Fanafody angaha ny fimailo?
Vao migadona ny voalohan'ny volana desambra dia ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny sida avy hatrany no ao an-tsaina. Midika izany fa efa tafiditra tsara ao an-tsain'ny olona ny fanentanana fanao isa-taona sy mandavantaona amin'ity raharaha ity. Nanadino ny lahatsoratro any an-trano aho fa novaiko ny anaran'ilay dosie dia zara aza ianareo mamaky fohifohy kokoa.
Trangan-javatra tany Boriziny (Port Bergé) , nisy nitatitra no mba tateriko eto ihany koa. Nosakanan'ny polisy tao an-toerana ny fiara iray. Nojereny avokoa ny mombamomba azy rehetra, ara-dalàna iny aloha. Dia nosavainy ihany koa ny taratasy rehetra, ara-dalàna ihany koa. Avy eo dia nosavainy ihany koa ny fitoeram-pitsaboana haingana raha misy vonjy taitra. noheverin'ny mpamily fa ara-dalàna ihany koa ilay izy, saingy nanotany ilay polisy: "Aiza ny fimailo? tokony hisy fimailo koa ato? tsy ampy ireo!". Tapitra ny fitantarako fa hoy aho hoe: Pasitera ô! raha mamily fiara ianao ampividiano olona mety tsy ho fantatry ny mpivarotra ny fimailo, mompera sy masera ô! aleo angaha aloha ianareo tsy mamily fa sarotra be ilay hiresaka fimailo tsy maintsy ilainareo ary hoy ilay hiran'i Henri Ratsimbazafy izay hamaranako azy manao hoe: Vola ô, hatraiza moa ny fetran'ny herinao? Fa izao rehetra izao manaiky anao!
Fa na izany na tsy izany efa tsy nahita dokambarotra momba ny sida eny amin'ny afisy lehibe eny an-dalana intsony ho'aho izaho e! ny tele sy ny radio sisa izany?

Tena mahaliana ity vaovao entinao ity. Ka raha tena marina io tsy hisy koa ve izany ny fisavana ny paosin'ny mpandeha an-tongotra rehefa kelikely?
Nampidirin'i Su — 01 Des 2007, 14:07
Mahatsikaiky !
Angamba kosa ampiasaina tahaka ilay amin'ny "Zaza Mainty", hi hi.
Nampidirin'i pissoa — 01 Des 2007, 15:52
hihihi, maty aho basin-janako !
Nampidirin'i ikalamako — 01 Des 2007, 16:26
Mpanaraka ny andaharana karajia aho, ka resaky ny saofera noraisin'ny panao gazety mangina no nahazoana io vaovao io (micro caché). Efa elaela no namoahana io fa izao no fotoana fanararaotra amoahana azy e!
Nampidirin'i jentilisa — 01 Des 2007, 16:56
Loza koa izany soratra tsy ampy izany. Mpanaraka ny fandaharana karajia aho, resaky ny saofera no noraisin'ny mpanao gazety feo no tiako lazaina
Nampidirin'i jentilisa — 01 Des 2007, 16:59
Jentilisa,
misaotra anao nanome sary,
fa inona kosa moa no fahadisoan'ingahy polisy manontany fimailo @ olona rehetra, na dia mompera sy masera aza?
Tsy voatery ho hampiasan'ireo farany anie e, fa kosa afaka omeny ireo zatovo na olona sendra mila tampoka eny ananonanona eny...fa 'zany hoe tena zarainy fa tsy ho anazy an ;)
Nampidirin'i ikalakely — 02 Des 2007, 21:09
Jentilisa > misaotra amin'ny vaovao e ! Ikalakely > marina tokoa izany ! (...) Fa ity resaka fanentanana tokony hatao. Ho avy ny SADC dia hirohotra eto avokoa ny karazan'olona. Ny tsy ampy fivelomana sy sahirana ary ny lava rambo dia ho difotry ny filàna ka tsy hahatandrin-tena sady mandingana ny resaka fimailo dia hitombo indray io tahan'ny mpitondra otrik'aretina io eto an-tanindrazana. Nahoana ary moa raha toa ka izay mivezivezy rehetra na teratany na vahiny dia asaina manao fitiliana avokoa ? apetraka eny amin'ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo ny toeram-pitiliana maimaimpoana dia TSY MAINTSY mankeo daholo. Sady mivaly vetivety izy io ! DIA izay MITONDRA avy dia ATOKANA mba tsy hiaro amin'olona FA TSABOINA. Sa ahoana ?
Nampidirin'i Tsikisariaka — 03 Des 2007, 16:26
Raha toa moa ka efa tafiditra anaty lalàna fa tsy maintsy anisan'ny fitaovana ao anaty 'boite à pharamacie' ny fimailo inona no lazaiko fa dia izay izany fa raha tsia kosa efa fanararaotam-pahefana no tiako lazaina e
Nampidirin'i jentilisa — 03 Des 2007, 17:57
jentilisa>
Ay, fa angaha tsy misy lalàna moa izany izy io fa "miseho milay" fotsiny izy?! odryyyy...
Tsikisariaka> Hevitra tsy ratsy fa manjary manao "discrimination" indray @ ireo marary? sa ahoana? raha toa izy ka atokàna ho hitam-bahoaka eny!!
Nampidirin'i ikalakely — 04 Des 2007, 11:02