Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy
Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako.
- Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
- Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
- Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
- Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
- Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
- Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.
8 Hevitra |
0 Verindrohy (trackback)

hahahaha
Nampidirin'i ikalapeta — 24 Mey 2007, 19:22
hahaha! dia nihomehy tokoa moa izany kah!
Nampidirin'i kally — 24 Mey 2007, 21:13
>Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
Nampidirin'i tomavana — 24 Mey 2007, 21:45
ha, ha, ha ! Ezahiko tadidiana indray iny. MIsaotra Ra-Jen-til a !
Nampidirin'i tomavana — 24 Mey 2007, 21:46
Ary tsy mba hitan-drajentl angaha ny anaran'ilay mpitatitra vaovao avy any toliara (miala tsiny fa tsy tadidy ilay gazety namoaka ny lahatsoratra) ? Aleo ihany tsy miala amin'ny mahazatra amin'ity anaran-jaza ity fa aiza ve re olona dia hisy olona mitondra anarana hoe "Balance Roberval"
Nampidirin'i Mosa — 24 Mey 2007, 22:57
Izay hitako ny ahy no lazaiko ka! izaho izao raha resaka anaran'olona nahatadidy tsara mihitsy fa nisy izay 22 mey izay ny anarany satria teraka 22 mey izy. Samy manana ny tiany e!
Nampidirin'i jentilisa — 25 Mey 2007, 08:52
asa mba mety ve io raJentl ? hihihi
Nampidirin'i Tokinao — 25 Mey 2007, 11:50
Ohatran'ny tsara nymandre ilay teny ka...
Nampidirin'i jentilisa — 25 Mey 2007, 17:34