Lycee Ambohimanarina tale nanaboridana mpianatra maro
Tsy dia fanaoko loatra ny lohateny sahala amin’izao saingy misy ihany ny fotoana tsy maintsy miresaka azy. Ity tranga ity manko dia tsy mitovy loatra amin’izay famoakan’ny gazety nefa ahiana ho lasa fomba fanaon’ny sasany indray. Tranga eto Antananarivo renivohitra amin’ny sekolim-panjakana ka singanina kely hanairana ny tompon’andraikitra mahefa.
Ho fanasaziana ireo mpianatra amin’ny Lycée Ambohimanarina (Ambohimanandray), amin’ny tranga tsy notantarain’ny mpiantso loatra, dia nasain’ny tale niboridana avokoa ny mpianatra rehetra alohany idirana ao an-dakilasy na lahy na vavy. Silipo sy tatinono sisa no teny an-koditry ny tsirairay izay te-hiditra ao an-dakilasy fa izay tsy nanaiky nanao izany kosa dia nitodi-doha nody. Ranomaso ny an’ny maro niharan’izany herisetra ara-tsaina izany. Tsy ampy inona angaha ilay tale no mahavita izany fihetsika izany?
Ny antony anoratako azy etoana dia noho izy any amin’ny sekolim-panjakana no nanaovana ilay zavatra tsy mendrika. Matetika manko ny any amin’ny fanjakana raha misy ny manao zavatra tsy mahomby tahaka izao (na tsy azoazon’ny mpitondra ihany koa ilay mpampianatra na tale eo amin’ny sehatra politika) dia sazy famindran-toerana no azony ka alefa any ankodahoda any izy. Raha izao fahasahiana izao anefa satria eto An-drenivohitra izy no nanao ilay fihetsika dia tsy hijanona hatreo ny hadalany rehefa any satria ny any koa tsy ho afaka hiteny na inona na inona raha tsy hoe nisy namono na namorika angaha. Antso nalefa tamin’ny haino aman-jery io resaka io ary saiky tsy nety nilaza ny toerana ilay mpiantso raha tsy ny mpanentana no nisisika koa tsy maintsy hisy ny tohin’ity resaka ity na handà ny tale na hiara-hitory ny mpianatra, ary efa nisy tompon’andraikitra tamin’ny minisitera rahateo nahare ilay resaka.
Dia hoy koa aho hoe, nahare izay ataon’ny dokotera tany amin’ny toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasa any amin’ny orinasa tsy miankina ary ve ratale nahavita io fanaboridanana mpianatra eo amin’ny fahatanorany io? Izao manko, ary efa niainako kosa ity, tsy maintsy mankany amin’ny toeram-pitsaboana ny mpiasa rehetra rehefa hiditra hiasa, ary atao isan-taona ihany koa io. Ny fanaon’ny dokotera, hanalana sorisory angaha, dia dokotera lahy no mandray mpiasa vavy ary dokotera vavy no mandray mpiasa lahy. Ry dokotera isany koa moa misy mbola tanora loatra angaha ny sasany ka misy mitsikanikany indraindray eny ihany.
Dia ahatsiarovako ny fanaon’ny dokotera maro (indrindra tany amin’ny fanjakana) tamin’ny taona 70 mahery tany koa. Isaky ny misy vehivavy marary manatona an-dry zalahy dia esory ny akanjo foana no teny voalohany nataon-dry zalahy. Fandraisna andraikitra henjana be angamba vao nampijanona io fanao io satria niarananajanona ilay fanao ny dokotera rehefa niainana ny taona 80. Tsaroako efa nolalaovin’ny mpanao tantara tamin’ny Radio Madagasikara mihitsy manko io tranga io noho ny halazany loatra. Araka ny efa nolazaiko ihany dia tsy tia mitantara zavatra tahaka izao loatra aho ndrao dia ataon’ny sasany fakana tahaka indray, nefa ho hita eo ny tohin’ity tranga teny Ambohimanarina ity aloha.

mapme mahatezitra le tantara kle :)
* tsy manakivy an'le tale ah fa hoavy aminy ny tsy mety, aza atao henon'i ra8 fotsiny fa aleo mba ny ministra no hanasazy azy :D tsy vitan'ny hovoaroka fa mety higadra mintsy aza :)
* any @ sisiny ngamba tsy afaka hanao otr'zao izy fa misy foko otran'ny tsy azo kitihana mintsy fa tonga d ny aina no fetra ra vao mistyle... Ambanivohitry Tana ihany zany izy no afaka hanao adalana toy izao.
Nampidirin'i simp — 21 Nov 2007, 17:52
raha taty frantsa izany dia voaroaka tsy misy hatak'andro akory ilay talé avy eo fa manome ny fanazavany izy, fa dia efa miandry azy koa aloha ny varavaran'ny sazy e!
Nampidirin'i sipagasy — 21 Nov 2007, 23:27
Ny lohateny lehiben'ny gazetiko, avy amin'ny midi manana ny fahaizana manokana momba itony tranga itony no nanamarika fa "ora telo" no najaridina toy izao ny mpianatra.
Nampidirin'i jentilisa — 22 Nov 2007, 07:11
alefaso ao amin'ny ministera izany olona izany dia asaivo miboridana koa mba ho hitany ny daoziny
Nampidirin'i zety — 22 Nov 2007, 18:13
enga anie ka nafana ny andro tamin'ny raharaha nitranga
Nampidirin'i Rajiosy — 22 Nov 2007, 19:44
Mafana mihitsy aloha aty amin'izao fotoana izao e!
Nampidirin'i jentilisa — 23 Nov 2007, 07:37
Raha raiaman-drenin'ny mpianatra aho @zany mety maratrako ilay tale kle !
Fa ny bandy kely zao mety faly ery @zany an :-)
Nampidirin'i lap — 23 Nov 2007, 10:33