Maharesaka.VETO

08 Sep, 2007

Akorontana indray ve i Madagasikara ?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 12:15

Vaovao nanaitra ny namakiana hatraty ivelany ny fonjan’Antsiranana sy ny nandraisan’ny fitondram-panjakana handefasana rezimantana mpitandro filaminana tany toliary noho ny famonoana tsy amin’ny antony ataon’ny sasany isak’alina ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny tanàna any atsimo andrefana io. 

 

Andro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra hifidianana depiote hotontosaina amin’ny 23 septambra moa androany ka manjary mitodika politika avy hatrany ny eritreritra namaky ny toe-draharaha tamin’ny gazety androany. Mampahatsiahy asa fampihorohoroana anaty vanim-potoana fifidianana manko izy io ary matetika dia ny tsy manantsiny no potika amin’ny tsy nataony. 

 

Na fohifohy ihany aza izay soratako ny tiana ampitaina kosa dia hoe tokony hanameloka ny fihetsika ny antoko mpanohitra fa tsy hihazakazaka amin’ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe : Ireny no manaporofo fa tena mahantra ny vahoaka malagasy ka lasa manaonao foana sy izay mety ho fombam-pitenenana hafa. Mahantra ve dia hanana fitaovam-piadiana mahery vaika ? Iraka ireny amiko.


Hevitra

  1. A premiere vue kosa le izy otran'ny tsy dia misy hifandraisana @ le resaka fifidianana o?

    Zany hoe baraka be ny an'i ministry ny defense/securite publiq fa au moment ou ra8 miteny hoe sereo ny securite vao mia misy zavatra tsy voafehy otr'zany ihany mitranga...
    zany zao tokony ampiasain'ny mpanohitra @ propagandy :)

    Nampidirin'i simp — 08 Sep 2007, 14:10

  2. Io indrindra ilay lazaiko hoe tsy tokony hampiasa io ny mpanohitra fa vao maika haharikoriko azy eo anatrehan'ny mpifidy izany.

    Ny tranga toy izao dia "nohararaotin'ny mpanohitra" manko no nahatonga izay saiky nifidy azy nihemotra indray!

    Nampidirin'i jentilisa — 08 Sep 2007, 18:14

  3. Non, tsy azon'la ny tiako lazaina. Ny tokony hataon'ny mpanohitra d milaza fa tsy alehany ny administration satria arakaraka ny hilazany fa hanao zavatra izy vao mia pira no mitranga.

    Ny poinsa hataon'ny mpanohitra nge zao d hiteny hoe maneouvre an'rafanja ndray io hanamelohana ny opposition. Zany hoe le acte mi-insinuer hoe misy "terrorista" mitady hitarika gidragidra any, ao @ opposition izany... tandremo ny mifidy azy.

    Errera be an'ny opposition foana ny mikozy an'zay hoe ny fanjakana no mamorona korotana d ny opposition no maty passipaoro. Plutot izy tokony hiattaky hoe satria miesona ny fanjakana d zao no alehany...

    Na zany na tsy zany mety tsy voan'ny tim ny Mts any Diego kle :)

    Nampidirin'i simp — 08 Sep 2007, 19:58

  4. Ny ahy indray dia ny hoe "a qui profite le crime?" no mampieritreritra ahy.
    Toa tsy dia an'i TIM sy ny fitondrana loatra angamba o?

    Nampidirin'i sipakv — 10 Sep 2007, 14:37

Powered by LifeType