Maharesaka.VETO

26 Okt, 2007

Vita Pazzapa dia miditra Raise your Voice

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 10:10

Hiditra amin’ny famaranana ny Pazzapa V rahampitso sady io rahateo no prime faha-13. Araka ny filazan’ny mpanara-baovao moa dia tsy nahasarika toy ny taloha intsony ny pazzapa tamin’ity taona ity na dia mbola be mpanaraka aza izy. Tsy dia nisy loatra manko ny kotaba manaraka isaky ny vita prime isaky ny sabotsy ireny.Ny tena olana moa dia eo amin’ny resaka fifidianana amin’ny alalan’ny finday matetika.

Efa saiky tsy nisy ity andiany fahadimy ity noho ny fialan’ny Orange tsy ho mpanohana intsony saingy nahay nanararaotra niditra kosa ny Celtel. Izaho manokana moa mahita fa mety noho ny fahataran’ny sms ao amin’ny Orange (izay mety hahatratra 5 na 6 ora mihitsy aza araka ny efa niainana) no antony iray mandiso ny vatom-pifidianana amin’ny fanohanana mpihira iray io. 

Manaraka izany ihany koa dia tsy tiany hifanojo ihany koa ny lalao famaranana eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka erantany amin’ny taranja baolina lavalava dia mody nasiana atsasa-pamaranana ho an’ny lehilahy sy atsasa-pamaranana ho an’ny vehivavy ny prime. Raha tadidintsika tsara angamba fa ora mitovy no nandehanan’ny famaranana rugby sy ny atsasa-pamaranana ho an’ny vehivavy, izay raha ny tena marina dia iny no saiky hanaovana ny famaranana. Izany amiko no atao hoe fahaizana mandritra sy fahaizana haivarotra ihany koa. Miaiky ny ao amin’ny rta aho amin’iny famoronana antenantenany iny.

 

 Fa etsy ankilan’izany dia miditra amin’ny fifaninanan-kira ihany koa ny ao amin’ny mbs group. Raha teny frantsay no mahavantana ny ao amin’ny rta dia teny anglisy kosa no mahamaika ny mbs. Samy manana ny hanitra ho azy tokoa moa ny roa tonta. Fandaharana Raise your voices (noheveriko hoe global voices !) no lohatenin’ny fandaharana vaovao izay hifaninanan’ny antoko mpihira zato nahasoratra anarana voalohany. Tsy mifidy finoana ilay fifaninanana ary 60 ny isan’ny ao anatin’ny antoko mpihira iray. Mba nahita hevitra hahazoam-bola koa ny ao amin’ity vondrona haino aman-jery ity an!

 

 Raha jereko indray ny eo amin’ny tontolon’ny haivarotra dia mahay mikendry ihany koa ry zareo. Tsy ny olona amin’ny ankapobeny toy ny amin’ny pazzapa no tratra fa izay mety ho fiaraha-mientan’ny fiangonana. Ny mpihira rahateo tsy izay mpanandrakandrana fa ankizy na olona efa niara-nianatra avokoa. Dia mirary fahombiazana amin’ity fandaharana vaovao ity ny tenako aloha!


Hevitra

  1. Hay ve jentilisa manaraka pazzapa koa e :-)

    Nampidirin'i Kwasi — 26 Okt 2007, 13:32

  2. Tena ao tsara mihitsy ilay analizy. Misaotra e.

    Nampidirin'i Kwasi — 26 Okt 2007, 13:34

  3. Isan'ny fanalàna azy ankehitriny ireny e ! Rehefa tsy mivoaboaka. Dia afoy hatramin'ny fijerena film fa ireny moa ny hoe télé-réalité. 'Ndeha hankarary fo any amin'ny mbs indray izany. Ataonao fa tsy mampalahelo angaha rehefa resy ny ekipa alainao ? Koa samia mahazo fahafinaretana ary e ! Misaotra an'i Jentilisa amin'ny fanadihadiana e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 26 Okt 2007, 13:51

  4. Tena tsy mpanaraka aho fa maheno ny patipatiny eny ihany ka. Dia avy amin'izay no anoratako ny hevitro

    Nampidirin'i jentilisa — 26 Okt 2007, 13:52

  5. Hay ve e ? fa ao tsara na dia tsy mpanaraka aza ianao ka! Iny fahataraiken'ny sms orange iny aloha no tsy arako.

    Nampidirin'i Tsiks — 26 Okt 2007, 14:00

  6. Efa niaina io ny tao an-trano. Fa angamba mihamalemy ny reseau orange fa any an-tokotany vao azo ny sms fa raha tao an-trano dia tsy mety azo mihitsy!

    Nisy moa ny nitaraina hoe tsy mamaly ny dokotera sy ny karazany nefa mety ho zavatra hafa mihitsy no olona.

    Nampidirin'i jentilisa — 26 Okt 2007, 17:41

  7. no olana no tiako lazaina fa diso io teny farany io

    Nampidirin'i jentilisa — 26 Okt 2007, 17:45

Powered by LifeType