Ndao Hihazakazaka: Gidragidra notadiavina
Efa nanoratra teto aho fa handray anjara amin’ny hetsika
“Ndao hihazakazaka” (Alahady maraina ningitrika fiangonana sy sekoly alahady).
Mazava loatra fa nahita ny ankamaroan’ny zava-nitranga tamin’io hetsika io aho.
Marihina fa raha ny fandraisana anjara aloha dia tsy 15 000 fotsiny ireny
fa mihoatra be (mihevitra aho fa manodidina ny 30 000 ireny satria maro
loatra koa ny tsy nahazo tapakila intsony no nandray anjara hatrany). Eo
amin’io lafiny iray io kosa aloha dia fahombiazana tanteraka ny hetsika. Maro
aza ireo orinasa no tsy niraika loatra tamin’ny tsy fahazoana tee-shirt izay
tantara manokana amin’ity hetsika ity. Izahay indray, satria mpiara-miasa ihany
koa no nifanentana tsy niaraka tamin’ny debadeba, nanadino nitondra
sora-baventy na tsy nieritreritra hikarakara izany mialoha (tsy nisy sampana na
tompon’andraikitra tamin’ny serasera sy na dokambarotra tsinona niaraka
taminay)...
Faharoa manarakaraka izany, mialoha ny hidirana amin’ny
resaka somary mangidingidy kokoa, dia nampihomehy ihany ny mahita ilay
hazakazaka niato teo amin’ny hidin-dalam-by Ampefiloha satria nisy
fiaran-dalam-by mpitondra entana sy solika niserana tsimoramora. Tompon’ny
lalana tokoa angaha, nefa na izany aza moa tsy efa noeritreretin’ny
tompon’andraikitry ny Madarail ihany koa ve ny hisian’ity hetsika ity? Tsy hoe
feno dia feno tsinona ny fandaharam-potoana iasan’ny masinina araka ny
fahalalako azy.
Fahatelo, nisy sampana tsy nanatontosa ny anjarany
antsakany sy andavany tamin’ireo mpikarakara ny hetsika. Efa naverimberina
manko fa tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny fizarana ny tee-shirt sy ny
laharam-pihazakazahana ho an’izay manana tapakila efa azo herinandro mialoha.
Maro noho izany ireo tonga mialoha ka nieritreritra fa izay tonga dia mahazo
avy hatrany ny anjarany sady tsy te-hisisika amin’ny taratara sady fantatra
rahateo ny tsy mbola fahaizan’ny Malagasy mandrindra zavatra loatra. Tsy tonga
anefa ny fiara mpitondra ireo zavatra tokony hozaraina raha tsy tamin’ny valo
ora latsaka fahefany, izany hoe adiny roa latsaka taorian’ny fotoana
nifanarahana. Ora iray sisa izany no fetra hizarana ny tee-shirt ho ana olona
15 000 araka ny nambara ombieny ombieny. Izany hoe tokony hahazara tee-shirt,
na zavatra hafa, 250 isa-minitra ny mpikarakara farafaharatsiny. Aoka aloha
holazaina fa efa maro tamin’ireo tokony hizara no tonga aloha ihany koa fa ireo
fiara mihitsy no tratra aoriana. Tsy mahatratra 100 anefa ireo mpizara ny
entana raha ny fanombanako azy (ahiako tsy hahatratra 50 akory aza). Noho izany
ankoatra ny fanamarinana kely madinidinika eo ampizarana dia tsikaritra fa tsy
ho voazara ara-potoana velively ireo zavatra efa nampanantenaina ny mpandray
anjara. Vokany, tamin’ny valo ora dia ravan’ny fifanosehana sahady ny
toeram-pizarana iray (tranolay iray amin’ny enina hitako teny an-toerana). Folo
minitra taorian’izay raha ela dia rava ihany koa ny toeram-pizarana roa teo
akaiky teo ihany. Rava avokoa izany ny fizarana telo teo anoloan’ny Instat. Ny
roa hafa kosa dia eo amin’ny sampanan-dalan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny
fanjakana sy ny Fitsarana Tampony (mbola eo ampanamboarana saingy efa manakaiky
ny fahavitana kosa).
