Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Ny revin'ny zana-bahoaka

2007-07-24 @ 18:28 in Spaoro

Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.

 

 Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…

 

 Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.

 

 Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.

 

 Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka  niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy  nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.

Lavo ny andrarezina

2007-07-16 @ 15:48 in Spaoro

Izay lohateny nataon’ny Vaovaontsika izay ihany no averiko etoana. Raraka teo amin’ny 1/16n’ny famaranana avokoa manko ny ekipa roa noheverin’ny mpanatrika fa hiatrika ny famarananana tamin’ny kitra fokontany. Efa nosoratako reo ekipa roa ireo dia ny Fc Andrady I sy ny FC Totoafo 67ha. Ny ekipa voalohany dia nahintsan’ny “Ny Mpiremby” tany amin’ny tifitra ifandimbiasana rehefa avy nanao ady sahala 1 noho ny 1.  

Ny ekipa faharoa kosa dia lavon’ny Juventus Tsarafaritra (Tsimbazaza) 3 noho ny 1 be izao. Samy tany amin’ny fidirana faharoa avokoa ireo baolina tafiditra ireo. 67ha no nisantatra ny fampidirambaolina ka nanantena ny handany fotoana fotsiny avy eo. Kanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava fa nahatafidirana baolina 2 tao anatin’ny 2 minitra monja. Ny baolina fahatelo dia 5 minitra taorian’ny baolina faharoa. Ny tsy fahafantaran’ny Totoafo ny mpifanandrina taminy no lesoka lehibe nahavoa azy. Tsarafaritra anefa nahita ny filalaon’ny Totoafo tamin’ny fahitalavitra hatrany (Tsy dia nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’I Tsarafaritra no tsy nahalalan’ny mpanazatra azy).

Ny mpiara-miasa amiko izay manan-janaka milalao amin’io Tsarafaritra io no nilaza tamiko fa efa zatra nibata ny amboara ity ekipa ity isaky ny misy ny fifaninanana ilalaovan-dry zareo any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny tanànan’Antananarivo.

Totoafo FC ihany!

2007-07-11 @ 19:23 in Spaoro

Lahatsoratra fahatelo avoakako androany. Malaza ho an’ny mpitia baolina fandaka amin’izao fotoana izao ny “kitra fokontany” karakarain’ny MBS Groupe ao amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely Amparibe. Ekipa 125 tokoa ny efa nifanintsana andro maromaro izay. Efa miditra amin’ny fihodinana fahatelo moa ny lalao amin’izao fotoana izao. Katitakely eo amin’ny 11 ka hatramin’ny 15 taona no mifanintsana amin’izany. Mazava loatra fa samy manohana ny any amin’ny fokontaniny ny mpitia baolina fandaka.

 

Hita ihany koa fa misy ireo ekipa efa manana ny haizatrany tokoa na dia mbola boaikely aza no milalao ary misy no taitra tamin’ny dokambarotra nataon’ny fahitalavitra raha vao nisy ny fifanintsanana. Sarotra na dia izany aza no ahitana fahagagana fa ny mahay ihany no mety ho tafita. Mizara sokajy maromaro manko izy rehetra ka ny sokajy iray misy ekipa efatra. Dia ireo no mifampihaona ka ny voalohany ihany no tafita amin’ny 1/16n’ny famaranana.

 

Misy dia misy ireo tena miezaka sy mahay nefa manana lesoka be raha vao manao ady sahala fotsiny. Sarotra ny ahatafita raha vao resy indray monja. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy manohana ny avy any amin’ny foktontany misy ahy ihany koa aho sady efa tafakatra amin’ny 1/16n’ny famaranana rahateo ry zareo. Totoafo FC 67ha ihany no ady eo e! Marihina fa ny tena mpifanandrina mampiaiky ny maro mpanaraka indrindra dia ny FC Andrady avy ao Itaosy nefa ho hita eo izany e!

Resy indray e!

