Maharesaka.VETO

09 Jan, 2008

Ka iza ary no hisolo ny Shoprite?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 08:22
Orinasam-barotra goaibe Afrikana Tatsimo ny Shoprite araka ny fahalalako azy. Izy no nisolo ny Champion izay tsy tamana teto Madagasikara intsony rehefa nifarana hatreo ny fitondran-dRatsiraka Didier. Raha izay tadidy izay no lazaina dia tokony ho tamin’ny taona 2003 teo ho eo no niditra ny tsena malagasy ity fivarotana goaibe ity.

 

Raha misy ny toerana tsara indrindra azony mahalaza tsara azy dia io eo Antaninarenina (Printemps, Prisunic, Champion ary farany Shoprite) io. Na dia lavitra akaiky azy aza manko ny eo Analakely anoloan’ny Lycée Rabearivelo dia azo lazaina fa samy manana ny mpanjifany izy roa ireo. Ho anareo mbola tsy mahalala ary dia nikatona io Shoprite eo Antaninarenina io nanomboka ity volana ity noho ny tsy nanavaozan’ny tompony intsony ny fanofana ny trano. 


Azo lazaina fa tombombarotra misimisy ihany no very noho io fikatonana io ary hahazo tombony izay hahazo io toerana fantatra amin’ny mahatsenambarotra lehibe azy. Dia hibanjina any ny mason’ny mpanarabaovao liana hahafantatra haingana dia haingana izay nahazo ny tsena. Mbola ho tsenambarotra ihany ve sa hampiasaina zavatra hafa amin’izay? Aza hitako anie ka lasa mahagrrrr…aoka marina e !

Hevitra

  1. Efa elabe aho no naheno hoe ho bye bye hono ny Shoprite (rehetra) sy ny Celtel Madagascar fa hoe misy tsy fifankahazoana hono eo amin'ny mpitondra malagasy sy ny afrikanina tatsimo. Dia hiova koa hono ny Celtel. Mba mahita zavatra ireny mpampita honohono ireny an! Indraindray marina, matetika diso.

    Nampidirin'i DotMG — 09 Jan 2008, 10:44

  2. Ka ny Celtel anie hiova ho Zain e! izay aloha no efa henoheno koa!

    Nampidirin'i jentilisa — 09 Jan 2008, 11:15

  3. ra8 aza otran'ny actionnaire ao @ shoprite kou :) zany hoe tsy majoritaire izy alou e. Mety hoe mitombo kokoa ny sosy miditra aminy ny ra magro no eo... ny tanana mbola malalaka be, tokony tsy nesorina teo ny shoprite ra hoe magro no asolo azy.

    Celtel miova Zain, rebranding fotsiny fa tsy miova ny tompony ka.

    Nampidirin'i simp — 09 Jan 2008, 14:14

  4. Izaho anie tsy niteny hoe voatery ho magro e! fanahiana ny ahy ka mety hahatonga ahy hanoratra hoe dia tsy menatra ve? Mbola hiaraha-mahita fotsiny izay hitranga.

    Matoa manko tsy nanavao ny fanofana intsony ny tompontrano dia mazava be fa efa nisy niresaka izy na mieritreritra ho izy mihitsy no hanao raha eo

    Nampidirin'i jentilisa — 09 Jan 2008, 16:54

Powered by LifeType