Fahaefatra, aoka tsy hohadinoina fa tsy nisy resaka
mihitsy ny amin’ireo mbola te-hisoratra anarana tamin’io fotoana io ary efa
nilazana mialoha fa tsy hahazo na inona na inona intsony. Maro dia maro anefa
ireo olona ireo (sady tanora avokoa ny ankamaroany). Noho ny tsy fahampian’ny
serasera dia nifangaroharo teo ny filaharan’ny te-hahazo tapakila sy ny efa
manana tapakila fa miandry tee-shirt. Asa efa be angaha ny azo ka tsy
noraharahiana intsony ny vola hafa mety mbola ho azo.
Fahadimy, nampanantenaina ireo efa manana tapakila fa
rehefa tsy azony teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny tee-shirt na zavatra hafa
dia eny Alarobia ny fotoana. Nampanantenaina ny rehetra fa tsy maintsy mahazo
ny anjarany avokoa ny rehetra fa tehirizina tsara ny tapakila. Nisy anefa ny
fifandraisana tsy nifankahazo satria samihafa tanteraka ny dikan’ny teny hoe
tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra sy ny hoe tsy maintsy zaraina
amin’io fotoana io avokoa ny zavatra rehetra. Teny an-dalana manko ireo fiara
mpizara zavatra (ilay kamiao mena io) dia efa nanapariaka tee-shirt tamin’ireo
mpijery maro teny an-dalana. Niahiahy avy hatrany aho fa endrika fanodinana ny
zavatra tokony hozaraina izao toe-javatra izao. Mbola teny an-dalana tsy nisy
olon-kafa niditra an-keriny tamin’ny fiarabe mihitsy izany. Nisy fiara madinika
izany niara-dalana (205 volombatolalaka) niara-dalana tamin’io fiarabe mena io
ary nanmpidinana tee-shirt maromaro teny ampandehanana mbola ho eny Alarobia.
Ry zalahy amin’io maro no be kibon’ny tee-shirt maro tahaka an’i Obelix
ara-bakinteny.
Fahaenina, hiresaka ny amin’ny mpizara indrindra ao
anatin’izany tantara izany. Misy ny manombana ireo mpizara ireo ho olona tsy
azo itokisana loatra ny fijery azy. Misy moa ny mahasahy mampitaha ireo mpizara
ireo amin’ny endrika mpangaro-paosy sy ny mpanendaka sanatria, amin’ny fomba
fitenin’ireo teo akaikiko manao hoe: jereo amin’ny endriny fotsiny fa raha ireo
no mpizara tsy mahagaga raha tsy voazara amin’ny tokony ho izy ny entana.
Masiaka loatra io teny io nefa mampandinika tokoa raha mahita ny ataon-dry
zalahy nitady ilay gidragidra tokoa. Raha iverenana manko ny nahatonga ny
faharavan’ny toeram-pizarana faharoa sy fahatelo nolazaiko teo dia nisy
tovolahy nampidina tee-shirt maromaro avy any ambonin’ny tafon’ny fiara ka tsy
ilay mpizara tao ambany no nandray azy fa ireo mpifandrombaka. Mazava loatra fa
voatery niala ilay fiara (mazda manga ilay tsikaritra any amin’ny sary hafa
ihany).
Fahafito, rehefa teny am-pahatongavana teny Alarobia.
Mbola tsy nisy na inona na inona vanona ihany. Eny amin’ny fiara ry zalahy no
mieriteritra ny hizara indray ny tee-shirt sy ny zavatra hafa. Nahavariana ny
fahamaroan’ny olona vao notazanina lavitra fotsiny. Maro manko ireo efa tsy
tafiditra intsony tao amin’ny kianjan’Alarobia satria hipoka tanteraka ny tao
anatiny teo akaikin’ny fiara mpizara. Indro fa niala niaraka tamin’ny entana
tao anatiny sy teny amboniny indray ilay mazda manga efa nitsoaka tery Anosy.
Ilay fiarabe mena sisa no tsy afaka ary dia raikitra ny fandrombaka. Mazava
loatra fa zara raha nahazara ny entana tokony ho nozarainy ny mazda manga
nolazaiko teo ambony ihany. Namana iray teny an-dalam-podiana no nilaza tamiko
fa nanipy vitsivitsy teny an-dalana io fiara mazda manga io sady nirifatra
ihany. Amiko manokana entina ialana bala iny hilazana fa nizara ihany koa izy
teny an-dalana.
