Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Raha nijery ny famerenana C.Iv. sy Mad

2007-06-09 @ 13:51 in Spaoro

Nalefa tamin’ny televiziona malagasy tamin’ny alakamisy alina teo ihany ilay lalao famerenana nihaonan’ny Ivoariana sy ny Malagasy. Lalao izay efa fantatra ny valiny fa nomontsanin’ny Ivoariana isika. Tsy hoe resy isika dia hangina amin’ny toe-javatra sahala amin’ireny fa mba liana ihany koa ny tena hamantatra ny antom-paharesena. Izay angamba ilay fitiavana.

 Andeha aloha hamantatra ny nolazain’ny mpanao gazetin’ny radio nasionaly isika. Nanao fampitahana ny lalao famerenana teo amin’ny roa tonta izay natao tany Cote d’Ivoire moa Atoa Daniel Randriamaro. Hoy izy hoe tamin’ny fotoana nahasangany irery an’i Bakayoko dia montsana 6 noho ny 0 isika tamin’izany fotoana izany. Tamin’ity fotoana ity kosa dia sangany any Eoropa avokoa no nantsoin’ny mpanazatra ary izy 11 nilalao voalohany ka 5 noho ny 0 no azo, izany hoe araka ny nolazainy dia efa nihena aloha ny isa tafiditra tany na dia montsana aza isika. Mazava loatra fa resaka fampaherezana ny ekipa mbola hiatrika ny lalao famerenana amin’ny Gabon no anton’izay filazana izay.

 Nahavariana tokoa moa fa dia tao anatin’izay fisainan’ny fankaherezana izay angaha no nentin’ny filoham-pirenena nanolotra baolina 22 ny ekipam-pirenena. Ny alakamisy manko dia nampanantsoin’ny tao amin’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ny filohan’ny federasiona. Angamba efa nangovi-bady mihitsy Atoa Ahmad tamin’io fotoana io. Zavatra hafa mihitsy no nandrasan’ny mpanara-baovao fanatanjahantena indrindra fa ny baolina fandaka manokana nefa dia fanampiana no namalian’ny filoham-pirenena izany. Fandroahana mpanazatra na tompon’andraikitra hafa no nampirangaranga ny betsaka nefa diso fanantenana izay niandry izany. Karazana fahatsapana fahadisoan-kevitra tamin’ny fandroahana voalohany sa tsy fitiavana Frantsay fotsiny izao ?

 Izay nankafy ny ekipa breziliana ka nahatsiaro ilay faharesena tamin’ny mondial iny dia mety hahatadidy ny fomba fanoratry ny mpanao gazety nilaza io ekipa sangany io. Raha azoko natao dia naveriko daholo ireny teny rehetra ireny. Azo fehezina hoe tsy ireny mihitsy no filalaon’ny Malagasy ary tsy tahaka ireny ihany koa ny toe-tsaina nentina niatrika iny lalao iny. Gaga ihany ny tena mahita isan’andro fa misy ny atao hoe mpikarakara ara-tsaina ao amin’ity ekipa ity fa tsoriko hoe tsy nanao ny asany izy raha tsy hoe nisandoka fahaizana fotsiny angaha. Izay iray nalehany na ny mpanazatra no tsy mahalala akory ny mpilalaony na noterena tamin’ny fomba filalao tsy mahazatra azy ireo mpilalao ireo. Ny mpilalao notsongaina ankoatra ny mahatanora azy dia heveriko fa noho izy ireo mpanao tolotolotra madinika sy mandady amin’ny tany (tranonkala hoy ny mpitantara fahiny). Izay fomba filalao izay manko no andrasan’ny mpijery eto an-toerana (Antananarivo) na dia mety tsy ho ao loatra aza ny vokatra. Nefa ilay lalao hita farany dia ny langalanga sy ny taritarika no tena betsaka. Izany hoe sady be no tia tena, na te-ho vedety, no tsy misy loatra no tolotra tsara nomena ny namana. Raha io fomba filalao hita farany io no jerena dia tokony ho ny As Adema no nalefa tany Cote d’Ivoire. Ry zareo Adema manko no tena havanana amin’io fomba filalao natao tany ivelany io nefa tsy nisy avy amin-dry zareo nantsoina na dia manana ny fahaizana aza toa an’i Tholix izay vodilaharana ankavia te-hiakatra amin’ny irakiraka na fanafihana ankavia mandrakariva.

