edit: 62 isanjato ny fandresen'ny TGV teto Antananarivo
Aty amin'ny cyber moa izao no manoratra ka tsy misy sary aloha ny androany mazava loatra. Tsy dia hanao resaka lava ihany koa na dia izany aza fa hampahafantatra anareo fohifohy ny zava-misy amin'izao fotoana izao aloha.
Tamin'ny maraina tamin'ny 9 ora sy sasany no tratra ny 10%n'ny mpifidy eto 67ha avaratra izay misy ahy. Nilahatra vao maraina manko ny olona, mbola tsy nisokatra akory aza raha ny eto an-tanàna no jerena. Ary tamin'ny 5 ora teo no nahatratra ny atsasa-manila ny birao fandatsaham-bato roa raha mbola 40% kosa ny ao amin'ny birao fandatsaham-bato iray. Tamin'ny atoandro kosa dia somary nangingina ny birao rehetra nandalovako noho ny hafanana angaha. Fa nisy niverina kosa ny filaharana rehefa tolaka ny andro.
Dia izay aloha ny amin'ny taham-pahavitrihana. Mino aho fa tsy hitsahatra amin'ny 6 ora ity fifidianana ity. Rahampitso ny sary sy ny vokatra sasantsasany (raha tsy ny manontolo angaha).
Amin'ny valo sy folo alina eto amin'ny toeram-patako. Nandresy teo ho eo amin'ny
57isanjato teo ny TGV. Na dia ao ambodin'isotry fonenan'ny kandida TIM aza dia tahaka izany ihany ny vokatra. o angamba no vokatry ny tsy nandraisana anjara tamin'ny adi-hevitra. Dia miarahaba an'i Andry TGV izany amin'izao fandreseny izao. Demokraty aho tsinona. Hikapa hahita ny tonony anie ianao ary handidy hahita ny vaniny. Ny dikan'izany dia vao fanombohana izao. Mbola ho mafy ny ady raha ny fihetsika mety hataon'ny fitondrana no heverina. Efa nilaza rahateo ny filohampirenena fa tsy hiariasa amin'izay TIM ary ny resaky ny olona niady hevitra koa no nahenoako fa tsy hiara-miasa na amin'iza na iza ary na amin'ny fitondrana ny TGV. Izany hoe tokony hivonona amin'ny tetibola azy amnokana ny TGV fa mety hangeja ny ny vola avy aminy ny fitondrana foibe.

ok ok
misaotra indrindra
miandry ny rampitso :)
Nampidirin'i simp — 12 Des 2007, 17:13
hehehehe copier- coller: mety foana io, satria ra8 sy rafaly kou nanao copier-coller ny fikan'i Deba t@ fotoan'androny :) raisonnement scientifiq, tsotsotra ny hoe refa tsy ovaina ny hyppotheses, dia mitovy foana ny vokatra azo ;) 57% kosa ve d azo angalarana na dia efa hoe asiana panina ndray aza ny ordinateur eny @ coupole e :) ok ok ekena 100% ny VETO, milay ary en tps reel :) misaotra lesy e
Nampidirin'i simp — 12 Des 2007, 19:47
Dia manamarika izao vokatra izao fa tsy dia misy saina loatra ny ankamaroan'ny malagasy (tananariviana), fa mbola manohy ny toy ny nataony t@ i Ravalo t@ fifidianana azy ho maire.
Nampidirin'i Olon-tsotra — 12 Des 2007, 21:46
Rehefa lany ny kandida tsy tianao ry milaza azy ho Olon-tsotra dia aza ny vahoaka no ompaina. Ny fifidianana ange tsy maintsy natao ary tsy maintsy nisy ny nandresy e! Mba manontany anao aho hoe iza amin'ireo kandida nahatonga vato ary no tokony ho nofidiana vao hoe misy saina ny mpifidy? Izaho, mba saika hanao safidy ho an'ny Intellectuel saingy tany aza tsisy vatony, dia naleoko nifidy kandida 2è choix toy izay hanao vato fotsy.
Nampidirin'i DotMG — 13 Des 2007, 08:27
Nahoana tokoa moa no lazaina fa tsy misy saina loatra? Moa tsy "vote sanction" no tena nataon'ny mponin'Antananarivo? Anjaran'ny TIM no mieritreritra ny lesoka lehibe tsy nifidianan'ny olona azy tamin'ity indray mitoraka ity.
Marina fa mety ho olotsotra ianao saingy tsara ny mandanjalanja fitenenana. Aleo tsy manebaka fa manazava fotsiny.
Nampidirin'i jentilisa — 13 Des 2007, 09:39
Io ary hoy aho ilay nolazaiko hoe tsy misy dikany ny isan'ny olona mijery fara-doboka sy mijery propagande fa ny ao antananarivo matetika efa mahafantatra ny ho fidiany.
"Vote sanction" tokoa io, satria ny mponin'antananarivo tsy adala, fa dia anjaran'ireo kandida hafa ny mandanjalanja.
Fa ny mampiaiky ahy dia rehefa hilatsaka hofidiana ve izany dia tsy maintsy manana télé sy radio aloha @zay tena sur fa ho lany?
Nampidirin'i maintikely — 13 Des 2007, 11:27
Misaotra amin'ny tatitra "miaraka amin'ny vava" Ra-Jentl a, Mankasitraka !
Be ny fanantenan'ny vahoaka ka mapanahy ihany izany efa fanambarana fa tsy hisy fiaraha-miasa amin'ny governemanta izany. Tsy tokony ho laniana amin'ny ady fotsiny ny "mandat". Raha tsy dia hoe dingana fotsiny ny "mairie" ... tohatra fiakarana :(
Nampidirin'i tomavana — 13 Des 2007, 12:25
ho tonga saina ve ny tim sa mbola hanao ny fanaony ihany!tsy ahita lalan haleha eo moa fa ataovy koa!ny kilaoty sisa ho anetina any bulgarie any!
ka manao ahona ry jentilisa,salama ve!mankamamy eeeee!
Nampidirin'i akama2006 — 13 Des 2007, 23:05
Aza mieritreritra hoe marary aho ry akama a! demokrasia io! mbola manomboka anie ny lalao e! miandry ny asa amin'izay isika!!!
Nampidirin'i jentilisa — 14 Des 2007, 08:28