Vaovao Eto anTOerana.VETO

30 Nov, 2007

Alina Analakely

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:36

Misy ilay hiran'i Jerome Randria izay nanana ny lazany tamin'izany fotoana mitondra ny lohateny hoe Alina Paris, asa mety ho valin'ny hiran'ny Joe Dassin manao hoe "aux champs élysées" ihany koa angamba. Tsy hampitaha velively ireny toerana ireny amin'izay ananantsika fa dia mba mamoaka ny sarin'Analakely amin'ny alina aho, zoma mahafinaritra koa angamba androany dia mba mijery ny alina any indray e! Tsy hijery ireo entana amidy ao loatra isika fa ny zava-boary ao aminy izay voakarakara aloha no mba itodihana kely e!

Indreo hitantsika aloha ny satrana eo afovoan'ny zaridaina izay misy milaza fa tsy ela velona aty amin'ny lemaka ambonin'i Madagasikara izany, hafana dia hafana izany ny fikarakarana ireo.

Fa mba mahavariana ahy ihany koa ny voanio izay tarafinjiro hatraty amin'ny fotony, misy vy manohana azy mazava loatra ny jiro, na dia vy mety ho angalarin'ny olona aza ny arony aloha. Mazava loatra fa misy velona misy tsy vanona koa ireny zavamaniry ireny ao Analakely ao.

Fa misy voninkazo hafa ihany koa eny ka, indrindra ilay teo amin'ny toeran'ny lapan'ny tanàna teo aloha saingy tsy azo aleha amin'ny alina izany ny toerana sao dia lasa fitoeran'ny fanofana olona (viavy) indray koa ka ho maimbo ampy vetivety ny tanàna. Io koa ny sarina raozy nivelatra tamin'ny fandalovako teny.

Fa na izany mba nandalo kely an'Isotry aho ka naka ity sary teo amin'ny "rond point" ity ka eo amin'ny todika mety tsy mahavantana ny maro no nakako azy. Fa avy be manko ny orana halina dia tsy afa-nanomana zavatra lava loatra ihany koa aho dia avoaka aloha ireto sary manaraka ireto. Tsy misy onduleur manko ny fitaovana sady ny varatra koa mamely ihany eto Madagasikara. Manahirana koa ny mintaintaina lava amin'ity delestazy ity, fa nahagaga fa tsy mbola maty mihitsy aloha androany ny jiro hatramin'izao nanoratana izao (12 ora sy fahefany atoandro)

 

nosoratana teto Antananarivo ny 30 novambra 2007

jentilisa


Hevitra

  1. Dia misaotra hatrany amin'ny sary e. :-)

    Nampidirin'i lap — 30 Nov 2007, 11:18

  2. Tsy misy antony ara-toetany tsy tokony hanirian'ireo satrana sy hazo-voanio amin'izay toerana asiana zy raha mbola eto an-tanana ihany e !
    Any belzika aza aniriany fa rehefa tonga monja ny hatsiaka sy ranomandry no saronana izy ireny.
    Fisaorana lehibe amin'ny fanomezana sary fa zava-dehibe ny fanehoana fa miova endrika tanteraka ny tanana.
    Enga anie ka mba hisy fiarahana mirindra manaraka izay ny toe-tsaina.

    Nampidirin'i zety — 30 Nov 2007, 12:43

  3. Misaotra Jentilisa a ! ohatry ny efa tany sahady aho (zoma - alina - Analakely) nefa mbola vao atoandro ny andro.

    Tsara sady mahafinaritra ka !

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 30 Nov 2007, 13:30

  4. Elaela indray tsy nitsidika teto amin'Ingahy an!

    Mahafinaritra ny sary, mitondra anay aty alavitra aty mitsangatsangana maka rivodrivotra eny Analakely

    Misaotra e

    Nampidirin'i ikalakley — 30 Nov 2007, 14:38

  5. Dia tsy misy isaorana re fa mba manome izay hita e!

    Nampidirin'i jentilisa — 30 Nov 2007, 14:58

  6. Mahafaly fa manomboka misy sary ny blaogin'i Jentilisa.
    Vaovao direkta avy any antoerana marina.
    Misaotra e

    Nampidirin'i Hery — 30 Nov 2007, 15:22

  7. ie
    tena directa sady misy porofo :)

    tena niova mintsy Analakely o?

    Nampidirin'i simp — 30 Nov 2007, 15:50

  8. Misaotra Ra-Jentl'a !

    Fa hono ho'a mba nankaiza ny olona ;)

    Nampidirin'i tomavana — 30 Nov 2007, 17:02

  9. misaotra jentilisa amin'ny sary aaaa !

    hi hi - mbola tsy voavaky ny lahatsoratra fa vao nijery sary mlay fotsiny.

    Nampidirin'i pissoa — 30 Nov 2007, 17:17

  10. Mamaky an'ito aho dia tonga ato an-tsaiko ilay hira hoe : Analakely toerana firevena, analakely sahazan'ny rehetra...

    Tonga de poinse, miaraka am' beks...

    sa ?

    Nampidirin'i elsifaka — 30 Nov 2007, 21:29

  11. Misaotra !!! Maha manina tokoa Analakely @ alina

    Toa milamina be ka mahafinaritre

    Nampidirin'i badouda — 30 Nov 2007, 22:49

  12. Izaho anie mba naka sary ihany fa ilay fampihenana ny lanjany mihitsy no nahatonga ahy tsy nahatafiditra sary e!

    Hiezaka araka izay tratra hitantara sy haka sary izay tratran'ny aina ihany!

    Nampidirin'i jentilisa — 01 Des 2007, 09:19

  13. Mampazoto be ilay fankasitrahana e!

    Nampidirin'i jentilisa — 01 Des 2007, 09:23

  14. Miarahaba ;)

    Ny hitako mampalahelo fotsiny dia fa maninona no asiana fefy ilay zaridaina (na Analakely io na 67ha amin'iny Cenam iny) ? Mba sendra nanontany mpiasan'ny Commune miambona eny aho dia ny valinteniny : "satria ny Malagasy tsy mahay mikajy ny zavatra tsara sy madio, fa ny mandoto ihany ny hainy". Mampalahelo nefa misy marina...

    Nampidirin'i Aina — 03 Des 2007, 06:16

Powered by LifeType