Tsy misy mpandimby no tanjona
Aretina mpahazo ny manam-pahaizana aty amin’ny tany mahantra angaha ity soratako etoana ity. Ny mpitondra fanjakana dia mifofotra mafy mba tsy hisy olona ho afaka mandimby azy fa raha misy manko izany dia loza mananontanona ho azy ny fiheverany iny olona iny. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany anefa no mpanao izany fa hatrany amin’ny fampianarana ambony iray miankina amin’ny fanjakana etoan-toerana mihitsy.
Toy ny rafitra efa mipetraka hanakanana ny tanora tsy hivoatra ka hanana mari-pahaizana ambony noho izy no resahina eto. Efa mandeha moa fihodinana faharoa amin’ny taona voalohany ao amin’ny sekoly iray (tsy tiako hotononina aloha) ao Ankatso ao. Isan-taona ny salanisam-pahafahana tamin’io sekoly (faculté) io dia 10 amin’ny 20 ka eo ho eo amin’ny 100 no afaka amin’ny fihodinana voalohany ary eo ho eo (izany hoe manodidina ny) 50 kosa no afaka amin’ny fihodinana faharoa. Taona voalohany io, rehefa mandeha indray ny fanadinana hifindrana kilasy taona faharoa dia mihena ho 50 any ho any indray sisa no raisina hiakatra kilasy. Any amin’ny kilasy ambonimbony any dia zara raha misy 7 na latsak’izany aza sisa no hanohana ny fikarohany. Misy aza “famatsiam-batsy” (nahatratra fito tamin’ity taona ity) avy amin’ny fanaovana fanohanana fikarohana no tsy nisy mpandray intsony satria tsy nisy mpianatra tafakatra hatrany intsony. Io famatsiam-batsy io moa dia misy fandefasana ny mpianatra hianatra any ivelany mihitsy (Canada, US,…) saingy lasa ny mpampianatra indray no manao ilay fikarohana toy ireny hoe izy indray no mpianatra hanala fanadinana.
Io sekoly io dia tsy fanadinana no hidirana ao ka hoe 100 no tafiditra eo amin’ny taona voalohany dia tonga hatrany amin’ny farany avokoa izy 100 ireo na ny latsaka kelin’izay fa efa ifanarahana mihitsy hoe tokony ho izao sisa ianareo rhefa toonga amin’ny taona fahaizao. Amiko karazana fitaka ihany ilay izy satria efa tonga any ambonimbony any ianao dia mety ho araraka fotsiny satria efa feno ny isan’ny olona tsara naoty kokoa noho ianao dia voatery mamerina kilasy ianao raha mbola mazoto hahaizanao bebe kokoa, amin’izay fotoana izay anefa dia na mihena be ny vatsy azonao na mety tsy hahazo intsony aza ianao. Eto indray aho dia hiverina hiresaka amin’izay saiky hosoratako.
Eo ho eo amin’ny 100 no afaka fihodinana voalohany ary 50 kosa no afaka fihodinana faharoa amin’ny ankapobeny isan-taona, hoy aho tetsy ambony. Tamin’ity indray mandeha ity satria nianatra be ny ankizy dia 150 ny isan’ny ankizy tokony ho afa-panadinana fihodinana voalohany avy hatrany. Raha ny tokony ho izy izany, satria efa voafetra ho 150 ny isan’ny mpianatra raisina hianatra taoona faharoa dia tsy tokony ho nisy intsony io fihodinana faharoa io dia novana ny fanapahan-kevitra. Tsy izay mahazo ny salanisam-pahafahana no afaka fa ireo 100 voalohany ihany. Ny ankoatra izay dia mamerina fanadinana avokoa izay tokony hamerina. Eo no tena mahavariana. Ity tokoa no tonga amin’ilay teny hoe Antonoara (tsy haiko ny fanoratra azy amin’ny teny frantsay) politikam-panasivanana ny mpianatra malaza ho ataon’ny Oniversite eto Madagasikara fa mbola mitohy hatramin’izao. Eo no tsy mazava amin’ilay hoe Fakiolitey eto, misy famerana mpianatra tahaka izany angaha moa izy ity? Concours isantaona izany no banjinin’ny mpianatra ato amin’ity sekoly ity? Itarainana mandrakariva ny tsy fahampian’ny mpampianatra nefa toa ny fomba mihitsy no manao izay tsy hisian’ny mpandimby. Ry taranaka ô! Raha tahaka izao, ka manana fahafaha-manao ianao mandehana mianatra any ivelan’I Madagasikara aloha.

