Maharesaka.VETO

26 Jol, 2007

Aoka re ry Pata!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:36

Hendratra avy hatrany aho androany nahita ny lohateny tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Tsy dia raharahako loatra ny momba ny antenimieram-pirenena na dia mpanara-baovao politika mavitrika aza aho. Fiainam-pirenena iny ka rehefa ao anatin’ny zony ny filoha handrava dia efa ao anatin’ny lalàna neken’ny vahoaka nifidy azy izay. Fa ity kosa dia miantraika mivantana amin’ny tena ka tsy maintsy amoahako ny fitiavan-tenako ihany koa.

Mpiasa aho ary miasa enina andro anatin’ny herinandro. Ny mahazatra aty Madagasikara moa dia dimy andro isan-kerinandro. Ny ahy kosa ny andro fahaenina dia tsy andro fanampiny hahazoana tambin-karama mihitsy fa efa voafaritra anaty taratasy fifanarahan’asa. Noho izany dia tena ilaiko tokoa ny miala sasatra fotoana lavalava (iray volana amin’ny volana ho avy io) hamoriana hery sy hanaovana zavatra hafa ihany koa. Izao ka tadiavin’ny vondron’ny patirao tanora eto Madagasikara hahena ho 15 andro sisa io zo 30 andro isan-taona io. Pata tahaka azy ireo koa moa ny filoha amin’izao fotoana izao ka azo atao tsara ny manararaotra mampiditra ny hevitra any aminy. 

 

Rehefa re fa kasaina akarina adiny 10 isan’andro ny fotoam-piasana dia ampifanarahana aminy kosa ny fampihenana ny fialan-tsasatry ny mpiasa. Loza ity marina mafy ! Ny siesta kely efa nofoanana amin’ny fotoam-piasana mitohy, ny ora kasaina ampitomboina dia mbola ampiana ity soso-kevitra ity ihany koa ! Sao dia tsy rariny ? sao dia efa tafahoatra ? Te-hiteny hoe mpiasa tsy mitsangana amin’izao efa miditra amin’ny fanandevozana maoderina nefa hatramin’ny oviana no nisy mpiasa malagasy nivondrona hanohitra lalàna manohintohina ny tombotsoany ?


Hevitra

  1. Dia mahazendagna ity tantarainao ry Jentil'

    Anjaranareo mpiasa tokoa no maneho ny heviny sy miady hoan'ny zony, izay mitambatra ihany anefa no vato.

    Nampidirin'i tomavana — 26 Jol 2007, 11:56

  2. Tena fanandevozana izany adiny 10 isan'andro izany! Amin'ilay fialan-tsasatra indray. Moa ve 15 andro fiasana (jours ouvrables) sa 15 andro amin'izao (jours civils)? Raha ity faharoa dia tena tsy rariny.
    Tokony hanohitra ny mpiasa. Ahoana hoy ny syndicats?

    Nampidirin'i Su — 26 Jol 2007, 19:18

  3. kiiiii !!! sady izay ry zalahy pata tanora (ny tapany ihany no mikobana ?) no tena fositra ! atsangano amin'izay ny kômonisma kle...

    na hanao adin'ny folo aza anie tsy haharaka ny sinoa raha hiasa sady izay ve mba maharaka ny tambin-karama e; dia iza no hitaiza ny ankizy ? mba manao azy ho zamerika izany ry zalahy patakely

    Nampidirin'i Rajiosy — 26 Jol 2007, 22:47

  4. Ilay hoe 15 andro tsy mazava loatra hoe 15 andro sivily sa 15 andro iasana. Fa raha ny tahaka ny amin'izao fotoana izao aloha dia 15 andro sivily e!

    Ary na atao hoe 15 andro iasana aza anie ny andro sabotsy olana avy hatrany e! betsaka ny tsy miasa sabotsy nefa betsaka ihany koa ny miasa sabotsy tahaka anay!

    Nampidirin'i jentilisa — 27 Jol 2007, 09:21

Powered by LifeType