi Pauvreté.

Je me demande s’il n’y a vraiment pas de réactions de la part des africains de cette injustice flagrante de monople qui ne connait que de bénéfices et peut être trop de bénéfices aux détriment de l’amour des fans de football qui n’a plus rien à faire qu’écouter le résultat de tout match en dépit de l’avancée incroyable du technologie et de la communication en ce moment. C’est vrai que l’evenement se passe en Europe et que je suis en Afrique mais qui ne connait pas que le lien entre l’Afrique et l’Europe est tres étroit par l’histoire commmune entre eux-mêmes. Et l’amour de football n’a pas de frontières ni de limites.

Maintenant je comprends tres bien pourquoi les hommes et les femmes des pays en développement sont friand de produits dit de piraterie à bas prix qui viennent de l’Asie en général et de Chine en particulier c’est parce que beaucoup de marques accollées à ces produits sont européennes ou américaines. Les Chinois savent que l’Afrique aime l’Européen ou l’Americain du Nord et les Chinois jettent l’hameçon là dessus. Maintenant je voudrais tant que CCTV diffuses illégalement et gratuitement pour l’Afrique et pour l’Amérique Latine tout les matchs de cet Euro comme une révanche à l’endroit de l’Europe et de son boycott de flamme olympique qui vient de se passer quelque mois auparavant. Je sais une chose, j’ai peur de la Chine et de ses produit mais c’est surtout l’Europe qui a peur d’elle et est incapable de faire plier cette grande nation de l’empire du milieu aussi serais-je totalement du côté de la Chine . Connaissez-vous une entreprise Suisse (où se tient l’euro 2008) de fabrication de ciment dénommé Holcim chez vous? Ici à Madagascar cette entreprise n’a céssé d’augmenter le prix de ses produits de cinq fois plus chère qu’il y a six ans mais qu’elle vient de baisser les prix de 10 à 15% parce qu’une société chinoise vient lui concurencer  partir du mois suivant. Ceci pour vous dire que l’Européen aussi est très avide d’argent et que le monopole de quoi que ce soit (et même de retransmission en direct d’un match de football) n’a de bénéfique qu’à celui qui le detient.

Autre chose, parce que les télévisions nationales africaines ne peuvent pas se permettre de faire le ‘pirate’. J’appelle à la désobeissance civile de1 cette manière suivante: que tout restaurant, bar, salle de jeux ou salle vidéo de toute l’Afrique sub saharienne fassent promotion auprès du public qu’ils ont la télévision satellitaire et qu’on pourrait suivre chez eux sur écran géant ou sur écran (de) très large (dimension) toutes les retransmissions en direct de l’euro et que tout pouvoir public ferment les yeux de tout acte illegale de ces rétransmissions auprés du public. Pourquoi nous laisser à notre faim? Peut être que l’Européen sait pertinemment que l’Africain ne pourrait plus se passer de leur rencontre sportive mais il veut séparer le riche du pauvre. Peut être que l’Européen ne veut plus du football comme un sport masse mais un sport typiquement européen et réservé aux riches. Maintenant j’ai des soucis que même si le mondial se passera en Afrique en 2010, l’Africain n’aura droit de rétransmission que de l’ouverture et de la finale de cet evenement sportif. Autant agir dès maintenant!

Ahoana isika eto Madagasikara? Aiza avy ny toerana ahafahana mijery ny fampitana mivantana ireo lalao rehetra ireo e? Mbà milazà ry zareo a! 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»