 Voamariko fa tsy nisy tolotra nataon’ny mpiandry tokonana ny fiarovana mihitsy tamin’io lalao io fa dakabe nankany aloha fotsiny no fetra. Tahaka ny hoe manao izay hanalana ny baolina tsy eo akaiky fotsiny no natao mba tsy hahafaty betsaka sy haingana ny mpifanandrina amin’ny tena. Izay baolina nalefa tany aloha izay anefa dia Tsy misy azon’ny mpanafika malagasy izay sady fohy ny kely ny baolina avy amin’izany. Mazava loatra fa ny misambotra ny baolina eny ampelatongotry ny tompontany no tena lahasan’ny irakiraka afovoany fa tsy ny mizara baolina loatra. Ary raha nisy aza ny rindran-damina somary tsaratsara dia tsy azon’ny tokony hamono baolina hatrany izay tolotra farany avy eny amin’ny elatra.

 Manaraka izany dia tsy tao mihitsy ny toe-tsaina hiatrika ny lalao araka ny efa nosoratako teo ambony ihany. Marihina aloha fa ny baolina rehetra matin’ny Ivoariana dia avy any amin’ny elatra havanan-dry zareo avokoa. Tahaka ny maneho hoe any ihany no lalana ahafatesana baolina. Tsy fantatra intsony izay tena marina fa tahaka ny kapiteny Jimmy no nitana iny faritra iny. Maimaika tsy amin’ny antony ny mpilalao fa tsy mametraka ny fomba filalaony hitazona baolina hanova endrika ny lalao. Tahaka ny manilika baolina fotsiny no natao.

 Nisy aza fanafihana indray mandeha efa nitaritarika ilay mpilalao iray nefa dia nosarihin’ny namany ho azy indray ilay baolina avy eo. Azo fintinina fa tsy nisy lalao iraisana mihitsy nasehon’ny mpilalao malagasy nandritra ny 90 miniotra fa samy manao izay saim-pantany ka dia dobo tanteraka ny isa avy eo. Hita mihitsy ohatra rehefa amin’ny lalao goavana fa rehefa misy fotoana maty fa naratra mila tsaboina nympiandry tokonana dia eo no manararaotra manome toromarika indray ny mpanazatra. Tsy nisy mihitsy izany teo amin’ny mpanazatra malagasy nefa indroa notsaboina i Bruno Jaozara. Tsy mahagaga ny mpanao gazety Ivoariana raha nila resaka taminy ary dia namaly tokoa ilay mpanazatra. Rikoriko tanteraka aho nahita ilay toe-draharaha.

 Eto ampamehezana dia voamarika fa indray ihany no nandaka baolina an-joro ny malagasy raha nahatratra sivy izany ho an’ny Ivoariana. Manaraka izany dia mitovy ny isan’ny fahadisoana teo amin’ny Malagasy sy ny Ivoariana saingy ny isan’ny karatra mavo no nahazo roa ny malagasy. Nanana baolina tokony ho tafiditra (Occasions de buts) efatra (telo sy iray) ny ivoariana raha telo kosa (fidirana faharoa avokoa) ny an’ny Malagasy. Ny isan’ny tifitra kosa dia 11 (dimy ny tamin’ny loha) ny an’ny Ivoariana raha 7 izay iray monja no nanandrify anaty tolana ny Malagasy. Marihina fa ilay baolina tafiditry Didier Drogba dia hitako mihitsy fa nihoatra alohan’ny vodilaharana izy vao taty ampiaingana mihitsy. Dimy rahateo ny azy no tratran’io nihoatra ny vodilaharana io izy raha tsy nanao izany mihitsy ny malagasy izay tsy nanana mpitifi-baolina mihitsy tamin’io andro io. Soratako etoana ihany koa fa tsy mahay maka sary mihitsy ireo mpaka sary Ivoariana raha jerena amin’ity lalao ity fotsiny. Enga anie ka ho diso ny eritreritro.

Alfa: AS Adema 1 - 1 Uscafoot

2007-04-23 @ 10:33 in Spaoro

 Tsy fantatro loatra ny tena fanalavana ny Alfa fa ny fahazoako azy dia hoe Analamanga League Football Association. Resaka baolina fandaka izany no resako eto. Enina hatrany ny isan’ny lalao ao anatin’ny andron-dalao iray eto amin’ny Alfa maro ekipa indrindra. Mikantona moa amin’izao fotoana izao ny kianjaben’ny Mahamasina koa dia eny amin’ny kianjan’Alarobia avokoa no notanterahina ny fihaonana. Lalao telo no notanterahina ny Asabotsy ary Alahady koa telo toy izany. Tamin’ny lalao omaly ary dia resin’ny Japan actuel’s 2 noho 1 indray ny Ajesaia. Tsy mety afa-bela amin’ity ekipa iray ity noho izany ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny herintaona (2006). Lalaon’ny tanora vao misandratra raha jerena amin’ny ankapobeny na dia manana ny traikefa kokoa aza ny Japan. 

