Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Sehatra iraisampirenena atao teny malagasy

2007-09-12 @ 18:21 in Ankapobeny

Somary hodinganina vetivety ny vaovao manahirana ny mieritreritra azy fa mba vaovao tsara indray aloha no hozaraina amintsika etoana. Androany no nisy lahatsoratra amin’ny teny malagasy manontolo ny sehatra iray mpiteny anglisy manontolo ary miezaka mandika izay lahatsoratra ao aminy ho amin’ny tenim-pirenena hafa ireo mazoto manokana ho amin’izany. Mety ho efa nisy ihany ny nitsidika ny Global Voices Online, ka namaky ireo karazam-baovao sy lahatsora-panadihadiana ao anatiny. Izy indrindra no resahintsika etoana. Manomboka izao izany dia misy sehatra iriariavan’ny teny malagasy (vakio eto) manokana ity sehatra azo lazaina ihany fa lehibe sy manerantany ity. 

 

Andeha horaisintsika ho rehareha hatrany ny fananana sehatra tahaka itony hameloma-maso ny tenindrazantsika. Ity sehatra ity manko dia miezaka manambara ireo karazam-baovao tsy manintona loatra ny gazety malaza nefa tsara ampahafantarina ny be sy ny maro ihany koa. Omeny tombondahiny ao anatin’izany ny fizarana ny vaovao avy aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana na avy amin’ny tany vitsy mponina ihany koa. Azo lazaina ihany koa fa miteny ao ihany koa ireo manana eritreritra hafa tsy nomena vahana loatra any amin’ny tany efa mandroso any. 

 

Etsy ankilan’izany indray, marina fa miezaka mamoaka vaovao amin’ny teny malagasy ny maro amin’ny gazety eto Madagasikara. Efa nozarina amin’ny “faits divers” na tsikaritra etsy sy eroa anefa isika raha vao lahatsoratra amin’ny teny malagasy no vakiana. Mino kosa aho fa ny sehatra tahaka itony no hahitana fanadihadiana ataon’olo-tsotra manerantany ho amin’ny teny malagasy mba hananany ny hasina sahaza azy. Koa na dia heverinao aza fa efa novakianao tamin’ny tenim-pirenena hafa ny lahatsoratra iray hitanao tao dia mba tsara ihany koa ny mamaky azy amin’ny tenin’ny Ntaolontsika e! Ndrao koa isika dia vonona ho amin’ny fandikan-teny. Raha mazoto amin’izany fandikanteny izany moa ianao dia tsaratsara kokoa raha manoratra any amin’ny Lova Rakotomalala na any amin’i SipaKV ihany koa, any amin’ny blaoginy any. Marihina anefa fa asa mitohy io na dia asa maimai-poana aza fa tsy vitan’ny taitaitra fotsiny. Dia mirary soa ho antsika eo am-pamakiana azy e!

Hevitra

Misaotra e [Valio]

Misaotra jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 20:08, 2007-09-24

Tafiditra! [Valio]

Tafiditra ao anatiny koa ianao izany e! dia efa miomankomana amin'izay ary e!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:58, 2007-09-25