Tezitra (mangina) ny vahoaka!
Hatairana sy hatezerana no niloatra ambavan’ireo namaky tamin’ny gazety na nandre tamin’ny fampielezam-peo fa tsy ho afaka ny hanao fifanintsanana any Senegal ny mpilalao basket vehivavy malagasy. Na mpanohana ny fitondrana izy na mpanohitra ny fitondrana dia samy nanambara ny alahelony avokoa. Amin’ity tranga iray ity kosa dia afaka ny mitabataba azy tsara ny antoko mpanohitra ankehitriny.
Efa nahita ny fiezahan’ireo mpilalao vehivavy ireo avokoa ny nanaraka ny lalaon’ny nosy farany teo. Karazana voninahitra ihany koa izany hoe nantsoina mba hifaninana amin’ny CAN2007 amin’ity taranja basket ity isika malagasy saingy efa tankina hatreo aloha ilay fanoloram-boninahitra. Efa fotoana elaela ihany ny tao amin’ny federasiona no niakatra sy nidina teny amin’ny Minisitera mba ahafahana mandefa ireo mpilalaontsika ireo. Nanambara ombieny ombieny tamin’ny haino aman-jery ry zareo fa tsy manana ny ho enti-manana amin’izany fandehanana ho any Senegal izany. Nodradradradraina hatrany ihany koa fa misy sazy anie ny tsy fandehanana amina lalao fifaninana sahala amin’izao ary efa misy aza ny sazy teo aloha mbola tsy naloa. Saingy toy ny rano natondraka tamina gisa ihany izany.
Mety ho azo natao ny nilefitra raha tsy nisy ny ankiteniteny tamin’ireny lalaon’ny nosy farany teo ireny. Vao iray volana monja manko izany no nampanatena ny filoham-pirenena fa manomboka tamin’izany fotoana izany dia hatao laharam-pahamehana ny fanatanjahantena ho fikarakarana ny tanora. Noho izany no nanambarany fa izay rehetra mahazo medaily volamena dia halefa (hijery ny lalao olaimpika) any Beinjing avokoa amin’ny herintaona. Nahazo ny laharana voalohany mihitsy moa isika tamin’ny fahazoana io medaily volamena io no sady nahatratra ny isa zato izany. Izay koa angaha ny nampiakatra ny vokatra tiko rehetra raha vao vita io lalaon’ny nosy io hiantohana ny fandefasana ireo atleta ho any Beinjing ireo. Vao nandre ny teny moa aho tamin’izay fotoana izay dia efa nahavoaka hoe “ ho tontosanao tokoa ve izany? Sa mandritra ny lalaon’ny nosy ihany?
Efa nohatonin’ny tao amin’ny federasiona ihany ny minisitra mpiahy ity taranja ity, ary efa nahavory ny roatokon’ny vola nomanina ho amin’izany izy araka ny nambara. Nandrasana hatramin’ny ora farany fa tsy namaly teny mihitsy ny minisiteran’ny fanatanjahantena na dia niezaka aza ny minisitra mpiahy ny taranja basket (samihafa ireo an!). Ny momba ny Tafita (tahiry ho fanampiana ny tanora [indrindra fa amin’ny fanatanjahantena]) moa dia tsy nandrenesam-peo ny aminy; tsy fantatra na efa ao anatin’ireo nanolotra fanampiana izy na tsia.
Ankehitriny, hita ho tezitra amin’ity daholo ny olona raha vao atsidika ity lohahevitra ity. Misy moa fomba fiteny hoe ny fampanantenana avy amin’ny mpanao politika dia ho an’izay mino azy ihany. Saingy vanim-potoana mialoha ny fifidianana anie isika ary tselatra kely monja dia mety hampivadika ny olona ary rehefa izy no mivadika dia tsy hiaro na hanohana anao intsony. Sahy aloha izy nandiso fanantenana e!
Malagasy sy Maorisiana: Tsy hifankatia mihitsy!