fa inona moa no tena dikan'ilay fihodinana faharoa e ?
Fa ilay ferana amin'ny isa fa tsy amin'ny naoty kosa aloha tsy mety e. Tokony hoe any am-boalohany mihitsy dia efa izay mpianatra ho zaka hatrany amin'ny farany ihany no raisina.
Maty antoka be loatra ilay efa lany herintaona na 2 na 3 aza vao tratran'ny hoe tsy ho afaka manohy intsony ianao na mazoto sy mahay aza satria feno ny toerana.
Nampidirin'i lap — 13 Nov 2007, 09:22
> Io famatsiam-batsy io moa dia misy fandefasana ny mpianatra hianatra any ivelany mihitsy (Canada, US,…) saingy lasa ny mpampianatra indray no manao ilay fikarohana
Ka izy mpampianatra aza tsy nahita tany sy firenena ve dia ny mpianatra inadry no alefany :( "avelao ho avy ao aorinako ny tondra-drano" hoy ny Frantsay [après moi le déluge]. Mbola ilay jery fohy hatrany fa tsy ny lavitra ...
Nampidirin'i tomavana — 13 Nov 2007, 10:57
1° session sy 2° session no tiako lazaina e! fa indraindray koa ity teny malagasy ity manahirana!
Nampidirin'i jentilisa — 13 Nov 2007, 12:44
Salama e,
Mbola nianatra teny tany amin'ny taona voalohany tany aho no efa nisy ny vatsy tsy ho an'ny mpianatra izany mihitsy e ! Aleo tsy noeritreretina... [nefa misy sampana dia mizara io vatsy io ho an'ny mpianatra mendrika].
Ny tohana aty ambonimbony dia iainana mihitsy fa na dia manao fikarohana aza ianao dia ny "aza maika" no fanafody omena anao ka izay tsy mahandry dia mazava ho azy fa mitsoaka an-daharana ary miala maina tokoa. Izay maharitra moa dia... fotsy ny volo ka "défi" ho an'ny tena sisa no atao faneva hoe "tsy maintsy vitako io".
Dia ahoana moa izany ny ho avin'ny taranaka amin'izany ? Ny tena mihevitra fa hafa ihany ny avy eny amin'ny anjerimanontolo (tsy resahina ny fahafahana mandoa vola any amin'ny tsy miankina) kay moa izany efa sivana hatrany am-piandohana. Dia inona no hevitra mba ho isan'ireo mpifaninana hatrany an-tampony ny ankizy ?
Nampidirin'i Tsikisariaka — 13 Nov 2007, 13:03
jentilisa, azoko hoe 2e session
fa ny tena dikan'ilay 2e session mihitsy no tiako anontaniana : inona no antony nampisiana 2e session amin'ny fanadinana ? hanenjehana isa fotsiny ve ?
Nampidirin'i lap — 13 Nov 2007, 13:27
lap, ka mety ho fahazaran-dratsy mihitsy ihany koa. Raha ny tokony ho heviny dia hoe avotana izay mety ho tratran'ny "voina" madinidinika nefa raha amin'izao endriny izao dia mampalahelo ihany. Verezim-potoana amin'ny tsy misy dikany ny mpianatra.
Aleo marihina ho an'ny mpamaky fa tsy ny ao amin'ny Oniversite manontolo no manao azy fa misy sampam-pianarana tena mahagaga mihitsy fa na manampy aza ny Onivesrite any ivelany dia tsy raharahany izany.
Lasa ny eritreritra hoe tsy mba misy fanamelohana azo atao amin'ny trangan-javatra toy izao ve?
Nampidirin'i jentilisa — 13 Nov 2007, 16:05
Tsikisariaka, mety ho efa niharan'izao toe-javatra izao ihany koa izany ianao?
Nampidirin'i jentilisa — 13 Nov 2007, 16:06
Eny.
Ny fanamelohana ve tsy efa izao ataon-tsika izao fa tokony hisy sazy nefa aiza ho aiza no isoratan'izay sazy izay ka ahafahana mampihatra azy ?
