Vaovao Eto anTOerana.VETO

03 Nov, 2007

Mamely ny tenany ny PDS Antananarivo

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 11:37
Maneho ny tahony indray ny solotenam-panjakana eto Antananarivo Renivohitra ka mihoa-pahefana (fandisoam-pitenenana ny teny hoe fanamparam-pahefana satria afaka manampatra ny zoko tanteraka aho raha ara-dalàna izany) omaly zoma.

Efa herinandro mahery no nangatahin’i Andry Rajoelina tamin’ny Madarail hanaovana fanambarana hirotsahany hofidiana ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo ny garan’ny Soarano. Efa nanaiky izany fangatahana efitrano izany ny orinasa nanaovana fangatahana, ho amin’ny andron’ny omaly io. Kanjo rehefa tonga ny andro nikasan’ny lehilahy hanaovana valandresaka dia ny polisin’ny fivondronana sy ny barazy toy ny any amin’ny tany miady ireny no manakana izay rehetra saiky hiditra tao na mpanao gazety na olo-tsotra na mpikarakara ihany koa aza. Raha nanontaniana ny anton’io fibahanana ny vavahady fidirana mankao amin’ny gara io ireo polisin’ny fivondronana dia tsotra ny valinteny: ilain’ny PDS ny toerana (na tsy hanaovana na inona na inona aza fa gafy fotsiny, hay moa hitokanana kabone ka! Fa tsara tarehy an!).


Afaka manao izay tiany atao ny mpitondra raha azo lazaina fa tsy manohina loatra ny fon’ny mponina eto Antananarivo izany fa hivadika ny toe-draharaha raha toa ka hita fa tena olona iray fotsiny no enjehinao. Dia mendrika hanaovana antsojay tahaka izao tokoa ve io zandrilahy nanana ny fiezahana tamin’izay nataony io?


Raha resaka fahombiazana teo amin’ny fandraharahana no lazaina dia olona samy nahomby tamin’ny zavatra nataony ny andaniny sy ny ankilany dia ny nanome baiko hibahana vavahady sy ny niharan’ny fanakanana tsy hanatontosa ny fikasany. Ny olona nahomby tsy maintsy nisy nanohana hatrany na dia nisy dia nisy tokoa aza ny ezaka manokana nataon’ny tenany. Mety ho tadiavin’ny mpanara-baovao politika ihany izay ao ambadiky ranona na i ranona saingy amin’ny ankapobeny dia ilay olona talaky maso ihany no tena fantarin’ny maro. Raha mihevitra ianao fa mety sy araka ny tokony ho izy izay natao dia tsy misy na inona na inona tokony atahorana. Ny olona demokraty manaja ny hevi-bahoaka dia tokony hanome malalaka ny hafa hahavita manangana tetikasa iray rehefa tsy mifanohitra amin’ny lalàna izany.


Dia mendrika ny atahorana tahaka izao tokoa ve i Andry TGV(fa tsara koa ilay hoe saika hiainga eo amin’ny gara ny TGV an! Nahita kosa ny midi madagasikara)? Fitodihana ny tantara aloha no azo hamahavahana izay mety ho anton’ny tahotra. Tsaroan’ny maro ary efa nosoratako ihany fa tahaka izao lalana izao indrindra no nodiavin’ny filoha Ravalomanana fony izy efa nahiana hirotsaka ho filoham-pirenena. Efa nanamboatra ny lalana avy tany ambadika ny filoha raha nanao izay hahatsara ny fifandraisana amin’ny fiangonana, hany hery nifandanja tamin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany fa efa tsy mamely tahaka ny amin’izao fotoana izao ihany ny antoko politika mpanohitra. Nanatona sy nanao fanampiana tany amin’ny toerana maro sy ny faritra maro lazaina fa itoeran’ny olona sahirana ihany koa izy tamin’izany fotoana izany. Azo lazaina fa namoaka vola am-paosy mihitsy ihany ka ny filoha Ravalomanana hanatsarana an’Antananarivo izay fomba nakany ny fon’Antananarivo satria mahavita zavatra izy.


Raha mbola tsy nenjehina kosa ny filoha tamin’izy nirotsaka ho Ben’ny tanànan’Antananarivo dia nanakarama olona maro hanao fampielezan-kevitra ho azy. Ireo olona avy amin’ny faritra be mponina no tena nokaramaina tamin’ny volabe tokoa ary ny manodidina ireo olona ireo no nentanin’ireo olona nokaramaina ireo. Raha jerena ny sary jeografikan’ny valim-pifidianana tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna tamin’ny volana desambra 1999 iny dia tany amin’inreny faritra maro sahirana sy be mponina ireny no tena nahazoan’ny filoha vato ka nandreseny ny Minisitry ny paositra tamin’izany fotoana izany sy ny kandidan’ny avi noheverina fa antoko akaikin’ny mponin’Antananarivo tamin’izany fotoana izany. Moa ve misy fihetsiketsehana tahaka izany no ataon’i Andry TGV amin’izao fotoana izao?