Mbola akon'ny lalaon'ny nosy ihany ity ambarako ity nefa dia misy ifandraisany amin'ny sehatra hafa! Ny fifankatiavana na fifandraisana amin'iero nosy roa azo heverina ho mifanakaiky saingy toa mifampianjonanjona no holazaiko etoana.
Eo amin'ny fijery malagasy dia nosy telo no tena mifaninana, isika sy ny Maorisiana ary ny Reinoney. Eo amin'ny taranjam-panatanjahantena heverina fa atahorana ny Reinoney dia mirona manohana ny Maorisiana ny mpijery malagasy amin'ny ankapobeny. Raha ny Maorisiana indray no atahorana kokoa dia ny Reinoney no tohanan'ny maro kokoa amin'ny Malagasy. Ireo malagasy manambady frantsay kosa moa dia maro amin'izy ireo no manohana kokoa ny Reinoney noho ny malagasy aza. Asa inona no antony fa zavatra hitako teny ampijerena lalao io aloha.
Ankoatra izay indray dia misy ihany koa ny maro amin'ny mpijery ka manana olona akaiky miasa amin'ny Maorisiana no tsy mety hanohana maorisiana mihitsy. Ny antony dia mpanivaiva gasy loatra ny maro amin'ireo mpifehy teratany Maorisiana. Izaho manokana moa dia miaina mihitsy izany hoe na dia iray trano iasana izao aza dia toy ny fady azy mihitsy ny hamaly ny arahabako na dia miezaka ny miarahaba azy aza aho indraindray. Taty aoriana moa dia tsy misy miresaka eo na mety hifandona eo antokotanim-piasana aza.
Etsy ankilan'izay dia mihevitra ireo delegasiona Maorisiana fa mitongilana ho amin'izay mifanandrina amin'ny maorisiana hatrany ny mpitsara malagasy. Dia nisy moa tamin'ny taranja ady totohondry niditra an-tsehatra mihitsy ny minisitra maorisiana fa heveriny ho mifanafin-keloka (miray tsikombakomba) ny Malagasy ny ny Reinoney. Ny olana moa dia tsy nisy sary naseho mihitsy mampiharihary ny tsy rariny nataon'ny andaniny na ny ankilany. Tsy hita intsony izay manana ny rariny.
Izay no heverin'ny mpanaraka ny baolina fandaka lalao famaranana fa mamaly faty ilay mpitsara Maorisiana namely ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny lalao ka nahararaka antsika tsy hahazo ny medaily volamena. NIvandravandra tamin'ny mpanao gazety rehetra ilay fomba fitsara saingy ny mpitsara ihany moa no masi-mandidy farany. Lesoka ho an'ny malagasy koa moa ny tsy mba fahaizana mitifitra penalty hatramin'izay nijereko baolina ka fantatro avy hatrany fa ny Reinoney no handrombaka azy raha vao tonga izay sehatra izay.
Tsy dia nitsikera be fahatany ny mpilalao na mpanazatra malagasy intsony ny mpijery rehefa vita ny lalao fa kakay sy lonilony amin'ny Maorisiana no nentina nody. Tsy ho rahampitso noho izay no hisy fihatsarany ny fifandraisana eo amin'ny malagasy sy ny maorisiana.
Mbola vakansy! (ny vola lany tamin'ny jioi2007)
Izay no fanamarihana ataokoa aloha amin'izao fotoana izao. Izay no mety mbola tsy ahitana ny lahatsoratro loatra amin'izao fotoana izao. Na dia izany aza dia miezaka hatrany manambara izay rehetra tokoany hambara. Ny lalaon'ny nosy rahateo mbola betska ny holazaina na dia mety ho efa tantara mivalonaho antsika aza.
