Tena Gros Outsider tokoa i Madagasikara
Efa nanoratra tao amin’ny Malagasy Miray i DotMG fa ho be tongotra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena roa miaraka eo amin’ny baolina fandaka dia ny CAN 2010 sy ny FIFA world cup 2010 izay hotanterahina any Afrika Atsimo. Ny antony nilazany izany moa dia noho isika mbola nanao lalao savaranonando tamin’ny fifanintsanana mialoha sy noho ny filaharana misy antsika mbola ambany dia ambany eto amin’ny Kaontinanta. Na iza na iza, hoy izy, ny mpifaninana amintsika dia mbola tena lavitra dia lavitra tokoa ny lalantsika. Ny faniriana moa dia mba ho hafa kokoa indray no hifanandrina amintsika ary mba tsy hisy ireny mora miala an-dalana ireny ny vondrona misy antsika ka tsy hahatafiditra antsika hiady ny laharana faharoa tsaratsara farafaharatsiny. Ny faniriana faharoa aloha dia nivaly tokoa satria firenena mbola tsy niala an-daharana mihitsy no misy antsika fa ny faniriana faharoa kosa dia tena indrisy ho antsika tokoa.
Rehefa natao ny alahady 25 novambra 2007 ny antsapaka dia tafiditra tao amin’ny vondrona fahafito isika Malagasy. Ratsy dia ratsy ny toerana misy antsika satria dia tafaraka vondrona amin’i Côte d’Ivoire indray isika. Firenena izay tsy vitsy ny Malagasy mpitia azy, indrindra ihany koa noho ny fisian’ilay lohalaharana malaza Didier Drogba. Hiverina indray ve ny tantara sa hahala vela amin’izay ny Malagasy. Na dia ny fisian’io firenena io hifaninana amintsika fotsiny aza dia tokony hanala ny hambo diso toerana rehetra na avy aiza na avy aiza eo amin’ny seha-panatanjahantena lazaina manokana eto. Tokony esorin’i FMF (federasionan’ny baolina fandaka Malagasy) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza.
Ankoatra io vato ahiana tsy ho voadingan’ny Malagasy io dia firenena tsy resin’ny Malagasy intsony koa tao anatin’ny fotoana faraparany teo ny mpifanandrina amintsika hafa satria mpifaninana tao amin’ny Cosafa Castle Cup ihany izy ireo. Tsy iza moa ireo firenena hafa ireo fa i Mozambika izay efa nandray anjara tamin’ny dingana famaranana tamin’ny CAN sy i Botswana. Firenena mpiteny frantsay, portigey ary anglisy izany no hifaninana amintsika eo amin’ny sehatra Afrikana. Ny tena loza raha ny lalao famaranana omaly no itarafana azy fa tsy ilay lalao savaranonando nihaonana tamin’ny Nosy komoro dia nanao lanja midina be mihitsy ny baolina fandaka eto an-toerana.
Raha todihina vetivety tokoa manko ilay lalao famaranana teo amin’ny Uscafoot sy ny As Adema dia baolina tokana monja no mba tafiditra (Tsiala ao amin’ny As Adema, fizaram-potoana voalohany) omaly raha tokony ho maro dia maro izany avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ary ny tena loza dia ireo baolina tsy avelavelan’ny mahay mampidi-baolina ho very mihitsy ireo baolina maro ireo (tsy azo leferina ny tsy mahatafiditra azy). Lesoka tsy mety afaka amin’ny Malagasy eto an-toerana izany io fampidiram-baolina io hatramin’izao aloha. Tena tsy nisy endrika mihitsy ihany koa ny lalao nasehon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra afa-tsy tany amin’ny faramparany mihitsy. Tsy nahatafiditra baolina intsony ihany koa ny Adema na dia maro aza ny valim-panafihana tsy araky ny tariky Mamisoa intsony. Ny mpanara-baovaon’ny baolina mivantana moa nanamarika fa nanao fahadisoan-tetika ny Mpanazatra Claude Kely teo amin’ny fifanoloana mpilalao. Tsy maintsy hiankina be dia be amin’ny mpilalao mpila ravinahitra ihany izany isika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay miandry. Tsy manana hambo ho arovana ny Malagasy eto ary samy mahatsapa izany avokoa ny mpanaraka fa tsy tokony hisy tsindry mahazo ny mpilalao intsony. Ho voninahitra lehibe raha mahatafita na dia ady sahala amin’ny Côte d’Ivoire fotsiny ihany aza.

