Depiote o! ahoana ianareo amin’ireto?
Raha ny tokony ho izy dia saika afak’omaly ihany koa no nampidirako ity bolongana iray ity saingy naleo navahana ihany satria samy manana ny hanitra ho azy ny vaovao na dia misy ny mampisenton’hafaliana nefa tsy tena afa-po loatra aza. Voalohany amin’izany ny mikasika ireo volavolan-dalàna 23/2007 sy 24/2007 araka izay efa nosoratako tamin’ny 22 septambra (andro mialoha ny fifidianana ho depiote indrindra) mitondra ny lohateny hoe fanontaniana sy valiny iny. Tamin’ny vaovaon’ny talata alina no nitaterana tamin’ny mpihaino fa volavolan-dalàna telo no nolaniana tamin’io andro io. Voalohany amin’izany ny volavola 16/2007 misahana ny harena ankibon’ny tany sy ny fizahantany amin’ny firenena anatinn’y Sadc. Faharoa sy fahatelo dia mitondra ny laharana 25/2007 sy 26/2007 izay mikasika fifandraisana amin’ny any ivelany hatrany. Fahitana azy amin’izao dia mbola voadingana aloha ny 23/2007 sy ny 24/2007 izay mampanahy ny mpiasa ary indrindra indrindra ny ao amin’ny sendika satria fampihenana tsotra izao ny zon’ny mpiasa sy toa tsy firaharahiana loatra ny mpikarama Malagasy.
Aleo averina kely ho an’izay mety tsy haharaka fa fanomezan-dalana mampiditra mpiasa vahiny araka izay ilain’ny orinasa, fampihenana ho 15 andro isantaona ny andro ahafahana manao zavatra hafa mety mahaporitra na ialana sasatra fotsiny izao ary ny fahazoana mampiasa vehivavy amin’ny alina sy amin’ny fotoana tsy voafetra tsy mila fahazoan-dalana mialoha amin’ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy no votoatin’ireo volavolan-dalàna izay hitako sy reko fa nahamaika fatratra ny tao amin’ny Minisiteran’ny toekarena araka ny nambaran’ny Minisitra vaovao misahana io rahateo (tsy nilaza ny laharan’ny volavolan-dalàna izy fa ny nilazany azy dia hoe lalàna mikasika ny orinasa afakaba efa mipetraka any amin’ny antenimieram-pirenena kosa). Mbola nahantona ve ny fandinihana ireo volavolan-dalàna ireo, izany hoe tsy nampidirin’ny komisiona na ny filohan’ny Antenimiera sa efa nolaniana saingy nolavina? Ilay voalohany no mety ho natao amin’izao ankatoky ny fifidianana ho Ben’ny tanàna izao satria mety ho nalaza ny fandavana raha nisy izany.
Mamarana ny androany kosa dia miseho indray ny fitiavantenan’ny Depiote nefa ny tena vao manomboka miasa. Nitaky ny hampakarana ny tambin-karama manko ry zareo, oadray diso fanoratra aho, niangavy ny hampakarana ny tambin-karama ry zareo noho ny fisondrotra sy halafon’ny vidim-piainana. Ny hafetsena dia izao fiangaviana ihany no natao na ho ekena izany na tsia, nefa karazana hakanosana ihany izany araka ny fijeriko azy. Rehefa mitaky dia mitaky fa tsy miangavy izany. Efa manamarika ny fomba fisaina sahady ny fomba nanehoany hevitra. Mpanao lalàna ve ianao no manao izany koa tsy dia izay baikon’ny mpanatanteraka ihany izany no atao? Toa ezakezahana apariahana fatratra ao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ao ny fahaiza-mitarika nefa toa rano atondraka amin’ny gisa fotsiny ny vola afafy hamoriana ny olona hampianarana ny amin’izany taranja izany. Nefa eo ihany isika dia toa mampiharihary ny fijerena ny tenany fotsiny ny ataon’ireo Depiote ireo, Fa angaha moa tsy tratran’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny vahoaka izay nifidy sy tsy nifidy azy? Sa dia mbola solombavambahoaka amin’ny fihinanana ihany ireto olona ireto fa tsy solombavambahoaka amin’ny fiatrehana sy fanadihadiana ary fanarahamaso ny fiainam-pirenena sy ny asan’ny mpanatanteraka indrindra indrindra? Toa lasa mangidy fara koa izany bolongako izany nefa tsy hilaza ny zavamisy tsikaritra indray ve?
