Vaovao Eto anTOerana.VETO

30 Jan, 2008

Sao dia Ambohilavatandroka no izy?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:52

 

Mbola tsy naheno anaran-tanàna Ambohitandroka aho fa ireto sary vitsivitsy ireto no anehoako aminareo hoe sao dia Ambohilavatandroka ary no anarana mety amin'ity tanàna asehoko eto ity. Mba Ambohitandroka ihany ny tanan-dehibe rehetra manerantany fa mba miavaka kosa ity tanànan'ny tanora amin'ny ankapobeny nefa tsy antsoina hoe Ambohijatovo ity na dia izany aza.

 

Ireo ny sary asehoko anareo: vinanio aloha hoe tokony ho sarina inona moa ireo manaloka ireo. Toa bararata toa zozoro nefa voatr'olombelona ireo fa tsy vita nanahary ry zareo a! Ireny tandroka maniry ohatry ny anana mameno ny tanàn-dehibe mankany amin'ny fandrosoana ireny anie no lazaiko anareo e! sa mbola tsy fantatra ihany?

 

Faritra ambony atsinanan'Antananarivo io asehoko anareo io ary mananontanona ny haavon'i Manjakamiadana aza io vohitra io na dia somary ivaiva kokoa aza. Izay mipetraka eny mahalala avy hatrany fa Ambohipo no lazaiko. Hitanareo ve ny mampiavaka io tanàna io indrindra fa eny amin'ny "cité" ary any amin'ny mpianatra? Ny halavan'ny tandroka no tiako lazaina anareo.

 

Takona an'Ambohimitsimbina manko ny ilany atsinanana amin'io vohitra io nefa mba te-hijery fahitalavitra ny sarambaben'ny olona sy ny mpianatra dia akarina avo dia avo ny tandro-pandraisan-dahatsary. Dia lazao fa diso koa ny teny gasiko! moa tsy tandroka no dikan'ny "antenne"?

 

Raha Zavaboary hatrany no hisintonana ny mpizahatany haketo Madagasikara, ny tandroka voatr'olombelona kosa angamba no azon'Ambohipo hisintonana mpizahatany na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ny mahavohitry ny fo an'Ambohipo aloha tsy fantatro loatra fa ny halavan'ny tandroka no hitako. Mba mananontanona ihany koa ny eny amin'ny sitey AnkatsoI sy AnkatsoII fa Ambohipo miavaka mihitsy e! Mampahatsiahy ny radio Netherland (oadray izany fahadisoan-tsoratra!) ery Langaina ireo tandroka maro ireo.


Hevitra

  1. Aoka marina fa lasa adala matihanina ny tenanay mahita ny tanàna nonenana e ! :-)

    Nampidirin'i lap — 30 Jan 2008, 12:18

  2. tena samy manana fahita lavitra zany ny mpianatra tsirairay ao ambohipo sy ankatso ao! fa inona no bizina anton-dry zalahy ao aza sao dia mba mivarotra rongony fotsiny? fa tsy mianatra e!

    Nampidirin'i news2dago — 30 Jan 2008, 13:46

  3. mahaloa ny hetra amin'ny fahitalavitra daholo ve anefa ? sa rehefa hoe misy aloa dia dia hoe tsy raikitra izany assainissement izany ?

    Nampidirin'i potsy — 30 Jan 2008, 15:44

  4. Aiza no hisy handoa hetra fahitalavitra ao e! mba manana aloha dia izay

    Nampidirin'i jentilisa — 30 Jan 2008, 16:15

  5. le fil an'ny Jirama kou vao mia manampy trotraka, lasa misy tady eo @ ilay tandroka :)

    Nampidirin'i simp — 30 Jan 2008, 22:29

  6. ary hono hoa ry jentilisa, tsy trano fianarana ve ity sary farany be tandroka ity ?

    Nampidirin'i potsy — 30 Jan 2008, 22:52

  7. Ao amin'ny farany ambany amin'ny cité Ankatso II io ka...

    Nampidirin'i jentilisa — 31 Jan 2008, 07:57

Powered by LifeType