Vaovao Eto anTOerana.VETO

08 Mey, 2007

Bye Bye Ravinala sy fanendrena vaovao

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:24

Izay vao tena tsy hita nanjavonana intsony. Raha vao resy tamin’ny fifidianana ny kandidà Ratsirahonana Norbert Lala dia namidiny ny radio televiziona ravinala. Nalaza moa fa ilay mpanomana fampisehoana « Live » izay fantatra amin’ny anarana hoe Andry TGV (Andry Rajoelina no anarany feno) no nividy azy. Dia nihevitra ny maro fa hifaninana amin’ny rta izy io amin’ny famokarana fandaharana miompana be dia be amin’ny kolontsaina.

 Raha mbola ravinala ny ravinala dia tao no tena nahenoana sy nahitana adi-hevitra isan-karazany. Na radio na televiziona dia afa-niditra sy nandray anjara hatrany na ny mpanohitra na ny mpanohana. Azo heverina fa ny mpanohitra aza no nahazo vahana kokoa amin’ny fahazoana fitenenana. Raha somary mikatona kokoa ny mbs dia tao amin’ny radio tele ravinala kosa no nahenoana ny hevitra maro na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra. Karazandrazan’ny nanana fahafaham-po noho izany izay mpanaraka adi-hevitra indrindra fa misahana ny politika.

 Noesorina avy hatrany ny anarana hoe ravinala sy ny famantarana ny radio tele ravinala fa nisolo halavan’onjam-peo sy sary fotsiny rehefa nandray an-tanana azy ny mpitantana vaovao. Niandry ny maro amin’ny fivoarana mety ho entin’ity mpitantana vaovao ity saingy sarimihetsika sy hirahira ihany no tena mifandimby. Foana avokoa ireo adi-hevitra isankarazany. Tsy maheno ireo karaza-kevitra loatra intsony izay liana ny amin’izany eto Madagasikara. Noheverina ho tetezamita ihany anefa izay tsy fahenoana fandaharana miompana amin’ny adi-hevitra politika izay mandra-pahavita ny fandaminana vaovao.

 Herinandro anefa izay dia tsy nandeha intsony ilay televiziona vao novidiana. Dia re ihany koa fa lasan’ny groupe PREY ny rta ( ny groupe REY no fantatro fa tsy io PREY nosoratan’ny gazety io, Razafindravaha Edgar Yvon ilay REY, avy any Imerinkasinina ihany koa araka ny tsiliantsofina). Saingy tsy any amin’ny rta moa ny resaka izao fa ilay tele tsy mandeha intsony. Tsy rta no tsy mandeha intsony fa ny ravinala teo aloha. Nandrasana ny faran’ny herinandro fa tsy nisy na inona na inona intsony. Izay izany no izy amin’ny resaka sy adi-hevitra politika.

 Ny karajia sisa no tena fanehoan-kevitra. Ny kidaona maraina manko an-dry zalahy mpanentana ihany ny tena famoahan-kevitra fa vazivazian-dry zalahy raha vao somary matotra ilay resaka hany ka tsy tia miditra amin’io intsony ny mpiady hevitra. Tokana sisa no tena misahana politika eo amin’ny samy mpihaino. Misy ihany ny « invité du Zoma » sy ny isan’alahady ao amin’ny tvplus saingy tsy ampy, ny savaravina ao amin’ny rnm moa dia olona tsy mahazo 1% matetika no mahazo laka ao ka tsy manintona ny mpihaino loatra. Noho izany, ho banga dia banga eo amin’ny mpanara-baovao sy mpanaraka adihevitra politika ny fanjavonan’ny radio tele ravinala izay be fandaharana politika (sy sosialy) tamin’ny androny. Tsiaro azy sisa no antony hanoratana ho azy etoana.

 Fanendrena vaovao

 Nisy filankevitry ny minisitra moa omaly alatsinainy maraina. Ny tena nanaitra ny olona indrindra dia ny fanomezana tambiny Ar100.000.000 izay olona na vondron’olona manome vaovao ahazoana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Fa ny tena lava tao amin’ny tatitra dia fanendrena mpiasam-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Nahatratra 33 izany fanendrena izany ka 19 amin’ireo no lehilahy ary ny 14 kosa no vehivavy. Mbola tsy tena nitovy tsara noho izany ny isan’ny lehilahy sy ny isan’ny vehivavy notendrena.