Saika hosoratako ihany koa ny momba ny hetra alain’ny fanjakana manomboka amin’ny taona 2008 nefa sao dia lava loatra amintsika ka amin’ny manaraka angaha raha manam-potoana. Sombiny kely amin’izay hita ao amin’ny volavolan-dalàna 27/2007 eo amin’ny pejy faha-20 ihany no soratako aloha hahazoantsika ny fandehan’ny resaka: Nasiana fanovana tanteraka ny hetra amin’ny vola miditra. Natambatra ho hetra tokana amin’ny tahany tokana 25% (raha 15% teo aloha araka ny fahalalan’ny mpanoratra azy ka tsy azoko ilay lohateny lehiben’ny midi madagasikara nomena anarana hoe Hetra amin’ny vola miditra (IR ilay IGR teo aloha), ny hetra alaina amin’ny tombombarotry ny orinasa (IBS), ny hetra amin’ny fidirambolan’ny isam-batan’olona (IRNS) ary ny hetra alaina amin’ny tombom-barotra (IPVI). Raha ny resaky ny mpikarajia dia ny tsy faly no betsaka eny fa na dia amin’ireo mpanohana ny fitondrana amin’io karajia io aza.

* efa nosoratako tao @ fanotaniana sy valiny ilay resaka fampidirana vahiny hiasa any antanindrazana. Tsy tokony atao baranahiny io fa hihakatra be mintsy ny taux de chomage ra vao avela hanao izay tiany ny orinasa. Tokony izay cadre sup ihany sy izay asa tsy misy teratany mahavita (capacite) ihany no omena ny vahiny na du moins tokony ny gasy no atao priorite, refa tsisy gasy mahavita ilay asa ni-postuler zay vao omena ny vahiny ilay izy. @ zao alou tsy dia ho olana io satria isika firenena miteny frantsay e, fa atahorana ihany dans le long terme sy a moyen terme ra toa k misy petrole marina any amitsika. :)
* Marina aloha fa ny depiote no mpanao lalana e, karazan'ny hoe Conseil d'Admninstration an'ny executive. Noho izany tsy mila mangataka any @ executive mintsy fa tonga dia manao proposition de loi fotsiny dia laniany dia tsy maintsy ataon'ny executive iny ra tsy anticonstitutionelle. Kanefa kosa tokony hoe manaraka ny directive politika, sy ny fahitan'ny antoko na ny vondrona parlementera nanolotra azy ilay lalana satria ra tsy izay dia tsy tokony ho lany ilay izy. Raha toa ka lany izany ilay izy dia logiquement hoe efa nifanarahana na hoe hevitra hitan'ny antoko fa mety. Ra toa izany ka mangataka ry zalahy ireo dia tsy ny hevitry ny antoko ilay izy fa hevitra heverin'zala hoe tokony hatao fotsiny...
* Impot sur le revenu 25%: za aloha tsy anameloka be satria nisy firenena (Europe de l'est,...) nampiasa an'io taux uniq, toa otran'ny nety e. Mora kokoa ny fikajiana ny hetra ary azo tsapaina ra toa ka misy "Effet Laffer" eo @ ekonomia. Mino aho fa efa nanao kajy ekonometrika ny fanjakana matoa sahy miditra @ ilay systeme.
Na izany aza anefa ra izaho manokana hitako fa diso be ny politikan'ny redistribution an'ny fanjakana ra toa ka hoe hampitovy ny harin-karenan'ny mahantra sy ny manan-karena no tena tanjona (hampanan-karena ny mahatra ozy ary tsy haka ny an'ny manana...) Tokony natao progressive ihany io na hoe classe 2 fotsiny aza. Ohatra tsotsotra hoe izay mihoatra ny 5 millions ny karamany tokony mandoa amboniny. Izay mihoatra ny 10 millions, mihoatra noho izay.
Miankina tanteraka @ base-n'ny tax ilay izy ary mety izay no tena antony nanaovandrizareo azy ho taux unique satria mety hoe olona 100 fotsiny no voakasik'ilay mihoatra ny 10 millions teo ohatra dia tsisy impact firy ilay izy fa aleo re-investisser-ny ny volany...
Nampidirin'i simp — 10 Nov 2007, 22:11