Ny sarin’ireo Kandida hafa

Amin’ity fifidianana ho Ben’ny tanàna ity dia takon’ny fifidianana eto Antananarivo renivohitra avokoa ny fifidianana any amin’ny faritra hafa rehetra. Sahala ireny hoe fifidianana ho filoham-pirenena ireny mihitsy no atrehina ankehitriny. Amin’izany fotoana izany dia mbola takon’ny mpifaninana roalahy ihany koa ny hafa. Ireo moa no tena atao hoe mpampirevy raha izay no azo ilazana azy. I Hery Rafalimanana sy i Andry Rajoelina na Andry TGV moa no tena mibahantoerana satria ireo no samy manana ny haino aman-jery. Ilay mpifaninana fahatelo indray moa miteny hoe tsy manambitamby mpifidy amin’ny alalan’ny hirahira izany. Araka ny re moa dia amin’ny alahady izao no hanao faradoboka ity kandidà fahatelo ity, Marc Ramiarinjatovo.


Amin’ny Asabotsy ho avy izao indray moa dia hafana ny lanonana. Hamory olona eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina manko ny kandidà Hery Rafalimanana raha eny amin’ny kianjan’Alarobia kosa no hivorian’ny kandidà Andry TGV. Ho hita eo izay tena hahavory olona. Hiezaka aho ny hamoaka ny sary araka izay haingana amin’io andro io na ny eny Mahamasina na ny eny Alarobia raha tsy misy ny sampona.

Ka rehefa tsy mihorakoraka dia tsy re ilay lavon' lovan'ny taranaka merina ko :-p
Nampidirin'i lap — 06 Des 2007, 17:59
msôtra jentilisa a!! oahatran'ny mba nandehandeha tany mihitsy aho nahita an'itony affiche tony :-)
Nampidirin'i Tokinao — 06 Des 2007, 18:00
tsy nety voadiso ilay lavon' lety e :(
Nampidirin'i lap — 06 Des 2007, 18:01
Za ve rangahy mbola mampiditra sary hafa efa telo sahady ny fanehoan-kevitra! henjana be koa izany!
Ankasitrahana ny ataonareo ry lapino sy ry Tokinao a!
Nampidirin'i jentilisa — 06 Des 2007, 18:05
ka otran'ny hoe efa vita zany kay mbola misy sary :-)
Zany rehefa tsy mamaky tsara, fa kay mbola ilay sary ety ambany kokoa no Marc Ramiarinjatovo, fa neveriko fa ilay taranaka merina ; fa fahatelo amin'ny miseho sary kosa an :p:D
Jentl, ianareo mampita sary no tena isaorana e
Nampidirin'i lap — 06 Des 2007, 18:12
Le candindate Savaron Malala izany dia tsy hahazo 2% akory kle :)
Ny afisy aza otran'ny tsisy zavatra hita :P
Nampidirin'i simp — 06 Des 2007, 18:12
jentl a : te hapetrapetraka ato saady k'aiza no tsy ataonay e :-)
Nampidirin'i Tokinao — 06 Des 2007, 18:18
oups ! toa izao daholo ve ny afisy entin'ilay Savaron manentana ? Tsa hita ro tarigetrany...
Merci lesy jentilisa fa izahay moa izany dia mifidy izay bogosy amin'ny masonay fotsiny aty lavitra aty? Fa ianareo indray dia hifidy izay hitondra saosy !
Nampidirin'i ikalamako — 06 Des 2007, 20:48
Ary nisy kandidà nilavo lefona sahady angaha sa ireo ihany no manana afisy ? i VANF moa tsy kandidà ?
Mankasitraka amin'ilay tatitra fa tohizÒ ;) BOMBS be !
Nampidirin'i tomavana — 06 Des 2007, 21:14
Dia tena mba nihomana ny hilatsaka tokoa ve ilay madama io fa aiza ve dia na afisy aza dia ohatra ny bileta fandatsaka ary amin'ilay tsy lazaiko !
Naleo indray aza tsy natao sary fa soratsoratra misy slogan monja fa izoa kosa dia tena manala baraka tena mihintsy.
Asa anefa !
Nampidirin'i zety — 06 Des 2007, 22:29
Mbola misy sary hafa hivoaka asiana tohiny angamba satria io sarin'i Savaron Malala io dia tany amin'ny faritra ambany tanàna araka ny fiteny. I Vanf irery no tsy mety ahitako sary mihitsy!
Araka ny filazana tamin'ny gazety dia efatra ihany no nahapetraka ny biletany dia izy roalahy mazava loatra sy i Marc ary i Jonah
Nampidirin'i jentilisa — 07 Des 2007, 07:36
Hay efatra ihany? hitako i VANF no niteny hoe Raha sanatrian' ny vava ka lany aho
Izaho dia ny propan'i Andry TGV irery no tena mba mahaliana ahy, fa hitako tena beau couple be izy mivady. Mba manja ihany ny ankizin'ny sasany fa ny an'ilehiry manana charme reveko izay mihitsy ilay fitsikiny. Izaho rahateo mankafy ny sipa tia mitsiky. (PS: ny vadiko koa mba gaga hono hoe izao ve no sipa efa niteraka telo fa mbola mitana hono...)
Nampidirin'i DotMG — 07 Des 2007, 07:52
Efa people ireny ry DotMG a! olona hanana ny lazany hatrany raha ny fijeriko azy aloha!
Nampidirin'i jentilisa — 07 Des 2007, 08:36
la classe ! la classe !
Nampidirin'i ikalamako — 07 Des 2007, 11:24
resaka bika sy hatsarana kosa aloha dia ao tsara ry zareo, milay be raha mba mitaana ohatran'i mialy daholo ny ikala rehetra an
Nampidirin'i ikalakely — 09 Des 2007, 14:09
Ka ikalakely ve aloha mitana?
Nampidirin'i jentilisa — 09 Des 2007, 14:58