Maharesaka.VETO

15 Feb, 2008

Madauto: Bankirompitra angaha?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 10:34

Ny orinasa lazaiko eto dia tranombarotra goavana mivarotra fiarakodia izay manana ny foiben-toerany ao Ankorondrano. Gaga dia gaga aho raha nahita filazana tao amin'ny gazety 'le quotidien' omaly 14 febroary takelaka iray manontolo ny fanaovana lavanty hotontosaina ny alatsinainy 18 febroary 2008 ho avy izao ary hatomboka amin'ny 10 ora maraina izany.

Amidy atao lavanty noho ny fitorian'ny lehiben'ny resevera momba ny hetra izay misolo tena ny talen'ny fanarahamaso ny fandoavan-ketra sy ny fifanolanana mikasika izany manko ny fiara miisa 117 sy fiara mpitrongy tany (tracteur) an'io orinasa io. Fiara vaovao tokony amidy avokoa izy ireo ary saiky fiara fitondrana entana mahatanty lalandratsy (4x4) misy seza aloha sy aoriana avokoa (pick up double cabine).

Vaka ny saina no mieritreritra izao toe-javatra izao. Tsy mba fiara ampolony manko no resaka eto fa mihoatra ny zato. Inona ny fototry ny olana? Nanao fahadisoam-pilazana ve ny orinasa sa tsy zakan'ny orinasa intsony ny hetra takian'ny fanjakana? Mila fanadihadiana avy amin'ny mpanao gazety izao... ary enga anie mba hisy izany hipoiran'ny marina amin'ity zavatra tsy mbola reko loatra ny akony an-gazety ity. Ny fotoana ihany koa moa ny ahy dia sambosamborina hatramin'izao.

Fa resaka hafa dia hafa ho fahatsiarovana ny fetin'ny mpifankatia teo indray ity soratako eto ity. Naka rivotra kely aho afak'omaly hariva dia nandehandeha tamin'iny Tsaralalana iny tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany hariva teo (mbola hiverina hiasa soa aman-tsara avy eo). Nisy rangahy iray tokony ho anelanelan'ny 65 - 75 taona teo ho eo teo alohako nizotra soa aman-tsara. Nisy ramatoa anelanelan'ny taona 55 - 65 eo ho eo nifanena taminay fa notsongoin'ilay rangahy mafy ihany ny sandriny ho'aho. Taitra be ilay ramatoa ary nahateny hoe 'fa adala ve ianao rangahy ity a! efa antitra io mbola misary gaigy ihany?'. Izaho kosa latsaky ny hehy tsy misy tahaka izany nahita izany toe-javatra izany. Ilay rangahy koa moa tsy niherika mihitsy sady nitsiky vendrana izany rehefa nosongonako hatreny ampitandalana hijereko ny tavany. Loza koa anie ity fetin'ny mpifankatia ity fa mahalasa gaigy ny tanora sy ny antitra e!


Hevitra

    news2dago
  1. Sao dia mbola tohiny fisolokiana nataon'ilay sipa niasa tao izany ry jentilisa ilay vao nosamborina t@ farany taona teo rehefa tafaverina vao avy any an-dafy!

    Nampidirin'i news2dago — 15 Feb 2008, 11:33

  2. mety ho bankirompitra, mety hoe misy aksionera maromaro niala ihany koa...
    Ra tena mila vola ry zareo tsy naleo ve ny kaompania no namidy ampahany na otr'zany fa tsy natao lavanty ny entana?

    Nampidirin'i simp — 15 Feb 2008, 13:24

  3. vaovao farany: nandefa taratasy fanoherana ny fanaovana ny lavanty ny ao amin'ny douane na ny fadintseranana satria fiara mbola tsy nandoavana ny zo ho amin'izany avokoa ireo fiara rehetra ireo.

    Nilaza ry zareo tao fa tokony ho ny trano sy ny fitaovam-piasana no atao lavanty fa tsy ny fitaovana mbola 'sous-douane'. Marihina fa ny resaka rehetra dia tsy mbola nanadalo fampielezam-peo fa resadresaka amin'izay manam-baovao madinidinika.

    Nampidirin'i jentilisa — 15 Feb 2008, 13:49

Powered by LifeType