Lalao setrasetra :

 Fa ny lalao natrehiko manontolo ihany no tena azoko resahina eto.Lalaon’ny mpirahalahy mifandrafy, lalaon’ireo mifankafantatra tsara nefa tahaka ireny tsy hahay hifandray ireny. Lalaon’ny samy ngeza raha ny tena marina. ny Uscafoot tsy maintsy mandresy raha te-hanana toerana tsara kokoa ahafahany miatrika ny dingana manaraka, ratsiratsy ihany manko ny laharana misy an-dry zareo hatramin’izao fotoana izao. Ny Adema kosa tsy hanaiky lembenana fotsiny amin’izao sady hiaro ny voninahiny hatrany.

 Fizaram-potoana voalohany :

 Ny Uscafoot manao fanamiana mavo manontolo avy avaratra no manafika mianatsimo. Ny Adema kosa miakanjo fotsy ranoiray avy aty atsimo no mitodika mianavaratra. Ny Uscafoot no nandaka ny baolina voalohany. Nihahenjana avy hatrany ny lalao ary nifamaliana ihany koa ny fanafihana saingy nanana ny tombony kokoa ny Adema. Nisy fanafihana iray an’ny Adema avy amin’ny ilany ankavia. Nanavatsava tao anaty tokonana lehibe ( surface de réparation) ilay mpanafika (angaha moa misy fantatro loatra ry zalahy e ! izaho koa moa variana amin’ny fijerem-baolina nefa manadino ny laharan’ilay mpilalao). Natsipiny ho any amin’ny mpanafika amin’ny ilany ankavanana indray izany.  Nijijijijy ihany koa iley io nefa tsy nahita lalana hitifirana koa dia nanolotra izany indray ho any amin’ny ankavia somary afovoany kokoa. Nalalaka dia nalalaka ranamana ka afaka nikendry tsara ny hampidirana ny baolina. Tany amin’ny ankavian’ny mpiandro tokonana no nampidirany ny baolina. Vao minitra fahafito monja tamin’izay fotoana izany. 1 noho 0 ny lalao ary dia nandresy ny Adema hatreo.

 Taitra tamin’ny torimasony ny ekipan’ny Kaominina. Niezaka ny nanindry saingy mailaka ihany koa ny fiarovan’Ivato seranana. Mandeha daholo na daka na kapakapa. Miha-tsy maharaka ny mpitsara. Miniotra faharoa, nanao fahadisoana ny Uscafoot saingy tsy hitan’ny mpitsara, tonga dia nikapa tongotra ny naman’ny Adema. Nivandravandra loatra ka hitan’ny mpitsara. Saiky raikitra avy hatrany ny ady amparimbona. Tsy maintsy namoaka karatra mena tsirairay avy ho an’ny mpilalaon’ny andaniny sy ny ankilany ny mpitsara. Samy nilalao folo ny ekipa roa nanomboka teo.

Niezaka ny nitady isa ny Uscafoot saingy voafehin’ny Adema kokoa ny lalao tamin’ity fizaram-potoana voalohany ity. Ny valim-panafihana no tena heriny teto.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana voalohany : 

 Fizaram-potoana faharoa :

 Niezaka ny nifehy baolina amin’izay ny Uscafoot. Saiky nidongy tany amin’ny kianjan’ny Adema aza ny baolina nandritra ny dimy miniotra voalohany. Iray monja anefa ny tena mpanafika avy ao amin’ny Kaominina ka sarotra ho azy ireo ny mitady irika. Mahery vaika kosa ny fanafihan’ny Adema hany ka manao fihetsika mahery vaika hatrany ny fiarovana avy ao amin’ny Uscafoot. Izay no nahatonga ny karatra mavo betsaka kokoa ho an’ny Uscafoot tamin’ity fizaram-potoana faharoa ity. Fanafihana tany amin’ny ilany ankavanana, hazakazaka tsy misy tahaka izany no nahatonga ny fingana tanaty tokonana lehibe nahazoan’ny Uscafoot ny penalty. Tezitra ihany ny mpanazatra sy ny mpanohana ny Adema ka manao hoe ampiana fotsiny ny zanaky ny Patirao izany. Tsy manana mpampidi-baolina tokoa aloha ny Uscafoot e ! Io penalty io ihany koa izany no nahazoan’ny Uscafoot ny isa tokany. Miniotra faha-55 indrindra tamin’izay fotoana izay.

 Nifamaliana ihany ny fanafihana taorian’izany saingy tsy nahitam-bokany loatra intsony. Ny 15 miniotra farany no tena saiky nahatafidiran’ny andaniny sy ankilany baolina saingy tsy nisy nahay nanararaotra izany ry zareo. Mbola amin’izay aloha ny haavo teknikan’ny mpilalao malagasy hatramin’izao : tsy mahay mitifitra na dia baolina atosi-potsiny hiditra anaty harato aza tsy hay.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana faharoa : 

 Antontanisan’ny lalao manontolo 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9