Maharesaka.VETO

16 Jan, 2008

Tana Terminator

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:18

Araka ny fitadidiako dia izay vao nisy fanafihana nataona jiolahy paositra mpitandro filaminana teto Antananarivo niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana dia ny basy izany. Nisy ihany ny filazana taloha fony nodidiana ho tsy ara-dalàna ny kung fu tamin'ny androny, nihorakoraka teny amin'ny manodidina ny hotel de police teny tsaralalàna ny kung fu anjatony tamin'izany fotoana izany. Fa ity nitranga tamin'ity herinandro ity no nisiana fanafihana mitam-basy. Manamarika izany fa dia lasa toy ny miaina anaty lahatsary mihitsy ny mponina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.

Efa hitan'ny rehetra omaly fa nisy jiolahy roa maty notofirin'ny polisy teny Tsaralalàna, azo sambobelona ny iray ary afa-nandositra kosa ny iray. Izay nanatri-maso dia nilaza mazava fa tsy nisy bala nisolifatra mihitsy ny an'ny polisy fa ny an'ny jiolahy no mety ho nisy raha nisy izany. Ny alin'io ihany dia notafihin'ny jiolahy ny paositra tsotra iray teny Antsalovana... moa va tsy toy ny tamin'ny terminator hitako voalohany indrindra miaraka tamin'ny teny hoe "I'll come back" (tsatoka teny anglisy fotsiny io fa ny "je reviendrai" no narahina tamin'ny lahatsary). Valifaty avy hatrany no ambetintenin'ny rehetra.

Marihina aloha fa efa nahoraka teto an-tanàna ity resaka ity vao iny hitanareo rehetra iny vaovaon'ny fanafihana iny. Dia io no lohahevitra nibahana tamin'ny kidaona maraina araka ny tatitra nataon'ny namana mpiara-miasa. Niady hevitra momba io i Francis turbo sy gothlieb. Nolazain'i Francis ary fa efa fiché na fantatry ny jiolahy avokoa ny mpikambana amin'ny GIR sy ny FIP rehetra (groupe d'intervention rapide sy force d'intervention de la police). Toy ny manana QG ry zalahy izany! efa samy manana ny talentany ihany koa ny rehetra. Misy ny misahana manokana momba ny akanjo halatra, na jean, na blouson, misy ny satroka, ny ravaka volamena. Koa raha misy zavatra voaroba dia efa fantatry ry zalahy ireo hoe aiza ny lalan'iny halatra iny. Koa tsy mahagaga raha misy olona mitaraina amina "olo-pantatra" fotoana fohy aorian'ny fanendahana ny fandrobana dia tafaverina iny afaka kelikely satria "bandy akama" no nokitihanareo.

Misy ihany koa ny manamarika fa manana mpiray tsikombakomba ao amin'ny mpitandro ny filaminana mihitsy ry zalahy ireo. NIsy manko araka ny filazana fanangonana ny fitaovam-piadiana rehetra tany amin'ny mpitandro ny filaminana hanamarihana ny laharan'ny basy sy izay mitazona azy. Dia nangonina avokoa ny fitaovam-piadiana rehetra teny ampelatanan'ny polisy nanerana an'i Madagasikara. Tamin'io fotoana io no nisy nanafika ny manamboninahitra iray tsy nanana ny basiny intsony. Ny jiolahy kosa moa nanana ny azy, voa ny mpitandro ny filaminana tamin'iny indray mandeha iny.

Misy indray raha voahodidina ny jiolahy dia miantso ny laibany izay any andafy izy. Ka raha manorotoro ny toerana misy azy ilay jiolahy dia anjaran'ilay any andafy ny manoro azy ny lalana alehany ary dia tafatsoaka tokoa ilay voahodidina avy eo. Izany hoe manana "fanampim-baovao" tsy ampoizina ilay any andafy. Inona angaha no ampiasainy amin'izany?

