Vaovao Eto anTOerana.VETO

15 Aog, 2007

jioi 2007: faly ihany na dia...

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:04

Hatezerana ny hasosorana ny an'ny mpitia baolina fandaka raha tsy nitoko fa nanao ady sahala ny ekipam-pirenentsika ny alahady teo. Ny tena nahakamo moa dia ilay tsy nahatafiditra baolina mihitsy no sady tsy nisy tifitra afa-tsy ny an'i Eric Faneva indray mandeha ihany. Tsy nahagaga loatra raha nitehaka avy hatrany ny olona rehefa nanao tifitra maromaro ny Mahorey tamin'ny lalao faharoa.

 

Omaly ary dia efa somary nalaindaina ihany ny mpijery ny hamonjy an'i Mahamasina nefa tonga ihany sy feno rehefa tonga ny lalao faharoa nandraisan'i Madagasikara anjara. Nampihomehy ahy ihany fa any amin'ny vavahady atsimo avokoa ny olona no milahatra fa manahy sao tsy misokatra ny vavahady avaratra (anoloan'ny vavahadin'ny ste famille). Noho izanny dia izaho no nilahatra voalohany sy tafiditra voalohany tao amin'ny kianjaben'i Mahamasina tamin'ny mpijery tsotra.

 

Rehefa nanomboka tokoa ary ny baolina ka efa hitan'ny mpilalao fa tifitra no tena andrasan'ny mpijery ary ny baolina miditra no fantany dia nanandrana tamin'ny tifi-davitra ihany na dia mivilambilana matetika eny aza. Tsy nahitam-bokany mihitsy io ny fidirana voalohany fa nivaly kosa tany amin'ny fidirana faharoa.

 

Minitra fahaefatra dia nahazo penalty (2° mi-temps) ny malagasy saingy tsy tafiditry Mamy (21) izany. Nandresy 3 noho ny aotra ihany anefa isika avy eo ka i Voavy paulin ny roa voalohany ary i Claudio kosa ny iray farany. Nody amin-kafaliana ny mpijery satria tafakatra antsasaky ny famaranana ihany ny malagasy.


Hevitra

  1. Arahabaina izany fa nody isa ny baolina natsakaina ;) Enga anie ka mba tsy ho troatra farany fotsiny fa mba hitohy ?

    Nampidirin'i tomavana — 16 Aog 2007, 00:16

  2. toa ilay Voavy Paulin no hitako (t@ MBS) fa mahay sy mihetsiketsika na dia kelikeliray aza ranamana

    Nampidirin'i Rajiosy — 19 Aog 2007, 20:22

  3. raha ny momba ny afomanga dia nijery avy taty Isoraka ny tenanay (somary nangatsiatsiaka tamin'iny alina iny !) ka tena valalanina tokoa fa ny aty Frantsa aza vitsy karazana kokoa sy fohy kokoa.

    tonga @ ilay fitenenana hoe "ils n'ont pas fait les choses à moitié". Asa izay androany alahady famaranana !

    araka ny feo henoko avy tamina mpijery télé dia voalaza fa sinoa hono no nikarakara iny afomangabe iny ary narindra tamin'ny ordinatera mihitsy ilay izy.

    Nampidirin'i Rajiosy — 19 Aog 2007, 20:27

  4. raha ny momba ny afomanga dia nijery avy taty Isoraka ny tenanay (somary nangatsiatsiaka tamin'iny alina iny !) ka tena valalanina tokoa fa ny aty Frantsa aza vitsy karazana kokoa sy fohy kokoa.

    tonga @ ilay fitenenana hoe "ils n'ont pas fait les choses à moitié". Asa izay androany alahady famaranana !

    araka ny feo henoko avy tamina mpijery télé dia voalaza fa sinoa hono no nikarakara iny afomangabe iny ary narindra tamin'ny ordinatera mihitsy ilay izy.

    Nampidirin'i Rajiosy — 19 Aog 2007, 20:28

  5. frantsay fa tsy sinoa no nikarakara iny afomanga iny. croix-rouge misy tohiny izay ilay izy fa tsy tadidiko intsony!

    Nampidirin'i jentilisa — 20 Aog 2007, 11:18

  6. dont acte e !

    Nampidirin'i Rajiosy — 20 Aog 2007, 11:57

Powered by LifeType