Nodimandry tampoka i Zafihita (Rafilomena)
Araka ny tatitra nataon'ireo mpiray hatsikana sy mpiara-miasa aminy ao amin'ny kidaona maraina androany Sabotsy dia nodimandry halina ny namany mpanao hatsikana fantatry ny mpanaraka ao amin'ny TVM antsoin'ny maro amin'ny hoe Zafihita ary rehefa manao sarimbavy dia Rafilomena kosa. Banga iray indray izany ny ao amin'ny tontolon'ny hatsikana.
Tao amin'ny fandaharana tsikitsiky kely isan-kariva antsoina hoe torak'hehy no nahalalana azy voalohany teo amin'ny fiakarana sehatra. Iray amin'ireo mpanao hatsikana ao amin'ny fou hehy ( na foy hehy) izy no sady nanentana mihitsy. Nisy manko ny fotoana somary nahakivy ireo mpiray tarika aminy fa tahaka ny tsy tian'ny olona ny zavatra avoakan'izy telo mirahalahy. Izy no tsy sasatra mihitsy nitarika azy mirahalahy.
Ankoatra ny mahampanao hatsika azy dia miaramila no asa nolazaina ka mety ho marina tokoa aloha izany. Mpikabary ihany koa ny tenany na ankafaliana izany na ankartsiana. Efa nisy ihany ny niteny tamin'ny alarobia fa maty ny lehilahy saingy voahitsy ihany izany fa mbola nankany amin'ny dokotera izy. Kanjo moa dia lasa tokoa izy ity.
Ny mpanoratra dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana ary mampahery azy ireo manoloana izao te-javatra azo lazaina hoe tampoka ihany izao. Iangaviana izay te-hamangy mba ho any Ambohitrimanjaka avy hatrany fa tsy hakany amin'ny morgue intsony. Raha misy moa ny filazana hafa mila lazaina dia hotaterina eto ihany.






Hevitra
[Valio]
Miara-ory.
[Valio]
Oups... Gravy koa izany.
Miara-miory amin'ny fianakaviana sy ny tontolon'ny hatsikana malagasy.
Anisan'ny nandray anjara amin'ny Kakakaka Kaiamba koa izy ka nampiverina indray ny Kaiamba tena izy.
[Valio]
Marina izany. Ny fiarahan'izy dimy mirahalahy: Francis, Gothlieb ary fou hehy no nahatonga izay kakakaka kaiamba izay...ary reharehan-dry zalahy mihitsy ny "come back" vitan-dry zalahy tamin'io hira "fahiny" io
[Valio]
Tena mampalahelo izany :'(
Tadidiko mintsy i Neninay tsy manaiky mintsy fa tsy maintsy mijery an'ilay torak'hehy iny isan-kariva.
Miara-ory
Mahaiza mionona [Valio]
Tena fandalovana tokoa ny ety, dia mirary fiononana hoan'ny havana sy tapaka ary namana navelany
Indrisy [Valio]
tena tonga ho azy tsy mampilaza tokoa rafahafatesana... tsy mampino mihitsy ilay izy. Ry zareo tao amin'ny kidaona mbola nandefa tsiahy maromaro aninkeo ka miova tsy toy ireny izy tenany no tao... Soa fa nisy ireny zava-kantony ireny tsy mamela azy ho faty tanteraka amin'izay nahalala sy nankafy ny talentany
Miara-ory [Valio]
Koa miray fahoriana amin'ny Artisata ny tenako ary miraray fiononana feno ho an'ny ankohonany
Miara-ory [Valio]
Koa miray fahoriana amin'ny Artista ny tenako ary miraray fiononana feno ho an'ny ankohonany
Miara-ory [Valio]
Koa miray fahoriana amin'ny Artista ny tenako ary miraray fiononana feno ho an'ny ankohonany
[Valio]
Mampalahelo tokoa, izy dia anisan'ny mpanandratra ny teny sy ny maha-malagasy izay tena akaiky kokoa ny vahoaka.
Miara miory @ fianakaviana, ary mitondra ny fankaherezana ho azy ireo ny tenanay.
miaraka ory [Valio]
Dia miary fiononana ho an'ny tontolo nilaozany, atao ahoana tokoa moa fa fahabangana mandrakariva ny fahalasanana toy izao.
HAndry am-piadanana naie ny fanahiny
fampiononana [Valio]
malahelo ny tena satria mpiara mikabary sady mpiara miangona no niray sekoly alahady fahiny.no mpiara nilalao tantara t@izany fotoana izany. koa maneho fiaraha miory @ fianakavianaMiaraka ory [Valio]
Dia mitondra ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviany sy ireo namany akaiky ao @ kidaona maraina. Mangataka ny hanaovana fandaharana manokana ho tsy ahy azy. Mba alefa TVM satria izahay aty @ faritany.fiara miory [Valio]
Miara miory ny fianakaviany sy ny mpiara miasa @ ny mpihaino kidaona eto La Reunion maaiza mionona daholo
fiara miory [Valio]
Ary tena tsy nande h@ radio tana nanomboka sabotsy vao maty lery a Tsy maninona fa fanajana and Razoky zany e Mandry ampiadanana fa efa betsaka no vitanao teto Jocelyn La Reunion
Miombona alahelo [Valio]
Mirary fionona feno ho an'ny fianakavian'i Zafihita rehetra, ny artista namany, sy ny mpankafy azy rehetra.
Amin'ny alarobia [Valio]
Araka ny voalaza farany dia ao amin'ny tranompokonolona Analakely no andrasana ny razana hatramin'ny alarobia (rahampitso)ka avoaka ao amin'ny mitataovovonana. Amin'ny folo maraina ny famonosana no atao. Entina eny amin'ny fiangonana Fiakarana Ambohitrinimanjaka ary alevina eny ihany avy eo. Ny fisoratana anarana handeha fiara ho an'izay tsy manana fiara dia ao amin'ny tranom-pokonolona Analakely ihany ka Ar1000 no sarandalana amin'izany.
zafihita [Valio]
Atao ahoana fa de miandry ny fandaharana tokara hehy vao² zany e de mbola hanoy ihany ve izy roa lahy tsara aloha ilay izy fa de tsy atao mahakivye
MATY VADY zany ra gorge @ zao e
kuku enjana be ra honorah an
[Valio]
mapamangy hoy MEUR MANDA KELY E AZA KIVY RA HERIKA AN
DE MAMPAMANGY ANY @ VADINY ANY KOA E SY NY ZANANY ANY E
IZAY ILAY OE MIARAHA MIORA @ JE MIORE E
OK MEUR MANDA KELY E DONWLOD E
[Valio]
ENJANA BE LESY ZANY LE MATY TAMPKA ZANY E DE AHOANA ZANY SARINY AO KIDAONA MARAINA INY ESORUNA VE RY ZALAHY AN
DE TSY HANAO INTSONY ZANY VADINY LERY VE KUUU
GRAVE