Ny mahaketraka ny mpitandro ny filaminana hafa kosa dia ny fahafantarana tsotra izao ny tompon'ny basy (amin'ny mpitandro ny filaminana ihany) nefa dia tsy voakasika mihitsy iny tompom-basy iny. Io moa no miteraka ny ahiahy hoe ao amin'ny laiban'ny mpitandro ny filaminana ihany koa no misy be vinany. Manginy fotsiny ny fahafahan'izay voasambotra ka mampihorohoro izay nisambotra afaka andro vitsivitsy monja na dia tratra ambodiomby izao aza. Io no mahatonga ny sasany te-hanajedaka avy hatrany izay tratra ambodiomby satria lasa mitaintaindava ihany koa ry zareo rehefa fantany fa afaka izay nosamboriny, saingy matetika moa dia betsaka ny namany no misakana azy tsy hanao izany fihetsi-pahatezerana izany.

Fa na izany na tsy izany dia mety ho tsy mbola vita ity lahatsary "Tana terminator" ity sa dia hanjavona miaraka amin'izay ny jiolahy?


Hevitra

  1. Efa mitady ho otran'ny @ film kou zany ny tanana ra azoko tsara. Mbola misy baraka ihany ve le pra voatafika sady voan'zala @ zany sa ahoana? :)

    Enganie mba hahita inspiraka tsara @ zany ry avoko fa tssssssss :)

    Fa hono wa e, any amintsika nga moa tsy mba misy an'ireny kaompania manao securite tsy miankina ireny, sa tsy azo atao izany?
    Otran'ny diso centralise loatra le polisim-pirenena ka lasa tsy miaro ny vahoaka tsony fa tsy hay ze ataony

    Nampidirin'i simp — 16 Jan 2008, 18:56

  2. ny orinasa manao asam-piarovana dia betsaka fa tsy mahazo mitondra fitaovam-piadiana mipoaka, na fitaovam-piadiana mahery vaika.

    Ny paositra notafihin-dry zalahy dia biraon'ny fokontany ihany koa ary miara-manaiky ny rehetra fa nampisy filaminana teo amin'ny tanàna nisy azy ireny ny fisiany. Noho izany tsy eny amin'ny komisaria ihany tsy akory no misy ny polisy.

    Ankehitriny koa anie ny fiaran'ny polisy mipetraka eny amin'ny toerana maro eny vonona hitandro ny filaminana, nefa ampolony taona izay no tsy nisy tahaka izany. Midika izany fa miezaka ny hanao araka izay azony atao ny mpitandro ny filaminana.

    Eo amin'ny resaka tsy miankina indray mampidi-doza ihany koa ireny indraindray raha manana fitaovam-piadiana raha tsy vita lamina tsara angaha ny fifanarahana sy ny fanaraha-maso

    Nampidirin'i jentilisa — 17 Jan 2008, 07:43

  3. Mazava anie izany e ! mora tafihana ny pôlisy gasy. Afaka mifaninana aminy tsara amin'ny fitaovam-piadiana ny jiolahy (ny sasany aza resiny ara-pitaovana). Raha resaka sandry dia eisy, tena resiny e! vitsiana ny tena manana habe commando eto amintsika.
    Izay no mba hevitro.

    Nampidirin'i Tsiks — 17 Jan 2008, 15:29

  4. Misy agence de sécurité betsaka eto ry Simp a ! ary ry zalahy aza ngôdangôda sy ratsy tarehy tokoa. Fa tsy mora koa ny karamany ka !!! Mihorohoro ny gasy satria ry pôlisy hiaro aza voatafika k'no ! Io tsy fandriam-pahalemana io no tena malaza eto Dago izao nefa izay rehetra manam-pahefana tonga eo tsy misy mahafehy azy ! Ny olona anefa efa samy miezaka miaro ny tenany sy ny fananany fa "ny aza tratrany" sanatria ihany no fanafody !

    Nampidirin'i Tsiks — 17 Jan 2008, 15:33

  5. Fa mahavariana tokoa fa isaky ny miova ny lehibe ao amin'ny sampana mitandro ny filaminana toy itony dia misy sampona foana.

    Nampidirin'i jentilisa — 17 Jan 2008, 16:46

Powered by LifeType