PolitikamPamonoana ny Teny Malagasy Ataon'ny Fitondrana Malagasy ankehitriny
Tsy honohono na tsahotsaho na fanahiana fa tena miditra amin’ny famonoana ny teny malagasy tokoa ny fitondrana malagasy amin’izao fotoana izao. Ny gazety midi madagasikara tamin’ny sabotsy 22 septambra no nanambara fa novorian’ny minisitry ny fitsarana sady mpitahiny ny tombo-kasem-panjakana ny tonian-dahatsoratry ny gazety mivoaka isan’andro vitsivitsy teto Madagasikara.
Nambaran-dramatoa minisitra tamin’izany ary fa hamoaka didy hitsivolana ny fanjakana. Io didy hitsivolana io (dekre) dia hametra ny gazety hany mahazo ny tolotra avy amin’ny fanjakana rehefa mamoaka tolotr’asa na fanambarana avy amin’ny governemanta na fanambarana ofisialy rehetra avy amin’ny fanjakana.
Voalaza ao anatin’ny famerana ary fa tsy maintsy mahavoaka isan-gazety 10.000 isan’andro io gazety io ary tsy maintsy mpamoaka teny ofisialy roa fahafahakeliny amin’ny teny ofisialy telo ananan’I Madagasikara io gazety io.
Hendratra aho raha vao naheno izany. Iza moa no tsy mahalala fa ny gazety hany miteny malagasy no tsy tafiditra amin’izany, nefa ireo gazety ireo no be mpividy indrindra isan’andro? Ny olan’ireo gazety miteny malagasy ireo anefa dia ny tsy mba ahazoany dokambarotra avy amin’ny orinasa rehetra mihitsy. Ny ankamaroan’ny dokambarotra rehetra manko dia amin’ny teny frantsay avokoa. Efa masaka ao an-tsain’ny orinasa ihany koa fa izay mpividy gazety amin’ny teny malagasy dia tsy mba mahatakatra afa-tsy iny gazaety iny ka vola very maina raha mitonantonana manao dikambarotra any.
Dia ny fanjakana eritreretina mba hanampy ireo gazety teny malagasy ireo indray ity no vao maika mampivoitra izany fomba fisainana manao valalan’amboa ny teny malagasy izany. Nantenaina hanery ny hafa aza izy mba ho ny gazety mpiteny malagasy ihany no amoahana izay tian’ny fanjakana avoaka izay, zavatra aloa vola manko izany mba ho fanohanana ilay teny malagasy, nefa dia nivandravandra fotsiny aho sisa. Farafaharatsiny mba ho ohatra halain’ny rehetra tahaka nefa dia nanara-driandrano tahaka ny deba rehetra ihany. Tena adala aho izany miezaka mandika teny isan’andro ilay sehatra iraisam-pirenena Global Voices noho ny fitiavana ny teny malagasy fotsiny. Adala aho izany raha eto amin’ny vavahadiben’ny blaogy.com no mamoaka lahatsoratra ihany koa na dia misy mahafinaritra aza any an-kafa any.
Dia tsaroako tato anatiko indray ny tononkalo navoakako efa folo taona mahery lasa izay ary avoakako ho hitanareo rehetra anio:
Ny azy sy ny anao
Dia noraisinao ho adidy
Ny nisafidy
Rehefa nolanjalanjainao
Ny vidin’ny azy sy ny anao
Ny azy no dradrainy
Ho tena ilaina
Sy antenaina
Hampivelatra ny saina
Ny anao ny misoko
Dia tenim-poko
Tsy notinoky
Hamoky fahendrena
Ny azy no sahaza
Satria tsy misy ny toa azy
Sady io no fampiasa
Eo anivon’orinasa
Ny anao tsy naranty
Fa nasahato
Mbola velona efa maty
Satria fiteny lany daty
Ny azy no isasarana
Ianarana
Hanome fiadanana
Raha itoeran’ny fitiavana
Ny anao hatramin’izao
Tsy tiana hihavao
Sao
Mandiso indray ny safidy natao
Ny azy no nomena
Ampandresena
Eto amin’ny firenena
Ho mariky ny fahaleovantena
Ny anao ampandeferina
Ka menomenona
Ny iny tokony aherina
No hany averimberina
Ny azy anefa no kendreny
Mba ho fiteny
Iresahana ombieny
Na dia efa antitra aza
Ny anao no tian-kavela
Ho rakitry ny ela
Ka nony toy ny rova may
Vao milelalela ny tahaka izay
Ny azy mihamahery
Mihabe voho
Ny anao mihavery
Satria valalan’amboa
Ny azy izay tratra
Ny hareny
Ny anao mihamahantra
Mahonena
Jentilisa, nosoratana tamin’ny 19 desambra 1995
Ny fanafintohinana momba ilay emeraoda milanja atsasa-taonina teto Madagasikara hita tany La Réunion izao no maresaka teto amin’ny tanàna androany.