Manaona ô,
Nisy mpamaky nampiditra an’ny bloginao ho Blaogy Malagasy Tsara Indrindra tao amin’ny http://www.bestofmalagasyblogs.com ou BOMBS.
Azo vakina ny momba momba an’io fifaninanana io. http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m474478d413f52 eto
Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin’ny 31 desambra 2007.
Aza adino ary mametraka BOMBA B!
Bizzzzz
__________
Bonjour,
Votre blog a été nominé pour être selectionné parmi les Meilleurs Blogs Malgache pour les BOMBS. http://www.bestofmalagasyblogs.com
Vous trouverez des informations concernant les règles et les différentes catégories de blog sur notre site web. Et vous pouvez aussi profiter pour soumettre vos blogs préférés !
Le but de ce concours est de mettre en valeur la qualité et la diversité de la Blogosphère Malgache. Alors n’oubliez pas de venir lâcher vos BOMBS jusqu’au 31 Décembre 2007 !!
Bizzzz, Joan
Nampidirin'i joan — 26 Nov 2007, 22:05
Misaotra betsaka joan a! dia misaotra mampahafantatra ny vaovao e!Ho avy tokoa e!
Nampidirin'i jentilisa — 27 Nov 2007, 07:34
toa lasa hono ilay mpanazatra vazaha ny barea? dia nilaza fa mbola tsy fantatra izay hiverenany?
Nampidirin'i finoanaranoray — 28 Nov 2007, 15:11
Hody izy fa mihevitra ny hiverina amin'ny taona ho avy raha mety ny fifanarahana amin'ny filoham-pirenena.
Nampidirin'i jentilisa — 28 Nov 2007, 16:04
izaho efa nampilaza an'ilay namako toniziana fa voantsika ry zareo rehefa hiady ny meilleurs deuxièmes.
na izany aza aloha klioba toniziana 2 be izao no nahazo ny coupe d'afrique des champions sy ny coupe des vainqueurs de coupe !
Nampidirin'i Rajiosy — 28 Nov 2007, 20:33
"nanao lanja midina be mihitsy ny baolina fandaka" gaga ihany aho : ny mpilalao tanora ve no tsy mazoto ? ny fitiavana hilalao baolina no fanoitra lehibe indrindra na tsy ampy aza ny fitaovana sy ny enti-manana. taloha moa dia "makorelim-baolina" tsotra izao no fiantsonay ilay tary tena mirevy milalao baolina ireny !
Nampidirin'i Rajiosy — 29 Nov 2007, 14:15
Ny tena koa moa efa somary lazondazony angaha ka tsy mahalala izay tena fitiavan'ny tanora fanatanjahan-tena. Nefa tsapa be dia be fa basket no tena tian-dry zalahy sy zavavy nefa tsy ho lasa lavitra amin'io koa isika
Nampidirin'i jentilisa — 29 Nov 2007, 16:49
aleo izany manao boule-kanetibe fa eo isika no tena mahavoa sady tsy lafo loatra ny fitaovana no isaky ny anjorojoron-tranao eny dia zao ilalaovana daholo.
Nampidirin'i Rajiosy — 30 Nov 2007, 17:40
Tena mety ho marina izay hevitrao izay
Nampidirin'i jentilisa — 01 Des 2007, 09:52