Fahavalo, zavatra iray saiky adino. Teny an-dalana dia
misy ireny rano zaraina amin’ny mpihazakazaka ireny. Nolazaina fa ny ‘Eau vive’
no mpanohana ofisialy amin’ny fanomezan-drano. Be loatra tsy araka ny
nampanantenaina ve ny mpandray anjara fa tamin’ny fizaran-drano telo voalohany
hitako dia tsy misy rano zaraina intsony rehefa nandalo teny izahay. Nisy moa
ny niteny fa tsy eau vive intsony no nozaraina fa rano vao natsakaina ilay izy.
Nisy aza ny nahasahy nilaza (mety ho noho ny lonilony koa) fa rano efa masiso
no nozaraina tamin’io fotoana io. Satria moa izahay efa tsy nahatratra rano
intsony nefa izahay amin’io afovoamboan’ny fihazakazahana dia nividy eau vive
teny amin’ny mpivarotra tompoko.
Fahasivy, mikorontana ihany ny serasera ny ampitson’ny
toe-draharaha. Efa nisy ny fialan-tsiny natao tamina fahitalavitra iray
nataon’ny mpikarakara (media consulting) fa tsy mbola nahazo alalana hizara ry
zalahy nefa dia nanao be loha. Maro tamin’ireo tsy te-higidragidra teny Anosy
na Alarobia manko no efa nanapa-kevitra (noho ilay fahitana ny fiara mazda tsy
nahazara ny entana ohatra) fa hankeny Ankadivato misy ny foibeny miaraka
amin’ny tapakila. Tsy maintsy valinteny fialana no azon’izay mankeny toy ny hoe
mbola eo an-dalam-pivoriana izao sy ny hoe tazonin’ny fivondronana ireo
tee-shirts maro tsy voazara tany amin’ny fiara. Raha ny hoe mbola mivory
handinika izay hatao efa mahazatra ihany fa ny hanilika ny anjara eny amin’ny
fivondronana kosa efa zavatra hafa ny amin’izay.
Fehiny: Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra saingy
heveriko fa niniana natao ilay tsy filaminana ahafahana manodina entana maro
araka izay azo natao. Hitako mivantana, kaofy boay iray hita fa mpikotrana
satria bokony dia bokony avy any ampifandrombahana tany mitondra tee-shirt efa
tsy latsaky ny folo, ny sigara (tokoa ve sa maoly?) amin’io tsy miala eny
ambava mihitsy. Mety ho tsy nisy sahy nikitika ranamana na dia ny mahita azy
fotsiny aza. Lazaiko etoana fa nalain-dry zalahy tao amin’ny mazda manga avokoa
ny ankamaroan’ny entana nentiny raha sahy milaza any amin’izay anaovana tatitra
izy fa voazara avokoa ny nentiny. Asa manao ahoana re izao ny hamaroan’ny
tee-shirt ‘Ndao hihazakazaka’ amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao? Izay
nahazo teny Alarobia aloha dia ny Be sandry ihany no nahazo sy ireo nahasahy
nandroba tany amin’ny fiara fizarana ny entana.
Tee-shirt ve no nihazakazahana? Misy ny mitsikera fa
matin-kani-kely ny malagasy raha ny tee-shirt no niadiana. Ambara fa mariky ny
fahantrana ilay fandrombaka nifanaovan’ny olona tamin’iny fotoana iny. Isika
angamba no tsy mba zatra loatra ny mametraka fahatsiarovana amin-java-dehibe
iray ankoatra ny sary. Nisy tamin’ireo te-hifandrombaka no tsy te-ho bedin’ny
any an-trano satria ny fananana ilay akanjo no marika ahafantarana fa tany
tokoa ny tena ary nihazakazaka tokoa. Ny tsy nahazoana mari-pahatsiarovana
nampanantenaina noho izany dia mahatonga ny saina hieritreritra fa niodina
fotsiny ny tena ka ny ‘Ndao hihazakazaka’ no nentina nialana bala. Io lafiny io
no tsy mba nosain’izay nitsikera fahatany amin’ny fandrombaky ny nanao izany.