Amin’ny lafiny ilany indray dia tena Andry TGV irery tokoa no afaka mifaninana amin’ny PDS amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanànan’Antananarivo. Ny paika ataon’i Zandrilahy sisa no fantarina na hahomby na tsia! Efa manana ekipa matotra sy azony itokisana afaka hiaraka hiasa aminy, tahaka ny tikoboys ho an’ny filoha Ravalomanana, ve izy sa ireo mpanararaotra mety hahita lalana hahazoam-pahefana sy harena manatona azy ihany no raisiny hiara-dalana aminy? Ary hatraiza ny lalana tiany hodiaviny? Androany Sabotsy ao amin’ny Carlton (hilton taloha) moa no notontosainy ny fandaharana saiky nataony omaly.

Ankoatra ireo resaka rehetra ireo dia ho voaporofo sahady indray fa tsy mahomby amin’ny fanaovana politika, na ny fahazoana ny fon’Antananarivo mihitsy ny avy amin’ny antoko mpanohitra milaza ny tsy hirotsaka ho amin’ity fifidianana kaominaly ity. Tsarovy fa hatramin’ny nahalany ny filoha Ravalomanana ho Ben’ny tanànan’Antananarivo dia efa vitsy hatrany ny mpifidy amin’ny fifidianana fa izay mahazo ny fon’izay mifidy ihany no izy na dia 90% aza ny tsy hifidy. Io dia araka ilay hira iray manana ny tonony manao hoe: …izay mahasahy manaraha… ihany.


Hevitra

  1. Raha hanao politika i Andry TGV dia zavatra 3 no tsy maintsy ananany voalohany:
    * vola: tsy manana noho i ra8 izy alou fa ampy hoan'ny ben'ny tanana ny volany...

    * ambition, audace, leadership: ataoko fa anany kou ireo na ny exploit nataony @ resaka injet sy ny evenementielle ataon'lery fotsiny ihany aza.

    * staff technique: na bandy favy tahaka ny in aza izy, tsy ahavita zavatra irery izany. Mila olona intellectuels, strateges ary specialiste marketing miasa any ambadika.

    Io farany io no atahorana tsy ampy any @ lery any.

    D'un cote kosa anefa, inona moa no tena avantage-n'i Hery Rafalimanana e:

    * Renom an'i Tim: azo lazaina hoe misy lanjany ihany io satria ny olona ny toerana misy anao jereny ihany koa. Tsy dia important loatra ihany koa anefa satria tapitra manana fahita lavitra ny ankamaroan'ny ao Tana ary olona misaina sy tsy sodokan'ny endrika ivelany. Ra tsy tao Tana no tena ilaina be ilay etiquette Tim fa ra samy avy ao @ tanana, mifandanja ihany ry zalah.

    * passazy en tant q PDS. Zany hoe nahavita nanamboatra, nanatsara endrika an'i Tana ihany nedala na dia hoe fotoana fohy aza. Zava-bita hitan'ny olona maso izany. No koa hoe afa ihany ny olona manana experience kely, tsy mbola vao hanavao toerana ra toa ka lany ho maire izy avy eo.

    Tsy mena-mitaha @ zay ngefany i Andry TGV. Ary raha ny zavatra nataony, na tany @ prive aza, hitan'ny be sy ny maro hoe misy ny perspectives fa mbola tsy azy fotsiny ny toerana.
    Azony avadika @ avantage-ny tsara mintsy ny zavatra tsy nety nataon'i Hery R. tao @ Mairie. Ohatra hoe le fanariam-pako tsy misy araka ny fitantaran'i hery (tsiky d ampy io an). Zavatra tsotra tsy ilana budget ngoza akory izany nefa tsy vitandry zalah... siora aho fa bedabe ny tokony ho vita tao fa tsy natao ra tena hoe izay no hilofosana hojerena.

    * Tiko-boy,
    atout ihany kou io en qlq sorte hoe ra akaiky ny filoha ny maire dia mora kokoa ny famoahana credit hoazy ohatra na hoe possible makany @ doly ny financement ra mahita tataka any @ sisiny ny filoha. ..
    Eto anefa dia mipetraka le kozin'la hoe mitovitovy ihany ny situation an'i ra8 sy Andry TGV fony ra8 maire. Plus no-harceler-na i nedala plus nitongilana tany aminy ny balance. Zany hoe tsy interet an'i ra8 mintsy ny mi-sozy azy ra toa ka lany izy. Fa mety izay no fanobohan'ny fikorosahan'ny fitondrany.

    Za aloha mahita hoe, voan'i Andry TGV io ra manana an'le staff technique izy e. Ny media, izy efa manana an'le viva io. Bolina miady tsara mintsy io ary ny olona efa manomboka leo ka mila rivo-baovao...

