Lasa aiza i jentilisa?
Tena miserana vetivety aho ry zareo. Milaza fa tsy farofy tsy migadra fa salama soa amantsara. Ny hany tsy anoratako dia tena sahirana mihitsy aho amin'izao fotoana izao ka na ny mivoivoy aza tsy mbola afaka. Na nisy nanoratra aza any amin'ny mailaka dia mbola tsy afa-niijery mihitsy aho. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy miverina aho rehefa malaladalaka kokoa.
Ny vaovao tena be dia be fa noho ny fotoana mihitsy no tsy ahafaha-mampita azy. Ohatra: nohidiana ny "couloir de la mort" noho ny fanamboarana. Ny mampihomehy dia mbola eny amin'ny toerany soa aman-tsara ny mpivarotra rehetra amin'iny lalantery iny. Dia mandeha mizotra soa amantsara ihany koa ny mpandalo. Rehefa lazaina fa tapaka ny lalana tsy misy mino fa mandeha ihany. rehefa eo ampototra eo vao gaga hoe hay tapaka tokoa.
Dia tena eny tokoa angaha no mba toerana tokana ivarotany ka tsy hiteny aminao mihitsy izy hoe "mihidy ny lalana any". Zarany aza ianao mandalo eo amin'ny tsenany aloha. Dia izay vaovao fohy indrindra noho ny fotoana samborina izay no mba ampitaiko aloha fa amin'ny manaraka manao bebe.

sali sali an
Tena nisy fahagagana mintsy androany kle.
Nitsangana t@ maty kou i jentl :)
aiza moa ity couloir de la mort ity fa tsy araky ny antitra e? :P
Nampidirin'i simp — 09 Feb 2008, 18:18
msôtra jentilisa @ vaovaon-tselika a
izao ary le "couloir de la mort" ry dadabe simp a :-P :
--> anarambositra iantsoana an'ilay lalan-kely mampitohy an'i "tetezan'i bekiraro" ( ataovy hoe "Antohomadinika" raha tsy hainao io) sy Antanimena. Anelanelana tamboho roa izy io, ary ny tamboho iray dia ny tambohon'ny "stade-n'i MALACAM". Io lalan-kely io dia teritery, lavalava, ary maizimaizina rehefa hariva. Hany ka fataon'ny mpangarom-paosy fiandry rehefa alina ny andro. Rehefa manao "opération" moa zareo reo dia "tsy tafavoaka velona" (tsy tafatsoaka no marimarina kokoa) izay tafiditra ao satria sakanan-dry zareo avy eo aloha sy aoriana. Izay no maha "couloir de la mort" azy.
Betsaka ny reko fa tratran-dry zalahy tao ka dia mailomailò ihany izay tsy mahalala e! Ny tenako moa dia mbola tsy tratrany (soa ihany) na de mpandeha ao matetika hatramin'ny 7ora hariva aza hihihi
Mazava ve le definisiô ô :-)
Nampidirin'i Tokinao — 09 Feb 2008, 18:46
:)
dia misaotra anao anaka fa mazava tsara, ho tahian'A/tra, hahazo vady iadanana :-P
Fa ono wa, ra couloir 1 fotsiny ve no eo tsy azo fandrihana ireo ratsy fanahy mangaro-paosy ao, otran'ny le @ film ireny e :)
na koa tonga dia asiana polisy miandry tsotra izao eo isan-kariva eee
Nampidirin'i simp — 09 Feb 2008, 22:55
OUF |
Nampidirin'i ikalamako — 10 Feb 2008, 00:43
Mahereza sy mazoto ary aloha e.
Fa mba tongava @ asabotsy fa ho antsika ihany io.
Nampidirin'i Tattum — 11 Feb 2008, 19:05
Ho avy raha vao afaka e!
Nampidirin'i jentilisa — 12 Feb 2008, 09:53
HITAKO NO TSY HITAKO Ra-Jentl a !
Nampidirin'i Tsikisariaka — 14 Feb 2008, 15:50