jioi 2007: fandaminana mamely gasy!
Efa maromaro izay lahatsoratra navoakako androany izay ka ity angaha aloha ny faran'ny androany. Maro ny lalao tiako nojerena androany indrindra fa ny an'ny malagasy saingy nampisafidianina isika malagasy. natao ora mitovy avokoa ny lalao iraisana hilalaovan'ny malagasy. Voatery nizarazara ny mpanohana androany. Ny vahiny anefa dia toy ny nifandimby mihitsy ny lalaony ka afaka nifanohana avokoa izy rehetra. NIvandravandra izany ho an'ny Kaomoriana. rehefa vita ny basikety dia afaka nijery baolina fandaka ry zareo ary rehefa vita io dia izay indray vao mijery volley izy rehetra. nanana toy izany ihany koa ny firenena hafa.
isika malagasy irery no nilalao tamin'ny ora mitovy! na dia atao hoa mahay mandray vahiny aza ve isika dia tsy mba jerena izay hahazoana mpanohana maro. Izaho manokana dia nalahelo satria tsy maintsy nisy ny lalao tsy nojerena nefa amin'ny dimy ora dia tsy misy lalao iraisana nataon'ny malagasy intsony. Toy ny very maina ny nakako fialantsasatra hijerena maokana ity lalaon'ny nosy ity. Tsy mbola hitako avokoa moa ny fandaharam-potoana rehetra saingy ny androany Zoma sy ny rahampitso Sabotsy aloha dia hita tsara io tsy fahaizana mandamina nataon'ny mpikarakara malagasy io sy ny fahafahan'ny vahiny mitety toerana maro sy misesy tsy mitovy ora loatra. Ndry! fa teratany vahiny ary ve no nikarakara ny lalaon'ny nosy teto Madagasikara ity sa matimatin'ny te-hampifalifaly vahiny.
Eo ihany aho dia manararaotra kely! ery anoloan'ny vahiny indray ve moa ry zareo mpanentana malagasy natsoina maokana ho amin'izany no mandihindihy fa tsy teny anoloan'ny malagasy! mba fatratra lahy izany! tsy maintsy miteny satria tsikaritra!

Tsisy ilaivana azy ny COJI e
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46bdb9d232be5
Nampidirin'i tsaramaso — 11 Aog 2007, 18:22
Fa izao mampalahelo koa ireo mpilalao vahiny @ village olympique annn aiza ka tsy misy ranomafana, voatery naka hotel ny sasany hahafahana misasa!!! izany dia tsy mety kosa e!!! avy eo indray ka piscine chauffé hihih mampiomehy be fa ankalamanjana ilay izy ny andro ririnina be mangatsika behhh, dia hitafy bodofotsy izany miala ny vestiaire mankany @ piscine sa ahoana?Ny t@ fety fanokafana indray, ny andro hariva,(mangatsika) ny sasany torse nu hihih ny sasany short hita mivivy ery zareo @ izany annn mangatsika, fa angaha tsy dia afaka nanao akanjo mafana mitovy e!!!!!!, tsy haiko e!!! toa tsikera ny ahy aloha no hitako maro, fa ARAHABAINA ihany koa ireo teratany MALAGASY nahazo amboara sahady annnnn :)
Nampidirin'i sipagasy — 11 Aog 2007, 19:20