Ho an'iza ny fandresena na ireo sarin'Antsonjombe?
Samy manana ny fijeriny tokoa ny tsirairay rehefa resaka politika. Izay no manahirana amin'izy ity. Raha tonga teny aho dia hampitaha ny vahoaka azony miohatra tamin'izay kandidà efa teo ihany koa. Ny voamarika dia izao: fony nirotsaka ho filoham-pirenena Atoa Herizo Razafimahaleo dia mitovitovy mihitsy ny isan'ny vahoaka nanatrika teo. Ny iray filoham-pirenena no nidirana ary ny faharoa kosa Ben'ny tanàna. Indrisy moa fa efa nofafako ilay tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.




Ny fanamarihana faharoa dia tsy nisomebiseby sahala ny tamin'ny Herizo ny teo ambavahady sy nanaraka ny araben'Analamahitsy izay mifanila tanteraka amin'Antsonjobe. Ny lalana avy eny Ivandry mankany Analamahitsy tamin'ny Herizo nandalo teo dia feno mpandeha an-tongotra tokoa. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tena nalalaka ny arabe. Zara fa nisy mpandeha an-tongotra nanaraka iny lalana iny. Nefa sao dia mahatezitra anareo raha ilazako hoe hitovitovy amin'ny vaton'i Herizo Razafimahaleo ihany no ho azon'i Andry TGV raha ny habetsaky ny olona nanatrika teny no handrefesana azy.




Na izany na tsy izany tsy mety ny mihoraka mialoha fa efa azo ny fandresena na hoe resy be ianareo izany fa ny fifidianana amin'ny 12 desambra ihany no hamoaka azy.Marihina fa ny sary dia nalaina nandritra ny kabarin'i Andry TGV izany hoe ny ora heverina ho nahabetsaka indrindra ny olona nanatrika teny.






Io apetrako eo ambany io ny tranonkala ofisialin'i Andry TGV ho an'ny mpankasitraka azy e!
Nampidirin'i sera2ofisialy — 03 Des 2007, 17:20
ilay anaran'i lery hoe "TGV" no toa diso frantsay loatra
Nampidirin'i lap — 03 Des 2007, 21:01
Mila Jentilisa maromaro isika afaka hanaradia ireo kandidà maro hafa ;)
Misaotra betsaka fa ohatry ny mba "nihinam-bovoka" koa izahay na dia lavitra aza. Sa tsy mamovoka intsony ny eny Antsonjobe ?
Nampidirin'i tomavana — 03 Des 2007, 21:19
Ny tsy hitovizany @ i herizo dia mety ho serre be ny isa azon'lery sy Rafaly @ ity.
Ny tena mahavoa an'lery ny cible-ny ireo tanora (sy ireo azo lazaina hoe opprimes) no non seulement tsy tratrany tsara, no en plus mety tsy hifidy akory ny antsasany mahery...
i Rajemison nanao poids lourds be no tena hitako avantage-n'i Rafaly aloha @ zao :)
Fa izany aza mety, 35% Rafaly, 30% TGV io :P hatr@ zao aloha an.
Nampidirin'i simp — 04 Des 2007, 00:01
Ny adinonao dia nisy vola nihodinkodina t@ andron'i herizo fa ny an'i Andry TGV ny ankamaroany dia olona nandeha an-tsitrapo. Faharoa, Herizo dia efa tao amin'ny fitondram-panjakana no niverina nirotsaka ho fidiana indray, i andry TGV mbola olom-baovao, vao mirotsaka eo @ sehatra politika. Mety ho hafa kokoa ny fandraisan'ny vahoaka an'izay. Ny fanelingelenana an'i Andry TGV eo @ lafiny sasantsasany teo aloha dia vao maika mamporisika ny olona hirona mankany aminy. Tsy fantatrao angamba fa hafahafa fomba fisafidy olona izay Antananarivo, tadidio ny fotoan'andron'i Monja Jaona. Izy mbola tanora loatra no hitako hoe mety ho fahalemen'i Andry TGV.
Nampidirin'i — 04 Des 2007, 08:07
Milay be ny VETO fa lasa misy sary be dia be o!!Misaotra e...
Ny ahy ny ahiako ry zareo dia ho potika ny ho avin'i TGV raha tsy lany eo!
Tena tokony tsy niditra tà politika lery fa ataon'ny Ra...manana mianakavy vita be eo ny bizna kely.
Ary lainga be ilay hitako t@ gazety nilaza hoe hipoka be Antsonjobe an...
Nampidirin'i ikalakely — 04 Des 2007, 11:08
zà ndray aloha dia mahita fa na lany na tsy lany i andry dia tsy ny gasy na i M/scar mihintsy no hanapotika azy.
Nampidirin'i zety — 04 Des 2007, 13:47
Tsia, tsy lainga ny sary hitanareo fa ny zoro fakana azy no atao any amin'izay mahamety azy indrindra.
Nampidirin'i jentilisa — 04 Des 2007, 17:50
ita mitsy ity blaogy ty fa natokana ho an'ny fitondrana,maninona ra aseho eo ko ny olona azon'ny FAly teo mabohinjatovo??
Aleo ny 12-12 no itsara azy
Nampidirin'i GTV — 06 Des 2007, 21:00
Samy ho raisina hiasa ao amin' CUA ireo kandidà rehetra . IRafaly izany no ben' ny tanàna satria sady efa nahavita no mbola hanohy . Ny sasany dia mi-ANDRY parking , sy tsena .
Nampidirin'i vgt — 09 Des 2007, 07:23
Aza dia entim-po loatra ho'aho fa io ihany no mahavoa antsika gasy! raha fantatro anie ny tao amin-dRafaly dia nankao mihitsy aho anatin'ny fotoana ahafahako e! Samy manana ny safidiny koa anie e! ny lainga afafy ihany no tena tsy levoko mihitsy!
Nampidirin'i jentilisa — 09 Des 2007, 14:33
mino aho fa tsy matihanina any aminy filazana vaovao nareo izao satria tsy ny vinavinanao no ilaina fa ny mitatitra ny misy!avy eo manaporofo sy manao "confrontation" ny source vao manao teny famaranan sy mametraka ny fahitanao azy!
ny tiako hiaviana dia rehefa tsy nanontany ny source ,ny fahamarinany ianao dia aza manortara zavtra tsy misy dikany!Tranga tsy mendrika sy ratsy ny fitorahana grenady ka rehefa tsy nahavita mandihady dia aza mametraka hevitra ,raha tsy hoe isany araka ny filazanareo hoe "firehanao" angha ity TIM ka izay indray dia tsy mifaka!ataoko fa izay angamba no nanaovanao blogy toa itony,asa mety h ianao koa ilay mametraka "liens" aminy site sasany t
,manao pub no marina mba hijerena ny blogy!amateur loatra nareo ry jentilisa ka mila mbola manova fomba fanao va mety ahasarika misimisy kokoa,ny vaovao "clé" moa tsy resahinao fa ny "artifice" no betsaka,izay tokoa nagamba no tena tianreo hiavina sa diso ?
Nampidirin'i akama2006 — 09 Des 2007, 20:28
o ry akama a! tsy mandray vola anie izaho e! ny nanoratako indray aloha dia tao amin'ny serasera gropy e! ilay mifandefa taratasy fa tsy ilay namana serasera. Mba misy hafa mandefa rohy koa izany ka inona moa!
Nampidirin'i jentilisa — 10 Des 2007, 11:16