 Na izany aza dia 2 amin’ny fanendrena filohan’ny faritra 2 vaovao dia vehivavy avokoa. Ary raha velarina dia 3 amin’ny fanendrena olona 4 ao amin’ny Minisitera ao amin’ny Fiadidiana ny repoblika miandraikitra ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany no vehivavy. Ny 10 amin’ny fanendrena 22 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana no vehivavy. 1 amin’ny fanendrena 2 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy no vehivavy. Ireo minisitera ireo no betsaka nanendrena vehivavy ho mpiasam-panjakana ambony.

 Ireto manaraka ireto kosa indray no tsy nahitana vehivavy notendrena na dia tsirairay aza ny fanendrena tao anatiny : Ny minisiteran’ny fitsarana, Ny minisiteran’ny toekarena, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra.


Hevitra

  1. Des irresponsables : 100 millions d’ariary pour « assassiner » un leader politique au lieu de résoudre le délestage.

    Aberrant ! Le Conseil de ministre vient de décider hier d’octroyer une prime de 100 millions d’ariary à toute personne susceptible de donner au régime des renseignements sur le chef du parti TAMBATRA, Pety Rakononirainy, en vue, probablement, de son assassinat, alors que le pays est en proie à des difficultés multiples et urgentes, ne serait ce que, par exemple, le problème de coupure de courant permanente empêchant la population de vivre décemment.

    D’emblée, nous constatons à travers cette situation « l’irresponsabilité » de ceux qui nous gouvernent car si l’Etat a une telle somme à dépenser pourquoi ne le consacre-t-il pas au réaménagement des matériels défectueux de la Jirama, du moins pour solutionner les problèmes subits par les étudiants qui manifestent depuis longtemps contre le délestage qui compromet dangereusement leurs conditions au campus ? Ceci prouve donc que la « priorité » de ce régime barbare n’est pas de satisfaire les besoins vitaux de la population mais dans sa haine sanguinaire à éliminer ses « adversaires » politiques.

    Rappelons-nous du récent référendum dans lequel le régime a trouvé plus de 15 milliards d’ariary pour son organisation, quand bien même ni l’urgence ni l’utilité d’une élection référendaire n’étaient justifiées à cette époque, alors qu’en même temps l’Etat de Marc Ravalomanana a laissé mourir un pan entier de la population du sud dans la faim, ou encore, il a complètement ignoré la population du Nord et du Nord-Est, frappée à deux reprises par des cyclones faisant état d’au moins une vingtaine de morts et des milliers de blessés et plus de 100.000 sans abris.

    Qu’est ce qui justifie donc cette « offre » vampire de 100 millions d’ariary qu’exhibe le régime de Marc Ravalomanana dans le seul objectif d’assassiner un leader politique qui ose lui faire front ?

    Soyons clair ! A travers toutes les méthodes arbitraires, dictatoriales et despotiques dont le régime de Marc Ravalomanana se vante être le maître dans l’art, il est absolument légitime de justifier la fuite du chef du parti TAMBATRA. Le pouvoir tyrannique actuel l’accuse d’être « complice » du général Randrianafidisoa, l’auteur d’un coup d’Etat bizarroïde du 17 novembre 2006 (que le microcosme politique tant nationale qu’internationale admet comme une manœuvre montée de toute pièce par Marc Ravalomanana lui-même en vue de dénigrer l’opposition et surtout de camoufler les méthodes frauduleuses qu’il a savamment déployées pour se faire élire le 03 décembre 2006 dès le 1er tour).

    Il est donc tout à fait logique voire humainement et démocratiquement souhaitable à ce que Pety Rakotoniaina ne se livre pas à une justice corrompue tenue par un despote sanguinaire, comme Marc Ravalomanana., pour des faits qu’il n’a pas commis mais que le régime cherche à lui faire porter, injustement, sur le dos. Et des exemples dans ce genre d’arbitraire fusent à Madagascar : l’incarcération de Roland Ratsiraka, l’arrestation abusive des élus, les condamnations arbitraires des leaders politiques en exil, la tuerie contre des étudiants etc…

    Par ailleurs, nous avons été informés de l’endroit, du moins du continent et des pays, où Pety Rakotonirina se trouve en ce moment. D’après ces informations, Pety Rakotonirainy serait actuellement en Europe, où il fait le va et vient entre trois pays : le Danemark, l’Allemagne et la Slovénie, des pays qui ont tous justifié l’accueil de ce leader politique pour une raison de défense de droits de l’homme et des citoyens. Il est probablement hébergé chez certains membres du TIM-Europe dont beaucoup sont des compagnons de lutte de Pety en 2002. Des informations qui nous parviennent avancent que depuis le passage de Razoharimihaja à Paris au cours duquel il a semé la division au sein du TIM, branche Europe, beaucoup des membres de celui-ci ont fait défection et œuvre en coulisse du moins la disparition du parti TIM, sinon la destitution de Marc Ravalomanana.