Hita ihany rehefa fotoan-dehibe toy ny lalao lehibe ireo manao satroka taratasy
(cotillons) misy soratry ny lanonana na hoe Barea na Ajesaia na Rossy saingy
matetika dia amin’iny andro iny dia mety ho potika ireny satroka taratasy
ireny. Heveriko fa karazany saiky sambany ilay mari-pahatsiarovana saiky
nozaraina saingy indrisy moa. Amin’ny manaraka aleo amidy ny
mari-pahatsiarovana mba hialana amin’ny fifandroritana fa tssy tokony atao
lafobe tahaka ny tamin’ny lalaon’ny nosy izay fanararaotana tafahoatra kosa.
Barea: Aza lazaina hoe
Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : Ndao hihazakazaka gidragidra notadiavina dia efa vonona tokoa ary efa nihafiana nalefa tamin'ny alalan'ny moov anaty ora feno (izay lafo be) saingy rehefa tonga teo amin'ny minitra faha-16 nanokatra blaogy.com fotsiny dia tapaka ho azy ny connexion, fatiantoka iray lavaka. Rahalina na rahampitso angamba iny no mivoaka raha tsy hoe lany ny fahana.
Fa hiresaka Barea kely na dia tsy nanatrika teny aza ny tena. Efa fantatra fa nanao ady sahala tamin'ny favori aloha ny ekipa. Nahafinaritra ihany ny lalao satria nifandanja ihany noho ny ezaky ny tsirairay. Ny tsy maintsy lazaiko satria tsy hisy hiresaka loatra sady toa tsy azon'ny maro eto an-toerana mihitsy.
Tsy hita akory manko izay fiovana teo amin'ny toerana ipetrahan'ny mpijery. Tsy mahagaga raha mila vaniny araka ny fitenin'ny gazety ny solontenan'ny FIFA nefa zavatra takiako ihany koa io. hita manko fa raha 24 000 eo ho eo no fenitra amin'ny isan'ny mpijery dia mbola azo tombanana ho 30 000 eo ho eo ihany ireo tafiditra. Toa iniana atao mihoatra ihany ny tapakila nozaraina azo anaporofoana hatrany ny fitiava-kelin'ny sasany (iza io?) amin'ny sitrany ahay. Tsy voahaja indray manko ny lalan'ny mpandeha izay efa natao loko hafa mihitsy.
Ny gasy ve no tsy mety manaiky fandaminana sa ny tokony handamina no tsy miraika loatra hanaja ny fenitra?
Euro 2008: Maty piraoga ny mpitia baolina gasy
Mionòna mionòna ialahy ry mpitia baolina Malagasy fa izay kely azon’ny Afnex omena an’ialahy ihany no sisa arahin’ialahy mivantana. Zara aza ialahy nomeny baolina valo hojerena amin’ity euro 2008 ity ka ampahaefatry ny famaranana ny roa, atsasaky ny famaranana ny iray ( fa maninona no tsy izy roa e?) ary ny famaranana ny iray. Zara aza ialahy nahita ny lalao fanokafana androany alina iny dia amin’ny alakamisy 12 marsa 2008 hihaonan’ny Alemana sy ny Kroaty indray ny baolina manaraka.
Fa iza anefa no nilaza tamin’ialahy hoe aty amin’ny faritra mahantra Afrika Atsimon’i Sahara ialahy no mipetraka? Ahoana tsara hoe? Maninona raha mividy ny fitondrana Malagasy hanome fahafaham-po ny vahoaka tsy mandady harona? Oadray! Izy anie afaka mijery amin’ny TPS sy ny Canalsat e! Maninona raha mampiditra ny iray amin’ireo ialahy? Soa ihany aho fa tsy naka “congé” fa izany no fanaoko rehefa avy ny Euro na ny mondial. Sa ve hoe rehefa tsy hijery baolina aho rahampitso dia heverin’ialahy fa tsy tia baolina mihitsy aho? Ka raha tia hanaraka baolina mivantana anie ialahy mitantara ny Radio Nasionaly Malagasy e! Ahoana tsara hoe? Izay aloha e! Ny mijery no tena izy fa tsy itantarana.