Nampidirin'i Tsikisariaka — 14 Nov 2007, 14:04
Misy fahamarinany ihany fa tsy dia tena marina loatra kou anefa t@ experiansa-ko. Tantara kely: Ny tao @ departement anay (izay tsy tononina eto) izao ny promotion teo alohanay olona 1 fotsiny no nahazo licence 1ere session @ mpianatra 140. Tena nahoraka be erak'Ankatso 1 vohitra io, eny fa na teny @ ISPM aza. Tena hoe notsotsofina fa naika 0 ny resultat. Nalaza be mintsy hoe misy filtre matanjaka be ao. Nihorohoro doly izany izahay hoe tena ity vao t.. kanefa in akory no nitranga teo fa mba nisy 11 zahay no afaka 1ere session ary niampy 10 t@ 2eme session. Ny promotion tao arinanay lasa 30 mintsy aza ny nahazo licence refa natambatra ny 1ere sy 2eme session. Ny tiako hahatongavana dia hoe tsy dia misy loatra le hoe toetra manao kakay fa ireo mpianatra mintsy no efa tsy mivakl loatra ary manatena an'ilay moramora hatrizay ka sendran'ny henjana (satria misy diploma kosa io kou). Izany hoe ny reputation an'ny departement no voakitika ra bandy tsy alehany no mivoaka avy ao. Ny hilazako fa marina kosa anefa dia hita taratra ao @ ilay departement ary fantam-poko fantam-pirenena hoe gejaindry zalah prof titulaire ny toerana prof. Izany hoe ireto Maitres de conf. te hanao Doctorat d'Etat (t@ rafitra teo aloha) dia tena bloquer-ndrizalah tanteraka. Ary ny lalana ao @ univ anefa dia milaza mazava tsara fa tsy maintsy Prof gasy ny 1 @ ireo membre de jury (tsy tadidiko tsara fa mety ilay president de jury mintsy aza no tsy maintsy gasy). Ary eo no tena mampibloque azy satria na maka prof avy any andafy aza atao ao @ commission de lecture sy membre de jury dia tsy avelan'ny prof gasy ho souteni-avana mintsy ilay izy... Ary ny tena loza dia mifampiray tsikombakomba doly ny prof retra hampety an'ilay fika :) Na hiova rafitra LMD ary isika dia tsy hampiova n'in in mintsy izany satria ry zalah ihany no ho ao @ comites an'ny 3e cycle. Normale be zany satria tokony ol efa prof no mitsara hoe tokony ho prof ny ol iray. Dia ny eo ihany no ho eo. Refa miresaka @ mpianatra ngefa ry zala milaza fa tsy mi-bloque olona te hitovy rang aminy izany... hita moa fa resaka voninahitra sy politika fotsiny ilay izy. Ry zala kosa alou mirevy an'ilay mpianatra bandy vao misondrotra. Ary tsy olana aminy mintsy ny manome recommendations sy mamporisika indrindra @ hoe business atao fa tsisy vola ny fampianarana hihihi. Ny tena vokatr'ilay izy anefa dia refa mande any ivelany ny mpianatra gasy dia mahazo tso-drano avy @ ireto maitres de conf isan'isany hoe aza mody izany mintsy ra tsy efa prof titulaires fa eto tsisy anjaramasoandron'izany eto. Sady efa tsisy vola no tsisy grade 8) Zany hoe ny antenaina ra handroso ihany ny firenena mety afaka mampiditra mpampianatra vazah @ izay isika ary ireny no mety hampiova ny toe-tsaina eo anivon'ny ainjery manotolo. diavolan-ko lava e :P
Nampidirin'i simp — 14 Nov 2007, 15:19
Aoka fotsiny mba tsy ho frantsay izay mpampianatra vazaha mety ho tonga hanampy tosika eo. :-p
Fa hitako mbola mankarary fo kely ahy foana aloha ilay hoe 600 ao @ medecine no mianatra 1re annee kanefa toa 200 ihany no raisina 2eA (raha tsy diso aho). Isan-taona izany ao misy ankizy 400 vizana ara-bola, ara-batana sy ara-moraly. Kozy fa na nivarotra anana aza ireo nahazo tombony kokoa.
Asa na heverina ho mampisy lanjany an'ilay diplaoma ny isan'ny olona nihintsana na ahoana.
Nampidirin'i lap — 20 Nov 2007, 11:14
Ataoko fa rehefa karazan'olona dia mitovy avokoa fa tsy voatery ho ny firenena loatra no mamaritra ny toetrany. Raha eo amin'ny sampam-pianarana fitsaboana indray dia hitako fa ny frantsay ihany no tsy maintsy akaiky antsika amin'io lafiny io na izano no diso fijery!!!
Nampidirin'i jentilisa — 20 Nov 2007, 12:38