2007-06-18 @ 08:43 in Spaoro

Ny fampahalalam-baovao ambava sy antsary dia mitovy fiteny. Zavatra mahazatra tsinona no holazaina. Ny mpakafy faraparany ity taranja baolina fandaka ity dia tsy ny faharesena na ny fandresena loatra no nandrasany fa ny hoe hahatafiditra baolina sa tsia. Tsy niraharaha izay isan’ny baolina niditra intsony ireo fa ny notadiaviny dia ny hoe hitoko ihany ve ireto ekipem-pirenena ireto. Tsy nahazo fahafaham-po tamin’izany ry zareo. Ny tena loza aza dia nahenan’ny mpanazatra indray ny isan’ny mpanafika tamin’ny fidirana faharoa hampidirana fiarovana. Tsy azon’ny mpijery baolina io nefa efa manenjika isa isika tamin’izay fotoana izay. Midika izany fa tsy fantatry ny mpanazatra izay nandrasan’ny mpijery na tsy mitovy mihitsy ny fisainan’ny mpanazatra sy ny mpijery. Baolina 14 izany no niditra tamintsika malagasy tamin’ity fifanianana Can 2008 hatao any Ghana ity nefa tsy nahatafiditra baolina mihitsy isika na dia iray aza. Resy 0 noho ny 2 manko isika tao Mahamasina omaly. Tsy te-hanoratra lava intsony ity tranga ity aho na dia be aza ny tian-ko lazaina.

Ligy Alfa: Baolina noana no ilalaovana

2007-06-12 @ 10:24 in Spaoro

Tsy mampino nefa dia tena izay mihitsy no marina. Ny mpijery rehetra dia nahamarika avokoa. Raha nanao fampitahana ny lokon’ny baolina komavoky ny vovoky ny Malagasy aho talohaloha raha baolina tena madio toy ireny vao novidiana ireny ny an’ny vahiny dia baolina noana indray no nilalaovan’ny Uscafoot sy ny Japan Actuels Manjakaray tamin’ny alahady teo.

 Amin’ity indray mitoraka ity aho dia tsy mametraka statistika noho ny tsy fahatratrarako ny fanombohan’ny lalao. Atao hoe afa-po ihany aho na dia izany aza satria nahita ny fidirana faharoa sy ny fanalavam-potoana indroa miditra ary ny fitifirana penalty. Araka ny haavo teknikan’ny lalao eto an-toerana dia nifandanja teo amin’ny vokatra ny roa tonta na dia nanindry tamin’ny lafiny rehetra aza ny ekipan’ny Kaominina nihaona tamin’ny Kartie iray eto an-drenivohitra ihany.

 Raha nanaraka ny mpilalao ny mpijery dia gaga amin’ny fanovana baolina hatrany ataon’ireo ekipa roa tonta isaky ny mivoaka ny baolina. Nihevitra aho hoe samy manana ny baolina mahazatra azy angaha ry zalahy izany. Jerena avy eo dia nitovy ihany ny safidin’ireo mpiandry tokonana roa eo ambony kianja. Teo dia efa lasan’eritreritra aho fa misy zavatra tsy mety amin’ny baolina lalaovina eny ambony kianja. Kanjo tokoa rehefa manandrana manao tifi-davitra ireo mpilalao dia hafa tokoa ny fanenon’ny baolina. Mitovy amin’izany dia tsy mety tena lasa lavitra mihitsy io baolina io na dia manezaka aza ny mpilalao roa tonta. Ny mampihomehy aza anie dia baolina mora avokoa ilay baolina maty tamin'io fotoana io e!

Hoy aho hoe dia tsy misy fitsapana baolina ve ataon’ny mpitsara ary tsy misy fanabontsinana baolina ve ao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Lalao sangany eto amin’ny firenena no atao na dia samy avy eto Antananarivo aza no milalao. Ambin’izany moa ny tapakila fidirana izay federation malgache de football Champion’s league 2006 (fa tsy 2007) ary miampy ny laharan’ny tapakila fotsiny. Niahiahy mihitsy moa ilay olona niara-nividy tapakila tamiko hoe izy ve ity ? (hevero fa ao anatin’ny fialantsasatra izao nividianako tapakila izao fa mbola mividy tapakila hidirana hatrany izay te-hijery baolina) marihiko hatrany koa moa ireny zavatra mody bitika ireny hijerena ny lesoka amin’ny fanomanana ny lalao fialam-boly rehetra. Tsy misy fanamarihana fa nandalo tany amin’ny vaomieran’ny fampisehoana sy ny fanaovam-pety ihany koa moa ny karatra ka vao maika manalasala hatrany. Sa kopaka isasahana ? 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»