Dia inona anefa no hataon’ialahy? Himenomenona fotsiny any ambadika any? Ka sahin’ialahy ve ny hitaky Euro eny Mahamasina rahampitso? Izaho anie ho’aho tsy ho eny e! Io tsy fahaizana mivondrona io ihany no mahavoa an’ialahy? Fa raha misy fihetsiketsehana (izay ho nofinofy tanteraka aloha eto Madagasikara) rahampitso mety ho heno ihany ny hetahetan’ialahy ka! Saingy ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mitady akama manana TPS na Canalsat e! Izaho aloha tsy manana fa efa mahay mionona e! Zara aza nomeny baolina valo na dia tsy mahaliana loatra aza ny lalao omeny e! Foha! Foha! Ndeha matory fa tsiiiy iiiiiy! Ary tsy ramatoa no imenomenonana eo!
Baolina fandaka: Na ho tafintohina aza ianao
Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity
satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha
fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa
toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay
eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.
Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny
fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho
tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana
famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any
Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy
ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena
izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany
intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy.
Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana
nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.
Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha
isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny
FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa
tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no
be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo
amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny
olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka
dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady
tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF
satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.
Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny
fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana
jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy
lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny
fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy
mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo.
Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy
andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia
(famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny
foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.
Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy
nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny
Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria
tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha.
Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany.
Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny
masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany
manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha
nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany
an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny
fihaonana voalohany.
Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana
tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy
ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany
aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay).
Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana
ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany
hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa
iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy
raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny
Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo
nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny
farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary
mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny
mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy
manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo
aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra
fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto
madagasikara no resahina.
Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny
Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo
atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny
toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny
lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao
famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny
fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana
isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba
mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy
hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins
(voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona
na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity
fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao
fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy
sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve
izany satria efa fantatry ny rehetra?
Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny
mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny
mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy
hanatrika io lalao io (tahaka ahy).
Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany
Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa)
ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny
rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy
afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra
manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany
hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo
iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko
azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa
sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy
boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.
Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina
ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa
vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny
Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy
mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo
kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa
nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina
amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa
no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova
na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy
ao.
Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko
ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka
hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy,
mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano
ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.
Tsy miverina ilalana
Efa ahafantarana ny fitondrana ka dia tohizany tokoa
rehefa mandray fanapahan-kevitra ny tsy manenina fa dia fikiriny
mandrakariva iny. Lohatenim-baovao voalohany nisongona ny valim-pifidianana ny
nandraisan’ny minisitry ny fanatanjahantena n mpanao gazety nilazany indray fa
tazoniny ny fandravana ny federasionan’ny baolina fandaka. Fanapahankevitra
hany neken’ny mora an’isa mpankafy ny fanatanjahantena eto Madagasikara aloha
amin’izao fotoana izao. Tsy araka ny fiahihiana ny mety haha anjorom-bala ny
baolina fandaka malagasy fa aleon’ny mpankafy io fanapahankevitry ny Minisitra
io toy izay fanohizan’ny federasiona ny asany izay tsy maintsy hoe ho lany
indray raha ny fanohanan’ny ligy azy no jerena.
Dingana manaraka tokony hataon’ny minisitera indray ny
fandravana ny ligy isankarazany amin’ity taranja baolina fandaka (kitra) ity
indray satria ireo koa no fototry ny fanakanana ny fampandrosoana ity taranja
iray ity. Izaho manokana moa dia ny fandaminana ny taranjam-panatanjahantena
amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ao indrindra fa ny fanomezana toerana sahaza
azy ny mpijery (na dia ny tapakila tsy ampelatanan’ny mpijery intsony rehefa
tafiditra ny valan’ny kianja aza dia zavatra tsy azo leferina nefa neken’ny
maro an’isa hatramin’izay, nefea dia fototry ny tsy fahamatoran’ny fidiram-bola
io).
Ankoatra izay ny vaovao hafa dia lasa mampihomehy valaka
koa ny mahita ny mpitatibaovaon’ny fampielezan-tsary TVM faly ery manonona ny
100% azon’ny TIM tany amin’ny faritra maro tsy nananany mpifaninana nefa saiky
tsy hitany mihitsy ny fandresen’ny tsy miankina tany Antsirabe I, ary ny antoko
hafa tany Toamasina I sy Antsiranana I ohatra. Zavatra tokony hahamenatra
indray ve ry zareo no ireharehana?