    Le fait donc que nous détenons une partie des informations sur le cas de Pety ne constitue pas une raison, pour nous, d’aller demander les 100 millions d’ariary prévus pour les renseignements de Pety car nous estimons honnêtement que ce sont le délestage, les dégâts cycloniques, Le problème auquel l’économie nationale est confrontée, l’étiolement de la société malgache etc. qui ont le plus besoin de solutions urgentes et, les seules conditions pouvant justifier le déblocage d’un tel somme d’argent de l’Etat et jamais « l’assassinat » d’un leader politique.

    R K

    Suisse

    Nampidirin'i ANJELY — 08 Mey 2007, 16:42

  2. Ankoatra ny jiosy dia efa manoratra matetika ato koa ny anjely. Iza koa re no manaraka e?

    Nampidirin'i jenitra — 08 Mey 2007, 18:29

  3. ny anjely sy ny devoly akory tsy manan-tànana hanoratra fa olombelona nofo aman-drà avokoa no eto ?

    hono ho'aho rajentilisa, aiza no mety ahitanay aty am-pita ny lisitr'ireo olona voatendry ?

    gaga tamin'ilay lahatsoratra lavabe etsy ambony aho satria noheveriko fa mpinamana i Gal Fidy sy i Pety ary nahita ny sarin'izy ireo aza aho t@ aterineto mafana !!

    Nampidirin'i Rajiosy — 08 Mey 2007, 19:22

  4. Ao amin'ny madagascar.gov no ahitana ireny rehefa nokarohiko. Dia ny prezidansa no jerena ary ao no misy ny tatitra rehetra momba ny filan-kevitry ny minisitra. Raha tafavoaka dia jereo eto:
    http://www.madagascar-presidency.gov.mg/index.php/item/648

    Nampidirin'i jentilisa — 09 Mey 2007, 10:59

  5. Hafatra nalefako tao amin'ny
    http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/28289

    Gaga aho nandre tao amin'ny blaogin'i Jentilisa fa 100.000.000 ariary (enga anie mba ho
    diso fa vola anie izany e) no omena an'izay mahita an'i Pety.
    Antsointsoiko fa tsy tsara mihitsy ny fametrahana tambiny, sady izay
    volabe, toa izao isaky ny mihetsika, rehefa misy olona tadiavina. Raha
    izao mantsy dia tsy hanao ny asany intsony ny mpitandro filaminana fa
    hiandry hoe hisy tambiny indray vao hihetsika.

    Raha manana vola be toa izao ihany ny fanjakana dia tokony
    hampitomboina sy hatsaraina ny fari-piainan'ny miaramila sy zandary
    ary polisy mba hahafahan'izy ireo miasa ara-dalàna ka mety
    hahatratrarana izay olona tokony hotadiavina. Ho lasa chasseurs de
    primes eo daholo ny miaramila tsirairay.

    Nampidirin'i hery — 09 Mey 2007, 12:41

  6. Tena isaorana indrindra izay nataonao fa lasa nanao dokam-barotra indray ianao izany.

    Jereo tokoa fa vao notononina ilay vola dia nisy fihetsehana mafy tampoka eo amin'ny mpitandro ny filaminana. Misy zavatra eritreretin-dry zareo amin'izao hetsika be izao sy ny fitiavana hisambotra ny Ben'ny tanàna Fianarantsoa teo aloha

    Nampidirin'i jentilisa — 09 Mey 2007, 17:34

  7. misaotra amin'ilay rohy rajentl

    Nampidirin'i Rajiosy — 11 Mey 2007, 01:10

  8. Dia @ manaraka koa izany tsy hihetsika intsony ny mpitandro ny filaminana raha tsy misy prime MAFONJA be hoatr'io ko!

    Nampidirin'i kwasi — 12 Mey 2007, 20:48

Powered by LifeType