Tongobolo
Indrisy manko ry afa-nanidina toy ny lolo
Ankehitriny ianao mangina toa zary tongobolo!
Tsy hitako loatra izay hanombohana ity soratra ity! Mikasika ny tena manokana manko fa tsy mba mikasika firenena na eto an-tanàna. Tsy mivantana fa ankolaka.
Fahafinaretako ny nandefa papango hafatra. Fialamboliko ny manety papangom-baovao. Fa nangina ny rivotra mampanidina azy lavitra; ka tsy manan-ko-tazanina intsony. Raha mba azy moa ny kofehy fampanidinana leoko ihany fa samy mpiantsambo izao ihany.
Fa raha misintona papango hira izy, izahay misintona papango tapaka. Raha mahazo papango sary izy, izahay mionona amin’ny papango miandry. Indrisy, toy ny tongobolo sisa ka sokafana vao mahazo rivotra nefa fotoana kely dia kely izany ka tsy ho ampy ijerena hazavana akory.

Fa nisy inona ry jentilisa? Nisy nanipy hoditra akondro angaha tany ho any sa tsy nomendry zalahy connection intsony nareo?
Aza kivy, mahereza fa ny maraina tsy maintsy ho avy foana e! Ary mety tsy ho papango intsony @ izay fa fiaramanidina.
Nampidirin'i kwasi — 08 Jol 2007, 02:53
...
Nampidirin'i Tokinao — 11 Jol 2007, 01:20
jentilisa a, aiza ianao e, mila anao ny blaogy ! aza mora kivy moa fa ianao no tokinay e (sy i tokinao koa an!, hihihi)
Nampidirin'i ikalamako — 11 Jol 2007, 14:37
Eo tokoa aho fa dia tena misy fahasahiranana tokoa! Raha vao afaka dia manoratra! Mba misokatra aloha io izao
Nampidirin'i jentilisa — 11 Jol 2007, 18:51