Misaotra amin'ilay tononkalo Ra-Jentle fa tena mahafehy azy.
Aza kivikivy ambony ihany amin'ny fandikana lahantsoratra ao amin'ny GV-Malagasy satria izaho koa aza izao hanampy tosika any. Samia matoky satria tsy mbola ampahafirin'ny nataon'ny mpanjanaka izany.
Fanantenako fa hitroatra ny vahoaka dia ireny tsindrona madinidinika ireny no vao mainka hanome tsitro tsy mety lefy ny fitenin-drazantsika ka hitombo hatrany mpampiasa azy :D
Nampidirin'i tomavana — 26 Sep 2007, 12:32
Rariny raha matahotra ny mpanao dokambarotra satria heveriny fa ireo sehatra mpiteny Gasy dia mbola tsy manitona ny Gasy rehetra.
Efa betsaka anefa, raha ao @ serasera.org fotsiny no jerena, ny Gasy izay azo atao hoe cible publicitaire.
Nampidirin'i Hery — 26 Sep 2007, 15:00
Arakaraka ny zavatra amidy angaha. Maninona moa raha tena sahy ry zareo atao amin'ny teny vahiny na dia ireny fampisehoana ataona artista eto an-toerana ireny. Maninona no asiana tarigetra miteny malagasy ihany ny dokambarotry ny orinasa vaventy ka hita avokoa izao "misokatra" sy "manokatra.tontolo" izao? Dia iza no terena hisokatra ary iza no tsy avela hisokatra?
Nampidirin'i jentilisa — 26 Sep 2007, 18:18
Fa hoy aho : TENY GASIKO Ny azy aindrany eran-tany Mba hahery na aiza na aiza Toy ireny tsy mba misy Izany teny gasy izany Tsy ahoako anefa izany Fa ho hiraiko, ankalazaiko Ny tenindrazako lalaiko Ho andrianiko hatrany Na lazainy hoe tenim-barotra Sy tapakila ahafahany Mitety izao tontolo izao Ilay teny hafahafa Tsy dia sarotra Fa haiko Ny teny gasiko tsy ariako Andrandraiko satria tiako Io no efa nibadako Nianarako niteny Teny ampy nihantako Tamin'i Dada sy i Neny Mbola afaka aho nandrato Ireny fahaizako ireny Tenim-pahatanorako Hafa indrindra samy teny Ny teny gasiko Teny mamiko 03.04.01 Koa amporisihako sy aampahereziko izay tia sy miaro ny fitenin-drazantsika.
Nampidirin'i Tsikisariaka — 28 Sep 2007, 17:05
Jereo fa ao @ GVM ity lahatsoratrao ity.
http://www.globalvoicesonline.org/2007/10/05/language-death-evolution-natural-selection-or-cultural-genocide/
Nampidirin'i sipakv — 05 Okt 2007, 15:52
Misaotra anao noho ny fanapahan-kevitra e! angamba aho mety ho lasa fantatry ny mpamaky Global voices ho azy fa mihamiverimberina ao ilay anarana koa!
Nampidirin'i jentilisa — 05 Okt 2007, 18:33