    Nampidirin'i simp — 03 Nov 2007, 15:04

  2. izay tsy mi-risque ouainina !!!

    Nampidirin'i ikalamako — 03 Nov 2007, 16:11

  3. Le fanehoan-kevitra tahaka izay mihitsy no tena ilaina e! hita amin'izany fa mety hiady tokoa ity baolina ity fa ho endri-tanàna angamba ny an'ny Zaikabe Merina raha izao(kandida fahatelo)

    Nampidirin'i jentilisa — 03 Nov 2007, 16:22

  4. Izahay ry Jentil OLP a ! Fa raha samy avy eto an-tanàna no miakatra ring dia iza no alaina ? Efa vitan'i Simp ny analizy.
    Ny tanora toa an-janako dia izay bôgôsy no alainy sady fifidianana voalohany ataony io.
    Izaho aleo hanao spect amin'ity e !

    Nampidirin'i Tsiks — 05 Nov 2007, 12:19

  5. izay le sady bogosy no mpanana ve ry tsiks ?
    Ary le nirohotra nifidy dadaMonja taloha ???

    Nampidirin'i ikalamako — 05 Nov 2007, 12:43

  6. spect fotsiny ahoana e?

    Nampidirin'i jentilisa — 05 Nov 2007, 16:32

  7. Miarahaba, Tsara rehefa misy ny fifaninanana. Ilay fananana sy fampiasana staff technika voalaza no tena itako hampiavaka ny handresy sy ny ho resy. Ary raha tsy mahay sy mifatoka aminy atao hoe fampihalezank'hevitra ny ao dia ho vita ny azy. Ny campagne electorale dia mitovy aminy campagne militaire sy campagne commerciale (tsy ireo ihany akory): misy fifaminganana/fifanaratsiana/fandontoana aminy zavatra tsy nisy/sns...Ady no atao. Ny fampihelezank'hevitra dia mila « olona « , « hevitra », izay voa « vola » fa tsy arakiny fiheveran'ny maro hoe ny « vola no tena manandanja sy manavaka ». Mino aho fa fantatr'i M. Ramiarinjatovo ben'ny tanana Alasora izay specialiste ny « business plan/gestion de projet » izany., fanatriny PDS Rafalimanana izay nitondra fihovana an'Antananarivo koa, ary fantatr'i Andry Rajoeline zad-raharaha aminy « manifestations evenementielles » koa.. Ny olona ilaina voalohany dia olona mahatsapa ny filana sy mahafehy ny « sondages d'opinion » ary mahay mamoaka ny tena hevitritra mivaingana avy aminy mpifidy (ny faniriany/tiany/ekeny/laviny/sns). Tsy indray mandeha fa matetika. Ho ita ao koa ny ampahan'ny mpifidy vonona/mbola mieritreritra/tsy vonona/tsy manank'hevitra hifidy ny tena. Ny olona ilaina faharoa dia olona manangana « slogan » (toa efa misy io) sy « theme(s) « izay ho voasana ary hampifanarahana tsara aminy vokatriny sondage(s) isakiny mandray fitenenana sy manao kabary ny kandida sy ny solombavany Ny ilaina faha-telo dia olona mandinika sy manaraka ny hevitra sy fihetsikin'ny mpifaninana aminy ary dia manamboatra/manintsy ny an'ny tena hanoerana na/sy hampisehoana miaraka aminy ohatra mivaingana ny maha ambony /tsara/mahaomby kokoa ho an'Antananarivo. Mila centraliserna ny communications rehetra indrindra mba hisiany coherence na dia tsy hitovy aza ny kabary hatao ho an'ny Isotry sy ho an'ny eny Ivandry ohatra. Ny olona faha-efatra dia ny zad-raharaha mikasika fikaroham-bola , mahay mandresy lahatra ny mpikambana ara-politika , mpandrararaha/fikambanana malagasy sy vahiny.. Miaraka amin'ireo ny mifehy ny fitatanambola. Ny olona faha dimy dia olona azo toky ary mifehy ny fanomanana fihetsehana sy fisehoana. Misy karazana asa hafa toiny fanarahana ny fifidianana eny aminy tranom-pifidianana koa, ny mpametraka afisy sns...... Ho ampy ve ny famparitahana ny teny fotsiny hoe « akafizin'ny tanora », « specialiste en gestion de projet », « efa nitantana an'Antananarivo avec des actifs »? Amiko tsy ho ampy raha manana « staff tekinika » arakiny voalaza ny iray amin'ireo. Mila asa sy indrindra organisation ny fifaninanana toy izao omanintsika izao. Ka izay maha vita izany ary mandresy dia tokony ho arabaina sy ho ekena. Ary tsy hoorakoraina ny resy. Ktana

    Nampidirin'i Kitana — 06 Nov 2007, 07:58

Powered by LifeType