Vaovao Eto anTOerana.VETO

28 Jan, 2008

Tena tia

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 15:35

Ianareo angaha ahoana? noho ny fiatoan'ny karajia dia tsy manana loharanom-baovao loatra intsony aho. Iny manko no tena mba nanarahako ny vaovao eto Madagasikara indrindra ireo tsy mba lazain'ny haino aman-jery loatra. Marina fa manana vaovao ihany aho saingy tena nilefitra dia nilefitra ny fahazotoana.

Na izany aza dia mba hanoratra ihany aho sao ataonareo hoe dia lasa aiza loatra. Eto ihany fa tena kamo e! Fa na dia tsy hitako manontolo aza dia nahenoana akony ihany. Fandaharana mandalo nokarakarain'ny mpanatontosa ny fandaharana randrana mbs ny fandaharana "tena tia", fandaharana hanaovana fifaninan-kira ho an'olon-droa. Ny loka voalohany dia tapakila maneha mankany Paris ho an'olon-droa. Ny hira atao dia tsy maintsy hiram-pitiavana hirain'olon-droa.

Misy dingana maromaro ao fa ny dingana fanombohana moa dia tsarain'ny mpanakanto telo ahitana an'i Samoela (hatramin'ny oviana moa no lasa akaiky ny groupe tiko i Samoela izay tsy nandeha tamin'ny mbs mihitsy ny hirany tany aloha tany?), Rija Ramanantoanina ary Dah'mama. Any amin'ny atsasa-pamaranana vao miditra mandray anjara fanohanana ny mpijery sy ny mpihaino. 25% no anjaran'ny mpihaino amin'io atsasa-pamaranana io ary 35% amin'ny famaranana. Ny fitsaran'ny mpanakanto voalaza teo izany no tena iankinan'ny naoty amin'io fotoana io.

Entina miatrika ny fetin'ny mpifankatia moa ny anton'io fandaharana "tena tia" io. Dia izay aloha fa mba nahita hosoratana aza.


Hevitra

  1. jereo tsara ny tohiny fa misy gidra2 oh t@ raise your voice indray zao io!

    Nampidirin'i news2dago — 28 Jan 2008, 16:25

  2. pissoa
  3. Misy ranamana izay efa nanontany hoe ary marary angaha i Jentilisa !

    Mazotoa hatrany o.

    Nampidirin'i pissoa — 28 Jan 2008, 17:30

  4. Ohatra ny efa hitako ny sariitatra manao hoe "Tia Tena" ...

    Nampidirin'i lap — 28 Jan 2008, 17:42

  5. mazotoa mitia e

    mahereza e!

    simp

    Nampidirin'i simp — 28 Jan 2008, 22:40

  6. Matetika anie ny olona somary manamanana foana no migidragidra amin'itony ehatra itony e! fa rehefa voalaza mialoha moa ny fitsipika ho aiza loatra intsony e!

    Nampidirin'i jentilisa — 29 Jan 2008, 08:10

Powered by LifeType