Maharesaka.VETO

10 Des, 2007

Sary somary lehibebe kokoa sy i Vanf

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 11:44

Indreto ary misy sary roa heveriko fa tsy hita mihitsy tao amin'ny sary napetrako teo aloha. Sary nalaina avy teny Andohalo tamin'ny 9 ora maraina sy tamin'ny iray ora sy sasany ireo sary ireo.

 

Nandalo teto amin'ny tanàna teto 67ha ihany koa ny kandida Hery Rafalimanana omaly alahady. Sary vitsy ihany no nasehoko ary ny tena mahafnaritra ahy dia misy ny tsy menatra nitondra ny akanjon'ny mpifaninana taminy nefa dia nijery fety e!

 

Manaraka izany, somary nampihomehy fa nitroatra, noho ny tahotry ny hamaroan'ny olona nanatona azy angamba, ilay omby nomen'ny kandidà (azo atao angaha moa izany) ny mpandresy tamin'ny fifaninanana baolina. Nanjary nanao fanenjika kely manerana ny coum tao izahay. hahaha! sady faly ery ny mandositra! horakoraka re izao!

 

Ary ho anareo izay mety mbola tsy mahalala dia namoaka bolongana na vohikala ho azy tamin'ity fifidianana ity anie i Vanf e! Raha ny marina dia izy no saiky hofidiako saingy... dia jereo aloha izay soratany e!


Hevitra

  1. i Vanf kosa mba nahavita nanoratra programa lavalava an :)
    le resaka marketing no tena tsy ampy lery e. Sinon, tsara atao @ executive commitee an'ny mairie ihany izy, hoy aho, na iza na iza lany eo...

    Fa le wifi gratuit aloha lavitry ny afo ny kitay e. mila an'i GooGle tsika ra hanao an'zany hihihi. Asa izay le any Cali ra efa mande...

    misaotra @ sary e

    Nampidirin'i simp — 10 Des 2007, 13:29

  2. midera an'ingahy rajentl amin'ny fitantarana fa raha ny tribune no vakiana dia mifongojo be ny hany. i Randria mandrirotra mafy hiankavia, i RaNaivo maka azy miankavanana :-))

    Nampidirin'i Rajiosy — 10 Des 2007, 23:06

  3. simp > toa efa misy tanĂ na hafa koa misy wifi gratos ka. Mety tsy impossible ho an'Antananarivo le izy fa saingy mety ho lafo be na izany aza.

    jentilisa > efa misy aloka be ohatra an'izao ve i Mahamasina amin'ny 1 ora sy sasany antoandro ? sao dia ilay sary voalohany kosa ?

    Nampidirin'i lap — 11 Des 2007, 17:24

  4. tena tratran'ny rahona tampoka izy tamin'io fotoana io nefa izaho mbola maika hiasa (sabotsy hariva) ka tsy mahandry ny hialan'ny rahona intsony!

    Nampidirin'i jentilisa — 11 Des 2007, 17:40

  5. Na mety ho "contre soleil" ihany koa satria hitanao fa mananika ihany izany mankany Andohalo izany an!

    Nampidirin'i jentilisa — 11 Des 2007, 17:41

Powered by LifeType