Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Nanao ahoana ny fety?

2006-06-27 @ 05:40 in Ankapobeny

Miarahaba antsika rehetra aloha nahatratra sy nahadingana iny fetim-pirenena iny indray. Samy mifaly avokoa na ny olona na ny gisa na ny vorontsiloza. Ny olona satria na dia mafy aza ny fiainana dia atao hatrany ny fety. Ny gisa sy ny vorontsiloza satria be no tsy tratry ny fahafatesana noho ny tsy fisiam-bola handaniana ny amin'izany intsony. Vao haingana rahateo no nankalaza ny pentekosta ny maro (ho an(ny kristiana) ka handany vola sahady indray ve. Dia miverina amin'ny asa aman-draharaha indray aloha na dia mbola variana amin'ny baolina hatrany aza ny loha. Ka nanakory sy nanakory avy moa izany ny fetintsika rehetra ity?

Hevitra

[Valio]

Tonga soa indray i Jentilisa!

Ny fety taty nahafinaritra ka. Fa nisy nahafinaritra kokoa fa tsy lasa tany izaho, hihihi.

Nampidirin'i pissoa @ 06:05, 2006-06-27

[Valio]

Dia ny fahatsiarovana no natao be dia be ra-Jentilisa a!

Nampidirin'i fraz @ 06:10, 2006-06-27

[Valio]

Nahafinaritra ny fety e, na dia ny 25 jona ihany aza no tena afaka nanampatra kely. Sady nahafinaritra ny baolina tamin'io, na dia niafara tamin'ny ankamely aza :)

Nampidirin'i lapino @ 07:04, 2006-06-27

[Valio]

Tongasoa Jentilisa,
Arabaina daholo vitan'ny fety e.

Nampidirin'i soanja @ 09:12, 2006-06-27

[Valio]

Misaotra amin'ny fifampiarahabana. Tena hoe mifaly tokoa ny olona taty na dia tsy nisy loatra aza ny natokona. Ny marina moa dia tahaka ny fanao isan'alahady ihany no natao dia toy ny hoe mifety e! ny olona moa ny nanaovany fety dia ny famonjena ny teny Analakely sy teny Mahamasina.

Nampidirin'i jentilisa @ 00:34, 2006-06-28