Ohatra amin'izany ity vola laniko nandritra ny lalaon'ny nosy ity. Tsy hilaza akory ny zavatra hafa toy ny sakafo sy ny saran-dalana aho fa ny vidim-pidirana laniko nandritra ny lalao fotsiny:
raha manoratra ny laharan'ny tapakila aho dia milaza etoana fa ny laharana roa voalohany dia manondro ny datinandron'ny lalao na fampisehoana:
n°0914409 nandaniana Ar1000
n°1005168 nidirana baolina fandaka Ar1000
n°1105273 nidirana baolina basket Ar1000
n°1101042 nidirana volley Ar1000
n°1202292 nidirana fandaka Ar1000
n°1402708 nidirana fandaka Ar1000
n°1609763 nidirana fandaka Ar1000
n°1601294 nidirana volley Ar5000
n°1700688 nidirana basket Ar5000
n°1800122 nidirana fandaka Ar10.000 izay tribunes centrales misy tantarany kely ity. Izany hoe ny tokom-bola lany dia Ar27.000 izay tapakila fotsiny izany. Tsy nisy ny tamin'ny 15 aout satria hitako avy hatrany fa ho vaky ny lapan'ny fanatanjahantena ka nionona tamin'ny fijerena fahitalavitra aho.
jioi 2007: Voa vao mihilana!
Lesoka lehibe tamin'ny lanonam-panokafana ny nanaovana ny olona toy ny sesika. hany ka sahirana ny olo-tsotra tonga vao maraina teny. Maro koa moa ny naratra tamin'io fotoana io. Tsy mba toy izany kosa moa ny lanonam-pamaranana: tena nilamina ny olona ary dia nahafahana nivezivezy tsara ny tohatra sy nay lalantsara rehetra. afa-po tamin'iny lafiny iny ny mpijery fa tsy dia nahafa-po kosa ilay lanonana manokana. tena fohy loatra ilay dihy mirindra. Raha tsy nisy ny afomanga kely tao anaty kianja sy ny afomanga naharitra teo Anosy dia tena vasoka mihitsy. Soa ihany fa nasian-dry zalahy alim-pandihizana ho an'ny atleta tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.
jioi 2007: Lesona ho an'ny mpijery
Hitsidika kely ny amin'ny famaranana baolina fandaka indray aho. Tamin'ny ankapobeny manko dia ny mpijery matetika no mibaiko ny mpanazatra rehefa eny an-kianja. Matetika ihany koa no milefitra farany ny mpanazatra. Saingy rehefa tonga ny fotoana sahala amin'ireny dia resy ny ekipa avy eo dia ny mpanazatra na ny federasiona indray no mahazo tsiny.
Dia nitranga ihany io toe-javatra io ny sabotsy famaranana teo. NItaky ny hampidirana an'i Dola hatrany ireo mpijery maro. Nandà hatrany ny mpanazatra saingy tsy voatazony izany: nampidirina ihany ranamana io rehefa faramparan'ny lalao. Dia nandrasana ary ny zavatra tsara avy aminy sy ny antony tena nitakian'ny mpijery azy. Atao hoe mety ihany saingy mpanome baolina ny any aoriana no tena hitako taminy. Ady sahala ihany no niafaran'ny lalao nifanandrian'i Madagasikara sy La Réunion. Voatery niditra tamin'ny kitifitifitra araka ny filazako azy avy teo.
Eto moa dia tahaka ny miaraka ihany ny vintana sy ny fahaizana. Hatramin'izay nahatsiarovako tena ka nijereko ny lalaon'ny ekipam-pirenena malagasy dia tsy mbola tafavoaka tamin'io mihitsy isika ( na tamin'ny andron'i ferdinand na tamin'ny andron'ny dominique izay mpiandry tokonana avokoa no sady tsy nahatafiditra ny anjarany tamin'izany kitifitifitra izany). Tamin'ity fotoana ity dia ranamana notakian'ny mpijery maro no tsy nahatafiditra ny anjarany fa namoaka izany tamin'ny sisiny ankavanana. Efa nitsoraka tany ankavia tamin'ny ny mpiandry tokonana reinoney. Iza indray no tadiavin'ny mpijery ho olana tao? Ny mpanazatra!!! indrisy...rehefa resy dia resy e! ny mandray ny andraikiny ihany no tena afa-mivoatra fa izay manilika andraikitra kosa tsy hiova mihitsy nefa izy no tena niavian'ny lesoka.